Izay fantatsika momba ny volon-koditra
REHEFA niainga mba hizaha ny tany ireo Eoropeana, efa ho 500 taona lasa izay, dia nanontany tena izy ireo hoe karazan’olona manao ahoana no ho hitany tany. Nisy angano momba ireo olona goavana afaka niroboka tanaty ranomasimbe sy namotika sambo anankiray tamin’ny tanana an’ila. Tao ireo arira nilaza olona nanana lohan’alika namoaka fofonaina lelafo. Moa ve izy ireo hifanehatra amin’ireo “olon-dia” voalazan’ny angano, izay nihinana hena manta sy nanana molotra ngezabe sy nivindina nampialoka azy tamin’ny masoandro? Sa hahita olona tsy nisy vava nivelona tamin’ny famofonana paoma? Ary inona no holazaina ny amin’ireo izay nanana sofina lehibe aoka izany ka azony nampiasaina toy ny elatra, na ireo izay nolazaina fa nandry nitsilany teo ambany alokaloky ny tongony tokana nivelatra be?
Namakivaky ny ranomasina ny olona, nianika tendrombohitra, nanavatsava kirihitr’ala, namindra tamin-kasasarana tany an’efitra, nefa na taiza na taiza dia tsy nahita zavaboary hafahafa toy izany izy ireo. Mifanohitra amin’izany kosa fa gaga ireo mpitety tany nahita olona maro be sahala aminy. Izao no nosoratan’i Christophe Colomb: “Tao amin’ireo nosy ireo [India Andrefana] dia tsy mbola nahita fahasamponan’olombelona araka ny nanantenan’ny maro azy aho hatramin’izao, fa mifanohitra amin’izany kosa, dia deraina ny bika aman’endrika teo amin’ireo olona rehetra ireo. (...) Araka izany dia tsy nahita olona sampona aho na olona nitatitra tamiko momba izany na dia iray aza, afa-tsy (...) foko anankiray (...) izay nihinana nofon’olombelona. (...) Mitovy amin’ny hafa ihany izy ireo raha ny bikany.”
Fanakilasiana ny taranak’olombelona
Araka ny nahitana ny tany àry dia tsy tantaran’angano sy arira intsony ny fahasamihafana misy eo amin’ny olombelona. Azo anaovana fandinihana sy fanadihadiana ireo foko. Tamin’ny farany, dia nanandrana nanakilasy azy ireny ireo mpahay siansa.
Tamin’ny 1735, dia namoaka ilay bokiny hoe Systema Naturae ilay Soedoa manam-pahaizana momba ny zavamaniry atao hoe Carolus Linnaeus. Ao amin’io boky io ny olombelona dia nomena ny anarana hoe Homo sapiens, midika hoe “olona ilay hendry”, teny iray nilazan’ny mpanoratra iray fa angamba ny filazana hevi-teny mampiseho hadalana sy fieboeboana indrindra tamin’izay rehetra nomena ny karazana na inona na inona. Notsinjarain’i Linnaeus ho antokony dimy ny taranak’olombelona, araka ny ilazalazany azy toy izao manaraka izao:
AFRIKANA: Mainty, tsy rototra, tony. Volo mainty, mihoronkorona; malambolambo hoditra; petakorona; matevi-molotra; fetsifetsy, kamokamo, manao tsirambina; mihoso-menaka; tarihin’ny haitraitra.
AMERIKANA: Mihodi-barahina, mora tezitra, mijoro mahitsy; volo mainty, tsotra, matevina; be vavorona; hentitra endrika; manify volombava; kirina, tsy dia misaina loatra; manisy loko mena manify amin’ny tenany; fehezin’ny fomba amam-panao.
AZIATIKA: Malahelohelo, tsy azo hozongozonina amin’ny heviny; volo mainty; maloka maso; henjana, miavonavona, mpitsiriritra; manao akanjo malalaka; tarihin’ny fomba fihevitra.
EOROPEANA: Volon-koditra mazava, mivolon-dra, nofosana; volo mavo, mavo antitra, mihofahofa; maso manga; malemy fanahy, kinga saina, mahay mamoron-javatra; manao akanjo tery; tarihin’ny lalàna.
OLON-DIA: Manana tongotra efatra, moana, voloina.
Mariho fa sady nanasokajy ny olombelona araka ireo toetra nolovana (volon-koditra, toetry ny volo, sns...) i Linnaeus, no nanao fanombantombanana voamariky ny fanavakavahana momba ny toetry ny olona. Nanatitrantitra i Linnaeus fa “malemy fanahy, kinga saina, mahay mamoron-javatra” ny Eoropeana, kanefa nasehony ho toy ny “henjana, miavonavona, mpitsiriritra” ny Aziatika, ary ny Afrikana ho toy ny “fetsifetsy, kamokamo, manao tsirambina”!
Nefa diso hevitra i Linnaeus. Tsy manana toerana ao amin’ireo fanakilasiana ny firazanana amin’ny andro ankehitriny ireo mahaforona ny toetry ny olona ireo satria nasehon’ny fikarohana ara-tsiansa fa eo anivon’ny fitambara-mponina tsirairay dia misy fahasamihafan’ny toe-tsaina mitovy ary koa karazana hakingan-tsaina samy hafa mitovy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia samy ahitantsika toetra tsara sy ratsy mitovy ihany eo amin’ny firazanana tsirairay.
Manakilasy ny olombelona ho antokony telo miorina mafy amin’ny fahasamihafana ara-toe-batana mazàna ny fomba ampiasaina amin’ny andro ankehitriny: 1) Ny “caucasoïdes, volon-koditra mazava sy volo tsotra na oly; 2) Ny “mongoloïdes”, hoditra mavo sy “épicanthus” (maso kely sady misintona miakatra ny sisiny); ary 3) Ny “négroïdes”, hoditra mainty sy volo matevina sady olioly. Tsy manana toetra mifanaraka tsara amin’ny anankiray amin’ireo sokajy ireo akory ny olona tsirairay avy.
Ohatra, ny San sy ny Khoïkhoï any amin’ny faritra atsimon’i Afrika dia mihodi-barahina, manana volo matevina sady olioly, ary manana endrika “mongoloïdes”. Misy Karana sasany mainty hoditra nefa manana endrika “caucasoïdes”. Ireo teratany any Aostralia indray dia mainty hoditra, nefa mavo manopy mena matetika ny volon’izy ireo matevina sady olioly. Misy “mongol” manana masona “caucasoïdes”. Tsy misy soritra mampiavaka azy mazava.
Ireo olana ireo dia nahatonga mpahay siansa momba ny olombelona sy ny tantarany maro be hiala amin’ny fanandramana manakilasy ny taranak’olombelona, tamin’ny fanambarana fa ny teny hoe “firazanana” dia tsy manana heviny na vidiny ara-tsiansa.
Fanambaran’ny UNESCO
Ireo fanambarana ara-tsiansa momba ny firazanana azo itokiana indrindra angamba dia nataon’ny antokona manam-pahaizana iray niara-nivory araka ny fanapahan-kevitry ny UNESCO (Fandaminan’ny Firenena Mikambana momba ny fanabeazana, ny siansa, ary ny kolontsaina). Nisy fivoriana natao tamin’ny 1950, 1951, 1964, ary 1967, izay namoahan’ny vaomiera iraisam-pirenena voaforon’ny mpahay siansa momba ny olombelona sy ny tantarany, mpahay momba ny “zoologie”, mpitsabo, mpandinika ny tenan’olombelona ary olona hafa, fanambarana efatra momba ny firazanana. Nanasongadina ireto hevitra telo manaraka ireto ilay fanambarana farany:
A “Ny olombelona rehetra miaina amin’izao andro izao dia avy amin’ny karazana iray ihany ary taranaka avy amin’ny fototra iray ihany.” Io hevitra io dia nohamafisin’ny manam-pahefana iray mbola fanta-daza kokoa ihany. Milaza toy izao ny Baiboly: “Ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray [Adama] ihany dia namponeniny [Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra.” — Asan’ny apostoly 17:26.
Manohy toy izao ilay fanambaran’ny UNESCO:
B “Ny fizarazaran’ny karazan’olombelona ho ‘firazanana’ dia sady nifanarahana no safidy ary tsy misy fandaharana azy ireo ho ambony sy ambany. (...)
C “Ny fahalalana ara-biôlôjia fantatra amin’ny andro ankehitriny dia tsy mamela antsika hanankina ireo zava-bita ara-kolontsaina amin’ireo fahasamihafana eo amin’ny toetra nolovana. Ireo fahasamihafana hita eo amin’ny zava-bitan’ny foko samy hafa dia tokony ho avy amin’ny tantarany ara-kolontsaina fotsiny. Ireo foko eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia toa manana fahafahana hanao zavatra ara-biôlôjia mitovy mba hanatratrarana ambaratonga-na sivilizasiôna iray.”
Ny loza ateraky ny fanavakavaham-bolon-koditra
Tsy marim-pototra àry ny hinoana fa natao ho ambony noho ny hafa na manana zo hanapaka ny hafa ny firazanana iray. Nefa tsy nanao zavatra nifanaraka tamin’ny zavatra tena misy foana ny olona. Diniho, ohatra, ny amin’ny fivarotana andevo afrikana.
Fony nanorina empiran’ny mpanjanatany ireo firenena eoropeana, dia nahitany tombontsoa ara-toekarena ny fitsentsefana ireo vahoaka teratany. Nefa nisy fifanoheran-javatra teto. Afrikana an-tapitrisany maro no nororitina avy tany an-tranony, nindaosina niala tamin’ireo havan-tiany, nafatotra tamin’ny gadra, nokapohina, nasiana marika, namidy toy ny biby, ary noterena hiasa maimaimpoana mandra-pahatongan’izay andro hahafatesany. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ireo firenena nihambo ho kristiana sy nantenaina ho tia ny namany tahaka ny tenany nanamarina izany araka ny fitsipi-pitondrantena? — Lioka 10:27.
Ny vahaolana nofidiny dia ny tsy fiheverana izay azony ho toy ny olombelona. Izao no fanjohian-kevitry ny manam-pahaizana momba ny olombelona iray tany amin’ireo taona 1840:
“Raha toa ny mainty sy ny Aostraliana ka tsy zavaboary tahaka antsika ary tsy iray fianakaviana amintsika ihany saingy olona ambany kokoa, ary raha toa ka tsy jerena araka ireo baiko hentitra iorenan’ny fitsipika ara-pitondrantenan’ny tontolon’ny kristiana ny adidintsika amin’izy ireo, dia tsy hisy hafa amin’izay mety halaina sary an-tsaina ho fifandraisana hisy eo amintsika sy ny rajako ny ho fifandraisantsika amin’ireny foko ireny.”
Ireo izay nitady fanohanana ho an’ilay hevitra hoe ambany noho ny olombelona ny olona tsy fotsy hoditra, dia tonga dia nandray avy hatrany ny teôrian’i Darwin momba ny evaolisiôna. Ireo olona nozanahina, hoy ny fanaporofoan-kevitr’izy ireo, dia teo amin’ny zanatohatra ambany kokoa ao amin’ny fivoarana miandalana raha oharina amin’ny fotsy hoditra. Ny hafa nilaza fa vokatry ny fivoarana miandalana hafa ny olona tsy fotsy hoditra, ary tsy olombelona amin’ny heviny feno izy ireny. Ny hafa indray maka teny avy ao amin’ny Baiboly, ka manolana ireo andinin-teny mba hanohanana ny fomba fiheviny manavakava-bolon-koditra.
Mazava ho azy fa olona maro be no tsy nanaraka am-bokony izany fiheverana izany. Nofoanana ny fanandevozana tany amin’ny ankamaroan’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao. Kanefa, ny fanavakavahana sy ny fitompoan-teny fantatra ary ny fanavakavaham-bolon-koditra dia mbola velona ihany ary nanjary nihatra tamin’ireo fokom-pirazanana, izay novan’ny sasany ho firazanana noforonin’ny sain’ny olona fotsiny. Hoy ny profesora iray momba ny “zoologie”: “Koa satria toa hita fa omen-dalana hamorona firazanana araka ny haitraitrany izao olona rehetra izao, dia nandray an-tanana ny fanakilasiana ny firazanana ireo mpanao politika, mpisolovava manokana, ary mpandehandeha tsotra fotsiny. Namorona marika ara-pirazanana toa marina ivelany fotsiny izy ireo mba hanomezana endrika fahamendrehana ‘ara-tsiansa’ ireo hevitra tiany manokana.”
Ireo politika nanavakava-bolon-koditr’i Alemaina nazia no ohatra iray voalohany. Na dia nohindrahindrain’i Adolf Hitler aza ny firazanana arianina, ara-biôlôjia, dia tsy misy ny zavatra toy izany. Tsy nisy na oviana na oviana izany. Misy Jiosy manana volo mavo manopy mena sy manga maso any Soeda, misy Jiosy mainty hoditra any Etiopia, ary misy Jiosy “mongoloïde” any Shina. Na dia izany aza, dia niharam-pahavoazana noho ny fomba fanaovan-javatra manavakava-bolon-koditra ny Jiosy sy ny hafa. Izany fomba fanaovan-javatra izany dia nitondra ho amin’ny toby fitanana, efitrano fanemporana amin’ny gaza, ary ny famonoana Jiosy enina tapitrisa sy olon-kafa maro be, toy ireo foko “Slaves” avy any Polonina sy ny Firaisana Sovietika.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Nasehon’ny fikarohana ara-tsiansa fa eo anivon’ny fitambara-mponina tsirairay dia misy karazana hakingan-tsaina samy hafa mitovy
[Teny notsongaina, pejy 6]
‘Namorona marika ara-pirazanana toa marina ivelany fotsiny ireo mpanao politika, mpisolovava manokana, ary mpandehandeha tsotra fotsiny mba hanomezana endrika fahamendrehana “ara-tsiansa” ireo hevitra tiany manokana.’
[Sary, pejy 7]
Araka ny asehon’ireto taratasy eto ireto, dia nanaovana dokambarotra sy namidy toy ny hoe biby fiompy ireo Afrikana.