FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/11 p. 3-4
  • Olana Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olana Eran-tany
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Kolontsaina samihafa
  • Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
    Mifohaza!—1998
  • Nahoana ny Olona no Te ho Faty?
    Mifohaza!—2001
  • Nahoana no misy famonoan-tena betsaka aoka izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/11 p. 3-4

Olana Eran-tany

“Olana goavana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny famonoan-tena.”—David Satcher, minisitry ny fahasalamana amerikanina, 1999.

VAO voalohany izao no nisy minisitry ny fahasalamana amerikanina, nampipoitra resaka momba ny famonoan-tena. Betsaka kokoa ny maty namono tena noho ny maty novonoin’olona tany Etazonia. Tsy mahagaga àry raha nilaza ny Antenimieran-doholona Amerikanina, fa laharam-pahamehana ho an’i Etazonia ny ady atao amin’ny famonoan-tena.

Araka ny fandinihana natao tamin’ny 1997, dia olona 11 eo ho eo isaky ny 100 000 no namono tena tany Etazonia. Kely izany raha oharina amin’ny isan’ny famonoan-tena eran-tany, navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, tamin’ny taona 2000 (16 isaky ny 100 000). Nitombo ho 60 isan-jato ny isan’ny famonoan-tena eran-tany, nandritra ireo 45 taona farany. Ankehitriny dia olona iray tapitrisa eo ho eo eran-tany no maty mamono tena, ao anatin’ny herintaona monja. Izany hoe sahabo ho iray isaky ny 40 segondra!

Tsy mampiseho ny zava-misy rehetra anefa ireo tarehimarika ireo. Tsy eken’ny fianakavian’ilay maty matetika hoe namono tena ilay havany. Tombanana anefa, fa raha misy olona 10 ka hatramin’ny 25 manandrana mamono tena, dia iray no tena maty. Araka ny fanadihadiana natao, dia ny 27 isan-jaton’ny mpianatry ny lise tany Etazonia no niaiky fa efa tena nieritreritra ny hamono tena tamin’ny taon-dasa, ary ny 8 isan-jaton’ireo olona nadinadinina no nilaza fa nanandrana namono tena. Ny 5 ka hatramin’ny 15 isan-jaton’ny olon-dehibe kosa no efa nikasa hamono tena, araka ny fanadihadiana hafa.

Kolontsaina samihafa

Samy hafa be ny hevitry ny olona momba ny famonoan-tena. Misy mihevitra azy io ho heloka bevava, ny hafa mihevitra izany ho hakanosana, nefa misy koa mihevitra azy io ho fomba mendri-kaja hampisehoana fanenenana tamin’ny fahadisoana lehibe. Misy aza mihevitra izany ho fomba mihaja hanohanana tsangan-kevitra iray. Nahoana no samy hafa toy izany ny hevitry ny olona? Anisan’ny mahatonga izany ny kolontsaina. Milaza mihitsy ny Gazetin’i Harvard Momba ny Fahasalaman’ny Saina (anglisy), fa tena mety “hahatonga ny olona hieritreritra hamono tena” ny kolontsaina.

Diniho, ohatra, ny any Hongria, tany iray any Eoropa afovoany. Be dia be ny famonoan-tena any, ka nolazain’ny Dr. Zoltán Rihmer fa anisan’ny “ ‘fanao’ mampalahelo” any Hongria izany. Nilaza i Béla Buda, Talen’ny Fikambanana Nasionaly Momba ny Fahasalamana any Hongria, fa tsy misalasala mamono tena mihitsy ny olona any, na inona na inona antony. “Raha voan’ny kansera izy, ohatra, dia hainy ny mamarana izany.” Izany no fomban’ny olona any, hoy izy.

Nisy fombafombam-pivavahana nantsoina hoe suttie tany Inde taloha. Mitsambikina ho ao anatin’ny afo andoroana ny fatin’ny vadiny ilay vehivavy amin’io fotoana io. Voararan’ny lalàna izao io fanao io, nefa mbola tsy foana tanteraka. Ankalazain’ny mponina erỳ ny zava-doza toy izany, raha vao re fa nisy vehivavy namono tena tamin’izany fomba izany. Milaza ny gazety Inde Ankehitriny (anglisy), fa tany Inde dia “vehivavy 25 no namono tena tao amin’ny afo nandoroana ny vadiny, tao anatin’ny 25 taona.”

Mahavariana, fa avo telo heny noho ny matin’ny lozam-pifamoivoizana no maty namono tena tany Japon! Lazain’ny Rakipahalalana Misy Sary Momba An’i Japon (anglisy), fa “anisan’ny kolontsaina nentin-drazana japoney ny famonoan-tena. Nampiavaka izany kolontsaina izany ny fombafomba fandidiana ny kibo mba hampivoaka ny tsinay (seppuku, na hara-kiri).”

Nohazavain’i Inazo Nitobe (tonga sekretera jeneraly lefitry ny Fikambanam-pirenena), tao amin’ilay bokiny hoe Bushido—Ny Maha Izy ny Japoney (anglisy) fa tia fahafatesana ny Japoney. Hoy izy: “Nanomboka teo anelanelan’ny taonjato faha-6 sy faha-16 ny [seppuku]. Izy io dia fomba nampisehoan’ny mpiady ny fibabohany noho ny heloka nataony, hifonany noho ny fahadisoany, handosirany fahafaham-baraka, ary hanonerany ny ratsy vitany tamin’ny namany, na hanaporofoany ny fahatsoram-pony.” Marina fa tsy misy intsony izany fombafomba famonoan-tena izany amin’ny ankapobeny, nefa mbola misy manao izany ihany, satria manaitra ny olona izany.

Efa ela kosa anefa no nihevitra ny famonoan-tena ho heloka bevava ny Kristianisma Anarana. Noroahina tsy ho anisan’ny Eglizy Katolika ny olona namono tena, nanomboka tamin’ny taonjato fahenina sy fahafito tany ho any, ary tsy nanaovana fombafomba fandevenana. Nafana fo loatra tamin’ny fivavahana ny olona tany amin’ny toerana sasany, ka nisy fomba hafahafa noforonina natao ho an’ny olona namono tena. Anisan’izany ny fanantonana ny fatin’ilay olona, sy ny fanatrobahana hazo maranitra ny fony.

Mahatsikaiky anefa, fa nosazina ho faty ireo nanandrana namono tena. Nahantona ny lehilahy anglisy iray tamin’ny taonjato faha-19, satria nanandrana namono tena tamin’ny fanapahana ny tendany. Namita fotsiny izay tsy vitan’ilay lehilahy àry ny manam-pahefana tamin’izany. Niova ny sazy noho ny fanandramana mamono tena rehefa nandeha ny taona. Tamin’ny 1961 anefa ny Parlemanta Anglisy vao nilaza fa tsy heloka bevava intsony ny fanandramana mamono tena. Mbola noheverina ho heloka bevava foana anefa izany tany Irlandy hatramin’ny 1993.

Misy mpanoratra, amin’izao andro izao, mampirisika ny olona hamono tena. Nisy boky navoaka tamin’ny 1991, momba ny famonoan-tena ataon’ireo marary efa ho faty, manoro ny fomba hamaranana ny fiainana. Nihamaro tatỳ aoriana ny olona tsy marary efa ho faty akory, nefa nampiasa ny sasany tamin’ireo fomba atoron’io boky io.

Ny famonoan-tena tokoa ve no vahaolana? Sa misy antony ara-dalàna tokony hahavelomana? Alohan’ny hamaliana izany, dia andeha hodinihintsika aloha ny antony mahatonga ny olona hamono tena.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Olona iray tapitrisa eo ho eo eran-tany no maty mamono tena, ao anatin’ny herintaona monja. Izany hoe iray saika isaky ny 40 segondra!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara