FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/7 p. 28-29
  • Indray mitopy maso maneran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso maneran-tany
  • Mifohaza!—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • VAOVAO FARANY MOMBA AN’I CHERNOBYL
  • REHEFA MIBALIAKA NY MASOANDRO
  • NY HERIN’NY HANITRA
  • FIANGONANA FOANA
  • NY RAMANAVY SY NY OLONA
  • ANKIZY MAHANTRA
  • TAZO MANDEHANDEHA
  • ZATOVO MPISAVIKA
  • RENITANTELY “ROBOT”
  • FAMONOAN-TENA MITOMBO
  • FAMPIJALIANA MIFANOHITRA AMIN’NY FIFEHEZANA
  • Mpamboly Manana Elatra any Anaty Ala Mikitroka
    Mifohaza!—2014
  • Ny Fahaizan’ny Ramanavy Mamantatra Zavatra Amin’ny Alalan’ny Onjam-peo
    Nisy Namorona Ve?
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1996
Mifohaza!—1990
g90 8/7 p. 28-29

Indray mitopy maso maneran-tany

VAOVAO FARANY MOMBA AN’I CHERNOBYL

Telo taona sy tapany taorian’ny loza noklehera tany Chernobyl, any U.R.S.S., ny mponina any an-toerana, “indrindra fa ny ankizy, dia mijaly amin’ny fivontosan’ny fihary tiroida, hakamoana, fahafotsian’ny anakandriamaso, ary fitomboan’ny homamiadana”, araka ny voalazan’ny Manchester Guardian Weekly. Any amin’ny toerana iray dia nambaran’ny mpitsabo manam-pahaizana fa an’aliny maro hatramin’izao no matin’ny homamiadana vokatry ny taratra. Nanao tatitra momba ny hafainganan’ny fitomboan’ny fahaterahana kilemaina eo amin’ny biby fiompy ny mpiandraikitra ny fiompiana: “zanak’omby tsy misy lohany, tongony, taolan-tehezany na masony; kisoa manana karandoha tsy ara-dalàna.” Voalaza fa avo 30 heny noho ny tokony ho izy ny taratra ao amin’io faritra io. Nilaza toy izao i Zoya Tkachova, talen’ny hôpitaly any Mogilev, any amin’ny faritr’i Buelorussie: “Tsy afaka miantoka fiainana mahasalama ho an’ny mponina mihitsy izahay ao amin’ny faritra voaloto”.

REHEFA MIBALIAKA NY MASOANDRO

Nanao planina sy nanorina zava-bita iray miavaka ny mpanao mari-trano iray any amin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina, raha naminavina fiara mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Araka ny voalazan’ny gazety Die Zeit, dia niteraka antsoantsom-pifaliana avy amin’ny ankizy ilay fiara tao an-tanànan’ilay mpanao mari-trano, raha mbola niady hevitra ny olon-dehibe na mitovy amin’ny latabatra fanaovana “ping-pong” izy io na sahala amin’ny trondron-dranomasina fisaka. Tonga lafatra anefa ilay fiara raha tsy jerena ny bikany. Io no tompon-daka maneran-tany amin’ny fiara mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ary manana hafainganam-pandeha mahatratra 130 kilaometatra isan’ora aza. Noho ny bateriany voafahana tsara anefa no ahavitany izany. Tsy mandeha mihoatra ny 30 kilaometatra isan’ora ilay fiara raha mandeha amin’ny herin’ny masoandro fotsiny, ary izany dia rehefa mibaliaka ihany ny masoandro.

NY HERIN’NY HANITRA

Nisy fanjarianasa japone nanao fanandramana tamin’ny ranomanitra manova toetoetra. Nolazain’ny manam-pahaizana japone iray fa ny ranomanitra toy izany, izay mamoaka fofona malefaka, dia “natao hampitony ny disadisan’ny marary ary mampitombo ny vokatra azo amin’ny asa sy manalefaka ny fihenjanan’ny fitatitr’ireo mpiasa sy mpiasa birao ao amin’ny orinasa”. Mpiasa mpanao lavaka klavie telo ambin’ny folo no nodinihina nandritra ny 30 andro, ary nasehon’ny fanandraman-javatra fa ny antsalan’ny fahadisoana isan’ora dia nihena 54 isan-jato rehefa misy fofom-boasary makirana manamanitra ny rivotra ao amin’ny birao. Resahin’ny gazety fa misy mpandinika toe-tsaina iray “nokaramaina mba hamita hanitra azo afafy any amin’ny “metro”-n’i New York mba hampihenana ny fanendahana ka hampitomboana ny fitiava-namana.”

FIANGONANA FOANA

Araka ny fanadihadiana natao vao haingana tany amin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina, dia 70 isan-jaton’ny Alemanina no mino an’Andriamanitra, ary 13 isan-jato monja no milaza ho tsy mpino, hoy ny gazety alemanina Schweinfurter Tagblatt. Tondroin’ny vokatry ny fitsapana hevi-bahoaka nataon’ny Fikambanana Allensbach Mpanao fanadihadiana anefa fa 5 isan-jaton’ny loterana sy 25 isan-jaton’ny katolika any amin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina monja no miangona tsy tapaka. Mihoatra ny 60 taona ny 50 isan-jaton’ireo.

NY RAMANAVY SY NY OLONA

Misy ramanavy romotra mahatandindomin-doza ny olona any Eoropa, hoy ny Manchester Guardian Weekly. Fahavoazana an-jatony maro vokatry ny kaikitry ny ramanavy no fantatra tany Eoropa nandritra ireo taona faramparany. Tsy i Eoropa ihany no voakasika. Voalaza fa hatramin’ny 1983 dia olona roa no maty tany amin’ny Firaisana Sovietika ary iray tany Finlanda, vokatry ny kaikitry ny ramanavy mitondra aretina. “Any Amerika Atsimo sy Afovoany dia miely ny areti-mandringan’ny haromotan’ny ramanavibe mpitsentsitra ra”, hoy ny gazety Weekly. Ankoatra izany, ny famelezan’ny ramanavy ny olona vao haingana tany Frantsa dia nahafantarana karazana viriosy mamely ny ramanavy. Antsoina hoe viriosin-dramanavy eoropeana io viriosy vaovao mitovy amin’ny an’ny haromotana io.

ANKIZY MAHANTRA

Firenena iray fantatra noho ny fandrosoany sy ny fananany harena i Etazonia, nefa ny fanadihadiana nataon’ny solontenan’ny fitondram-panjakana dia nahitana ankizy an-tapitrisany maro ao amin’io tany io tsy salama sy tsy mahay taratasy. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Sampandraharaha miandraikitra ny Fanisam-bahoaka, dia 1 isaky ny ankizy 5 any Etazonia — 12,6 tapitrisa latsaka ny 18 taona — no miaina eo ambanin’ny faritry ny fahantrana. Araka ny fiampangan’i D. Lee Bawden, manam-pahaizana momba ny toekarena, ny fitomboan’ny fahantran’ny ankizy dia avy amin’ny fitomboan’ny isan’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny ihany. Notombanana ho ankizy mihoatra ny 17 tapitrisa any Etazonia no miara-mipetraka amin’ny ray na ny reny ihany.

TAZO MANDEHANDEHA

Misy olona vitsivitsy voalaza fa tratran’ny tazo teny akaiky na tao amin’ny seranam-piaramanidina any Grande-Bretagne, Frantsa, Pays-bas, ary Soisa. Taorian’ny nilazany fa tsy nandeha ivelan’ny taniny nandritra ny herintaona ny sasany tamin’ireo tratran’io aretina io, dia nanampy ny gazety Machine Design fa ny fisehoan-javatra toy izany dia mampahatsiaro fa “ny moka tonga tamin’ny fiaramanidina avy any lavitra nankeo amin’ny seranam-piaramanidina no namindra ny tazo”.

ZATOVO MPISAVIKA

Asehon’ny fandinihana natao vao haingana fa tamin’ireo famelezana eo amin’ny lahy sy ny vavy sy fanandramana hisavika 1,5 tapitrisa tany Etazonia, dia saika ny antsasany no nataon’ny zatovo mpisavika, araka ny voalazan’ny gazety Medical Aspects of Human sexuality. Tamin’ny fandinihana hafa iray natao tany Etazonia dia nahita ny mpikaroka fa “72 %-n’ny zatovo mpisavika no voalaza fa nampiasa zava-mahadomelina iray na maromaro tamin’ny andro nanaovany izany; 54 % no nampiasa alikaola, 44 % “marijuana”, ary 25 % zava-mahadomelina hafa... Telo amby efapolo isan-jato no domelina nandritra ny fisavihana.” Araka ny voalazan’io gazety io dia ny alikaola no matetika mety handray anjara amin’ny famelezana ampiasan’ireo mpisavika herisetra na fanerena mafy dia mafy.

RENITANTELY “ROBOT”

Nasehon’i Karl Von Frisch, manam-pahaizana momba ny biby, tamin’ny 1945, fa fepetra tena sarotra ny dihin’ny renitantely mpiasa manome soridalana ny tantely namany ho any amin’ny fangalana mamy vaovao iray. Nahazo loka Nobel noho ny zava-bitany izy taorian’izay. Nanomboka teo ny mpahay siansa dia nanandrana nanao renitantely “robot” afaka hanao toy izany. Nandiso fanantenana anefa ny vokatra. Nanjary tsy fantatr’ireo tena renitantely ireo sandoka noho ny dihiny mahery setra. Araka ny voalazan’ny gazety alemanina Hannoversche Allgemeine anefa dia nanamboatra renitantely “robot” manana elatra kely mitaingina eo ambony fitoerany diamondra ny mpahay siansa. Mamoaka feo hafa kely manampy amin’ny dihy ny elany. Nanaitra ny sain’ireo renitantely hafa io “robot” io rehefa nandramana tany Danemarka. Nifanotofany izy io ary nandramany notsindronina mba ho faty. Nankasitraka ny dihin’ilay “robot” anefa ny renitantely tany amin’ny tanàna hafa, ary nandeha nanaraka azy nitady mamy.

FAMONOAN-TENA MITOMBO

◻ Ireo taona 1980 no nisian’ny taha-pamonoan-tena ambony indrindra teo amin’ny olon-dehibe teo amin’ny tantaran’i Kanada, hoy ny gazety The Toronto Star. Asehon’ny antontanisa fa lehilahy avokoa ny 80 isan-jaton’ireo namono tena. Ny Dr. David Conn, mpisolo toerana ny lehiben’ny fitsaboana aretin-tsaina ao amin’ny Toby Fikarakarana ny be taona any Baycrest, dia nanoratra fa ny aretina vokatry ny alikaola tsy miseho sy ny fitoerana ho manirery rehefa nahazo fisotroan-dronono, na ny fahafatesan’ny havana, no anisan’ny antony mety hiteraka fitambarana aretina ara-batana. “Ny fitambaran’ny fahaketrahana sy ny fisotroana dia mety hiteraka fikasana hamono tena”, hoy ny gazety Star. Inona koa no famantarana mialoha sasany? Nolazain’i Barbara Debuk, mpandinika aretin-tsaina ho an’ny fahasalamana sy ny asa soa any Canada, fa izany dia: fanangonam-panafody, fanomanana ny hahafatesana, fanamboarana didim-pananana, fanaovana ny tena ho fanomezana ho an’ny fitsaboana, fanehoana fa mitana ny saina mafy ny amin’ny fahafatesana.

◻ Nolazain’ny Saturday Star, gazety iray any Johannesburg, atsy Afrika Atsimo fa ankoatra ny zavatra hafa, “ny fanaovan’ireo fiangonana filazalazana manintona ny amin’ny any ankoatra” dia antony mitarika hamono tena any amin’io tany io. Nomarihiny fa ny “fahalianana ny amin’ny zava-miafin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana” no nitarika ho amin’ny fandringanan-tena. Tantarain’io gazety io ny ohatra ny amin’ny zatovolahy iray 16 taona namono tena. Izy io dia “nilaza tamin’ny fianakaviany fa tapa-kevitra ny hamarana ny fiainany noho ny antony tokana, dia ny hahita izay fiainana aorian’ny fahafatesana”, hoy ilay gazety.

FAMPIJALIANA MIFANOHITRA AMIN’NY FIFEHEZANA

Ny fanadihadiana natao tamin’ny mpigadra 237 tany Etazonia dia nandinika ny mahatonga ny ankizy hahery setra rehefa lehibe. Hita tamin’izany fa “87 isan-jaton’ny mpigadra nilaza ho voadaka sy voaisy totohondrin’ny ray aman-dreniny fahakely no mpanao herisetra”, hoy ny Science Digest tamin’ny janoary 1990. Misy vokany mitovy amin’izany eo amin’ny ankizy ny fahitana ny iray amin’ny ray aman-dreniny mamono ny anankiray. Toa tsy dia antony mahatonga azy ho mpanao herisetra rehefa lehibe anefa ny fikapohana ny ankizy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara