Moa ve ny toe-draharaha tsara araka ny toa fisehoany?
“Mety hihamakarakara ny rindrina [Berlin] rehefa mitombo ny fifamatorana eo amin’ny Atsinanana sy ny Andrefana. Nefa ho an-taonany maro na taranaka maro mihitsy aza vao hirodana izy io. Tsy ho tafaray na oviana na oviana indray i Alemaina roa tonta.” Izany no nosoratan’ny gazetiboky amerikana mpilaza vaovao iray be mpamaky, tamin’ny Martsa 1989.
Tsy ampy 250 andro akory tatỳ aoriana, fa tsy an-taonany maro na taranaka maro, dia nanomboka nirodana ny rindrina. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, dia tonga fahatsiarovana andravahana tampom-birao manerana ny tany izao ny vakivakiny an’arivony maro.
RAVA ny efitra vy harafesina mafy iray tamin’ny farany, ary namoha fanantenana fa akaiky ny fiadanana sy filaminana maharitra haneran-tany rehefa ela ny ela. Na dia ny ady tao amin’ny Hoala persika, tany Atsinanana afovoany, aza dia tsy nampihena ny fanantenana fa tapitra ny fifandrafiana naharitra teo amin’ny Atsinanana sy ny Andrefana, ary antomotra ny fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany.
Fanampiana ambain-dainy vaovao
Hatramin’ny ady lehibe faharoa, dia nisy fihetsiketsehana ho fampiraisana an’i Eoropa, niharihary. Tamin’ny 1951, ireo firenena eoropeana tandrefana dia nanorina ny Fiombonana eoropeana momba ny Arintany sy ny Tsỳ. Narahin’ny Varotra iombonana eoropeana izany tamin’ny 1957. Tamin’ny 1987, ireo tany 12 mpikambana tao amin’io fitambaran’olona iraisam-pirenena io (izay misy olona 342 tapitrisa izao) dia nanao ho zava-kendrena ny firaisana ara-toekarena tanteraka hatramin’ny 1992. Na dia ny firaisana ara-politika feno aza izao dia toa hety mihitsy. Toy inona moa ny fiovana mamelombelona avy tamin’ny tantara voapentin-dran’i Eoropa tamin’ireo taon-dasa!
Rehefa heverina anefa ireo fiovana lehibe ara-politika vao haingana, dia nanehoana fiheverana lehibe kokoa ny taona 1992. Nitombo ny fanombantombanana natao fa mety ho tafiditra ao amin’i Eoropa tafaray koa ireo tany kôminista taloha any amin’ny faritra atsinanan’i Eoropa.
Fanohanan’Andriamanitra ve?
Misy antokom-pivavahana sasany, tsy miraharaha ny fotopoto-pitsipika momba ny fialanalanana kristiana, namela ny hisian’ny fanafoanana ny fivavahana naharitra am-polony taona maro tany amin’ny faritra atsinanan’i Eoropa, mba hampirisihana azy ireo hiditra tao amin’ny fitsabahana tamim-paharisihana tao amin’ny politika. Raha nanazava izany ny gazety alemanina mivoaka isan’andro atao hoe Frankfurter Allgemeine Zeitung, dia nanamarika fa “tsy notoherina ny fandraisan’ny kristiana anjara tamin’ny fitondrana ireo fiovana tany Atsinanana”, ary nanampy izy hoe: “Azo antoka fa tsy tokony hatao tsinontsinona izany fandraisan’izy ireo anjara izany.” Manome antsipiriany toy izao izy io: “Tany Polonina, ohatra, ny fivavahana dia nifandray mihitsy tamin’ilay firenena ary tonga mpanohitra be kirina ny antokon’ny fitondrana ny fiangonana; tany RDA [Alemaina Atsinanana teo aloha], dia nanome vahana ireo mpanohitra ny fiangonana ary namela azy ireo hampiasa ny trano fiangonana ho amin’ny raharahan’ny fikambanana; tany Tsekôslôvakia, dia tafahaona tany am-ponja ny kristiana sy ny demokraty, nanjary nifankahazo ary tamin’ny farany dia nanambatra hery.” Na dia tany Romania aza, izay “nisehoan’ny fiangonana ho olom-pehezina nahatoky tamin’ny fitondran’i Ceauşescu”, dia ny fisamborana nampatahotra natao tamin’ilay mpitondra fivavahana atao hoe Laszlo Tökes no nanetsika ny fikomiana.”
Tafiditra koa i Vatican. Nanazava toy izao ny gazety Time tamin’ny Desambra 1989: “Na dia ny politika tsy momba ny atsy na ny aroan’i Gorbatchev aza no antony mivantana nahatonga fitohitohizam-pahafahana nitranga tampoka tany amin’ny faritra atsinanan’i Eoropa tao anatin’ireo volana vitsivitsy lasa, dia mendrika ny fiderana lehibe kokoa i Joany Paoly. (...) Nandritra ireo taona 1980, ny lahateniny dia nanantitrantitra tsy tapaka ny hevitra ny amin’i Eoropa tafaray indray manomboka any Atlantika ka hatrany Ourals, sady entanin’ny finoana kristiana.” Ohatra ny amin’izany, fony nitsidika an’i Tsekôslôvakia ny papa tamin’ny Aprily 1990, dia naneho ny fanantenana fa hanokatra varavarana vaovao eo anelanelan’ny Atsinanana sy ny Andrefana ny fitsidihany. Nanonona synoda voalamina iray voaforona eveka eoropeana izy mba hanoritra tetikasa hanatanterahana ny fahitany ny amin’ny “Eoropa tafaray iray miorina eo amin’ny fototra kristianina omeny.”
Moa ve ny Alemaina tafaray iray ao anatin’ny drafitrasa momba ny Eoropa tafaray iray tsy miharihary ho mpialoha lalana ny Eoropa tafaray tanteraka iray sy ny tontolo tafaray iray mihitsy aza avy eo? Moa ve ny fitsabahana ara-pivavahana tsy manondro fa izany mihitsy no ampanantenain’ny Baiboly? Azo antoka fa noho ireo filoha ara-pivavahana any Atsinanana sy Andrefana izay samy miasa ao anatin’ny drafitrasa ara-politika momba ny fiadanana sy ny filaminana, moa ve isika tsy afaka manantena ny hanjarian’izany ho tena zava-misy tsy ho ela? Aoka hojerentsika ny amin’izany.
[Sarintany/Sary, pejy 4]
Ny fiangonana protestanta Nikolai any Leipzig — mariky ny fiovana lehibe ara-politika tany Alemaina
Ireo firenena mpikambana ao amin’ny Varotra iombonana eoropeana