Fako misavovona — Hitelina antsika ve izany?
FIFANOHERAN-JAVATRA hafahafa tokoa izany! Amin’izao taranaka misy antsika izao, ny olona dia efa nandeha nankeny amin’ny volana sy niverina avy teny. Efa nandefa sary nohalehibeazina avy tany amin’ireo planeta any lavitra any ireo satelita farany arifomba indrindra nasiana fakantsary mahataka-davitra izay mahatsinjo an’arivony tapitrisa kilaometatra maro eny amin’ny habakabaka. Efa nidina tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina, namaritra ny toerana misy ireo sambo nilentika sy vaky fahiny ny olona ary nitondra niakatra ho etỳ ambony ny haren’izy ireny voatahirin’ny lasa tsy tsaroana intsony. Efa nifehy ny ataoma saro-pantarina ireo mpahay siansa, na ho tombontsoan’ny olona na ho fanafoanana tanteraka ireo tanàn-dehibe sy ny mponina eo aminy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony. Azo tehirizina an-tsoratra ao anatin’ny “puces électroniques” vita amin’ny “silicium” tsy mihoatra ny hohon-tanan’olona ny habeny ny teny ao amin’ny Baiboly manontolo, ary alefa avy hatrany. Kanefa amin’izay fotoana izay ihany koa, ny olona manana fahakingana sy fahaizana sarobidy toy izany dia tsy afaka mamoaka ny fako avy ao an-tranony sy manary izany amin’ny fomba mety ka hanafaka ny taranany amin’ny tahotra ny ho voalevim-belona ao.
Mba hanombohana, dia aoka hoheverintsika ny toe-draharaha mahasanganehana ny amin’ireo faikan-javatra fanary any Etazonia. Misy milaza fa manary fako mihoatra ny 400 000 taonina isan’andro ny Amerikana. Raha tsy isaina ny fotaka sy ny sisan-javatra fanary avy amin’ny fanorenana, isan-taona dia toa hoe 160 tapitrisa taonina no hariana — “ampy hanaronana kianja filalaovam-baolina 1 000 amin’ny fako mitovy haavo amin’ny trano misy rihana 30, ampy hamenoana kamiao mpaka fako mitandahatra miara-dia tonga hatreny amin’ny antsasa-dalana mankeny amin’ny volana”, hoy ny filazan’ny gazetiboky Newsweek. Mihoatra ny 90%n’ io fako io no taterina amin’ny kamiao ho eny amin’ireo toeram-pandevenam-pako mandra-pahatongany ho havoanam-pako izay mety hahatratra am-polony metatra maromaro ny haavony.
Ny tanàn-dehiben’i New York, ohatra, dia manana ny toerana fitobiam-pako lehibe velarana indrindra eo amin’izao tontolo izao — 800 hektara ao amin’ny Staten Islandin’i New York. Isan’andro dia misy fako 24 000 taonina voangona sy taterina sambo mpitondra entana tokony ho roapolo eo tsy an-kijanona ho eny amin’io fandevenam-pako misavovona io. Vinavinaina fa amin’ny taona 2 000, io antontam-pako io dia ho “avo sasaka hijoalajoala ihany koa toy ny tsangambaton’ny Fahafahana ary hanenika fototra makadiry lavitra noho izay rirakitso lehibe indrindra any Egypta.” Ampoizina fa amin’ny fotoana hikatonan’ilay fandevenam-pako, rehefa afaka folo taona, dia hahatratra 150 metatra ny haavony. Tamin’ny fotoana nandraisan’i David Dinkins, ben’ny tanàna vaovao voafidin’ny tanàn-dehiben’i New York ny raharahany, dia niarahaba azy tamin’izao teny izao ny mpiandraiki-draharahan’ny fahadiovana: “Manao ahoana e! Tonga soa eto amin’ny lapan’ny tanàna. Momba izany indrindra, tsy manana toerana hasiana fako ianao.”
“Manana zava-manahirana ny amin’ny fandevenam-pako avokoa ny tsirairay amin’ireo tanàna lehibe any Etazonia”, hoy ny manam-pahaizana manokana iray. “Mihafeno tsotra izao ireo toerana fitobiam-pakon’i Amerika, ary tsy misy mihitsy fanorenana vaovao hafa”, hoy ny filazan’ny U.S.News & World Report. Nanohy toy izao ilay tatitra: “Amin’ny 1995, ny antsasak’ireo toerana fitobiam-pako misy ankehitriny dia efa hikatona. Maro amin’izy ireny no tsy mifanaraka amin’ny fari-pahadiovan’ny tontolo iainana amin’ny andro ankehitriny.”
Araka ny faminavinana, ny mponina iray any Californie, amin’ny antsalany dia manary fako sy sisan-javatra fanary tokony ho 1,1 taonina eo ho eo ao anatin’ny herintaona. “Ao amin’ny zaratany tapahin’i Los Angeles isika dia mamokatra sisan-javatra fanary ampy mba hamenoana ny Dodger Stadium amin’ny fako isaky ny sivy andro eo ho eo”, hoy ny manam-pahaizana manokana momba ny tontolo iainana iray. Ampoizina hahatratra ny fetra farany zakany ny tobim-pakon’i Los Angeles amin’ny 1995. Ahoana amin’izay fotoana izay? hoy ny fanontanian’ny mponina ao aminy. Kanefa dia mety ho tonga alohan’ny nanampoizana azy ilay andro voatondro, araka ny filazan’ny manam-pahaizana manokana kaliforniana momba ny tontolo iainana: “Isika dia manana kamiao mpaka fako mitety eran’ny tànana isan’andro amin’izao fotoana izao kanefa tsy mahita toerana hanariana fako.”
Hanatrika ny fanakatonana ireo toerana fitombiam-pakony 33 i Chicago amin’ny tapany voalohany amin’izao folo taona izao. Misy tanàna lehibe hafa, eo anatrehan’ny fitobahan’ny fako, mitatitra amin’ny kamiao fotsiny mankany ivelan’ny faritanànany izay tsy zakany. Mampirehitra fahatezerana eo amin’ireo tanàn-dehibe mahazo ny fakon’olon-kafa tsy irina izany. Fako eo amin’ny 28 000 taonina eo ho eo no taterina eny amin’ny arabe amerikana isan’andro mandritra ny fitadiavan’ny olona sasany toerana hanatobiana azy. Voalaza fa manondrana fako 8 tapitrisa taonina i New York, i New Jersey ary i Pennsylvania isan-taona. Fomba fanarian-javatra lafo tokoa izany! “Ny mbola ratsiratsy kokoa”, hoy ny nosoratan’ny gazetiboky Newsweek, dia misy “mpitondra kamiao maromaro izay mitatitra hena sy vokatra ho any amin’ny faritra Atsinanana ao anatin’ny fiarany fampangatsiahana izay mitondra fako feno olitra miverina mankany Andrefana ao anatin’ireny kamiao ireny ihany.” Noho ny loza ara-pahasalamana miharihary mety haterany, dia eo am-piheverana ny handrara ny fanao toy izany ny Kongresy amerikana.
Tsy zava-manahirana an’i Etazonia irery ihany ny amin’ny fako. Rahonan’ny fahatondrahan’ny fako koa ny firenena hafa. Japana, ohatra, dia miezaka hanohitra io zava-manahirana io. Araka ny faminavinana, amin’ny taona 2 005, any Tokyo sy ireo tanàna telo manodidina azy dia hisy 3,43 tapitrisa taonina ny mihoatra amin’ny fakony. Izy ireo koa dia miatrika ny fanondranana izany. “Ny fako dia iray amin’ireo zavatra aondran’ny Japone tsy ahitana mpividy”, hoy ny mpanoratra iray.
Raha mbola tsy ampahorin’ny zava-manahirana momba ny fanariana ny fako avy ao an-tokantranon’ny tsirairay ao aminy ny firenena sasany, dia maro kosa ireo izay manatrika ny zava-manahirana ny amin’izay tokony hatao amin’ireo faikan-javatra avy amin’ny taozava-baventy eo aminy. Ireo firenena, izay mampiasa fandoroam-pako lehibe mba handoroana ny fakony ohatra, dia mifanehatra amin’ny lavenona an’arivony taonina maro, izay mety ho tena mahafaty. NIMBY (Not in my back yard: Aoka tsy ho atỳ amin’ny tokotaniko) hoy ny hiakam-pandavana avy amin’ny mponina eo aminy rehefa miatrika ny fanariana fako eo akaikin’ny tranony izy ireo. Tonga raharaha manahirana an’ireo voakasik’izany ny amin’izay atao amin’ireny fako ireny. Sambo mpitondra entana mivesatra faikan-javatra mahafaty an’arivony taonina maro no mitety ireo ranomasina mitady ‘tokotany’ any an-tany hafa. Maro no nolavina. Nifandona tamin’ny soritr’aretina tsy azo ivalozan’ny NIMBY izy ireny.
Tao anatin’ireo taona faramparany, ireo tany eo an-dalam-pandrosoana dia nanjary tany fitombiam-pako ho an’ny faikan-javatra an’arivony taonina maro tsy misy mpila. Ny sasany tamin’izy ireny dia narian’ireo lehilahy maty eritreritra teny an-tsaha fotsiny. Nanoratra toy izao ny gazetiboky World Press Review: “Ny Amerikana sy ny Eoropeana dia mahita izao fa ny fiarovana ny tontolo iainan’izy ireo dia afaka midika hoe fandotoana ny tanin’olon-kafa.”
Milaza ny The German Tribune tamin’ny Oktobra 1988 fa manondrana ny mihoatra amin’ny fakony any Frantsa, i Zurich any Soisa ary nahita tany fitobiam-pako ao amin’ny “tokotanin’i” Eoropa Atsinanana i Kanada, i Etazonia, i Japana ary i Aostralia.
Ary dia toy izany no fandehany. “Tsy mitovy mihitsy amin’ny hafa rehetra natrehintsika ny fahasahiranana momba ny fako”, hoy ny manam-pahefana amerikana iray. “Raha misy haintany, dia mitsitsy rano ny olona. Nefa amin’ity fahasahiranana ity, dia mamokatra fako fanampiny fotsiny isika.”
[Teny notsongaina, pejy 16]
‘Ampy hamenoana kamiao mpaka fako mitandahatra tonga hatreny amin’ny antsasa-dalana mankeny amin’ny volana’
[Teny notsongaina, pejy 17]
“Ny fako dia iray amin’ireo zavatra aondran’ny Japone tsy ahitana mpividy”