Manontany ny Tanora Hoe. . .
Ahoana no ahafahako mifantina sarimihetsika mendrika iray?
NILAZA toy izao ny mpilalao iray tao amin’ny sarimihetsika nalaza teo aloha, araka ny voatantara: “Manontany ahy (...) ny olona ny amin’ny antony tsy andehanako mijery sarimihetsika mihitsy ankehitriny. Be loatra mantsy ireo sarimihetsika mampietry.” Naleon’io vehivavy io nanafoana tanteraka ny fandehanana mijery sarimihetsika tsy ho anisan’ny fialamboliny intsony.
Misy zatovovavy iray antsoina hoe Denise manana fiheverana mitovy amin’izany, nefa manolotra vahaolana iray tsy dia hentitra be toy izany izy. “Tsy misy hojerena firy”, hoy ny fanazavany, “satria feno herisetra ny ankabeazany. Noho izany, dia sarotiny be aho raha ny amin’izay jereko.”
Tsy isalasalana fa tia mijery sarimihetsika koa ianao indraindray. Noho izany dia takatra raha toa ianao ka tsy vonona ny hahafoy tanteraka ny fijerena sarimihetsika tsy ho anisan’ny fialambolinao. Nefa, araka ny nampisehoana azy tao amin’ny nomerao teo aloha — ary ny fijerena ireo pejy momba ny fialamboly ao amin’ny gazety na inona na inona hanamarina izany — dia vitsy ny sarimihetsika alefa amin’izao andro izao, izay sahaza ny tanora kristiana iray.a Tsy raharaha tokony hohamaivanina izany satria ireo sarimihetsika jerenao dia ahitana taratr’izay fitsipika ara-pitondrantena heverinao ho sarobidy. Izany dia milaza betsaka ny amin’izay karazana namana mahafinaritra anao, ny karazam-pitenenana leferinao, ny fitondrantena momba ny lahy sy ny vavy tohananao.
Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hankahala ny ratsy’. (Salamo 97:10). Afaka hanao izany tokoa ve ianao raha toa ka mankafy tsy tapaka fandatsahan-dra mampiseho ny toe-tsain’i Satana, fanilatsilarana rantsam-batana sasany, sy herisetra, na sary mampiharihary fahalotoam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy? Tsia dia tsia tokoa. Ny tanora izay tena mihevitra ho sarobidy ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra dia miezaka hanaraka ity torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Filipiana 4:8 ity: “Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.” Izany akory tsy voatery hidika fa tsy maintsy manalavitra ny fijerena ny sarimihetsika rehetra ianao, fa midika kosa fa tsy maintsy mahay mifantina tsara izay jerenao ianao. Ahoana no ahafahanao manao izany?
Fanasokajiana — Torolalana tsy mety diso ve?
Any Etazonia, ireo sarimihetsika dia voasokajy araka ny famerana naorin’ny Fikambanana amerikana momba ny sarimihetsika. Omena litera iray ilay sarimihetsika hanondroana raha heverina fa mety ny hijeren’ny olona rehetra azy, na raha tsara kokoa ny hanarahan’ny ray aman-dreny ny zanany hijery azy, na koa, voafetra hojeren’ny olon-dehibe ihany ilay izy. Ny fampisehoan’ny sarimihetsika iray ny amin’ny maha-lahy sy maha-vavy sy ny herisetra, ny alikaola sy ny fanaranam-po amin’ny zava-mahadomelina, ny teny ratsy, sy ny toy izany, mazàna no fototra nahatonga ny fanasokajiana azy io.
Na dia ekena aza fa misy tsininy ny fomba fanasokajiana toy izany, ary matetika tsy mifanaraka, dia fara faharatsiny manome ho an’ny olona iray mety hijery azy fahalalana sasany ny amin’izay raketin’ny sarimihetsika iray izany, na hety ny hijerena azy na tsia. Raha misy fomba fanasokajiana toy izany ao amin’ny tany misy anao, dia tsy isalasalana fa hoheverinao ho manampy izany. Toy izany koa fa mety hampiasa ny fanasokajiana ny ray aman-dreninao eo amin’ny fanorenany sori-dalana harahina raha ny amin’izay sarimihetsika azonao jerena.
Ireny fanasokajiana ireny anefa dia mety hamitaka. Tadidio izao: Mety tsy hanaiky ny hasarobidin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ireo olona nanao ny fanasokajiana. Ary noho ny fikororosian’ny fitsipi-pitondrantena eo amin’izao tontolo izao, dia sarimihetsika maro be izay noheverina ho naharikoriko taona vitsivitsy lasa izay no heverina ankehitriny fa azo ekena ho an’ny mpijery rehetra.
Nahatsapa izany ny zatovolahy iray atao hoe DeMarlo rehefa nanatrika sarimihetsika iray noheveriny fa anisan’ny azo ekena. Feno “ompa sy herisetra” izany nony nandeha. Koa na dia toa manampy aza ny fanasokajiana, dia tsy tokony ho izany ihany no ho fototry ny fanapahan-kevitra ny amin’izay hojerena. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” — Ohabolana 14:15.
Fanamarinana mialoha ny sarimihetsika iray
Inona avy ireo sori-dalana hafa azonao arahina? Afaka manome anao fahalalana sasany ny amin’izay raketin’ny sarimihetsika iray koa ireo revio momba ny sarimihetsika sy fialamboly. Kanefa eto ihany koa, dia ilaina ny fahamalinana. Ny revio sy dokambarotra momba ny sarimihetsika iray dia mampiseho fotsiny ny fomba fihevitry ny olona hafa iray. Ary ny dokambarotra iray dia mety hinia hanafina ny fisian’ny sary manafintohina ao amin’ilay sarimihetsika.
Nilaza toy izao ny zatovovavy iray atao hoe Connie: “Nahita aho fa matetika ny fahafantarana ny hoe iza ireo mpilalao mandray anjara be indrindra ao amin’ilay sarimihetsika dia manome fahalalana sasany ny amin’izay azo ampoizina fa hasehon’ilay sarimihetsika.” Ireo kristiana mitovy taona aminao mihevitra ny hasarobidin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sahala aminao dia mety hahalala raha azo ekena ny sarimihetsika iray. Ary toy izany koa fa samy afaka manome fanazavana amim-pahatsorana ny mpikarakara ny sinema na ny olona iray ao amin’ny fivarotana karatra fidirana. Amin’ny ankapobeny anefa ny olona dia mirona hiresaka aminao ny amin’izay tena tiany ao amin’ny sarimihetsika iray. Nahoana no tsy anontaniana izay lafiny ratsy amin’ilay izy? Aoka ianao ho hentitra tsara. Fotopotory sao misy fampisehoana herisetra fandatsahan-dra, sary mampiseho miharihary ny amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, na olona azon’ny demonia.
Mety ho afaka hanome torohevitra tsara koa ny ray aman-dreninao. Hoy ny tanora iray atao hoe Vanessa: “Maka hevitra amin’ireo ray aman-dreniko aho. Raha heverin’izy ireo fa azoko jerena, dia lasa aho mijery ilay izy.”
Azo ampiharina koa izany amin’ny fanofana “vidéocassettes”. Ary ambonin’ireo, dia diniho amim-pitandremana ilay boaty misy azy na ny fonony. Moa ve misy zavatra, eo amin’ireo sary sy ireo soratra, mampahafantatra fa tsy azo ekena ilay sarimihetsika? Raha izany no izy dia avereno amin’ny toerany ilay izy! Mety hahasoa koa ny hiresahana amin’ny mpiasa iray ao amin’ilay tranom-barotra efa nahita an’ilay sarimihetsika. Milaza ty izao ny Ohabolana 14:16: “Ny olona hendry iray dia malina ka mandositra ny ratsy; ny adala kosa tsy mitandrina ka voafandrika.” — The New English Bible.
Ilaina ny mivoaka na mamono ny manetôskôpy.
Inona no hatao raha efa nanofa “vidéocassettes” ianao, kanefa hitanao fa hay tsy azo ekena ny zavatra raketiny? Tsotra ny valiny: vonoy ny manetôskôpy! Mety tsy ho mora izany. Mety ho babon’ilay tantara na ireo olona ao anatiny ny fonao. Angamba ianao liana mafy ny hahafantatra izay hiafaran’ilay tantara. Nefa ny fandosirana ny ratsy, mazava ho azy, no zavatra mendrika hatao. — Ampitahao amin’ny Matio 5:29, 30.
Mety ho somary sarotra kokoa ny tarehin-javatra raha toa ianao ka miaraka amina namana ao amin’ny sinema, ary ratsy ny fizotry ny sarimihetsika iray. Niatrika izany tarehin-javatra izany indrindra ny zatovolahy iray atao hoe Joseph. Ireo dokambarotra momba ny sarimihetsika iray vao haingana dia nilaza izany ho “tsy maintsy jerena”. Kanefa, nitantara toy izao i Joseph: “Tao anatin’ireo dimy minitra voalohany dia nisy sary telo momba ny herisetra sy fitanjahana.” Nampahafantarin’i Joseph ireo namany tamim-pahalalam-pomba izay tiany hatao, ary lasa izy nivoaka. Nahasanganehana azy ve ny nanao izany? “Tsia, tsy izany velively”, hoy i Joseph. “Ny amin’i Jehovah sy izay hahazoana sitraka aminy no noeritreretiko voalohany indrindra”.
Ekena aloha fa mety ho mafy ny fanerena avy amin’ireo mitovy taona aminao manoloana ny fijoroana toy izany. Mety ho avy amina tanora nobeazin’ny ray aman-dreny kristiana mihitsy aza ilay fanerena, nefa efa donto ny fieritreretan’ny tanora toy izany noho ny fijerena be loatra sarimihetsika mampisalasala. (1 Timoty 4:2). Mety hiampanga anao ho tsy mahay mandanjalanja na marina loatra izy ireny. Nefa aleo ‘manana fieritreretana tsara’ toy izay hilefitra amin’ny fanereny. (1 Petera 3:16). Tsy izay eritreretiny momba anao no tena zava-dehibe fa izay eritreretin’i Jehovah! Ary raha manohitra anao ireo namanao satria manaja ny fieritreretanao ianao, dia mitadiava namana vaovao. (Ohabolana 13:20). Ianao no tena tompon’ny masonao, ny sofinao, ary ny fonao ara-panoharana. — Ampitahao amin’ny Joba 12:11; 31:1; Ohabolana 4:23.
Aoka ianao hitana fieritreretana madio
Ny tovovavy iray atao hoe Georgia dia nanana fahazarana nangalatra nijery sarimihetsika izay heverina fa tsy azon’ny tanora mitovy taona aminy jerena. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia nanomboka naniry hanana fifandraisana tsara tamin’Andriamanitra izy. Nitsahatra tsy nijery sarimihetsika mampisalasala izy ary nahita zavatra mahafinaritra hafa hatao niaraka tamin’ireo namany kristiana. Hoy i Georgia: “Tsy misy zavatra manelingelina ny fieritreretako intsony. Ary ankehitriny aho dia afaka matory tsara satria tena mahatsapa ho madio ao anatiko aho.”
Irinao ve ny hadio eo imason’ilay Mpandinika ny fo, dia Jehovah Andriamanitra? (Ohabolana 17:3). Raha izany no izy, dia aoka ianao hitandrina raha ny amin’izay ampidirinao ao am-ponao. Fadio ny mitolo-tena tsy amin’ny antony amin’izay herisetra tsy misy antony, amin’ny fanararaotana ny hafa eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, na amin’ny fiteny maloto; tsy hanao afa-tsy ny hanadombo ny fahatsapanao izay mety izany ary hanimba ny fonao. Aoka ianao ho sahala amin’ilay mpanao Salamo izay nivavaka toy izao: “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana.” — Salamo 119:37.
Amin’ny fisehoana ho mitandrina sy mahay mifantina, dia tsy hoe ho afaka hiaro ny tenanao amin’ny fitaomana manimba fotsiny ianao fa ho azonao atao ny hanana izany ‘fahatsapana fahadiovana’ noresahin’i Georgia izany. Ary tsy misy sary voavoatran’i “Hollywood” azo ampitahaina amin’izany fahatsapana izany!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Misy maha-zava-dehibe azy ve ny sarimihetsika jereko?” navoaka tao amin’ny Mifohaza! n°1, 1991.
[Teny notsongaina, pejy 12]
Sarimihetsika maro be izay naharikoriko taona vitsivitsy lasa izay no heverina ankehitriny fa azo ekena.
[Sary, pejy 11]
Mety hahafantatra ireo ray aman-dreninao na azo ekena na tsia ny sarimihetsika iray anaovana dokambarotra.