Tsarain’ny vavany ihany
HO SOLONTENAN’IREO fiangonana milaza tena ho kristiana rehetra any Eoropa, dia niara-nivory tany Bâle, Soisa, ny solontena 638, tamin’ny volana May 1990, tamin’ny Fivoriambe niraisam-pinoana eoropeana “Fandriampahalemana sy Rariny”. Nolanin’izy ireo tamin’ny latsa-bato 94,5 isan-jato ny tahirin-kevitra farany iray izay azo heverina avy amin’izany ho tahirin-kevitra mirakitra ny finoana ifaneken’ny fivavahana lazaina fa kristiana any Eoropa. Aoka io tahirin-kevitra io hamaly fanontaniana vitsivitsy nety ho nataontsika ara-drariny. (Manondro ireo fizarana ao amin’ny tahirin-kevitra ny tarehimarika ao anaty fononteny.)
Moa ve ireo fiangonana ireo manolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina, ary mitana tena firaisan-tsaina kristiana?
“Ny fiainantsika dia azontsika avy amin’ny Andriamanitra Mpamorona, ilay Andriamanitra telo izay iray — Ray, Zanaka ary Fanahy Masina; ilay, noho ny famindrampony, dia niseho tamin’ny olombelona tao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy. Ivelan’ireo fahasamihafam-pinoana maharitra dia miombon-kevitra avokoa isika raha ny amin’io zavatra inoana io.” (21)
“Noho ny batisa sy ny finoana vokatry ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, isika kristiana dia efa iray ao amin’i Kristy, na dia mbola tsy misy fiombonana tanteraka aza eo amintsika. Mikatsaka ny handresy ireo fahasamihafana mbola misy eo amin’ny finoana sy ny fanao isika mba hahatongavana amin’io fiombonana tanteraka io.” (39)
“Tsy naharesy ireo fizarazarana eo anivon’ny fiangonana isika ary matetika no nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahefana sy ny hery nomena antsika mba hanamafisana ny firaisan-kina sandoka sy voafetra toy ny fanavakavaham-bolon-koditra, fanavakavahana ny vehivavy, ary fanindrahindram-pirenena.” (43)
Moa ve izy ireo niaina mifanaraka amin’ny fihamboany ho mpanara-dia an’ilay Andrian’ny fiadanana?
“Amin’ny maha-kristiana antsika, isika dia mino fa azo avy amin’ny fiaraha-mandeha amin’i Kristy ny tena fandriampahalemana, na dia mihataka amin’ny fanarahana azy hatramin’ny farany aza isika matetika. Ny fandavany herisetra dia avy amin’ilay fitiavana izay mitady na dia ny fahavalo aza mba hanovana azy sy handresena ny fankahalana ary koa ny herisetra. Vonona hijaly ka hampiseho izany amin’ny atao io fitiavana io. Mampiharihary ny tsy maha-ara-drariny ny herisetra izy io, mihevitra an’ireo mampiasa herisetra ho tompon’andraikitra ary mitarika ny fahavalo ho ao amin’ny fifandraisam-pihavanana.” (32)
“Nampisy ady isika ary tsy nampiasa ny fahafahana rehetra hanaovana fampihavanana sy fanelanelanana; nanala tsiny sy nanamarina mora foana ny ady isika matetika.” (43)
Namela soritra lehibe teo amin’ny tantaran’i Eoropa ny fisarahana sy ny fifandrafiana ara-pivavahana. Ady ara-pivavahana ny ankamaroan’ireo ady. Lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany maro no nampijalina sy novonoina noho ny zavatra ninoany.” (48)
Moa ve izy ireo nanaraka ny ohatr’i Jesosy raha ny amin’ny filazana ny marina, fikatsahana ny fahamarinana, ary fanehoana fanajana ny aina sy ny zavatra noforonin’Andriamanitra?
Tsy nahomby tamin’ny lafiny maro ny fiangonana sy ny kristiana ary tsy niaina mandrakariva nifanaraka tamin’ireo fari-pitsipika takin’ny fiantsoan’Andriamanitra, ary tsy nitory ny fahamarinan’i Jesosy Kristy koa aza. (...) Efa ela loatra isika no jamba nanoloana ireo zavatra tafiditra ao amin’ny Filazantsara sy takiny raha ny amin’ny rariny, ny fandriampahalemana ary ny fiarovana ny zavatra noforonina.” (42)
“Tsy nitory ny fiahian’Andriamanitra ny zavaboariny rehetra tsy an-kanavaka isika ary tsy namboly fomba fiaina mampiseho ny fanekentsika fa anisan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra isika.” (43)
Tsy fantany ve ny anton’ny zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao?
“Inona no antony fototr’ireo fandrahonana atrehintsika amin’izao fotoana izao? (...) Ny tena antony (...) dia tokony hotadiavina ao amin’ny fon’ny taranak’olombelona mihitsy, eo amin’ny fitondran-tenan’olombelona sy ny toe-tsainy.” (18, 19)
“Ny toe-javatra sarotra tsy misy ivoahana misy antsika, raha ny tena marina, dia avy amin’ny fandaozana ny lalan’Andriamanitra.” (41)
Na dia eo aza izany fiekena izany, moa ve izy ireo mandà ny hanohana ny fanapahan’olombelona ka mametraka ny fitokiany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina?
“Misy famelabelarana telo tena lehibe manintona ny saina manokana ireto: ny fanatsarana ny fifandraisan’ny Tatsinanana sy ny Tandrefana amin’ny fanatanterahana ny CSCE [Fiaraha-midinika momba ny filaminana sy ny fiaraha-miasa any Eoropa]; ny fanavaozana demokratika any amin’ny Firaisana Sovietika sy ny tany hafa any Eoropa atsinanana; ny fanatanterahana ny fampiraisana an’i Eoropa andrefana (ny hany Asa eoropeana hisy vokany feno amin’ny fiandohan’ny taona 1993).” (51)
“Tokony hatao hisy vokany kokoa ny drafitrasa iraisam-pirenen’ny Firenena mikambana. Nanaporofo izy fa afaka manampy amin’ny fandaminana ireo ady isam-paritra, amin’ny fanohanana ireo ezaka ho amin’ny fampandrosoana ataon’ny tany maro, amin’ny fikarakarana ny zava-manahirana momba ny tontolo iainana. Noho izany, dia ilain’ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao ny mampitombo ny fanohanany ny Firenena mikambana sy ny mampiseho izany fanohanana izany amin’ny endriny azo tsapain-tanana.” (83)
Moa ve misy famantarana fa mety hanova ny foto-keviny momba ny fandraisany anjara amin’ny politika izy ireo amin’ny hoavy tsy ho ela?
“Ny taona 1992, ankoatra izany, no ho faha-500 taonan’ny fanombohan’ny vanim-potoan’ny fitaran’i Eoropa nitondra fahavoazana ho an’ny olona hafa. Manainga antsika izany mba hiasa ho an’ny fifandraisana marina sy milamina eo amin’ireo tany mahaforona an’i Eoropa ary koa eo amin’i Eoropa sy ny tapany hafa eo amin’izao tontolo izao, indrindra fa ny Atsinanana Afovoany izay ivesaran’i Eoropa andraikitra ara-tantara lehibe. Mampirisika mafy ireo fiangonantsika isika mba hanohana ny ady ataon’ny vahoaka any Amerika Latina, Afrika ary Azia ho an’ny rariny eo amin’ny fiaraha-monina, ho an’ny fahamendrehan’olombelona ary ny fiarovana ny tontolo iainany.”
Inona no fotopoto-pitsipika ara-baiboly tokony hampiharina amin’ny fitsarana ireo fivavahana nandany an’io tahirin-kevitra farany io?
Milaza toy izao ny Matio 12:37: “Ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.” (Jereo koa Lioka 19:22.) Ahoana àry ny amin’ireo fivavahana lazaina fa kristiana any Eoropa raha oharina amin’io teny io? Manamarina azy ve ny teniny sa manameloka azy? Raha jerena ireo teny notononina etsy ambony, misy mampisalasala ve ny valiny?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]
Biraon’ny fizahan-tanim-pirenena soisa