Tonga fako tsy azo ariana ireo zavatra fanary raha vao avy nampiasaina
NY TSY fahatsapana ny fahasahiranana momba ny fako sy izay mahatonga izany dia ho fanakimpiana ny maso amin’ny fomba fanaon’ity fiaraha-monina mpanarinary zavatra ity. Ohatra, hitanao ho safidy manintona kokoa ve ny lamba famaohana vita amin’ny taratasy noho ny iray izay vita amin’ny lamba ao an-dakozia? Amin’ny fotoana fisakafoana, soloanao taratasy ve ny servieta lamba fihinanana? Raha manana zazakely mbola manao tantin-jaza ianao, aleonao ve mampiasa tantin-jaza fanary toy izay ireo lamba? Hitanao ho tena mora ampiasaina tokoa ve ny hareza sy ny fakantsary fanary ka mendrika ny hovidina? Vitsy ireo tanora amin’ny andro ankehitriny nanoratra tamin’ny penina an-dranomainty; ny “stylo à bille”, ny sasany amin’izy ireny fanary manontolo, sy ny hafa misy tsinainy fanary sy fanolo, dia efa nisolo toerana azy hatramin’ny ela. Manafatra “stylos à bille” an’arivony maro ireo fanjarianasa. Manaparitaka azy ireo an-tapitrisany maro ireo mpanao dokambarotra.
Ny sakafo azo entina toy ny dite, ny kafe, ny “sodas”, ny “milk shakes”, ary ny “fast-food hamburgers” dia tsy ela dia tsy natao intsony tao anatin’ny kaopy taratasy sy vilia taratasy. Nahatonga azy ireny ho lany andro ireo fitoeran-javatra vita amin’ny pôlistirenina. Ao ireo antsy sy sotro rovitra ary sotro vita amin’ny plastika, ariana daholo any anaty fitoeram-pako rehefa avy nampiasaina indray mandeha. Tsy manam-pahataperana ny karazana sy ny isan’ireo zavatra fanamorana fiainana fanary. “Fiaraha-monina mpanarinary zavatra isika”, hoy ny talen’ny Sampandraharahan’ny faikan-javatra mivaingana fanary any amin’ny fanjakan’i New York. “Tsy maintsy manova fotsiny ny fombantsika isika.”
Inona no azo lazaina ny amin’ireo tavoahangin-dronono vita amin’ny plastika nasolo ny vita amin’ny vera; ireo “kiranyl” naka ny toeran’ny kiraro vita amin’ny hoditra na amin’ny fingotra; ireo aro orana plastika solon’ny lamba tsy tantera-drano vita amin’ny kofehy vita-nanahary? Ny sasany amin’ireo mpamaky angamba dia ta hahalala hoe ahoana no nahafahan’izao tontolo izao nandeha tsara talohan’ny vanim-potoan’ny plastika. Mariho koa ireo laharana mitohitohin’ireo entana ao anatin’ny fonony lehibe noho ny fahita, manintona antsika avy eo amin’ireo talantalan’ny magazay lehibe, sy any amin’ny toerana hafa rehetra ahitana entana tsara fono hamidy. Mamoaka takela-taratasy an’arivony tapitrisa maro ny vanim-potoan’ny ôrdinatera, manampy ny antontan-taratasy be izay efa tonga avo toy tendrombohitra.
Vonona ny handefitra amin-javatra manorisory firy isika mba hahitana fanamaivanana kely amin’ity zava-manahirana ny amin’ny fako mihamitombo ity? Araka ny faminavinana, ireo Amerikana fotsiny dia manipy eny amin’ireo fitoeram-pakony “stylos” fanary 4,3 tapitrisa sy hareza fanary 5,4 tapitrisa isan’andro amin’ny antsalany. Na dia vidiny lafo be aza ireny zavatra mampiadana ireny, dia tsy azo inoana fa hanao dia miverina dimampolo taona any aoriana ity fiaraha-monina ity, fony tsy mbola nanomboka ny vanim-potoan’ny plastika sy ireo fitaovana arifomba fanary raha vao avy nampiasaina.
Mitovy amin’izany no azo lazaina momba ny tantin-jaza fanary. “Mihoatra ny 16 000 tapitrisa ny tanty tombanana ho misy diky sy ditsaka 2,8 tapitrisa taonina eo ho eo, ariana isan-taona ao amin’ireo tobim-pako mihamihena isa manodidina an’i Etazonia”, hoy ny filazan’ny The New York Times. Tantin-jaza nariana mihoatra ny 4 275 000 taonina, tokony hanokatra ny maso izany! “Ohatra tsara indrindra izany”, hoy ny manam-pahaizana manokana iray momba ny fako mivaingana any Washington, “ny amin’ny fampiasana zavatra fanary raha vao avy nampiasaina izay lafo kokoa noho ny zavatra azo iverenana ampiasaina, mampidi-doza kokoa ho an’ny tontolo iainana sy mandany loharanon-karena tsy azo havaozina.” Vonona hizaka ny fahasahiranana avy amin’ny fanasana ny tantin-janany ve ireo ray aman-dreny na hanarama olona manao izany ho anton’asa? Ho an’ny maro, dia tsy azo heverina ny tontolo iray tsy hisy tantin-jaza fanary.
Tonga mariky ny zava-manahirana rehetra momba ny fako ireo tantin-jaza fanary, ho an’ireo mpiaro ny tontolo iainana. “Ny mbola ratsiratsy kokoa”, hoy ny nosoratan’ny U.S.News & World Report, “dia ny hoe ny tsirairay avy amin’ny tantin-jaza plastika natao hatramin’ny fotoana nampidirana azy voalohany tamin’ny 1961 dia mbola any ihany; maka fotoana eo amin’ny 500 taona eo izy ireny mba hahalevonany.”
Niteny ireo manam-pahaizana manokana momba ny tontolo iainana sy ireo manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana fa tsy maintsy manova ny fahazarantsika isika, raha tsy izany dia ho voalevim-belona ao amin’ny fakontsika ihany. Angamba tombontsoa ho an’ireo mpampiasa azy ireo zavatra ampiasaina fanary amin’izao fotoana izao, kanefa dia baomba ho an’ny tobim-pakon’ny tany. Tsy misy fiafarana tsinjo ho an’ny fiainan’ny zavatra plastika. Mifanohitra amin’ny fahalalan’ny maro azy, ireo taratasy an-tapitrisany taonina maro arian’ny Amerikana isan’andro sy izay tsy fantatra lanja ariana maneran-tany, dia tsy mihalevona sy mihamanjavona eo amin’ireo fandevenam-pako na dia mandritra ny taona maro aza izy ireny no ao ambanin’ny fako an-taonina maro. Gazety nofongarina tao amin’ireo fandevenam-pako rehefa nilevina nandritra ny 35 taona mahery no mbola azo vakina toy ny tamin’ny andro namoahana azy ireny ihany.
Ny olana eo amin’ny fanodinana ireo fako ho azo ampiasaina indray
Nosoratana fa efatra ihany ny fomba azo ialana amin’ny fako: “Ny mandevina azy, ny mandoro azy, ny manodina azy ho azo ampiasaina indray — na manao izay tsy hisiany betsaka voalohany indrindra.” Ny fako milevina eo amin’ireo fandevenam-pako, dia tsy vitan’ny hoe manimba ny mason’ireo mipetraka eo akaiky fotsiny fa mety hanjary hampidi-doza ho an’ny fahasalamana koa. Raha mbola mihalò eo amin’ireo toerana fanatobiana fako ny faikan-javatra fanary, izy ireny dia mamoaka gaza tsy miloko sy tsy misy fofona ary mora mirehitra antsoina hoe metanina. Raha tsy voasakana ny metanina avy amin’ireo toerana fanatobiana fako dia mety hihanaka any ambanin’ny tany any, hamono ireo zavamaniry, hitsofoka any amin’ireo trano eny akaiky, ary hipoaka raha arehitra. Tamin’ny toe-javatra sasany dia niteraka fahafatesana izany. Ireo tahirin-drano any ambanin’ny tany, na “nappes aquifères” dia rahonan’ireo zavatra simika mampidi-doza izay mitsika manenika ny tany ary mandoto ny tahirin-dranon’ny olona.
Ny olana manokana amin’ny fanodinana ny gazety ho azo ampiasaina indray, dia ny habetsahan’ny tsy lany. Hoy ny mpiteny ao amin’ny Fikambanana momba ny taratasy amerikana: “Tsy mbola avo toy izany ny isan’ny tahirin-gazety fanary. Ireo orinasa mpanao taratasy sy ireo mpivarotra dia manana ao amin’ny trano fitehirizan’izy ireo gazety iray tapitrisa taonina mahery, izay mampiseho ny ampahatelon’ny vita isan-taona. Tonga ny faritra izay hahafenoan’ny toerana ao amin’ny trano fitahirizana tanteraka.” Vokatr’io fihoaran’ny taratasy io, dia maro amin’ireo tanàn-dehibe izay naka 40 dôlara isaky ny taonina tamin’ireo taratasiny, herintaona lasa izay, no mandoa 25 dôlara isaky ny taonina ankehitriny amin’ireo mpianto-draharaha mba hitaterana izany hodorana na hariana any amin’ireo fandevenam-pako.
Inona no azo lazaina ny amin’ireo plastika? Hoy ny U.S.News & World Report: “Ireo trano fanaovana taozava-baventy amin’ny plastika dia miady mafy mba hanohanana ny fanodinana ireo fako ho azo ampiasaina indray, matetika noho ny tahotra ny handrarana ny famoahana ireo zava-bitany fatra-piely.” Ireo tavoahangy plastika, ohatra, dia azo ahodina ho kofehy fanaovana karipetra pôliestera, hanesehana “parkas” (akanjo mafana misy sosona anaty volom-biby), sy zavatra hafa maro be. Mampiseho fahendrena anefa ireo trano fanaovana taozava-baventy raha manahy ny amin’ny fivarotana azy. Misy toerana sasany namoaka sahady lalàna mandrara ny fampiasana sy ny fivarotana izay rehetra mety ho zavatra vita amin’ny pôlistirenina sy PVC (polychlorure de vynil) ao amin’ireo trano mpaninjara sakafo. Mahafaoka ireo kitapo famonosana sakafo amin’ny plastika, kaopy sy fitoeran-kena pôlistirenina, ary ireo fitahirizana “fast-food hamburgers” vita amin’ny pôlistirenina ilay fandrarana.
Voavinavina fa mihoatra ny 75 isan-jaton’ny faikan-javatra mivaingana fanarin’ireo tanàna any Etazonia no azo ahodina ho azo ampiasaina indray. Noho ny tsy firaikan’ny sarambabem-bahoaka anefa ary noho ny tsy fahampiana eo amin’ny haitao, dia tsy tratra io habetsahana io ankehitriny. Hoy ny manam-pahaizana manokana amin’ny fanodinana ireo fako ho azo ampiasaina indray: “Mandalo vanim-potoana tena sarotra ny fanodinan-javatra ho azo ampiasaina indray. Fitondram-panjakana maro no ho sahirana vao ho tafavoaka avy amin’izany.”
Milaza ny manam-pahefana sasany fa ny fandoroana ireo fako ao anatin’ireo fandoroana lehibe isan-tanàna no vahaolana. Kanefa eo ihany koa, dia misy ny olana. Mampitandrina ireo mpiaro ny tontolo iainana fa ny fandoroana plastika sy fako hafa dia mamoaka zavatra simika misy poizina, anisan’izany ny “dioxine”, eny amin’ny rivotra. “Afaka mihevitra ara-drariny ny fandoroana iray ho toy ny toeram-pamokarana ‘dioxine’ ianao”, hoy ny fanamarihan’ny mpiaro ny tontolo iainana fanta-daza iray. Nilaza ny gazetiboky Newsweek hoe: “Ireo fandoroana koa dia mamoaka lavenona an-taonina maro voapoizina amin’ny firamainty (plomb) sy ‘cadmium’ (fitambarana molaly sy ôksida-na metaly).” Horakora-pandavana no mety ho re avy amin’ireo mponina mipetraka akaikin’ny toerana kasaina hasiana fandoroana. Tsy misy na dia iray aza mila azy ireny eo amin’ny manodidina azy. Hita ho loza mitatao ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana izy ireny. Koa mihamitombo ny fahasahiranana momba ny fako. Mety hisy hanana ny vahaolana ve?