Ny hoavin’ny fivavahana rehefa heverina amin’ny fiainany tamin’ny lasa
Fizarana faha-3: 1942-1513 al. fan. ir. — Egypta — Saha fiadian’ireo andriamanitra
“Fototra sy ambonin’ny zavatra rehetra ny fivavahana tany Egypta.” — Will Durant, mpanoratra sady mpanao tantaran’ny taonjato faha-20.
NY MPIAVY voalohany tany Egypta dia taranak’i Hama zanakalahin’i Noa, izay azo heverina indrindra ho Mizraima zanakalahin’i Hama, rahalahin-drain’i Nimroda. (Genesisy 10:6-8) Taorian’ny fanorokoroana ny fiteny tao Babela, dia niely ireo mpanorina tilikambo tsy nahomby mba hanao fiaingana vaovao, ary nitondra ny fivavahana babyloniana narahiny. Ny sasany tamin’ireo mpanorina tsy faly ireo dia niely tany amin’ny faritra izay nanjary fantatra hoe Egypta.
Miresaka ny amin’“ny niavian’ny fotopototra manokan’ny kolontsaina Egyptiana avy any Siomeria sy Babylonia” i Will Durant ao amin’ny The Story of Civilization. Tamin’izany no nahatonga ny fivavahana babyloniana hamela soritra lalina tany Egypta, ary dia nanjary nibahan-toerana teo amin’ny fiainan’ny Egyptiana ny fivavahana. Milaza toy izao ny The New Encyclopœdia Britannica: “Voasoritra lalina aoka izany amin’ny firehana ara-pivavahana ny fiainana ara-kolontsaina sy ara-tsosialy, ka ny hoe mahafantatra ny kolontsaina egyptiana dia tsy maintsy mahafantatra ny fivavahana egyptiana, ary ny mifamadika amin’izany.”
Tsy fifanarahana sy fifanoherana
Manana andriamanitra maro be ny fivavahana egyptiana, izay asehon’ny andriamanitra maherin’ny 500, ary mety ho avo roa heny noho izany. “Manerana an’i Egypta amin’ny ankapobeny, dia tsitelotelo ny fitambaran’andriamanitra any amin’ny tanàna na tanàn-dehibe”, hoy i E. A. Wallis Budge, mpandinika ny tantaran’i Egypta. Rehefa ela ny ela dia niseho ny fitambaran-telon’andriamanitra iray lehibe, dia ny fianakaviana masina voaforon’i Osiris, rainy, Isis, reniny, ary Horus, zanany.
Niteraka fihamboana ho ‘ny andriamanitra tokana’ ny fivavahana tamin’ny andriamanitra maro, tamin’ny ankapobeny. Miharihary anefa fa tsy mampaninona an’ireo pretra sy teôlôjiana ny mino andriamanitra tokana sady mahita azy ho manana endrika maro. Hazavain’i B. Mertz fa izany dia “ohatra hafa fotsiny ny amin’izany fifanoheran-javatra mampiavaka ny fivavahana egyptiana izany.”
Mazàna ny biby no ampiasaina hoenti-mampiseho toetran’andriamanitra na ny tenan’ireo andriamanitra mihitsy aza. Antitranterin’ilay mpanoratra frantsay atao hoe Fernand Hazan anefa fa mihoatra noho ny famantarana fotsiny ireny biby ireny, satria noheverina ho mendri-panajana “noho izy ireny nampiseho fifangaroan-kerin’ireo andriamanitra, tsara na manimba.” Tsy mahagaga araka izany, raha voalaza fa novonoina ny olom-pirenena romana iray satria namono saka, ary izany fatin’alika, saka, mamba, voromahery, ary ombilahy maina izany dia hita tao amin’ny fasana egyptiana.
Tafiditra lalina tao amin’ny fivavahan’i Egypta ny fombafombam-pivavahana, ny fanompoam-pivavahana mifono zava-miafina, ary ny fanaovana majika. Tao koa ny fampiasana sary ara-pivavahana sy famantarana, toy ny lakroa misy tahony, mariky ny fiainana. Samy nomena ny fahalehibeazany izy ireny, hoy ny The New Encyclopœdia Britannica, ka “tsy ny finoan’ny tsirairay mihitsy (ny fitiavam-pivavahany) no zava-dehibe voalohany indrindra.” Ampiany fa eo amin’ireo sary, dia “ny an’i Isis sy Horus zaza eo am-pofoany, izay angamba nalaina tahaka hampisehoana Ny Virjina sy ny Zanaka, no miavaka indrindra.”
Nino ny fiainana aorian’ny fahafatesana ny Egyptiana. Nohamaininy ny fatiny ary notahiriziny anatina rirakitso (pyramide) mahatalanjona ny fatin’ireo farao. Ny fasana tranainy dia nahitana, araka ny filazan’ny mpanoratra iray, “zavatra tsinontsinona nefa misy heviny tahaka ny fasiana fanatsarana endrika, vakana, ary vilany tany izay nisy sakafo na fisotro fahiny.”
Loza folo amin’ny fanisana miverina ho amin’ny fandringanana
Tamin’ny 1728 al. fan. ir., dia nisy zavatra nitranga, izay nisy vokany nahatahotra ho an’i Egypta sy ny fivavahany. Taonjato roa teo ho eo taorian’ny nitsidihan’ny lehilahy iray atao hoe Abrahama an’i Egypta, dia niala tany ny taranany mba handositra ny vokatry ny mosary lehibe iray. (Genesisy 12:10; 46:6, 7) Naharitra tany nandritra ny 215 taona izy ireo, ary fantatra tamin’ny anarana hoe Isiraelita. Sehatra niadian’ireo andriamanitra izany, dia ireo andriamanitra maroben’i Egypta tetsy an-daniny, ary i Jehovah, Andriamanitra tokan’ny Isiraelita tetsy an-kilany. Rehefa nangataka mba handao an’i Egypta hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ny Isiraelita, vetivety dia tonga tamin’ny ambaratonga lehibe ny raharaha.
Nanda ny fiangavian’izy ireo ny faraoa (anaram-boninahitra avy amin’ny teny egyptiana hoe “trano lehibe”), mpanapaka an’i Egypta. Nolazain’i Jehovah haingana àry ny fikasany hampiasa ny fahefany amin’ny fomba mahagaga ho fanampiana ny vahoakany. (Eksodosy 7:1-6; 9:13-16) Tamin’ny fandefasana loza folo nisesy tamin’i Egypta no nihaikany ireo andriamaniny ho amin’ny fifanatrehana. — Eksodosy 12:12.
Nampiova ny reniranon’i Neily, niankinan’ny ain’i Egypta, ho ra ny loza voalohany, ka nahafaty ny hazandranony ary nanery ny Egyptiana handavaka mba hahitana rano azo sotroina. (Eksodosy 7:19-24) Fahafaham-baraka re izany ho an’i Hapi andriamanitr’i Neily!
Mariky ny fahavokarana ny sahona, ary milaza amintsika ny boky The Gods of the Egyptians fa “ny andriamani-dahy Sahona sy ny andriamani-bavy Sahona dia ninoana ho nandray anjara lehibe tamin’ny famoronana izao tontolo izao.” Noho izany, ny loza avy amin’ny sahona niampy ny fahasahiranan’ireo andriamanitry ny fahavokarana toa an’i Osiris sy Ptah ary Sebek, dia mbola nampietry ireo andriamanitry ny famoronana egyptiana koa. — Eksodosy 8:1-6.
Tsy hain’ireo mpisorona egyptiana mpanao majika ny namerina ny loza fahatelo toy ny nataony tamin’ireo roa voalohany. (Eksodosy 8:16-18) Tsy nahomby tamin’ny majika nataony i Thoth filohan’ny mpanao majika. Ary i Geb, andriamanitry ny tany, tsy afaka nisakana “ny vovo-tany” tsy ho lasa moka nanaikitra.
Tamin’ny fanombohan’ny loza fahefatra dia nisy tsipika fampisarahana nisoritra nanelanelana an’i Gosena, faritra ambanin’i Egypta nisy ny Isiraelita, sy ny sisa tamin’ilay tany. Tsy voakasiky ny loza nentin’ny lalitra i Gosena, fa ireo faritra hafa tany Egypta kosa dia simba. (Eksodosy 8:20-24) Niharihary fa i Buto andriamani-bavy mpiahy sy i Horus andriamanitra dia tsy afaka nanara-maso intsony izay nitranga tao amin’izany faritra ao amin’ilay tany izay niandraiketany izany, dia i Egypta ambany.
Andriamani-bavy nanana lohan’ombivavy i Hathor. Mitovy amin’ny ombivavy ihany koa ny sarin’i Nut, andriamani-bavin’ny lanitra. Toy inona ny fahafaham-barakan’izy roa ireo rehefa “maty avokoa ny bibin’ny Egyptiana rehetra” noho ny areti-mandringana tamin’ny loza fahadimy! — Eksodosy 9:6.
Nolazaina fa nahalala “ny teny fanao amin’ny majika ilaina hanasitranana aretina” i Thoth. Ary i Amon-Ra, araka ny andininy faha-70 amin’ny tononkalo natao hanomezam-boninahitra azy, dia mpitsabo “manaisotra ny ratsy sy manafoana ny aretina.” Tsy afaka nisakana ny “vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy” anefa ireo dokotera sandoka ireo, eny fa na dia ireo “ombiasy” aza, tamin’ny loza fahenina. — Eksodosy 9:10, 11.
Nanampy tamin’ny fifehezana ny toetr’andro ny andriamanitra Shu, Reshpu, ary Tefnut. Nefa tsy misy hafa amin’ireo mpanambara toetr’andro ankehitriny, dia tsy afaka nisakana ny kotrokorana sy ny havandra tamin’ny loza fahafolo namely ny olona sy ny biby ary ny zavamaniry, sy ‘nanapatapaka ny hazo rehetra tany an-tsaha’ izy ireo. (Eksodosy 9:25) Nohanin’ny andiam-balala tamin’ny loza fahavalo ny sisa tsy simban’ny havandra. (Eksodosy 10:12-15) Fahavoazana re izany ho an’i Min, andriamanitry ny fijinjana, izay nitana ny varatra tamin’ny tanany havanana ka noheverina fa nifehy ny kotroka sy ny tselatra! Votsotra tamin’ny fihazonany ireo nandritra izany loza roa izany.
Ny “aizim-pito eran’ny tany Egypta rehetra hateloana” no loza fahasivy. (Eksodosy 10:21, 22) Maty ara-bakiteny ny jiron’i Ra, andriamanitra masoandro sy Sekhmet, andriamani-bavy miloloha masoandro boribory, ary Thoth, andriamanitra volana.
Ary toy inona moa ny fidradradradrana rehefa niharam-pahafatesana tampoka ny matoan’ny Egyptiana rehetra, ka “tsy nisy trano izay tsy nahafatesana”, anisan’izany ny “trano lehibe”-n’i Farao! (Eksodosy 12:29,30) Koa satria i Farao noheverina ho taranak’i Ra, andriamanitra masoandro, ny fahafatesana tampoky ny lahimatoany dia nitovy tamin’ny fahafatesan’ny andriamanitra iray. Faharesena nahavery hevitra re izany ho an’i Bes, mpiaro ny tranon’ny mpanjaka sy Buto, mpiaro ny mpanjaka!
Menatra sy afa-baraka, tsy indray mandeha fa impolo, narehitry ny fitiavana valifaty, i Farao sy ny tafiny ka niriotra haingana nanenjika ny Isiraelita. (Eksodosy 12:37, 41, 51; 14:8) Nirehareha toy izao ny tononkalo fahiny iray ho fanomezam-boninahitra ny farao Ni-maat-Re tsy be mpahalala: “Miadia ho fanohanana ny anarany (...) Tsy misy fasana ho an’izay miodina manohitra ny fahamboniany fa hatsipy any anaty rano ny fatiny.” Nefa raha ny amin’ilay Farao izay nandia ny fanisana miverina ho amin’ny fandringanana, dia ny fatiny indray no rendrika tany anaty rano. “Farao, ny tenan’i Horus andriamanitra tonga nofo eto an-tany, mpandova ny fanjakan’i Atum, zanakalahin’i Re [Ra], andriamanitra masoandro”, araka ny iantsoan’ny boky iray azy, dia maty tao amin’ny Ranomasina Mena tamin’ny tanan’ny Andriamanitry ny Isiraelita, izay notoheriny ny fahamboniany. — Eksodosy 14:19-28; Salamo 136:15.
Tena nitranga tokoa ve izany?
Manantitrantitra anefa ny The New Encyclopœdia Britannica, fa mirakitra “fotopototra angano” ny fitantarana ao amin’ny Eksodosy, nefa manaiky koa izy fa “manana fironana hino ny manam-pahaizana amin’ny andro ankehitriny fa misy fototry ny tena zava-misy ao ambadiky ny angano”. Milaza toy izao koa ny Britannica, raha miresaka ny amin’ny fahasarotan’ny famerana ny fotoanan’ny tarana-mpanjaka egyptiana avy amin’ny lisitr’ireo mpanjaka: “Ny tsinin’izany lisitra izany, araka ny raketin’ny tantara, dia noho izy tsy mirakitra afa-tsy ny anaran’ireo mpanjaka noheverina ho mendri-kaja ihany; misy mpanapaka tsotra maro sy tsy malaza nodiana tsy hita tanteraka — voakosoka tao amin’ny firaketana.”
Eo anoloan’ny tsy fahamarinana ara-tantara sy ny fanamboamboarana ny tena izy toy izany, moa ve mahagaga raha “nokosehina” tsotra izao ny amin’izany fandravana nandresena an’i Egypta sy ny andriamani-disony izany? Mihamiharihary izany rehefa tsaroantsika fa ireo izay nanoratra ny tantara dia nanao izany teo ambany fitarihan’ny mpisorona, izay miharihary fa ny hanohana ny hevitr’izy ireo sy ny voninahitr’ireo andriamaniny no nimasoany voalohany indrindra.
Izany fisehoan-javatra taloha izany, dia tsy manambara zavatra tsara na inona na inona amin’ireo mpanohana ny fivavahan’i Egypta amin’ny andro ankehitriny. Ireo izay nanaraka fivavahana marina ihany — ny Isiraelita sy ny sasany tamin’ireo Egyptiana namany — no tafita velona soa aman-tsara tamin’ny adin’ireo andriamanitra. Misy zava-dehibe tahirizina ho azy ireo, dia ny “Firenena Miavaka, Hafa noho ny Rehetra” izao. Vakio izany ao amin’ny fizarana faha-4 amin’ity lahatsoratra mifampitohy ity.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy azo atao ny milaza marina izay farao nanapaka tamin’io fotoana io. Nanipy hevitra ireo mpahay momba an’i Egypta fa, ankoatra ny hafa, dia mety ho Thoutmosis III na i Amenhotep II na i Ramses II izy io.
[Efajoro, pejy 23]
Ahoana no havalinao?
Nandritra ny naha-tany Egypta azy ireo, moa ve ny Isiraelita ihany no nanaraka fivavahana marina?
Tsia, fa nisy ‘lehilahy iray marina sy mahitsy sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy’, nonina tany akaikin’i Oza, na Arabia ankehitriny. Joba no anarany. Niaritra fitsapana mafy momba ny tsy fivadihana izy, azo inoana fa teo anelanelan’ny nahafatesan’i Josefa tamin’ny 1657 al. fan. ir. sy ny nitsanganan’i Mosesy ho mpanompon’i Jehovah nahatoky. — Joba 1:8.
[Sary, pejy 24]
Noheverina ho tenan’ireo andriamanitra tonga nofo ny farao
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of Superintendence of Museo Egizio.
[Sary, pejy 25]
Maro amin’ireo rirakitso no fasana goavana ho an’ireo farao