Tsy Nanao Anarana Malaza ho An’ny Tenany Izy Ireo
TSY manome ny anaran’ireo mpanorina an’ilay tilikambon’i Babela malaza ratsy, ny Baiboly. Milaza toy izao ny fitantarana: “Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao [anarana malaza ho an’ny tenantsika isika, NW ], fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika.” — Genesisy 11:4, izahay no manao sora-mandry.
“Izy” iza moa ireo? Roanjato taona teo ho eo taorian’ny Safo-drano no nisehoan’izany zavatra izany. Tamin’izay dia niaina teo anivon’ny taranany an’arivony maro i Noa, izay 800 taona teo ho eo. Nampiasa fiteny iray ihany izy rehetra, ary niara-nonina tao amin’ilay faritra nipetrahan’izy sy ireo zanany, taorian’ny Safo-drano. (Genesisy 11:1). Nisy fe-potoana nifindran’ny ampahany tamin’io mponina nitombo isa io niantsinanana, ka ‘nahitany tany lemaka tany amin’ny tany Sinara’. — Genesisy 11:2.
Tsy fahombiazana tanteraka
Tao amin’io tany lemaka io no nanapa-kevitra ny hikomy tamin’Andriamanitra ilay antokon’olona. Tamin’ny fomba ahoana? Naneho ny fikasany i Jehovah Andriamanitra rehefa nandidy ny mpivady olombelona voalohany ho ‘maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany’. (Genesisy 1:28). Naverina indray tamin’i Noa sy ny zanany io didy io taorian’ny Safo-drano. Nanome toromarika azy ireo toy izao Andriamanitra: “Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin’ny tany sy mihabetsaha eny.” (Genesisy 9:7). Ho fanoherana ny toromarik’i Jehovah, dia nanorina tanàna iray ny olona, mba tsy ‘hielezany eny ambonin’ny tany rehetra’.
Nanomboka nanorina tilikambo iray koa ireny olona ireny, mba hanaovana “anarana malaza” ho an’ny tenany. Nifanohitra tamin’ny zavatra nantenainy anefa, dia tsy nahavita ny fanorenana an’ilay tilikambo izy ireo. Asehon’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa nampisafotofoto ny fitenin’izy ireo i Jehovah mba tsy hahafahany hifankahazo. “Dia tao no nampielezan’i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy”, hoy ny fitantarana ara-tsindrimandry. — Genesisy 11:7, 8.
Tsy tonga ‘nalaza’, na hoe fanta-daza na oviana na oviana ny anaran’ireo mpanorina, ary izany dia manasongadina fa tsy nahomby tanteraka io ezaka io. Raha ny marina, dia tsy fantatra ny anaran’izy ireny, ary voakosoka tsy ho ao amin’ny tantaran’ny olombelona. Fa ahoana kosa ny amin’i Nimroda, zafiafin’i Noa? Tsy izy ve no mpitarika an’io fikomiana tamin’Andriamanitra io? Tsy fanta-daza ve ny anarany?
Nimroda — Mpikomy sahisahy ratsy
Tsy isalasalana fa i Nimroda no mpitarika ilay fikomiana. Mampahafantatra azy ho “mpihaza mahery [nanohitra an’i Jehovah, NW ]”, ny Genesisy toko faha-10. (Genesisy 10:9). Milaza koa ny Soratra Masina fa “izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ny tany”. (Genesisy 10:8). Mpiady sady lehilahy nahery setra i Nimroda. Izy no olombelona lasa mpitarika voalohany indrindra, taorian’ny Safo-drano, ary nanendry tena ho mpanjaka. Mpanao fanorenana koa i Nimroda. Mihevitra ny Baiboly fa izy no mpanorina ireo tanàna valo, anisan’izany i Babela. — Genesisy 10:10-12.
Noho izany, dia tsy isalasalana fa nandray anjara tamin’ny fanorenana ny tilikambon’i Babela i Nimroda — mpanohitra an’Andriamanitra sy mpanjakan’i Babela ary mpanorina tanàna. Tsy nanao anarana malaza ho an’ny tenany ve izy? Hoy ny nosoratan’i E. F. C. Rosenmüller, manam-pahaizana momba ny Atsinanana, ny amin’ny anarana hoe Nimroda: “Ilay anarana dia nomena an’i Nimroda avy amin’ny hoe [ma·radhʹ], ‘nikomy izy’, ‘nivadika izy’, araka ny dikan’ny teny hebreo.” Avy eo dia nanazava i Rosenmüller fa “fanaon’ny Tatsinanana matetika ny miantso ireo olo-malazany amin’ny anarana omena aorian’ny nahafatesana. Avy amin’izany indraindray no iavian’ny fifanarahana mahazendana eo amin’ilay anarana sy ny zava-bita”.
Manam-pahaizana maromaro no miray hevitra fa tsy anarana nomena teo am-pahaterahana ny hoe Nimroda. Mihevitra kosa izy ireo fa anarana nomena tatỳ aoriana izy io, mba hifanaraka tamin’ny toetrany mpikomy, rehefa nanjary niharihary izany. Nilaza toy izao, ohatra, i C. F. Keil: “Ilay anarana hoe Nimroda mihitsy, avy amin’ny hoe [ma·radhʹ], ‘hikomy isika’, dia manondro fanoherana feno herisetra an’Andriamanitra. Toetra nampiavaka azy tokoa izy io, hany ka tsy maintsy ho nomen’ireo olona niara-belona taminy, ary dia nanjary anaran-tsamirery.” Eo amin’ny fanamarihana ambany pejy, dia manonona an’i Jacob Perizonius, mpahay tantara, ho nanoratra toy izao, i Keil: “Mino aho fa tsy niala teo am-bavan’io lehilahy [Nimroda] io, ary naveriny indroa, ny teny hoe ‘nimroda, nimroda’, izany hoe ‘andeha isika hikomy! andeha isika hikomy!’, tamin’ny naha-mpihaza lozabe azy sady voahodidina namana maro, mba handrisihana ny hafa hikomy. Noho izany, tatỳ aoriana izy dia nantsoin’ny hafa sy i Mosesy koa aza, tamin’io teny io, ho toy ny anaran-tsamirery.”
Mazava fa tsy nanao anarana nalaza ho an’ny tenany i Nimroda. Toa tsy fantatra ny anarana nomena azy teo am-pahaterahana. Voakosoka tsy ho ao amin’ny tantara izany anarana izany, toy ny an’ireo mpanara-dia azy koa. Tsy namela taranaka mba hitondra ny anarany akory izy. Tsy nahazo laza amam-boninahitra izy, fa nitafy fahafaham-baraka kosa. Manondro azy mandrakizay ho mpikomy sahisahy ratsy, nihaika tamin-kadalana an’i Jehovah Andriamanitra, ilay anarana hoe Nimroda.