Fijerena An’izao Tontolo Izao
“Fandripahana Mangina”
Eo imason’ny Oxfam (Oxford Committee for Famine Relief, na Komity ao Oxford Misahana ny Fanampiana Izay Tratran’ny Mosary), fikambanana lehibe iray manao asa soa sy fampandrosoana, dia ampy ny hamafin’ny fijalian’ny mahantra maneran-tany mba hiantsoana azy hoe “fandripahana mangina”, araka ny gazety britanika Guardian Weekly. Tao amin’ny tatitra iray nanombohana ezaka manokana naharitra dimy taona mba hanampiana ny mahantra maneran-tany, dia hitan’ny Oxfam fa mipetraka any amin’ireo firenena mahantra indrindra 50 ny ampahadimin’ny mponina maneran-tany. Ireo tany ireo ihany dia nahita ny anjarany amin’ny fidiram-bola maneran-tany nidina be hatramin’ny 2 isan-jato mihitsy. Mihamitombo koa ny hantsana mampisaraka ny manankarena sy ny mahantra ao amin’ireo firenena. I Meksika, ohatra, dia niharan’ny krizy ara-bola mafy sy fahantrana niely patrana, kanefa tamin’io fotoana io ihany dia nahita ny fitomboana haingana indrindra teo amin’ny isan’ireo mpanapitrisa. Hoy ny mpitondra tenin’ny Oxfam iray: “Misy ny fahatsapana fa ireo mpitarika eo amin’izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana dia (...) very lalana. Mila fiomanana vaovao isika ho an’ny arivo taona manaraka.”
Manimba Kokoa Noho ny Sigara
Izany no fanatsoahan-kevitra nataon’ny komitin’ny antenimiera iray any India mikasika ny bidi, fantatra koa hoe sigaran’ny olo-mahantra. Tombanana fa lehilahy sy vehivavy ary ankizy maherin’ny efatra tapitrisa no manamboatra bidis maherin’ny 300 tapitrisa isan’andro, mamono vovo-paraky ao anatin’ny ravina tendu (karazana zavamaniry) sy mamatotra ilay horonana kely amin’ny kofehy. Araka ny The Times of India, dia asehon’ny tatitra iray vao haingana fa ny bidi dia manan-tombo avo roa heny sy sasany amin’ny sigara raha ny amin’ny fahafahany hiteraka kansera, afaka miteraka silicose sy raboka, ary misy godorao 47 isan-jato sy nicotine 3,7 isan-jato ao anatiny raha ampitahaina amin’ny sigara karàna mahazatra izay misy godorao 36 isan-jato sy nicotine 1,9 isan-jato. Tsy ireo mpifoka ihany no tandindomin-doza. Ireo olona an-tapitrisany maro izay manomana ny bidis dia mazàna no hita miasa mandritra ny ora maro ao anatin’ny toe-javatra tsy mahasalama, mifoka ilay vovo-paraky ao anatin’ny trano bongo tsy ampy rivotra mivoivoy. Ireo ankizy mpiasa indrindra indrindra no mijaly.
Ny Vokatry ny Fahaizan’ny Reny Taratasy
Ninoan’ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamam-bahoaka hatramin’ny ela fa ireo ankizy any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana dia manana fahafahana tsara kokoa ho tafita velona raha mahay taratasy ny reniny — kanefa tsy afaka nanavaka mihitsy ny famakian-teny ho antony iray mahatapaka izany izy ireo. Araka ny gazety New Scientist, dia ny fanadihadiana iray natao tany Nikaragoay “no voalohany mampiseho fa ny fampianarana ny vehivavy dia misy vokany mivantana eo amin’ny fahasalaman’ny zanany”. Ilay fanadihadiana dia nandinika vehivavy tsy nahay taratasy, izay tamin’ny naha-olon-dehibe azy, dia nandray anjara tamin’ny fandaharana goavana fampianarana mamaky teny sy manoratra tany Nikaragoay teo anelanelan’ny 1979 sy 1985. Teo amin’ny faramparan’ireo taona 1970, dia tokony ho fahafatesana 110 isaky ny fahaterahana 1 000 velona ny taham-pahafatesana ho an’ny zanak’ireo vehivavy tsy nahay taratasy. Tamin’ny 1985, ny taham-pahafatesana ho an’ny zanak’ireo vehivavy izay nianatra namaky teny tamin’ilay fandaharana dia nidina ho 84 isaky ny arivo. Mahazo sakafo tsara kokoa koa ny zanany. Mbola tsy mahazo antoka ireo manam-pahaizana raha ny amin’ny antony maha-tsara lavitra ny zanak’ireo reny mahay taratasy.
Fitokiana Nopotipotehina
Voakorontan’ny fiampangana momba ny fielezan’ny fitondrana ankizy mpianatra tamin’ny fomba ratsy, ny tanàna kelin’i Chesterfield Inlet eo amin’ny Helo-dranomasina Hudson any amin’ireo Faritra Avaratra Andrefana amin’i Kanada. Araka ny gazety Maclean’s, ny tatitra tsy miankina iray navoakan’ny fitondram-panjakana vao haingana dia nahita fa nitrangana fametavetana sy fampijalijaliana ara-batana ankizy tera-tany Inuit nandritra ny fe-potoana 17 taona tamin’ireo taona 1950 sy 1960, tao amin’ny Akanin-jaza Federalin’i Sir Joseph Bernier sy tao amin’ny trano ipetrahana iray teo akaiky tantanan’ny Eglizy Katolika. Namita famotopotorana, naharitra 21 volana, filazana tsy voamarina 236 ny amin’ny fitondrana tamin’ny fomba ratsy ny polisy ka nanapa-kevitra fa tsy hametraka fiampangana — tamin’ny toe-javatra sasany dia satria tapitra ny fotoana azo anasaziana; tamin’ny hafa dia satria efa zokiolona na maty mihitsy aza ireo voalaza ho nanao ilay heloka; tamin’ny hafa dia satria tsy afaka namantatra tamin’ny fomba azo antoka an’ireo nanao ratsy ny mpianatra taloha sasany. Hoy ny fanamarihan’ny Maclean’s: “Na dia azo antoka aza fa nanasarotra kokoa ny fanasaziana an’ireo voalaza ho nanao ratsy ny fandehan’ny fotoana, dia tsy nikosoka ny fanaintainan’ireo niharam-pahavoazana izany.”
Fikororosian’ny Fiainam-pianakaviana
Manao ahoana ny fiainam-pianakaviana amin’izao andro izao? Araka ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fampahalalana ny Vahoaka, ireo ray maneran-tany dia mandany, amin’ny antsalany, latsaka ny adiny iray isan’andro, iarahana irery amin’ny zanany — any Hong-Kong dia enina minitra monja, amin’ny antsalany. Mitombo ny isan’ny ray na reny mitaiza irery ny zanany. Any Royaume-Uni, ohatra, dia ny antsasaky ny zaza teraka rehetra tamin’ny 1990 no nateraky ny vehivavy tsy manambady. Mitombo koa ny herisetra ao amin’ny fianakaviana. Tombanana fa amin’ireo ankizy izay mipetraka any Etazonia sy Eoropa Andrefana, dia ny 4 isan-jato no iharan’ny herisetra mafy ao anatin’ny tokantrano, isan-taona. Manan-java-manahirana koa ireo zokiolona. Hoy ilay tatitry ny Firenena Mikambana: “Na dia any amin’ireo tany lazaina fa ‘mandroso’ ao amin’ny Vondrona Eoropeana aza, dia ny ampahadimin’ny mponina zokiolona no miaina ao anatin’ny fahantrana ihany, matetika dia atokana any amin’ireo faritanàna mahantra an-tanàn-dehibe, tsy misy ny fanohanan’ny mpianakaviny sy ny havany akaiky.”
Ireo Loza Amin’ny Fampivadiana Olon-droa Samy Hafa Firenena
Tafaraka tamin’ny fitomboan’ny fahafahana manao dia lavitra avy any Eoropa Atsinanana mankany Eoropa Andrefana ny vokany hafa iray manafintohina: ny fampivadiana olon-droa samy hafa firenena. Nanomboka tamin’ny 1991, dia tombanana ho 15 000 ny vehivavy niala avy tany Eoropa Atsinanana nankany Eoropa Andrefana tamin’ny naha-vady nohafarana tamin’ny alalan’ny paositra. Vehivavy maro no miaina ao anatin’ny fahantrana ka manonofy fiainana tsara kokoa, koa mamaly ny dokam-barotry ny masoivoho iray mampivady olon-droa izy ireo. Matetika tokoa, dia mivadika ho horohoro ilay nofinofy rehefa manjary mitokana any an-tanin’olona ny vehivavy iray sady eo ambany vahohon’ny vady loza be. Voakapoky ny vadiny mafy aoka izany ny vehivavy poloney iray tany Alemaina, hany ka nandositra tany an’ala izy ary niafina tany nandritra ny roa andro tao anatin’ny maripana ambanin’ny zero. Vokatry ny fahangoly nateraky ny hatsiaka mamanala, dia voatery notapahina ny tongony havia sy ny ranjony havanana. Hoy ny fanamarihan’ny gazety anglisy Guardian Weekly: “Maro amin’ireo masoivoho mampivady olon-droa no manao asa fanampiny amin’ny maha-fikambanana mifehy ny fivarotan-tena. Manangoly vehivavy avy any ivelany izy ireo ary avy eo dia manery azy ireny hiditra ao amin’ny trano fivarotan-tena. Ireo izay manohitra dia vonoina araka ny mahazatra.”
Tsy Fahazakana Dia Lavitra
Tsy mahazaka dia lavitra ve ianao? Raha izany no izy, dia tsy irery ianao. Fara fahakeliny, dia olona 9 amin’ny 10 no mirona ho amin’ny tsy fahazakana dia lavitra amin’ny ambaratonga samy hafa, hoy ny tatitra nataon’ny International Herald Tribune. Mety ho voa koa ireo alika, indrindra fa ireo alikakely. Na dia ny trondro aza dia mety tsy hahazaka dia an-dranomasina rehefa entina an-tsambo amin’ny ranomasina misamboaravoara be! Inona no fanafodiny? Olona maro no mitodika any amin’ny fanafody, izay azo vidina any amin’ny ankamaroan’ny pharmacie. Indro misy fanoloran-kevitra hafa izay mety hanampy: Aza mamaky teny ao anatin’ny fiara mandeha. Mipetraha eo amin’ny toerana izay misy fihetsehana faran’izay kely — eo amin’ny toerana anoloana ao amin’ny fiarakodia, ohatra, na mifanitsy amin’ny elatry ny fiaramanidina. Afantohy amin-javatra lavitra, toy ny faravodilanitra, ny maso. Raha tsy tianao ny manao izany, dia akimpio ny masonao.
Miharatsy ny Fandotoana ny Rivotra any Frantsa
Na dia teo aza ireo ezaka nifanekena mba hiadiana amin’ny fandotoana ny rivotra, dia miharatsy kokoa sy mametraka fandrahonana ara-pahasalamana lehibe ho an’ny olona an-tapitrisany maro izay mipetraka any Paris sy ireo tanàn-dehibe frantsay hafa, izy io. Raha ny indostria vaventy no nomen-tsiny voalohany indrindra tamin’ny lasa, amin’izao andro izao kosa dia ny fiarakodia no mahatonga ny 80 isan-jaton’ny fandotoana ny rivotra an-tanàn-dehibe. Nitombo avo roa heny ny isan’ny fiara any Frantsa nanomboka tamin’ny 1970, avy tamin’ny 12 tapitrisa ka nisondrotra ho 24 tapitrisa, izay ao amin’ny faritr’i Paris fotsiny ny 3,2 tapitrisa. Milaza ny gazety Le Monde any Paris fa nasehon’ny fandinihana iray nataon’ny fitondram-panjakana vao haingana fa isaky ny mitombo ny fiangonan’ny gaza misy poizina ao amin’ny faritr’i Paris, dia mitombo torak’izany koa ny isan’ny fahafatesana sy ny fampidirana hopitaly vokatry ny aretim-pisefoana. Tsy dia nisy zavatra mivaingana natao hatramin’izao. Miharihary fa atahoran’ireo mpanao politika sao tsy hampifaly an’ireo mpifidy mitondra fiara izay rehetra mety ho fepetra hentitra tokony handaitra.
Fahavotsana Vava eo Amin’ireo Ankizy
Hitan’ireo mpanao fikarohana ao amin’ny Oniversite Klinika Momba ny Fahavotsana Amin’ny Fampitan-kevitra any Mainz, Alemaina, fa iray amin’ny ankizy efatra mankany amin’ny akanin-jaza no votsa vava. “Tsy nampino ahy ireo tarehimarika”, hoy ny fieken’ny Profesora Manfred Heinemann, talen’ilay klinika. Nanao fitsapana tamin’ireo ankizy telo sy efa-taona ny mpiasan’ny fitsaboana ka nahita fa teo anelanelan’ny 18 sy 34 isan-jato no votsa vava. Ny tarehimarika nifanitsy tamin’izany tamin’ny 1982 dia efatra isan-jato monja. Inona no nahatonga ilay fitomboana? “Mijery televiziona be loatra sy zara raha mifampiresaka ireo fianakaviana”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety alemanina Der Steigerwald-Bote. Toa ny vidéos sy ny televiziona ary ireo kilalao ao amin’ny ordinatera no manao ny anjara asan’ny ray aman-dreny ao amin’ny fianakaviana maro. Nomarihin’ireo mpanao fikarohana fa ny ankizy sasany, izay zara raha afa-miteny, dia “faingam-bava” anefa raha ny amin’ireo kilalao ao amin’ny ordinatera.