FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/8 p. 21-24
  • Manahirana Anao ve ny Volonao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manahirana Anao ve ny Volonao?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantaro ny volonao
  • Misy volo fotsy ve ianao?
  • Mihamanify ny volo ary sola ny loha
  • Karakarao ny volonao
  • Diniho Akaiky Kokoa ny Volonao
    Mifohaza!—2001
  • Volo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Volofotsy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hoatran’ny Ahoana i Jesosy?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/8 p. 21-24

Manahirana Anao ve ny Volonao?

ANGAMBA ianao anisan’ireo olona mandinika ny volony ela be eo anoloan’ny fitaratra, isan’andro. Tia mikarakara volo daholo na ny lehilahy na ny vehivavy, ary mety hanahirana izany indraindray.

Fantaro ny volonao

Fantatrao ve ny isan’ny volon-dohanao? Tokotokony ho 100 000, amin’ny antsalany. Mandritra ny roa ka hatramin’ny enin-taona ihany no maniry ny volo tsirairay, fa tsy hoe maniry mandrakizay. Mihintsana izy rehefa avy eo, ary misy volo vaovao mipoitra eo amin’iny mason-koditra iny ihany, rehefa afaka kelikely. Misy ambaratonga ny fanirin’ny volo tsirairay, ka ny fitambaran’ireny no antsoina hoe tsingerim-piainan’ny volo. (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 23.) Noho io tsingerina io, dia 70 ka hatramin’ny 100 eo ho eo ny isan’ny volo mihintsana ho azy isan’andro, na dia salama tsara aza ny volon’ny olona iray.

Nahoana no samy hafa ny lokom-bolon’ny olona? Izao no fanazavan’ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Ny habetsahana sy ny fitsinjaran’ny loko volontsôkôlà mainty, atao hoe melaninina, no tena manome ny lokom-bolo.” Loko voajanahary hita ao amin’ny volo sy ny hoditra ary ny maso ny melaninina. Antitra kokoa ny lokom-bolo raha betsaka io loko io, ary mety ho mainty na volontsôkôlà na mena na mavo kosa, arakaraka ny hakelin’izy io. Fotsy mangirana kosa ny volo raha tsy misy mihitsy io loko io.

Manahirana ny olona maro, ankoatra ny anga-drano, ny volo mihintsana na mihafotsy.

Misy volo fotsy ve ianao?

Matetika no ahafantarana ny olona mihantitra ny volo mihafotsy, ary ny olona efa tena antitra mazàna no fotsy volo tanteraka. Mihabetsaka tokoa ny volo fotsy rehefa mihantitra ny olona. Fantatra anefa fa ankoatra ny fahanterana, dia misy antony hafa koa mahatonga ny volo fotsy. Anisan’izany, ohatra, ny fifadiana sakafo be loatra. Mety hihafotsy volo daholo ny olona, na lahy na vavy, ary na inona na inona ny lokon’ny volony voajanahary. Mora tazana kokoa fotsiny angamba izany amin’ireo volo miloko antitra kokoa.

Tsy mahazo aina ny olona sasany misy volo fotsy, satria toy ny hoe efa antitra ny fijerin’ny olona azy. Miferinaina kosa ny olona sasany tsy misy volo fotsy, satria hoe tsy mifanentana amin’ny taonany ny endriny.

Ny volo fotsy akory tsy midika hoe maty ilay volo. Efa maty, raha ny marina, ny volo rehetra mipoitra. Mitohy hatrany amin’ny hodi-doha ny volo tsirairay. Antsoina hoe foto-bolo io faran’ny volo io, ary io ihany no tapany mbola velona amin’ny volo. Io fotony io no mamokatra ny volo. Mitsinjara haingana ireo sela ao amin’ny foto-bolo ka lasa volo. Mbola eo an-dalam-piforonana toy izany ny volo, no mifoka ny melaninina vokarin’ireo selan-doko. Fotsy àry ny lokon’ny volo raha tsy mamokatra melaninina intsony ireo selan-doko.

Mbola tsy hita izay tena fitsaboana hisakanana ny volo tsy hihafotsy, satria mbola tsy fantatra ny mahatonga ireo sela hijanona tampoka tsy hamokatra melaninina. Fantatra koa fa mety hiverina hiasa indray ireo selan-doko efa nijanona tsy niasa. Mahavariana fa misy resaka betsaka momba ny volo ao amin’ny Baiboly, ary miresaka volo fotsy ny iray amin’ireo fanoharana nataon’i Jesosy. Hoy izy: “Tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza hianao.” (Matio 5:36) Hita amin’izany teny izany, fa efa ela ny olona no niaiky hoe sady tsy voasakan’ny olombelona tsy hihafotsy ny volo, no tsy vitany ny mamerina azy amin’ny laoniny.

Misy olona manandrana fitsaboana vaovao, toy ny fitsindronana melaninina. Aleon’ny olon-kafa kosa mandoko volo, ary efa ela ny olona no nanao izany. Nandoko volo ny Grika sy ny Romanina fahiny. Nandoko ny volony tamin’ny ran’ombilahy ny Ejipsianina fahiny. Resahin’ny tantara koa fa nandoko ny volo fotsiny i Heroda Lehibe, mpiara-belona tamin’i Jesosy Kristy, mba hanafenana ny fahanterany.

Sady mandany fotoana anefa no manahirana ny mandoko volo foana, ary mety tsy hahazaka azy io koa ny hoditry ny olona sasany. Mety ho tapa-kevitra handoko volo ianao izao, nefa angamba tsy haniry hanao izany intsony indray andro any. Tsy maintsy hiharihary eny ihany ny volo fotsinao amin’izay. Misy mahatsara ny volo fotsy anefa. Mahatonga anao hihaja izy ireny, ary manome fahamendrehana tsy nanananao taloha mihitsy. Milaza ny Baiboly hoe: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.”—Ohabolana 16:31.

Mihamanify ny volo ary sola ny loha

Olana fahita koa ny volo mihamanify sy ny loha sola. Efa nisy hatry ny ela ireo olana ireo. Tany Ejipta fahiny, dia nafangaro tamin’ny fanafody tsy mahasola ny menaka avy amin’ny liona, lalomena, voay, saka, bibilava, ary gisa. Be dia be izao eny an-tsena ny zavatra fanosotra hikarakarana ny volo sy ny hodi-doha. Lazaina fa mandaitra izy ireny, ary andaniana vola tsy toko tsy forohana isan-taona.

Sola ny loha rehefa tsy maniry ara-dalàna ny volo. Mety tsy haniry tsara ny volo raha misy tsy metimety amin’ny vatana, toy ny tsy fahampian-tsakafo sy tazo mahery ela be na ny aretin-koditra sasany. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fanirin’ny volo koa ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana, ka be dia be ny volo mihintsana nefa mbola tsy misy volo vaovao mitsiry akory. Mijanona ihany anefa izany rehefa ara-dalàna indray ny toe-batana, ary maniry tsara indray ny volo.

Misy aretin’ny hodi-doha mahatonga ny volo hihintsana koa.a Mampihintsana ny volo eo amin’ny faritra sasany amin’ny hodi-doha io aretina io matetika. Hita tamin’ny fikarohana ara-pitsaboana natao vao haingana, fa mety ho ny rafi-kery fanefitra tsy miasa tsara no mahatonga izany.

Ny tena fahita indrindra dia ilay antsoina hoe fahasolan’ny lehilahy. Araka izany anarany izany, dia ny lehilahy no tena tratran’izy io. Ny volo manodidina ny handrina aloha no mihintsana, na mihamanify ny ao amin’ny tampon-doha, ary mitatra tsikelikely. Manjary tsy maniry tsara ny volo eo amin’iny faritra iny, ary tsy maniry intsony amin’ny farany. Manazava ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) hoe: “Mihintsana ilay volo lava sy henjana ary miloko, eo amin’izay faritra tratran’izany, ka volo manify kely antsoina hoe volo malemy no misolo azy.” Midika izany fa mihamanify ny volo rehefa ela ny ela, ary mihatsy mateza, ka tsy misy maniry intsony amin’ny farany. Ny toetra manaranaka sy ny hormonin’ny lehilahy no mahatonga izany.

Mbola zatovo dia efa mety hihasola ny lehilahy. Rehefa mananika ny faha-30 na faha-40 taonany anefa izy vao tena ampoizina izany. Betsaka ny lehilahy sola, nefa koa arakaraka ny fiaviana sy arakaraka ny olona no mahabetsaka azy. Mampalahelo fa mbola tsy hita izay tena fanafodin’io aretina io. Mety hifidy hanao solovolo ny olona sasany na hampiasa fomba maoderina famindrana volo eo amin’ny loha sola. Mety hanampy kosa ho an’ny olona sasany ny fikarakarana izay volo sisa ananany, mba ho elaela vao hihintsana.

Tsy voatery hoe mihintsana akory ny volo, raha lazaina fa mihamanify. Mety hihamanify kosa ny singam-bolo tsirairay, ka tsy matevina intsony ny volo. Toy inona ny hatevin’ny singam-bolo tsirairay? Araka ny fanadihadiana natao, dia miovaova arakaraka ny olona izy io. Tsy ampy ampahavalo milimetatra akory ny hatevin’ny volon’ny olona sasany, ary ny an’ny sasany aza mbola latsaka noho izany. Mihamanify ny volo rehefa mandroso ny taona. Tsy hita be angamba ny fahasamihafany raha ampahana milimetatra vitsivitsy fotsiny ny elanelany. Tadidio anefa fa 100 000 ny isan’ny volon’ny olona. Mihena be àry ny hatevin’ny volo manontolo raha mihena kely fotsiny ny hatevin’ny volo tsirairay.

Karakarao ny volonao

Iray santimetatra mahery isam-bolana ny fanirin’ny volo, ary anisan’ny tapany maniry haingana indrindra eo amin’ny vatana izy io. Mahatratra 20 metatra mahery ny halavan’ny volo mitsiry isan’andro, raha atambatra daholo!

Marina fa mbola tsy hita izay tena fanafodin’ny volo fotsy sy ny fahasolana, nefa azontsika karakaraina tsara izay volo ananantsika. Tena ilaina ny misakafo tsara sy ny manao izay hampikoriana tsara ny ra ao amin’ny hodi-doha. Mety hihafotsy sy hihamanify haingana ny volo raha mifady sakafo be loatra ny olona iray, na raha tsy mifandanja ny sakafo hohaniny. Milaza ireo matihanina fa tokony hosasana tsy tapaka ny volo ary hotrorina ny hodi-doha, fa tsy horangotina amin’ny hoho. Mampikoriana tsara ny ra ao amin’ny hodi-doha izany. Ataovy afa-dranon-tsavony tsara ny volonao rehefa sasana.

Aza bangoina mafy loatra ny volonao. Raha lava ny volonao, dia tsy tsara raha tonga dia bangoina indray mandeha, manomboka any amin’ny fotony hatrany amin’ny lohany. Tazony kosa aloha ny volonao, ary raoty ny lohany. Bangoy avy eo, manomboka eo amin’ny tahony hatrany amin’ny lohany. Votsòry moramora, ary bangoy manomboka any amin’ny fotony ka hatrany amin’ny lohany amin’izay.

Sahiran-tsaina angamba ianao, raha fotsy na mihintsana be ny volonao. Tsarovy anefa fa tsy mieritreritra loatra ny volonao ny olona matetika. Ianao no tena mieritreritra azy ka safidinao na handoko na tsia, na hanao solovolo na tsia, na hitady fikarakarana hafa. Na inona na inona lokon’ny volonao, na matevina na manify, ny zava-dehibe dia ny hihazonana azy ho madio sy milamina foana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 22 Aprily 1991, pejy 12.

[Efajoro/Kisary, pejy 23]

FANIRIN’NY VOLO

Misy ambaratonga ny fanirin’ny volo: Mitombo, mihamafy, maty. Manazava ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao hoe: “Tsy maniry intsony ny volo rehefa maty. Mbola mijanona ao amin’ny fihary volo izy aloha, mandra-panomboky ny ambaratonga vaovao indray. Maniry ny volo vaovao, ka atosiny hivoaka avy ao amin’ny fihary volo ilay volo taloha.” Amin’ny fotoana rehetra àry, dia eo an-dalam-paniriana ny 85 ka hatramin’ny 90 isan-jaton’ny volonao, efa maty kosa ny 10 ka hatramin’ny 15 isan-jato ary mihamafy ny 1 isan-jato.

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

Vao mitsiry

Mitombo

fihary volo

lalan-dra

fihary menaka

tahom-bolo

Ho faty

Maty

Mitsiry indray

[Sary, pejy 24]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara