Manontany ny Tanora Hoe. . .
Misy maha-zava-dehibe azy ve ny sarimihetsika jereko?
‘TSY tena misy heriny amiko ny sarimihetsika’, hoy ny zatovovavy iray atao hoe Karen, ‘satria, mandeha mijery sarimihetsika aho mba ho feno fahatairana sy tahotra, mba hiala voly fotsiny.’ Tanora maro no milaza ny tenany ho tsy mihontsina amin’ny herin’ny sarimihetsika toy izany. Tsy miray hevitra amin’izany anefa ilay tovovavy atao hoe Georgia. Efa nahita sarimihetsika maromaro anisan’ny laharana R izy ka nilaza hoe: “Tsy hadinonao na oviana na oviana ireny sary hitanao nandalo ny masonao ireny (...) Arakaraka ny ieritreretanao azy ireo no anirianao hanao izay hitanao.”a
Tena ankafizin’ny tanora tokoa ny sarimihetsika. Tao anatin’ny taona iray vao haingana, dia zatovo latsaka ny roapolo taona ny 36 isan-jaton’ireo olona maherin’ny 113 tapitrisa nilahatra teny amin’ny trano fandefasana sarimihetsika manerana an’i Etazonia. An-tapitrisany maro hafa no mijery sarimihetsika mitokana any an-tranony amin’ny alalan’ny “videocassette” na fahitalavitra azo avy amin’ny “câble”. Marina aloha fa mila fialan-tsasatra sy fialam-boly isika rehetra indraindray. Afaka mamelombelona sy mamohafoha ny saina ny fialana amin’ny fanao mahazatra toy izany. Ho an’ny tanora maro, ny fijerena sarimihetsika iray dia fomba iray anaovana izany sy amenoana ny tolakandro na ny takariva iray izay ho nanorisory raha tsy izany. Fa sarimihetsika inona anefa no hojerenao? Tena misy maha-zava-dehibe azy ve izany?
Sarimihetsika — Ny fironana ankehitriny
“Fitadiavana fahafinaretana, firaisan’ny lahy sy ny vavy, herisetra, fieremana, fitiavan-tena.” Araka ilay mpitsabo aretin-tsain’ankizy atao hoe Robert Coles, dia ireo no zava-dehibe misongadina ao amin’ny ankamaroan’ny sarimihetsika avoaka ankehitriny. Nanao fanatsoahan-kevitra mitovy amin’izany ny fikarohana notarihin’ny Dr. Vince Hammond fa “ny ankamaroan’ny sarimihetsika aseho any amin’ny tany be taozava-baventy dia nirakitra, fara faharatsiny, herisetra sasany, ka ny maro taminy voalahatra ho ‘mahery setra’ na ‘mahery setra be’.” Nandinika akaiky horonan-tsarimihetsika 1 000 avy amin’ny tany samihafa ireo mpanao fikarohana niaraka tamin’i Hammond. Ny fanatsoahan-keviny? “Zava-manahirana maneran-tany ny famoahana sarimihetsika mampiseho herisetra.”
Ny tena ankafizina manokana eo amin’ny tanora dia ny sarimihetsika mahatahotra, mampiseho olona azon’ny demonia, fisavihana, ary fandatsahan-dra amin’ny fomba faran’izay tsy mifaditrovana. Araka ny filazan’ny Dr. Neil Senior voatonona ao amin’ny revio Seventeen, ireny sarimihetsika ireny dia “mampiseho izay zavatra rehetra tsy hirin’ny fianakaviana tsirairay hitranga aminy”. Kanefa dia tanora maro no milahatra mba hijery izany.
Misy fitomboana miavaka koa eo amin’ny sarimihetsika mampiharihary ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Ary araka ny profesora any amin’ny oniversite iray, “ny mpijery ‘video’ mampiharihary ny firaisan’ny lahy sy ny vavy betsaka indrindra any Kanada, dia tanora eo anelanelan’ny 12 sy 17 taona ary izany dia mety hanolana ny fihetsiny ny amin’ny lahy sy ny vavy”.
Toa tsy dia manahy akory anefa ny taozava-baventy mpanao sarimihetsika. Milaza ny revio Variety fa eo am-pitomboana ny sarimihetsika mampiseho herisetra sy ny amin’ny lahy sy ny vavy miharihary, nefa zara raha misy ny sarimihetsika mahasoa ho an’ny fianakaviana. Mety hisy heriny manimba eo aminao àry ve ny fijerena sarimihetsika ratsy?
Ny fanafihana ny masonao sy ny sofinao
Mitovy amin’ny fanafihana mahery ireo vavahadin-tsaina ny sarimihetsika. Nilaza i Jesosy fa “ny maso no jiron’ny tena”. (Matio 6:22.) Ary izay hitanao dia mety hisy heriny lalina eo aminao. Araka ny nambaran’ny firaketana iray, “ny saina dia manaraka ny maso”. Araka ny tokony ho izy, ny sainao dia mifehy izay fidin’ny masonao hifantohana sy hojerena. Kanefa, rehefa mifantoka eo amin’ireo sary lehibe kokoa noho ny tena izy izay mihetsiketsika eo amin’ny efi-jery (écran) lehibe ny masonao, dia mety hafoinao tanteraka ho babon’ny sitrapon’ilay mpanao sarimihetsika ny sainao. Manjary revo tanteraka amin’ny sarimihetsika iray mihitsy ny sasany ka mety hila ny hodonina mafy mba hahataitra azy ho afaka amin’ny fanangolen’ny sarimihetsika iray.
Manan-kery mafy koa eo amin’ny hevitrao sy ny asanao “ny sofina mandre”. (Ohabolana 20:12). Ny famaboan’ny sary hitan’ny maso sy ny teny lazaina dia hamafisin’ny mozika izay afaka manaitra ny fihetseham-po, ka miteraka tahotra, fahataitairana, fahatezerana, fahamaimaizana. Ho vokatr’izany, ny sarimihetsika dia afaka manome ny mpijery fahatsapana fa toy ny tena marina aoka izany ilay tantara ka sarotra amin’ny sasany ny manavaka ny zavatra tena izy sy ny fitaka.
Ny fanafihana ny sainao sy ny toe-pitondrantenanao
Ny fahitan-javatra na ny fomba fijerin’ny sarimihetsika iray dia mety hisy heriny lehibe koa eo amin’ny fihetsikao eo anoloany. Amin’izany, ireo mpanao sarimihetsika dia manao izay hiheveran’ny mpijery ny tenany ho ireo olona aseho, na dia mpanao heloka bevava na vetaveta sy liam-pahefana aza ilay olona lehibe indrindra amin’ilay tantara.b Raha tsy mitandrina ianao, dia mety ho eo am-pihorakorahana mampirisika mpanao heloka bevava!
Hevero, ohatra, ny fihetsik’ireo mpanatrika teo anoloan’ny sarimihetsika mahatahotra natao hampihomehy iray vao haingana, nampiseho olona adala iray nanan-drantsantanana nifarana tamin’ny hareza izay nikapa tamin’ny tanany isaky ny niseho teo amin’ny sary. Nihoby nampirisika ilay mpamono mpandatsa-dra ny mpanatrika! Voatariky ny fakantsary mpamolavola saina ny mpanatrika ka toa narian’izy ireo ny fahaizany manavaka ny tsara sy ny ratsy — sy izay mety ho fangorahana ireo niharam-pahavoazana.
Endrey ny fifanoheran’izany amin’ny fananaran’ny Baiboly tsy hifaly amin’ny fahorian’ny sasany! (Ohabolana 17:5). Izany dia mifanohitra mivantana amin’ny fitsipika volamena nomen’i Jesosy — ‘hanao amin’ny hafa izay tianao hataony aminao’. (Matio 7:12) Ankoatra izany, moa ve ny fihobiana mpamono olona iray hifanaraka amin’ny fampirisihan’ny Baiboly “hifampiantra”? (Efesiana 4:32) Moa ve izany tsy mitovy amin’ny fampilaharana ny tena ho amin’ny “fiangonan’ny mpanao ratsy”? — Salamo 26:4, 5.
Vokany an-kolaka
Mety hoheverinao anefa fa mandalo sy vetivety ihany ny vokatry ny sarimihetsika. Ary ekena fa tsy ampoizina hanomboka hikapa ny olona rehetra hitanao ianao satria izany no naseho tao amin’ny sarimihetsika iray. Na dia izany aza anefa, ny gazety iray any Nouvelle-Zélande dia milaza fa misy “porofo mitombo hatrany mampifamatotra ny sarimihetsika sy ‘vidéo’ mahery setra amin’ny fihetsika mahery setra asehon’ireo mijery izany”. Toy izany koa, ilay boky Ny maha-zatovo (anglisy) dia nanisy fitenenana ny amin’ny fandinihana maro natao mikasika ny fifandraisana eo amin’ny “herisetra ao amin’ny televiziona sy ny fihetsika tia ady” ary niaiky fa misy “porofo misavovona” ny amin’ny fifamatorana eo amin’ireo zavatra roa ireo.
Nisy koa filazana tao amin’ny gazety ny amin’ny fanaovan-javatra nahatsiravina sy nampivarahontsana vokatry ny fijerena sary sasany tao amin’ny sarimihetsika. Ny tanora iray, ohatra, dia maty noho ny ratra nahazo azy tamin’ny fanandramana nanao tsingolobatita teo ambonin’ny saron’ny môteran’ny kamiônety iray nandeha mafy be. Vao avy nahita io hakingana io natao tao amin’ny sarimihetsika iray tiam-bahoaka izy. Koa tsy hevi-dravina tanteraka àry ny filazana fa mety hisy vokany eo amin’ny ataonao ny sarimihetsika.
Matetika kokoa anefa, dia mampihatra hery mamitaka lavitra kokoa ny sarimihetsika. Ohatra, moa ve tsy maro amin’ireo tanora namanao no miezaka miteny sy mitafy ary manana taovolo mitovy amin’ny an’ny olo-malazan’ny sarimihetsika sasany? Moa ve izany tsy porofo mampiharihary ny hery lehibe ananan’ny sarimihetsika? Amin’ny toe-javatra hafa, ny fijerena sarimihetsika ratsy dia miharihary ho manana hery manimba miandalana ny fiheverana ara-pitondrantenan’ny tanora. Nanantitrantitra ny Dr. Thomas Radecki mpanao fikarohana fa, ny fijerena maharitra sarimihetsika mahery setra, dia “mitarika ho amin’ny fitomboan’ny tsy fihontsinana eo anoloan’ny herisetra”.
Hoy ny Baiboly: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny”. (Salamo 11:5). Moa ve ny fijerenao tsy tapaka sarimihetsika mahery setra mety hisy heriny eo amin’ny fomba fiheveranao ny herisetra? Moa ve ianao mety hanomboka hahita ny herisetra ho mampiala voly na hahafinaritra mihitsy? Ary mety hahatsapa mihitsy aza ve ny tenanao fa mirona kokoa noho ny taloha handamina ireo zava-manahirana anao sy ny tsy fifanarahana hitanao amin’ny alalan’ny hery? Ny Ohabolana 10:23 dia nilaza tsara hoe: “Toa lalaon’ny adala ny fanaovan-dratsy, [heloka bevava, Bible de Jérusalem]”.
Ary ahoana ny amin’ny fitondrantena kristiana anananao? Moa ve ny fijerena sarimihetsika be antsipiriany ny amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fitanjahana mety hanakimpy ny masonao tsy hahita ny maha-ratsy sy ny vokatra mampalahelon’ny firaisana alohan’ny fanambadiana? Tsy mety hikiky ny ‘fankahalanao ny ratsy’ ve izany? — Salamo 97:10.
Ilay mpanoratra atao hoe Jane Burgess-Kohn dia miresaka ny nitranga tamin’ny tovovavy iray antsoina hoe Jeanie. Taorian’ny “nijereny sarimihetsika nampiseho betsaka ny amin’ny lahy sy ny vavy” niaraka tamin’ilay zatovolahy namany, dia niaiky i Jeanie fa nahatsapa “fahataitairana” aoka izany ka tonga hatramin’ny fifanafosafoana sy fifanorohana be. Kanefa dia tsy afaka nijanona teo izy. “Malahelo aho milaza”, hoy ny fieken’i Jeanie, “fa tamin’io alina io, dia mora tamiko ny nanaiky hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Mbola tsy fantatro hatramin’izao izay nitranga nahatonga ahy hanary izay rehetra mety ho fahaiza-misaina. Tsy tiako manokana akory ilay tovolahy!”
Tsy misy isalasalana àry fa manan-kery eo amin’ny fonao sy ny hevitrao ary ny fihetsikao ny sarimihetsika. Moa àry ve ianao tsy tokony hiseho ho mahay mifantina izay jerenao? Hisy lahatsoratra amin’ny ho avy hiresaka ny amin’izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Any Etazonia, dia tsy misy ankizy latsaka ny 17 taona tokony ho tafiditra amin’izay mety ho sarimihetsika nomen’ny Fikambanana Amerikana momba ny Sarimihetsika laharana R na noferany (raha tsy miaraka amin’ny ray na reny na mpitaiza). Saika mandrakariva ny sarimihetsika toy ireny dia mirakitra fampisehoana herisetra miharihary, fiteny maloto, na fampisehoana ny amin’ny lahy sy ny vavy sy fitanjahana miharihary. Matetika loatra anefa, dia tsy ampiharina ireny fameperana ireny, ary avela hiditra ny tanora.
b Nasehon’ny fitsapana voalaza tao amin’ny revio Science News fa mirona hitondra vokany lalina eo amin’ny mpijery izay hitany, “na dia tsy azo inoana toy inona aza ny fahitana ilay fampisehoana” raha mbola ‘mihevitra ny tenany ho iray amin’ireo olona aseho ao amin’ny fahitalavitra na ao amin’ny sarimihetsika’ ny mpijery.
[Teny notsongaina, pejy 16]
“Tsy hadinonao na oviana na oviana ireny sary hitanao nandalo ny masonao ireny (...) Arakaraka ny ieritreretanao azy ireo no anirianao hanao izay hitanao”
[Teny notsongaina, pejy 17]
Misy “porofo mitombo hatrany mampifamatotra ny sarimihetsika sy ‘vidéo’ mahery setra amin’ny fihetsika mahery setra asehon’ireo mijery izany”.
[Sary, pejy 15]
Entanin’ny herin’ny sarimihetsika iray ny mpanatrika ka mihorakoraka mampirisika matetika famonoana olona, halatra, ary fahalotoam-pitondrantena.