FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/5 p. 23-27
  • Fizarana 1: Egypta Taloha: Herim-panjakana voalohany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fizarana 1: Egypta Taloha: Herim-panjakana voalohany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay tany sy ireo mponina ao aminy
  • Ny fivavahana
  • Ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy
  • Izay velona oviana?
  • Ny fiakaran’ny herim-panjakana vaovao
  • Ejipta, Ejipsianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 1
    Mifohaza!—2010
  • Fizarana faha-3: 1942-1513 al. fan. ir. — Egypta — Saha fiadian’ireo andriamanitra
    Mifohaza!—1990
  • Iza moa i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/5 p. 23-27

Fizarana 1: Egypta Taloha: Herim-panjakana voalohany

EGYPTA, tanin’ireo farao ny Neily, dia anankiray tamin’ireo sivilizasiona lehibe indrindra teto amin’izao tontolo izao. Mandravaka ireo fitehirizana rakitry ny ela ny zavakantony. Tantaraina ao amin’ireo bokin’ny mpianatra ny tantarany. Mampitampim-bava ireo mpizaha tany ny tangambatony goavana. Ny mbola tsaratsara kokoa, io tany io dia nisehoan-javatra maro araka ny Baiboly, na tafaharo tamin’izany. Im-700 mahery ny Baiboly no manisy fitenenana ny amin’i Egypta sy ireo mponina ao aminy.

Inona anefa no tena fantatrao ny amin’i Egypta fahiny. Raha mahafantatra zavatra misimisy kokoa ny aminy ianao, dia hahatakatra zavatra be dia be resahin’ny Baiboly.

Nahita zavatra maro manamarina ny fitantaran’ny Baiboly ireo arkeology tany Egypta. Aoka horaisintsika, ohatra, ny tantaran’i Josefa. Araka ny hita, ireo anarana, ireo anaram-boninahitra, ny asan’ny mpitandrin-draharaha nataon’i Josefa, ny toerany nanarakaraka ny an’ny filoha tao amin’ilay tany sy ny toeran’ny mpitantana ny hanina, ny fomba fandevenana egyptiana ary na dia ny fahazaran’ireo mpanao mofo niloloha ny harona nisy mofo aza — izany andinindininy rehetra izany dia mifanaraka amin’ireo fanao egyptiana tamin’izany fotoana izany. — Genesisy toko faha-39 ka hatramin’ny taha-47; 50:1-3.

Ilay tany sy ireo mponina ao aminy

Miankina amin’i Neily Egypta. Ny lohasaha lonaka misy an’io onibe io, 20 kilaometatra eo ho eo ny sakany manomboka eo Assouan ka hatrany Caire, dia mivelatra toy ny ribà maitso kely mamakivaky ny efitra mahamain’i Afrika. Fahiny, ny fisondrotan’i Neily isan-taona dia nametraka fotaka lonaka tokoa; noho izany tany nahavokatra izany, dia azon’i Egypta natao ny nanondrana zava-pihinana sy ho tany fialofana tamin’ny fotoan’ny mosary (Genesisy 12:10). Teo amin’ny moron-drano no nanotazana ny “papyrus”, zavatra nanaovana taratasy taloha.

Nantsoina hoe Egypta ambany ny antsanga nidadasika nisampanan’i Neily talohan’ny nivarinana nankao amin’ny rano mangan’i Mediterane. Toa tao no nisy ny “tany Gosena”, niainana’ny Isiraelita nandritra ny fivahiniany naharitra tany Egypta. — Genesisy 47:27.

Ny fivavahana

Noheverin’ireo Egyptiana fahizay fa andriamanitra ny faraony. Izany dia manampy hahatakatra kokoa ny hevitr’ity fanontaniana napetrak’i Farao tamin’i Mosesy tamim-panarabiana ity: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny?” (Eksodosy 5:2). Nanana andriamanitra maro hafa koa ny Egyptiana. Ny lisitra iray hita tao amin’ny fasan’i Thoutmosis III dia nanome ny anaran’ny 740 tamin’izy ireny. Nivavaka tamin’ny fitambaran-telon’andriamanitra na trinite ny Egyptiana, ka ny anankiray tamin’ireo nalaza indrindra dia ilay nahaforona an’i Osiris, Isis sy Horus.

Ny ankamaroan’ireo andriamanitra egyptiana lehibe indrindra dia naseho nanana loham-biby sy vatan’olombelona. Horus dia nanana loham-boromahery ary Thot loham-boronosy na rajako. Ny saka, ny amboahaolo, ny voay, ny gidro sy vorona maro karazana dia noheverina ho masina noho ny fitoviany tamin’ny andriamanitra sasany. Ny vantotr’ombilahy Apis, noheverina ho nampiseho an’i Osiris andriamanitra, dia notehirizina tao amin’ny tempoly iray tany Memphis; tamin’ny fahafatesany, dia nalamina ny fandevenana nalaza ary namboarina tsy ho lo aza ny fatiny. Ny “scarabées” (karazam-boangory) egyptiana malaza natao firavaka ho ody fiarovana dia fampisehoana ny voantay, noheverina ho fisehoan’ny andriamanitra mpamorona.

Na dia tao aza ny fivahiniana naharitra tany Egypta sy ny fifampikasohana akaiky tamin’ny mponina tao aminy, dia tsy nanana afa-tsy Andriamanitra tokana, dia Jehovah, ny Isiraelita, ary tsy tokony hanompo afa-tsy izy irery ihany. Nandrarana azy ireny ny fanaovana sary ara-pivavahana, na sarin’Andriamanitra mihitsy izany, na sarim-borona, na biby manana tongotra efatra na izay zavatra hafa rehetra. Noho ny fitaomana egyptiana angamba no nivavahan’izy ireo tamin’ny ombilahikely volamena, fotoana fohy taorian’ny nivoahany avy tany Egypta. — Eksodosy 32:1-28; Deoteronomia 4:15-20.

Ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy

Nino mafy ny tsy fahafatesan’ny fanahy ny Egyptiana. Izany no antony nanomanan’ireo olo-nalaza tany Egypta ho an’ny tenany, fasana be kojakojany, nisy zavatra fampiasa sy nirenty, noho ny fanantenana fa ho azo antoka ny fahasambarana mandrakizay any ankoatra. Ohatra tsara indrindra ny amin’io fanao io ny pyramida.

Nalahatra tamim-pitandremana tao amin’ireny fasana ireny ny firavaka volamena, fitafiana, fanaka, divay, sakafo, lovia, vatakely ivory sy takelaka kely mba hikosohana ny zavatra fihosotra amin’ny volomaso mihitsy aza. Ninoana fa ireny fananana ireny dia ho azo ampiasaina amin’ny fiainana any aoriana. Taloha ela kokoa, dia nisy andevo novonoina sy nalevina niaraka tamin’ny tompony, mba hanompoan’izy ireny azy aorian’ny fahafatesana. Hita tao anatin’ny vatam-paty an’arivony maro ny “Bokin’ny maty”, fitambarana teny ara-majika nantenaina fa hanampy an’ilay maty amin’ny loza samihafa eo amin’ny fiainana any ankoatra.

Endrey ny tsy fitovian’izany amin’ny fiheveran’ny Isiraelita! Araka ny tsy maintsy nolazain’ny Baiboly tatỳ aoriana, dia fantatr’ireo fa ny maty dia “tsy mahalala na inona na inona”, ary rehefa maty ny olona iray, dia “amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”a. Nanantena ny fananganana ny maty izy ireny. — Mpitoriteny 9:5, 10; Salamo 146:4; Joba 14:13-15.

Izay velona oviana?

Ireo mpandinika ny fomba amam-panaon’i Egypta taloha dia mametra ‘tarana-mpanjaka’ egyptiana 31 ary miresaka ny amin’ny Empira Taloha (tarana-mpanjaka faha-3 ka hatramin’ny faha-6) ny amin’ny Empira Antenatenany (tarana-mpanjaka faha-11 sy 12) ary ny amin’ny Empira vaovao (tarana-mpanjaka faha-18 ka hatramin’ny faha-20). Tsy marina velively anefa izany fomb fanisa izany. Izany dia miankina amin’ny tahirin-kevitra tapatapany sy azo iadian-kevitra, ary ireo tarana-mpanjaka ireo dia mety hahafaoka ny andro nanjakan’ny mpanjaka maromaro nampihatra ny fanapahany tany amin’ny faritra samy hafa fa tsy andro nanjakana nisesyb.

Fony nanomboka ny fanoratana ireo boky voalohany ao amin’ny Baiboly i Mosesy, dia nanao tahaka ny Egyptiana izay toa zatra ny niantso ny mpanjaka hoe “Farao” tsy ny filazana ny anarany manokana. Noho izany antony izany, dia tsy fantatsika ny anaran’ireo farao fantatr’i Abrahama sy Josefa, na ny an’izay nanjaka tamin’ny andro nandaozan’ny Isiraely an’i Egypta. Tatỳ aoriana anefa dia nampiana ny anaran’ny mpanjaka manokana ny anaram-boninahiny hoe “Farao”, ka izany dia nahatonga ho afaka hampifandray ireo fisehoan-javatra araka ny Baiboly tamin’ny lisitr’ireo mpanjaka egyptiana. Ireto ny sasany amin’ireo farao mitana indrindra ny sain’izay mianatra ny Baiboly:

Akhénaton (avy amin’izay nolazaina ho tarana-mpanjaka faha-18) dia mpivavaka nafana fo tamin’ny tava masoandro Aton. Tamin’ny 1887, dia hita ny fitambarana takelaka tanimanga 377 tany Tell el-Amarna, tokony ho 320 kilaometatra tany atsimon’i Caire. Izany zavatra hita mahaliana izany dia ny taratasy ara-diplaomasia voarain’i Akhénaton sy Aménophis III rainy. Ankoatra ny zavatra hafa, dia nisy taratasy nampitondrain’ny filohan’i Jerosalema, Megido, Hazora, Sekema, Lakisy, Hebrona, Gaza sy Tanàna Fanjakana hafa tany Palestina. Azo inoana fa nosoratana taloha kelin’ny nidiran’ny Isiraely tany Kanana, ireny taratasy ireny dia niresaka ny amin’ny firaisan-tetika sy ady. Naharihariny koa fa nanana ny mpanjakany ny tanàna tsirairay avy, araka ny asehon’ny bokin’i Josoa.

Toutankhamon dia vinantolahin’i Akhénaton. Ireo arkeology dia nahita tao amin’ny fasany, fanaka volamena mahafinaritra nasehon’izy ireo tany amin’ny fitehirizana rakitry ny ela maro. Ireny zavatra ireny dia famantarana mampiharihary fa nanan-karena ireo farao. Harena toy izany no nilaozan’i Mosesy, taona maro talohan’ny andro nanjakan’i Toutankhamon, rehefa ‘nanda tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao izy fa nifidy ny hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana”. — Hebreo 11:24, 25.

Mérneptah dia anisan’ny “tarana-mpanjaka faha-19”. Teo amin’ny tsangambatom-pandresena iray dia hita tao amin’ny tempoly iray any Thèbes, dia nampanoratra toy izao io farao io: “Rava Isiraely, tsy misy na inona na inona tafajanona avy aminy intsony.” Io no hany fanononana mivantana ny amin’ny firenen’Isiraely hita hatramin’izao ao amin’ireo tahirin-kevitra egyptiana tranainy. Na dia miharihary tokoa aza fa hadedehana tsy marim-pototra izany, dia toa mampiseho fa efa nahazo an’i Kanana ny Isiraely. Amin’izany, io fanafihana natao tamin’ny 1473 alohan’ny fanisan-taona iraisana io dia tokony ho eo anelanelan’ny fotoana naharaisan’i Akhénaton ireo taratasin’i Tell el-Amarna sy ny andro nanjakan’i Mérneptah.

Sisaka (Sheshonq I, “tarana-mpanjaka faha-22”) no farao voalohany izay omen’ny Baiboly koa ny anarany. Niaraka tamin’ny tafika maherin’ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia nanafika an’i Joda izy, nandrahona an’i Jerosalema ary “namabo ny rakitry ny tranon’i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra”. (2 Tantara 12:9.) Manamarina izany fisehoan-javatra izany ny sary sokitra iray eo amin’ny manda atsimo amin’ny tempolin’i Amon any Karnak (Thèbes taloha). Asehony ny mpigadra 156 voafatotra ny tanany, ka ny tsirairay avy dia mampiseho tanàna na vohitra azo, anisan’izany Megido, Sonema sy Gibeona. Anisan’ireo faritra azo dia tononin’i Sisaka mihitsy aza ny “sahan’i Abrama”: io no fanasiana fitenenana tranainy indrindra ny amin’i Abrahama ao amin’ny soratra egyptiana.

Ny fiakaran’ny herim-panjakana vaovao

Tamin’ny farany i Egypta, dia nosoloana an’i Asyria teo amin’ny laharan’ny herim-panjakana natanjaka. Nijanona ho mpitarika ara-politika nahery anefa izy. Hosea, mpanjaka farany tamin’ireo fokon’ny Isiraely folo, izany hoe an’ny fanjakan’ny Avaratra, dia nikambana tamin’i So, mpanjakan’i Egypta, mba hanandrana hanakifika ny zioga asyriana, nefa tsy nisy vokany (2 Mpanjaka 17:3, 4). Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, Tiraka, mpanjakan’i Etiopia (azo inoana fa ny andriamanjaka etiopiana tany Egypta, ny farao Taharka) dia nanafika an’i Kanana ka nampiala vetivety ny fanafihan’i Sankeriba mpanjaka asyriana (2 Mpanjaka 19:8-10). Ireo tantara voalahatra momba an’i Sankeriba hita tany Asyria dia azo inoana fa manisy fitenenana ny amin’io fisehoan-javatra io ao amin’izao tatitra izao: “Nataon’ny tenako sambo-belona (...) ireo mpitondra ny kalesin’ny mpanjakan’i Etiopia.” — Iraizotongotr’i Sankeriba ao amin’ny Fikambanana tatsinanana, oniversiten’i Chicago.

Isaia, mpaminanin’i Jehovah, dia nanambara fa Egypta dia hatolotra “eo an-tanan’ny tompo masiaka iray” ary hanjaka eo amin’ny Egyptiana ny mpanjaka “mahery” iray (Isaia 19:4, MN ). Ny fahamarinan’io faminaniana io dia nohamafisin’ny tahirin-kevitra asyriana iray nireharehan’i Esara-Hadona, zanakalahin’i Sankeriba, ny amin’ny fanafihany an’i Egypta, tamin’ny filazana hoe: “Tiraka mpanjakany noratraiko tamin’ny zana-tsipika dimy ary nanapaka teo amin’ny taniny manontolo aho.”

Nizotra nianavaratra farao Neko, tany amin’ny 629 alohan’ny fanisan-taona iraisana, mba hisakanana ny tafik’i Babylona, ny Herim-panjakana Fahatelo niakatra. Nilaza ny Baiboly fa Josia, tany Jerosalema, dia nanao fahadisoana nitady hisakana ny tafika egyptiana tany Megido, satria resy tamin’ny ady izy ary maty (2 Tantara 35:20-24)c. Rehefa afaka efa-taona teo ho eo, tamin’ny 625 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nasian’ny Babyloniana tao Karkemisy koa farao Neko. Ny Baiboly sy ny tantara babyloniana dia milaza ny amin’izany fisehoan-javatra izany, izay nahatonga ny Babyloniana hanana fahamboniana tany Azia andrefana.

Tamin’ny 525 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia latsaka teo ambany fahefan’ny Herim-panjakana Fahefatra, dia ny Empira mediana sy persiana, Egypta. Efa ho taonjato roa tatỳ aoriana, tamin’ny 332 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia niditra an-tsehatra Aleksandra Lehibe ka nametraka teo amin’ny Egypta ny ziogan’ny Herim-panjakana Fahadimy, dia Grisia. Naoriny teo amin’ny nosy telo zoro am-bava onin’i Neily ny tanànan’i Aleksandria izay, tany amin’ny 280 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nanombohan’ny fandikana voalohany ny Baiboly avy amin’ny teny hebreo ho amin’ny teny grika. Io fandikan-teny io, fantatra tamin’ny anarana hoe fandikan-tenin’ny Septante, no nampiasain’ireo mpianatr’i Jesosy teo amin’izao tontolo izao niteny grika.

Tamin’ny andron’i Roma, Herim-panjakana Fahenina, Jesosy mbola zaza dia nentina ho any Egypta mba handositra ny fialonan’i Heroda (Matio 2:13-15). Tamin’ny Pentekosta taona 33, dia nisy Egyptiana tany Jerosalema mba hihaino ny fitoriana ny vaovao tsara kristiana. Apolosy, krisitiana nahay niteny tamin’ny taonjato I, dia avy any Egypta. — Asa. 2:10; 18:24.

Tsy azo lavina fa Egypta sy ny Egyptiana dia nitana toerana nisy tombontsoa teo amin’ny tantara araka ny Baiboly, ary fahitan-javatra araka ny arkeolojia maro no manamarina izay lazain’ny Soratra Masina ny amin’io tany io. Nahery tokoa Egypta, hany ka ao amin’ny andinin-teny ara-paminaniana sasany izy io dia mampiseho an’izao tontolo izao manontolo tapahin’i Satana (Ezekiela 31:2; Apokalypsy 11:8). Na dia tao aza anefa ny fahefany lehibe, dia tsy nahasakana mihitsy ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah i Egypta taloha. Tsy nahavita izany koa i Asyria, io Herim-panjakana Faharoa teo amin’ny tantara araka ny Baiboly io, izay hodinihintsika ao amin’ny nomerao manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Izao no nolazain’ny Firaketana jiosy: “Ny finoana fa mbola velona ihany ny fanahy aorian’ny fahalovan’ny vatan (...) dia tsy ampianarina na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina.”

b Jereo Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy faha-433, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

c Io ady io no anankiray tamin’ireo ady fanapahan-javatra natao tao Megido, ady izay nahatonga an’io toerana io ho sary mampiseho ny ady lehiben’Andriamanitra, dia ilay hataony hanoherana ireo firenena olombelona mpikomy ao Hara-magedona, na Haramagedona. — Apokalypsy 16:16.

[Sarintany, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Ranomasina Mediterane

Karkemisy

Eofrata

Megido

Jerosalema

Aleksandria

GOSENA

Memfisy

Neily

EGYPTA AMBANY

Theba

[Sary nahazoan-dalana]

Araka ny Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel.

[Sary, pejy 24]

Andriamanitra egyptiana aseho manam-batan’olombelona sy loham-boromahery.

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of the British Museum, London

[Sary, pejy 25]

Tapany avy amin’ny “Bokin’ny maty” hita tao anaty vatam-paty iray.

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of the Superintendence of the Museo Egizio, Turin

Vata fasiana faty voavoatra tsy ho lo sy sarony.

[Sary nahazoan-dalana]

Museo Egizio, Turin

[Sary, pejy 26]

Toutankhamon mpanjaka sy Amon andriamanitra mipetraka.

[Sary nahazoan-dalana]

Museo Egizio, Turin

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara