FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/7 p. 11-13
  • Fampaherezana inona no ho an’ireo niharan-doza?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampaherezana inona no ho an’ireo niharan-doza?
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay tena ilaina mihitsy
  • Ny fampaherezana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra
  • Hoavy mahafaly
  • Ilay Tontolo Vaovao Mahatalanjona Hataon’Andriamanitra
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
  • Ahoana no Hiatrehako ny Loza Mamely Tampoka?
    Mifohaza!—2003
  • Mahazoa Fampiononana avy Amin’ny Herin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Kely Sisa dia Tsy Hisy Intsony ny Fijaliana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/7 p. 11-13

Fampaherezana inona no ho an’ireo niharan-doza?

NY OLONA izay namoy tampoka ny iray amin’ireo havany akaiky tamin’ny lozam-piarakodia, niseho noho ny mpamily iray nentin’ny herin’ny alkaola dia “tsy mba nanana fotoana (...) hanaovana veloma farany azy na koa hilazana aminy fa tiany izy”, hoy ny nosoratan’i Janice Lord ao amin’ilay bokiny hoe Ny alkaola sy ireo loza eny an-dalana — ny alahelon’ireo izay tavela (anglisy).

Araka ny nasehon’ny lahatsoratra teo aloha dia mampangoraka ny toe-javatra misy ireo sisa velona, izay tsy maintsy handresy ny fiantraikany, ny horohoro, ny hatezerana ary ny famoizam-po. Ny fahafatesan’ny olo-malala iray, rehefa miseho ao anatin’ny tarehin-javatra mampivarahontsana toy izany, dia mamela banga maharitra. Mety hieritreritra ireo sisa velona fa tsy hikatona mihitsy ny ratram-pon’izy ireo.

Noho ny fahatsapana ny fahoriana aterak’ireny fahafatesana ireny, dia miezaka ireo manam-pahefana manorina lalàna sy fandaharana izay hahafahana mampihena ny vidiny avo dia avo aloa isan-taona amin’ireo lozam-pifamoivoizana. Nampisongadina ny fahalemen-toetran’ireo izay mitondra fiarakodia kanefa nisotro ny manam-pahaizana manokana iray, ary nanolo-kevitra izy ny mba hanampiana azy ireny handresy ny tsy fahampiam-piniavany amin’ny fanorenana akany fandraisana izay, amin’ny alalan’ny fomba fanabeazana, ny asa ary ny fitsaboana mifanandrify dia hanampy azy ireny handresy ny fahalemeny amin-kery mitombo.

Izay tena ilaina mihitsy

Na inona na inona anefa faniriana, dia tsy misy mihitsy olombelona na fandaminan’olombelona izay afaka hamafa ny fiantraikan’ny fahafatesana iray na hamerina indray ilay olona maty amin’ny fiainana. Ireo zavatra ilaina mba hanonerana ny fahavoazana toy izany dia tsy eo am-pelatanan’ny olombelona mihitsy. Amin’ny alalan’ny fanavaozana tanteraka ny rafi-piaraha-monina no hisian’ny vahaolana, amin’ny alalan’ny fandehan-javatra vaovao iray ho efa nanafoanana ny fiheverana feno fitiavan-tena no sady manimban’ny ‘fihetseham-po na toy inona na toy inona vidiny’ tompon’andraikitra amin’ny famoizana ain’olona maro toy izao.

Kanefa fijerena zavatra araka ny tena izy ve ny fitokiana amin’ny tontolo iray tsaratsara kokoa izay hahitana ny fitrangan-javatra mahonena toy ireny ho zary efa navalon’ny lasa? Izany tokoa! Azontsika atao mihitsy ny mahazo antoka fa hisy indray andro any eto ambonin’ny tany, tontolo vaovao iray izay tsy hoe tsy hitrangan’ny loza toy ireny intsony fotsiny, fa na dia ireo niharan-doza koa aza ao dia mbola haverina indray amin’ny fiainana. Alao sary an’eritreritra ange ny hafalian’ireo havany akaiky rehefa hahita azy ireo indray e! Noho ny toe-piainana toy izany, dia hamafa tanteraka ireo fahatsiarovana mampalahelon’ireo loza fahiny ny fotoana.

Ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ny Baiboly, no manolotra io fanantenana tontolo vaovao io. Izao tokoa no vakina ao: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.” (Isaia 25:8). Midika indrindra izany fa hatsangana ireo maty. Nanoratra momba an’io ny apostoly Paoly hoe: “Ary manantena amin’Andriamanitra aho, (...) fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka [tsy marina, MN].” (Asan’ny apostoly 24:15). Efa nasehon’i Jesosy sy ireo apostoliny fa azo natao tsara io asa mahagaga io tamin’ny famerenan’ny tenan’izy ireo manokana olona efa maty ho amin’ny fiainana indray. — Lioka 7:11-16; 8:40-42, 49-56; Jaona 11:1, 14, 38-45; Asan’ny apostoly 9:36-42; 20:7-12.

Ny fiainana eto ambonin’ny tany eo amin’ny tontolo vaovao iray, na ho an’ireo hatsangana amin’ny maty na ho an’ireo hafa, dia mbola ho kanto kokoa ihany amin’izay satria hizotra ao anatin’ny fahatanterahana. Hampiasa ny fahafahany manasitrana Andriamanitra mba hananan’ny olombelona rehetra fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana mamirapiratra: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: marary aho.” “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” — Isaia 33:24; 35:5, 6; Jereo koa ny Matio 15:30, 31.

Rehefa nilazalaza ny amin’ireo toe-piainana hisy ny olombelona ny Baiboly, dia nilaza fa “hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4). Ilay handrotsaka ireo fitahiana tsara dia tsara ireo ary hanorina izany toe-piainana mahafinaritra izany dia nanambara toy izao: “Ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho.” — Isaia 65:17, 18.

Fahefana avy aiza no hahatanteraka izany rehetra izany? Fahefana sy herin’ilay Loharano fara tampony amin’ny fanantenana, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, Jehovah Andriamanitra. Ao amin’ny Teniny, dia manome toky izy fa hisolo tsy ho ela ity tontolo tia tena sady mahery setra, izay efa tena lasa lavitra ny ‘androny farany’ ity, io tontolo vaovao io izay ‘hitoeran’ny fahamarinana’. — 2 Petera 3:13; 2 Timoty 3:1-5 (MN), 13; Ohabolana 2:21, 22.

Ny fampaherezana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra

Tsy voaro amin’ny loza akory ireo Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ity tontolo mampidi-doza ity, tsy miandry avy amin’i Jehovah ny hiarovany azy amin’ny fahafatesana izy ireo, na vokatry ny loza izany na avy amin-javatra hafa, satria fantany fa tsy izany aloha no sitrapon’Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Izany mihitsy no vakina ao amin’ny Mpitoriteny 9:11 hoe: “Fa ny fotoana sy ny sampona dia (...) mahazo azy rehetra.” Kanefa, efa hatramin’ny ela ireo Vavolombelon’i Jehovah no manintona ny saina ho amin’ny Tenin’Andriamanitra, satria ny fampanantenana raketiny dia manome fampaherezana maharitra ho an’izay rehetra mino azy.

Ny vehivavy Vavolombelon’i Jehovah iray dia voadona mafy ara-pihetseham-po rehefa maty nodonin’ny mpamily mamo tamin’ny lozam-piarakodia ny zao-dahiny. Ny rahavaviny indray, naratra mafy teo amin’ny lohany, dia nanjary sembana ara-tsaina mila fikarakarana mitohy. Samy Vavolombelon’i Jehovah koa izy mivady ireo. Mitantara izy:

“Saika nandritra ny herintaona dia tsy nitsahatra ny nitomany sy namisavisa ny alaheloko aho. Tezitra tamin’io zatovolahy io aho satria nahatonga io loza io izy; tezitra tamin’ireo ray aman-dreniny koa aho satria tsy mba nifehy azy tsaratsara kokoa izy ireo. Indraindray aza, dia tezitra mihitsy tamin’Andriamanitra sy ireo anjely aho satria tsy nanakana io loza io izy ireo. Endrey izato faharavana, kanefa ireo olona roa ireo dia nanompo azy tamim-pahatokiana!

“Fantatro tsara fa tsy tompon’andraikitra mivantana akory Andriamanitra ary tsy mahafaly azy akory ny toe-javatra toy izany, kanefa nieritreritra aho hatramin’izay fa mitarika ny tsirairay avy amin’ny diantsika izy ary miaro antsika amin’ny loza toy izany. Nanjary takatro fa tokony hamboly fiheverana tsaratsara kokoa aho, ary dia nanomboka nikaroka ny valin’ireo fanontaniako aho.

“Nila fotoana elaela vao nanomboka nikatona ilay ratra ary afaka nisaintsaina izany rehetra izany tamim-pahatoniana aho. Nanjohy hevitra toa an’i Asafa izay, araka ny Salamo faha-73, dia nino fa notahina ireo ratsy fanahy, aho. Kanefa, lavidavitra kokoa ao amin’io Salamo io ihany, ny Tenin’Andriamanitra dia manazava fa tsy izany no izy, fa tsy mitahy ireo ratsy fanahy Andriamanitra, fa amin’ny fotoana voatendry izy ireny dia haringana.

“Nanomboka nahatsapa aho fa hay ny fomba fihevitro no tsy nety, fa tsy Andriamanitra velively no meloka. Diso ny fahatakarako ny hevitry ny Soratra masina. Tsy nampanantena mihitsy ny hiaro antsika amin’ny loza, na amin’ny aretina na amin’ny fahafatesana Andriamanitra raha ny amin’izao fotoana izao, fa nampanantenainy ho amin’ny hoavy kosa ireo soa ireo, ao amin’ny tany vaovao. Rehefa takatro izay nambaran’ny Baiboly marina momba ny fiarovana ara-panahy, fa tsy ara-batana, omen’Andriamanitra antsika, dia nisinda tsikelikely ny alaheloko. Voavako kokoa nanomboka hatramin’izay ilay tena loharanom-pahoriana: Satana Devoly, ilay mpandainga sy mpamono olona efa hatramin’ny nikomiany tamin’Andriamanitra. Ny Baiboly dia manaporofo tsy misy fisalasalana fa izy io, Satana, no ilay andriamanitr’ity tontolom-pijaliana ity. — Jaona 8:44; 2 Korintiana 4:4.

“Noho ny fahatakarana tsaratsara kokoa ireo antony mahatonga ny fanaintainana, ny antony amelan’Andriamanitra azy ireny hisy ary ny fomba hanafoanany azy ireny, dia nazava tsara tamiko fa tsy mba fahavalontsika Andriamanitra, fa Mpamonjy antsika kosa aza.

“Nanome fampaherezana lehibe ho ahy ihany koa ny nahafantarako fa manohana ireo mpanompony amin’ny herin’ny fanahiny masina i Jehovah. Manome antoka antsika ny Baiboly fa, amin’ny alalan’izy io, isika dia hahazo “ny hery mihoatra noho ny hery fahita”. Manome antsika koa ny hery hahazakana izay tsy zaka Andriamanitra. Mbola mampahery antsika ihany koa amin’ny fanantenana ny hahita indray ireo hava-malalantsika amin’ny fananganana ny maty izy. Amin’izany fomba izany, dia afaka mandresy ny fahoriana isika.” — 2 Korintiana 4:7 (MN).

Hoavy mahafaly

Olona maro, anisan’izany ireo Vavolombelon’i Jehovah, no efa niharam-pahoriana samy hafa karazana tao anatin’ny androm-piainany. Manamarina izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra izany rehefa milaza izy io fa mahazo azy rehetra ny fotoana sy ny sampona. (Mpitoriteny 9:11). Ny fiainan’ireo mpanompon’Andriamanitra koa anefa dia eo mba hanamarina fahamarinana ara-baiboly hafa iray, dia ny hoe mampionona sy manohana ireo izay manompo azy i Jehovah amin’ny fotoana mety. Manome ho azy ireo ihany koa ny fanantenana azo antoka ny amin’ny hoavy mahafaly ao amin’ny tontolo vaovao iray izay tsy hahitana fahoriana intsony.

Marina tokoa fa tena mampahery ny fahafantarana fa ao amin’ny tontolo vaovao sy marina iray ampanantenain’Andriamanitra, dia hifaneho tena fitiavana ny olona ary hanaja ny fiainana izay fanomezana tsy hay tombanana. Hisolo ny fitiavan-tena sy ny fanararaotana feno fitiavam-bola ny fahalemen’olombelona, toetra roa mampiavaka ny fiaraha-monina ankehitriny, ireo toetra tsara ireo. Hanjavona ihany koa ny fitaintainana, ireo fanerena, ireo tahotra izay mampirisika olona maro ankehitriny hitady fialofana amin’ny alkaola na ao amin’ny zava-mahadomelina hafa.

Dieny ankehitriny, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia mahaforona fianakaviam-be maneran-tanin’ny mpirahalahy sy mpirahavavy tafakambana ao anatin’ny kofehy mampirain’ny fitiavana (Jaona 13:34, 35). Manolotra rafitra matanjaka ahafahan’ireo izay namoy olo-malala mahita fanohanana io firahalahiana io. Faly manampy ireo izay mila fampiononana, toy ny mba nampiononana azy ireo koa, ny mpikambana ao amin’io fianakaviam-be io. — 2 Korintiana 1:3, 4.

[Sary, pejy 13]

Mampanantena ny Baiboly fa hatsangana ireo maty.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara