FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/7 p. 25-29
  • “Fanirahana anaovana vivery ny aina”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Fanirahana anaovana vivery ny aina”
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanirahana anaovana vivery ny aina
  • Fiofanana tao amin’ny tafika an-dranomasina
  • Fanafihana anaovana vivery ny aina
  • Fanafihana ana habakabaka
  • Ny fahitana ilay Andriamanitra marina
  • Mpifofo Ain’olona Lasa Mpikatsaka Fiadanana
    Mifohaza!—2002
  • Niala Tamin’ny Asa Miafina mba Hanao Asa Masina
    Mifohaza!—2009
  • Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
    Mifohaza!—1998
  • Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/7 p. 25-29

“Fanirahana anaovana vivery ny aina”

VAO mangiran-dratsy ny 15 aogositra 1945, dia teo ampovoan’i Pasifika atsimo no nisy anay. Tamin’ny naha-mpikambana tao amin’ny vondron-tafika Kaiten manokana (fanafihana fanaovana vivery ny aina), dia teny amin’ny sambo mpisitrika A-367 no nisy ahy. Fony nandefa ny feon’ny emperora ny radiao nanambara ny filavoana lefona, dia samy nijanona teo amin’ny toerany avy izahay rehetra, nitanàka. Nitsahatra ny adin’i Pasifika.

Folo andro tatỳ aoriana, dia niverina nankany Japon izahay. Izahay izay nanana fanapahan-kevitra ny hiasa tao amin’ny “marine” (hanao ny asan’ny tatsambo), dia tsy nahatakatra hoe nahoana ireo tatsambo hafa no hita ho faly aoka izany rehefa nalefa nody nefa resy izahay. Toy inona moa ny fahadisoam-panantenana nahita ny fankalazana ny fifaranan’ny ady, kanefa tanora maro be no maty ho an’ny tanin’izy ireo!

Ny fanirahana anaovana vivery ny aina

Tsaroako ilay andron’ny 25 desambra 1944, valo volana tany aloha, nahazoako ny diplaoman’ny sekoly fianarana ho mpiady an-tsambo mpisitrika, sy ho amin’ny fanapotehana azy, izay nandraisako ny fanendrena ahy hiasa tao amin’ny sambo mpisitrika A-367. Rehefa niondrana nankany Yokosuka aho, ny 1 janoary 1945, dia nirahina mba handray anjara tamin’ny fanafihana manokana izahay. Ny fitenenana hoe “fanafihana manokana” raha ny marina, dia nidika ho fanafihana fanaovana vivery ny aina toy ny natao tamin’ny alalan’ireo “kamikazes” (fiaramanidina feno baomba nampiasain’ny Japone tamin’ny faran’ny ady lehibe faharoa izay nentin’ireo mpanamory nilatsaka an-tsitrapo) teny amin’ny habakabaka. Nahaforona ny andian’ny Shimbu vondron-tafika kaiten manokana izahay.

Mba hiomananay ho amin’io fanirahana io, dia nandeha tany Kure, fitodian-tsambo mpiady tena lehibe teo akaikin’i Hiroshima izahay. Teo no nanaovanay fandaminana sasantsasany tamin’ilay sambo mpisitrika mba hahafahany handray ireo Kaiten. Ny kaiten dia “torpille” (fitaovam-piadiana mitondra baomba any anaty ranomasina ho famakiana sambo) izay nasiana efitra ety ho an’ny mpamily, ho an’ny olona iray monja. Raha vao alefa avy eny amin’ny tokotanin-tsambo mpisitrika ambony, ilay mpamily dia manitsy mankany amin’ny lasibatra ka izany no niavian’ny anarana hoe “torpille” olombelona. Dia tsy miverina izany. Izay nahavoa ilay lasibatra dia maty tamin’ny naha-olo-malaza, fa izay tsy nahavoa dia maty toy ny fahafatesan’ny alika iray. Tahaka izany no niantsoan’ireo Japone izay matimaty foana.

Toa voninahitra lehibe ho anay ny hoe maty ho an’ny taninay. Noho izany, rehefa nanontany mpilatsaka an-tsitrapo ny komandà mba ho anisan’ny andian-tafika mpanao vivery ny aina, dia toy ny olona iray niara-nanatona dingana iray izahay rehetra. Tsy mpitondra ny kaiten aho, kanefa voninahitra tsy hay lazaina ny ho anisan’ny vondron-tafika mpanao vivery ny aina.

Taorian’ny nampiofanana anay handefa kaiten, dia efa nanangana dimy tamin’izany teo ambonin’ny tokotanin-tambo ambony izahay. Raha mbola namakivaky ny ranomasina Anatiny mba ho any Pasifika izahay, dia nitsangana teo an-tokotanin-tsambo aho mba hijery tamim-pifaliana ny hakanton’ny fiandohan’ny fahavaratra. Sady nanontany tena aho ny amin’ny hanjo ireo sambom-pahafatesana dimy ireo, no tadidiko ireo fotoana tsara sy ratsy tamin’ny fiofanako tao amin’ny tafika an-dranomasina.

Fiofanana tao amin’ny tafika an-dranomasina

Koa satria nofinofiko hatramin’ny fahazazako ny hiasa ao amin’ny tafika an-dranomasina, dia niditra tao amin’ny sekoly fianarana ho mpiady an-tsambo mpandevina vanja hipoaka aho teo amin’ny faha-18 taonako. Tamin’ny 1944 izany. Tao anatin’ireo volana roa voalohany, dia nampianarina ny ady an-tanety izahay ary nanaraka fianarana niezahana mafy mba hianarana ireo foto-pianarana momba ny fitondrana sambo eny an-dranomasina. Taorian’izany, dia nomena anarana hafa ilay sekoly ary dia tonga sekoly fianarana ho mpiady amin’ny sambo mpisitrika. Nanomboka nahazo ireo fampianarana momba ny hydrophone (karazana telefaonina ampiasaina mba hifandraisana any anaty ranomasina) sy ny “sonar” (milina famantarana hoe aiza ho aiza no misy sambo mpisitrika amin’ny alalan’ny feo) izahay, mba hahafahana miasa amin’ny fomba feno rehefa hiatrika ady.

Tany an-tsekoly, tamin’ireo andro roa voalohany, dia nentina toy ny vahiny izahay. Nanazava taminay izay zavatra tsy azonay tamim-pahalemem-panahy ireo mpampianatra. Avy eo, tamin’ny andro fahatelo, dia nahazo ny “fanitsiana” anay voalohany izahay. Vao nitsahatra tamin’ny fisafoany ny manamboninahitra mpiambina rehefa natory izahay, raha niantsoantso ny mpampianatra iray hoe: “Mitsangàna! An-daharana eo an-tokotan-tsambo ny rehetra!” Ny hany fantatray, dia ny nihazakazaka tamin’izay hitsin-dalana rehetra. Nisy nikiakiaka taminay baiko hoe: “Mihetseha ianareo! Haingàna! An-daharana!” Rehefa nilahatra tsara izahay tamin’ny farany, dia nilazana hoe: “Ianareo, ry zalahy, dia mila fananarana daholo.” Ary dia natomboka ny “fanitsiana”. Ao amin’ny tafika an-dranomasina, ny hoe “fanitsiana” dia nidika, raha ny marina, ho fahazoana kapoka. Avy eo izahay dia nilazana avy hatrany mba hisabaka sy hanidy mafy ny nifinay mba tsy hianjerana ary mba tsy handratra ny aty vavanay. Nahazo tehamaina nitohitohy tamin’izay izahay.

Nomena araka ny fotopoto-pitsipiky ny andraikitra iombonana ireo fanitsiana. Raha toa ny iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny antokony ka nanao fahadisoana, dia ilay antokony manontolo no nahazo fanitsiana. Matetika izahay no nokapohina teo amin’ny fitombenana tamin’ny hazo mitovy habe amin’ny fikapohana “base-ball”. Nantsoina hoe “langilangy fanairana ny saina miaramila” izy io. Noheverina mba hamelomana ny fitiavana firaisan-kina izy io, zavatra tena ilaina eny an-dranomasina. Kanefa, isaky ny nahitsy aho, dia nanontany tena raha toa izany ka tena nilaina tamin’ny ady.

Raha vao nahazo diplaoma tao amin’ny sekoly fianarana ady fanapotehana sambo mpisitrika aho, dia niditra tao amin’ny sekoly fianarana mitondra sambo mpisitrika. Tamin’izay izahay dia nianatra ny ho arỳ ambadiky ny fefy; nanaraka fianarana sy fiofanana mba hahazoana ny akon’ny sambo iray avy eo amin’ilay sambo mpisitrika ka hanafihana azy izahay. Nihamafy kokoa ihany ny fiofanana, araka ny nantsoin’ny tafika an-dranomasina japone hoe fandaharana ny “alatsinainy, alatsinainy, talata, alarobia, alakamisy, zoma, zoma”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe herinandro tsy nisy farany.

Fanafihana anaovana vivery ny aina

Ny feo tao amin’ny fanamafisam-peo no nampitsahatra ny vinaniko: “Tonga eto amin’ny ranomasin’i Bogum isika izao. Hiakatra eny ambony isika hatramin’ny rahampitso maraina. Mangataka anareo izahay mba hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fanirahana anareo amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny antokon’ny Shimbu amin’ny vondron-tafika Kaiten manokana. Mijanòna eo amin’ny toeranareo avy ary ataovy izay farany azonareo atao.” Tsy maintsy namela-pandrika ho an’ireo sambo mpamatsy izay nivezivezy teo anelanelan’i Okinawa sy Guam izahay. Efatra andro naninjitra, dia nisitrika vao nangiran-dratsy izahay ka tsy niakatra indray raha tsy tamin’ny maizim-bava vilany.

Ny andro fahadimy, tamin’ny 2 ora tolakandro, no nahitanay ny fiavian’ny ako iray. Tany amin’ny 14 metatra anatin’ny ranomasina izahay tamin’izay, nanatona moramora izahay, sady nandinika ny lasibatra tamin’ny fantsona fitazanana ny eny ambony ranomasina (périscope). Tampotampoka teo dia naely haingana ireo baiko.

“Samia maka ny toerany avy!”

“Ataovy amin’ny toerany ny Kaiten!”

“Miondràna ianareo mpanamory!”

Raha mbola niantoraka tao amin’ny lalantsaran’ireo efitra kely ao amin’ny sambo ireo mpanamory no sady namehy ny fehilohany voaravaky ny masoandro miposaka, ireo tatsambo hafa dia niankina nanaraka ny aty rindrina, nanao jery atrika.

Nananika faran’izay haingana ny tohatra mankany amin’ny fantsom-pifandraisana (lalantsara eo anelanelan’ny efitra kely tsy tantera-drano itoeran’ny mpamilin’ilay “torpille” sy ny ao anatin’ny sambo mpisitrika) ireo mpanamory ary rehefa tonga teo amin’ny varavarana eo an-tokotanin-tsambo mankany amin’ny fitoerana entana, dia nitodika ry zareo ary niarahaba anay tamin’ny filazana hoe: “Misaotra tamin’ny fikarakarana anay. Handresy mora foana isika!” Nangina tanteraka ny hafa, tsy nihontsina.

Tamin’ny feo hafahafa, ny manamboninahitra am-perinasa dia namerina ny baikon’ny komandà hoe: “Miomàna ho amin’ny fandefasana!”

“Lasibatra: ny sambo mpamatsy lehibe iray sy ny sambo mpiady haingam-pandeha iray, hoy ilay komandà. “Torpille” n° 1, tsy mandeha intsony. Ny “torpille” n° 2 sy n° 3 no alefaso. Miomàna ianareo sisa rehetra.”

“‘Torpille’ n° 2, alefaso!”

“‘Torpille’ n° 3, alefaso!”

Nivaha ireo mahazaka vita tamin’ny tsỳ izay nihazona ireo kaiten ary nikitrana teo ambonin’ny tokotanin-tsambo. Lasa tamim-pihovitrovitana mafy ny “torpille” n° 2 ary, raha mbola nanako ny firohondrohony, dia nanaraka azy ny “torpille” n° 3. Niserana tao an-tsaiko ireo endrika tanoran’ireo mpanamory roa. Avy eo dia nifantoka tamin’ny asako aho, tamin’ny fanaraha-maso ny nalehan’ireo kaiten, tamin’ny alalan’ny “hydrophones”.

“Tsy ho ela dia hahatratra ny lasibatra izy ireo”, hoy ny bitsibitsiky ny olona iray. Ireo “torpilles” dia nalefa 15 minitra monja talohan’izay, kanefa dia toa ora maromaro izany. Tampoka teo, dia nandre ny fidoboky ny fipoahana izahay, ary dia narahin’ny iray hafa koa izany, taorian’izay avy hatrany.

“Nahavoa ny lasibatra i Chiba manamboninahitra lefitra!”

“Nahavoa ny lasibatra i Ono manamboninahitra lefitra!”

Nisy fahanginana. Tsy nisy niteny, tsy nisy nahalo-peo. Ny sasany nanakambana ireo tanany mba hivavaka nitodika nanandrify ilay fipoahana. Ny ranomaso nanorika nanaraka ny takolak’ireo tatsambo rehetra dia nahatonga azy ireo tsy hiteny tsy hivolana. Nisy fahanginana tsy nisy ohatra izany taorian’ny fahombiazana namirapiratra toy izany.

Araka ny fomba japone izay naniry ny hamelan’ireo izay manampo ny ho faty tononkalo fanaovam-beloma, dia nahita iray niafina tao amin’ireo entana manokan’ny manamboninahitra lefitra Ono izahay. Toy izao no nosoratany: “Eto Japon, rehefa injay mamony ny serizy ka paohin-drivotra ireo felam-bony, any an-dranomasina no miely ireny felana ireny.” Sivy ambin’ny folo taona izy tamin’izay.

Fanafihana ana habakabaka

Nanohy nikaroka ny fahavalo izahay, nisitrika talohan’ny vao mangiran-dratsy ary niakatra ny hariva. Taorian’ny fikarohana tsy nisy vokany nandritra ny tapa-bolana, dia nilaza ny kapiteny fa hiverina haingana any Kure izahay. Noentanin-kafaliana ny tatsambo rehetra. Raha mbola niantsona teo amin’ny seranan’i Kure ilay sambo mpisitrika mba hanaovana fanamboarana sasantsasany sy mba hofenoina vatsy indray, dia niala sasatra tao amin’ireo filomana teo an-toerana ireo anisan’ny mpiasa tao amin’ny sambo.

Ny 15 jona 1945, dia niantsona teo akaikin’ny fefiloha fitahirizam-piadiana amoron-dranomasina izahay ka niomana handeha amin’ny fanirahana vaovao iray. Tampoka teo, dia ninaonaona ireo anjombona, nanambara fanafihana ana habakabaka. Nidina teo ambonin’ilay fitahirizam-piadiana ny fiaramanidina lehibe iray mpandatsaka baomba B-29. Tsy nisy hataka andro, nitsambikina avy teo amin’ny tokotanin-tsambo ambony ho eny amin’ny fefiloha aho mba hamaha ny mahazaka teo amin’ny loha sambo ary niantsoantso an’i Mohri manamboninahitra lefitra, izay vao tonga indrindra, mba hamaha ny tany amin’ny vody tsambo. Nanalavitra ny fefiloha ilay sambo mpisitrika, fa izahay kosa nijanona tetỳ an-tanety.

Nitady fiafenana tao amin’ny fialofana teo akaikin’ny fefiloha izahay, kanefa dia efa feno an’ireo mpiasan’ilay fitahirizam-piadiana sahady tao. Raha mbola nitsangana teo amin’ny fidirana izahay, dia nipoaka ny baomba iray, ka tafavoaka tany ivelany izahay. Koa satria noheverinay fa nampidi-doza io toerana io, dia nanapa-kevitra ny hiafina tao amin’ny lavabato teo amin’ny havoana iray, tao ambadik’ilay fitahirizam-piadiana izahay. Teo amin’ny telo minitra teo no elanelan’ireo daroka baomba, araka ny fanisanay azy. Vantany vao lasa ny andiam-piaramanidina iray, dia niantoraka nivoaka izahay ary nihazakazaka nankamin’ilay havoana. Nisy baomba nipoaka tao aoriako nifanitsy indrindra tamin’ny fotoana nahatongavako teo amin’ilay lavabato ary ny tso-drivotra avy amin’izany no nampiditra ahy tao anatiny. Soa ihany fa tsy naratra aho. Tsy hitako mihitsy i Mohri manamboninahitra lefitra izay tsy maintsy tokony ho tao aoriako indrindra. Raha vao nifarana ny fanafihana ana habakabaka, dia niverina teny amin’ny fefiloha aho nitady azy. Nandavaka toy ny vavam-bolokano lehibe maro teo amin’ny tany ireo baomba. Nitady ilay namako hatraiza hatraiza aho, kanefa tsy nisy vokany.

Tsy mbola nahita faty sy olona naratra betsaka tahaka izany mihitsy aho. Hitako tamin’ny heriny rehetra ny horohoro sy ny fahatsinontsinon’ny ady. Nieritreritra aho fa tsy afaka ny hisy Andriamanitra, na i Bouddha ka hamela ny hisian’ny zava-dratsy mihoa-pampana toy izao.

Ny fahitana ilay Andriamanitra marina

Roa volana monja no lasa hatramin’ilay famelezana tampoka ana habakabaka, rehefa tsy maintsy nanaiky ny faharesen’ny empira japone izahay tamin’io androm-pahavaratra io, tao Pasifika Atsimo. Taorian’ny namitana asa samihafa, dia niverina tany an-tranoko aho ny 20 novambra 1945. Roa andro tatỳ aoriana, dia nahazo asa tao amin’ny kaompania niraisam-pirenena Japone momba ny fitaterana an-dalamby aho. Nandritra ny 30 taona nanaraka izany, dia niasa tamin’ny naha-mpitondra fiarandalamby sy tamin’ny naha-lehiben’ny gara tao amin’ny tanàna maro tao amin’ny nosin’i Shikoku aho. Izay rehetra hitako nandritra ny ady dia nahatonga ahy tsy hino ny fisian’Andriamanitra.

Tamin’ny 1970, dia nirahina ho any amin’ny garan’i Sako aho, tany amin’ny lalana adiny telo avy eo amin’ny fivondronana teo akaiky ny Shikoku. Noho izaho mpivezivezy tamin’ny fiarandalamby, dia namaky gazety sy gazetiboky samihafa aho. Isa-maraina, rehefa nanokatra ny kitapoko aho, dia nahita Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!. Ny vadiko izay tonga Vavolombelon’i Jehovah vao haingana, no nametraka ireo tao. Tamin’ny voalohany, dia tsy tantiko ny nahita ireo, ary dia natsipiko tao anaty harato fametrahana entana izany. Nandrafy ny fivavahana rehetra aho, ary nanohitra mafy ilay fivavahan’ny vadiko. Ny hariva, rehefa nody tao an-trano aho, dia nikiakiaka taminy hoe: “Aza mametraka intsony mihitsy ireny gazety ireny ao anaty kitapoko.” Kanefa ny ampitso maraina, dia nahita tao indray aho.

Indray andro aho dia nahita olona iray nandray ireo gazety tao amin’ilay harato ary nanomboka namaky azy ireo. Nanontany tena aho hoe: ‘Inona loatra no mety ho hitany fa mahaliana amin’izy ireo?’ Noho izany niverina matetitetika, taorian’ny namakiako ny gazetiko, dia namadibadika Ny Tilikambo Fiambenana aho. Tsy dia tena azoko izay noraketiny; kanefa, dia hitako ho nahaliana ny Mifohaza! Tamin’izay no fotoana nanokafako azy ireo voalohany, kanefa dia hitako fa tsy nitovy tamin’ireo gazety hafa izy ireo, ka nanomboka tamin’io andro io dia namaky azy roa aho. Mazava ho azy fa tsy namaky azy ireo tany an-trano mihitsy aho, satria aho nanohitra ny vadiko, kanefa takatro tsikelikely ny hoe nahoana izy no nandeha nitory isan’andro.

Tamin’ny 1975, dia niharatsy ny fahasalamako, ary naka ny fisotroan-drononoko (retraite) aho ny volana aprily. Nahafantatra ireo mpitsabo fa voan’ny homamiadana teo amin’ny faratendako aho. Raha mbola tany amin’ny hôpitaly aho, dia tonga nitsidika ahy ny lehilahy iray Vavolombelon’i Jehovah ary nataony fanomezana ho ahy ny Soratra grika kristiana — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao sy ilay boky hoe Tout finit-il avec cette vie?. Sorisorena aho, ary satria natao fanomezana ho ahy ilay Baiboly, dia nanana fialan-tsiny aho tamin’izay mba hamakiana azy an-karihary.

Tamin’ny fotoana nivoahako ny hôpitaly, dia niverina nitsidika ahy io lehilahy io. Nandritra ireo fitsidihana roa voalohany, dia nifampiresaka tamim-pisakaizana fotsiny izahay. Nitadidy ireo fahatsiarovan’ny ady izahay. Kanefa tamin’ny fitsidihana fanintelony, dia nanoro hevitra ahy izy mba hianatra Baiboly, ary dia nanaiky aho. Taorian’ny nandreseko ireo hevitro momba ny fandavana ny fisian’Andrimanitra — vokatry ny ady — farany dia natao batisa aho tamin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1980. Hatramin’izay, dia nahita fifaliana tamin’ny fanompoana ny hafa aho, ary vao haingana aho no notendrena ho loholona ao amin’ny kondregasiona.

Rehefa mieritreritra ny lasa aho, dia fantatro hoe ahoana no nahafahan’ireo filoha ara-politika sy miaramila nanosika tanora hanao sorona ny ain’izy ireo ho an’ny taniny. Hitako tamin’ny fianarako ny tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, fa ireo tafika maherin’i Satana Devoly no nampirisika azy ireo hanao izany. Tao ambadiky ny firehetana nanainga ny maro tamin’ny fanafihana anaovana vivery ny aina, dia vakiko bantsilana izao ny fikasana mampahorin’i Satana. Ny anton’io tarehin-javatra io dia omena ao amin’ny Apokalypsy 12:7-9, 12: “Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny koa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.”

Jamba ela be aho ka tonga hatramin’ny finoana fa ireo fanirahana anaovana vivery ny aina dia voninahitra, kanefa amin’izao fotoana izao dia mahalala ny fahamarinana aho. Fantatro izao hoe iza no tompon’andraikitra tamin’ny fahajambako. Ireo tenin’i Paoly voalaza ao amin’ny 2 Koritiana 4:3-6, dia manazava izany toy izao: “Fa raha miafina ny filazantsaranay [vaovao tsara ambaranay, MN], dia miafina amin’izay very izany, izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny voninahitr’i [vaovao tsara momba an’i, MN] Kristy, Izay endrik’Andriamanitra. Fa tsy ny tenanay no torinay, fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesosy. Fa Andriamanitra izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy.”

Ny fahalalana ny fahamarinana sy ilay hany Andriamanitra marina sady velona, dia toy ny fahatsapana fahafinaretana sy hatsiatsiaka avy amin’ny rivotra rehefa miakatra indray eny ambonin’ny ranomasina sy manokatra ireo varavarana fidirana amin’ny lakalin’ny sambo mpisitrika ny tena. Tsy misy mihitsy olon-kafa hankasitraka kokoa io fahafinaretana sy hatsiatsiaka io noho ny mpiasan’ny sambo mpisitrika. Mankasitraka lalina an’i Jehovah aho noho ny nanomezany ahy io famelombelomana ara-panahy io. Misaotra ny vadiko koa aho tamin’ireo fiezahana naharitra nataony mba hizarana tamiko ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly tsy nisy fitsaharana mihitsy nandritra ny folo taona, mandra-panolotro ny tenako tamin’ny farany ho an’Andriamanitra. Noho izany, ankehitriny aho dia mandray anjara amin’ny fanompoana kristiana ary nilatsaka ao amin’ny fanirahana amonjena olona, amin’ny fanompoana an’ilay Andriamanitra velona. Notantarain’i Yoshimi Aono.

[Sary, pejy 26]

Noho ireo fiezahana tsy nisy fitsaharana nataon’ny vadiko dia mandray anjara amin’ny fanirahana amonjena olona aho ankehitriny, amin’ny fanompoana an’ilay Andriamanitra velona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara