Ny hôpitaly — Fanampiana ho an’ny marary
“Tamin’ny fotoana nampidirana hôpitaly ahy voalohany, dia nahatsiaro tampoka aho fa tsy afaka mitantana ny fiainako intsony, hiavaka amin’ny besinimaro.” — Marie G.
“Tsaroako ny andro voalohany naharariako. Nahatsiaro ho faran’izay voa mafy aho, tsy nanam-piarovana.” — Paula L.
Efa niditra hôpitaly ve ianao ary nahatsapa zavatra toy izany? Na izany na tsy izany, dia hiaiky ianao fa vitsy ny olona misaintsaina izay mety ho voafaoka amin’ny fidirana hôpitaly. Kanefa, tsy misy mihitsy antoka milaza fa tsy hitranga amintsika izany indray andro any. Fandinihana maro no nampiseho fa tamin’ny 1987, ohatra, ny iray isaky ny fito amin’ny mponina any Etazonia dia nampidirina tany amin’ny hôpitaly. Mazava ho azy fa miovaova arakaraka ny tany ireo tarehimarika, kanefa, na manao ahoana na manao ahoana, ny fahamalinana dia mampirisika ny hanaovana fiomanana amin’io toe-javatra mety hiseho io. Amin’ny fomba ahoana?
“Ny hany tena fomba fiarovana ny fahasalamanao dia ny fahazoanao antoka fa tena ilaina ny fijanonana any amin’ny hôpitaly”, izany no torohevitr’i Sidney Wolfe, dokotera lehiben’ny antoko-mpitsabo mpanao fikarohana momba ny fahasalamam-bahoaka. Na aiza na aiza toerana iainanao, raha marary ianao, dia manana zo sy adidy hampahafantarina ny amin’izay maharary anao marina. Matetika ny dokotera mpitsabo anao dia ho afaka hanome valinteny mahafa-po amin’ireo fanontanianao.
Na dia izany aza, raha vao misy fisalasalana kely ao aminao, dia aza misalasala manontany ny hevitry ny mpitsabo faharoa. Any amin’ireo tany sasantsasany, ny fikambanam-piantohana dia mitaky izany alohan’ny hanekena hanaovana fandidiana sarotra sasany. Tsy misy tsy mahamety ny hakana hevitra amin’ny mpitsabo fahatelo koa aza mba hialana amin’ny fifanoheran-kevitra mety hiseho momba ny famantarana aretina sy ny fomba fitsaboana. Kanefa na manontany ny hevitry ny mpitsabo iray ianao na ny an’ny maromaro, ny fahendrena dia mitaky — ary izany no zava-dehibe indrindra — ny hakanao fotoana mba hanapahan-kevitra manokana momba ny hoe hatraiza ny fitsaboana natolotra no tena ilaina sy azo ekena.
Ampidirina maika eny amin’ny hôpitaly
Marina fa, amin’ny fotoana mahadodona dia mety tsy hanam-potoana ianao mba hakana hevitra amin’ny dokotera maromaro. Angamba aza tsy hahatsiaro tena mihitsy ianao, tsy ho afaka hiteny na hanoratra. Indraindray ireo mpitsabo dia mandray andraikitra avy hatrany, tsy miandry akory izay hahafahana miresaka amin’ny fianakaviana mba hanontaniana ny sitrapo na ny safidin’ny marary. Ny mety ho fisehoan-javatra tahaka izany dia mbola mampisongadina kokoa ihany ny tena ilàna maika ny fiomanana tsaraa.
Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, izany dia midika fa mitondra mandrakariva any aminao ilay karatra “Filazana ara-pitsaboana/Fanalana andraikitra” ianao, tsy lany andro ary feno tsara. Hita eo amin’io karatra io ny sitrapon’ny marary raha ny amin’ny fomba fitsaboana, ary ireo filazalazana tena ilaina izay manome lalana ireo mpiasan’ny fahasalamana hiresaka amin’ny fianakaviana na amin’ny namana. Na dia tsy hita eo avokoa aza ny zavatra rehetra, io karatra sarobidy io dia firaketana an-tsoratra tena ara-dalàna ary afaka hisolo tena anao raha toa ianao ka ao anatin’ny toe-javatra izay tsy hahafahanao manao izany.
Ao anatin’ny toe-javatra mahadodona, dia tena hilaina koa ny namana akaiky na ny iray amin’ny fianakavianao izay mahafantatra ny finoanao sy ny safidinao momba ny fitsaboana, hiaraka aminao any amin’ny hôpitaly. Na azo atao na tsia io fanohanana ivelany io, ny karatra “Filazana ara-pitsaboana/Fanalana andraikitra”, mbola tsy lany andro, dia ho afaka handray anjara tena lehibe amin’ny fiarovana ireo zonao.
Raha toa ka tsy Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ianao ary tsy manana io firaketana io, dia afaka manomana fanambarana mitovy amin’izany ianao, (tsara kokoa raha sora-milina), ary homarihinao ao ny fanirianao raha ny amin’ny fomba fitsaboana, holazainao mazava tsara ao ny fameperanao sy ny hoe iza no hampandrenesina raha misy ilàna izany maika.
Taratasy fanekena sy soratra fanamarinana
Ireo zon’ny marary dia miankina indrindra amin’ny tany tsirairay (jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-7). Any amin’ny toerana sasany, dia nisy fanatsarana lehibe notanterahina tao anatin’ireo taona faramparany; ny mpitsabo iray dia tsy manana zo intsony hanomboka fomba fitsaboana iray tsy nisy fanekena mazava nataon’ny marary, an-tsoratra mazàna. Izany no iray amin’ireo antony mahatonga hôpitaly sasany hanomana karazana taratasy fanekena izay angatahin’izy ireo mba hosoniavin’ireo marary. Raha toy izany no izy any amin’ny toerana iainanao, dia hahasoa anao izao lazaina manaraka izao.
Vakio amim-pitandremana tsara ny taratasy fanekena rehetra alohan’ny hanasoniavana azy, satria ny sonianao dia vavolombelona manambara fa ekenao izay rehetra voasoratra ao. Aza mamela na iza na iza hampanao sonia anao maimaika taratasy fanomezan-dalana na fanekena fomba fitsaboana iray; vakio amim-pitandremana aloha izany. Raha toa ka tsy ekenao ny teny iray, dia vonoy izany. Na dia misy olona mandà mafy aza, manamarika aminao fa taratasy faneken’ny hôpitaly io ary tsy azo ovana, dia fanekena ara-dalàna no ataonao ary tsy azo terena ianao hanao sonia na inona na inona raha toa izany mifanohitra amin’ny sitraponao. Tsy hoe te horaisina ho toy ny olona tsy ampy fahendrena ianao, fa tena zava-dehibe ny hanananao fijoroana tsy azo hozongozonina ny amin’io raharaha io: Manana zo ianao handa ireo teny rehetra voalaza ao amin’ny taratasy fanekena iray.
Raha misy firesahana fanekena momba ny fandidiana na izay rehetra mahakasika ny fampiasana ra, dia diniho amim-pitandremana kokoa ihany ny fehintsoratra tsirairay. Vavolombelon’i Jehovah maro be no sosotra tamin’izay hitan’izy ireo tao anatin’ny taratasin’ny hôpitaly noheverina fa niniana natao ho azy ireo. Na dia nolazaina mazava tsara eo amin’ireo andalan-tsoratra voalohandohany aza fa hohajaina ny sitrapon’ilay marary raha ny amin’ny raharaha mahakasika ny ra, dia novakina teo ambanimbany kokoa, amin’ny teny fohy, fa amin’ny ‘fotoana mahadodona na rehefa heverina fa ilaina izany, ny mpitsabo dia manana zo hampidi-dra’. Ambonin’izany, koa satria ny Tenin’Andriamanitra dia mandidy ireo kristiana mba hifady ny ra, dia fahendrena ny hanoratana amin’ny fomba hentitra hoe “Tsy mandray ra” eo amin’ny taratasim-panekenao rehetra. (Actes 15: 28, 29). Ny fitambaran’ny antoko-mpiasa amin’ny fitsaboana dia hahafantatra mazava tsara amin’izany ny toeranao. Kanefa na dia izany aza, dia mihamaro ny mandà ny fampidiran-dra noho ny fahatahorana ny ho azon’ny aretin’aty (hépatite), ny SIDA na aretina hafa izay mahafatyb.
Misy tany tsy mba ananan’ny marary zo tahaka ireo vao avy noresahintsika ireo. Manan-kery toy ny lalàna indraindray ny fiheveran’ny mpitsabo, ary antenaina ny hampilefitra kely na be ireo marary. Ny mpitsabo iray avy any amin’ny tany tandrefana izay nitsidika tany iray tatsy Afrika dia nanao izao fanazavana izao: “Tsy nahazatra ahy ny fifandraisan’ireo mpitsabo sy ireo marary tany (...). Tsy miteny mihitsy ireo marary raha tsy iresahana. Tsy manontany ny mpitsabo azy ireo mihitsy izy.” Na dia tsy manamora ny andraikiny aza izany fahazarana izany, ny kristiana iray dia haneho fahendrena amin’ny fanomezana lanjany, amim-panajana nefa hentitra, ireo zony tena lehibe indrindra: tsy fanimbana ny vatana sy fandraisana anjara amin’ireo resadresaka mahakasika ny fahasalamany.
Miresaha amin’ny mpiasan’ny fahasalamana
Ny mpitsabo no tokony ho mpisolovava anao tsara indrindra sy ho loharanom-panazavana tsara indrindra ho anao. Izany no maha-zava-dehibe ny hifidianana mpitsabo tsara. Toy izao no hevitry ny manam-pahaizana manokana iray: “Aoka ho fantatrao tsara fa ireo mpitsabo dia toy ny olona rehetra ihany. Manana ny toetrany tsara sy ny fahalemeny izy ireo. Ny ankamaroan’izy ireo dia manao izay rehetra azon’izy ireo atao ho an’ireo marary, kanefa ny sasany dia tonga amin’ny fiheverana fa anjaran’izy ireo ny manao fanapahan-kevitra eo amin’ny toeranao. Raha toa ka mifanohitra amin’ny anao ny finoana na ny maha-izy ny mpitsabo iray, dia mitadiava hafa.”
Alohan’ny hanekena ny fomba fitsaboana rehetra, dia manandrama hahazo valinteny mazava tsara sy mahafa-po amin’ireo fanontanianao (jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-8). Raha tsy azonao tsara ny zavatra rehetra, dia aza misalasala milaza izany. Iangavio izy hanazava tsara ny zavatra aminao, tsy amin’ny fomba fiteny ara-pitsaboana sarotra. Manehoa fahaiza-mandanjalanja amin’ny fampahafantarana ilay mpitsabo fa ankasitrahanao ny hahatakarany ny toerana misy anao, miorina amin’ny finoana ara-pivavahana.
Aoka ianao hiezaka mba hanana fifandraisam-pisakaizana amin’ny antoko-mpiasa amin’ny fitsaboana izay mikarakara anao, amin’ireo mpanampy ny mpitsabo indrindra indrindra, satria izy no afaka — ary tokony ho afaka — hanampy be indrindra na amin’ny hatsaran’ny fomba fitsaboana na amin’ny hiverenan’ny fahasalamanao. Raha toa ianao ka asaina mihinana fanafody na asaina mitsindrona, dia fantaro tsara raha tena natao ho anao io fomba fitsaboana io. Fitandremana feno fahendrena izany, satria ny fikasana tsara dia tsy mahasakana ny fahadisoana tsy hiseho.
Angamba hihevitra ianao fa tena sahirana ireo mpiasan’ny hôpitaly, kanefa tadidio fa ny ankabeazan’ny olona ao dia nifidy io asa io satria naneho fiheverana ny hafa izy ireo ary maniry amim-pahatsorana ny hanampy azy ireny. Hamela azy ireo hanatanteraka tsara ny andraikiny ianao amin’ny fanambarana mazava tsara izay zavatra ilainao na ahinao. Na dia izany aza, ireo mpanampy ny mpitsabo na ny mpiasa hafa dia tsy manana zo handrahona anao am-bava amin’ny karazam-pitenenana toy izao: “Ho faty ianao raha tsy manaiky io fomba fitsaboana io.” Lazao any amin’ny talen’ny hôpitaly izay rehetra mety ho fahadisoana karazan’izany ary koa any amin’ireo mpikambana ao amin’ny fianakavianao na amin’ny minisitra ara-pivavahanao, izay ho afaka hiaro ny tombontsoanao raha mitranga ny toe-javatra toy izany.
Inona no atao raha tàhiny misy zava-manahirana?
Na dia eo aza izany fitandremana rehetra izany, dia mitranga — mahalana — ny fifanoherana an-karihary miseho eo amin’ny marary sy ny fandaharana ara-pitsaboana. Inona no hatao raha toa ka mitranga tampoka aminao ny toe-javatra tahaka izany?
Alohan’ny zavatra rehetra, dia aza matahotra. Amin’ny ankapobeny, ireny fisehoan-javatra ireny dia sarotra ho an’izay rehetra iharany, ary tafahoatra ny fihetseham-po. Ny fihetsika tony, feno fahendrena sy fanajana àry dia afaka hitondra soa ho anao. Rehefa avy eo dia tadiavo izay rehetra mety ho fanohanana. Mety hisy solontenan’ireo marary ao amin’ny hôpitaly na mpanampy ara-tsosialy (assistante sociale) izay azonao iresahana mba hahitana fanampiana.
Tsy hadinon’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny mangataka ny fanampian’ireo loholona ao amin’ny kongregasionany. Ireny mpanolo-tsaina feno fahendrena sy ampy fanandraman-javatra ireny dia ho afaka hahita toerana azo iaraha-miasa kokoa amin’ny toe-javatra izay somary sarotra ka ilàna fifindran-toeranac. Ny kristiana marina dia tsy manadino koa ny miantehitra amin’ny herin’i Jehovah Andriamanitra. Mahalana amin’ireny toe-javatra sarotra ireny no tsy iray ihany ny vahaolana ary tena mahafa-po, ka raha ny tenantsika irery dia mety tsy hahafantatra loatra hoe inona no fanapahan-kevitra tokony hatao. Maro be no nahatsapa fa tamin’ny fivavahana tamin’Andriamanitra rehefa avy nanao izay rehetra nety ho vitan’ny olombelona no nahitana, tsy fampaherezana fotsiny fa vahaolana tsy nampoizina koa. — 1 Korintiana 10:13; Filipiana 4:6, 7.
Antenainay ny tsy hahitanao mihitsy zava-manahirana na dia iray aza, kanefa fahamalinana ny hiomanana ho amin’izany. Tadidio koa fa antenaina ny hanaovanao zavatra sasantsasany mandritra ny fotoana ijanonanao eny amin’ny hôpitaly. Fahafahana tsara atolotra anao izany mba hanehoanao toetra tsara kristiana toy ny faharetana, ny fisaorana noho ny fanehoana hatsaram-panahy ary indrindra indrindra fankasitrahana noho ireo fikarakarana rehetra natao. Rehefa mody ianao, dia azonao atao ny mandefa taratasy fohy na manolotra fanomezana kely ho an’ny mpiasan’ny hôpitaly; hamela fahatsiarovana tsara ianao amin’izany. Angamba hamela anao hanao fanambarana tsara amin’ny alalan’ny fitondrantenanao tsara ny fijanonanao eny amin’ny hôpitaly, ka handray anjara amin’izany amin’ny fampitomboana ny laza tsara dia tsaran’ny kristiana marina amin’ny maha-anisan’ny marary. — 1 Pet. 2:12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Taonjato maromaro lasa izay, ny mpanoratra Baiboly iray dia nanoratra teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, ohabolana iray izay mampirisika ny hitsinjovana ny mety hitranga toy izany: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery. Ny olona tsy ampy fiheverana minia mikipy ka vidiny lafo izany.” — Ohabolana 22:3, Français courant.
b Jereo ilay bokikely hoe Comment le sang peut-il vous sauver la vie? navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. tamin’ny taona 1990.
c Araka ny anazavana azy ao amin’ny lahatsoratra eo amin’ny pejy faha-12, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia mandray soa amin’ny fomba fanampiana sarobidy mba hifampiraharahana amin’ny mpiasa ao amin’ny hôpitaly ary hahitana vahaolana amin’ireo zava-manahirana ara-pitsaboana.
[Sary, pejy 5]
Raha toa ka tsy maintsy miditra hôpitaly ianao
Fandaharana horaisina
□ 1. Manàna any aminao ilay karatra “Filazana ara-pitsaboana/Fanalana andraikitra” (mbola tsy lany andro) na taratasy voasonia milaza mazava ireo fanirianao.
□ 2. Fidio amim-pitandremana ny mpitsabo anao.
□ 3. Aoka ho azonao antoka fa ilaina ny fampidirana hôpitaly.
□ 4. Vakio amim-pitandremana ireo taratasy fahazoana miditra eny amin’ny hôpitaly alohan’ny hamenoana azy ireo. Raha toa ka Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia hampahafantatra izany haingana ianao.
□ 5. Mitondrà entana sahaza anao manokana: penoara, fitaovana ilaina amin’ny fidiovana, zavatra hovakina.
□ 6. Ajanòny any an-trano ireo firavakao rehetra; ataovy kely araka izay azo atao ny fitaovana mandeha amin’ny aratra sy ny vola entinao.
[Efajoro, pejy 7]
Fanambarana ny zon’ny marary
Amin’ny fotoana hidirany eny amin’ny hôpitaly, dia tsy tokony hivadi-po noho io toerana misy azy io ny marary iray ka hieritreritra fa very ny maha-izy azy. Ananany ny zo izay mahafaly ny ankabeazan’ny hôpitaly sy ny antoko-mpiasa ao amin’ny fitsaboana ny manaja azy. Izay hitantsika eto dia famintinana ny fanambarana ny zon’ny marary misy hevitra 10 voalaza ao amin’ilay boky hoe Comment éviter l’hôpital (anglisy) nosoratan’i Lila Anastasd.
Ny marary dia manana zo...
1. Hotsaboin’ny mpiasa havanana tsara amin’ny raharahany, amim-panajana sy amim-piheverana.
2. Hahazo fanazavana feno sy ara-dalàna avy amin’ny mpitsabo azy mikasika ny fisehoan’aretiny, ny fomba fitsaboana nomaniny sy ny vinavinany, ary izany dia hataony amin’ny fomba fiteny takatry ny sain’ilay marary.
3. Hahazo avy amin’ny mpitsabo azy, ireo fanazavana izay hamela azy hanaiky amim-pahazavan-tsaina ny fampiasana izay fomba fitsaboana sy (na) fomba fiasa tsara rehetra. Rehefa misy fanolorana fomba fitsaboana azo ekena dia zon’ny marary ny hampahafantarana azy izany.
4. Handa fomba fitsaboana iray izay eken’ny lalàna.
5. Hangataka ny tsy hilazalazana ny fitsaboana natao taminy.
6. Hanantena fa ny fanazavana rehetra sy ny taratasy rehetra mikasika ireo fitsaboana atao aminy dia ho tsiambaratelo hatrany.
7. Hanantena fa ny hôpitaly iray dia hanao izay rehetra mety, araka izay azony atao, mba hanomezana fahafahampo amin’ny fangatahana fanampiana na fifindrana any amin’ny toeram-pitsaboana hafa iray raha azo ekena eo amin’ny lafiny ara-pitsaboana izany.
8. Ny hampahafantatra azy ny amin’izay rehetra fifandraisana misy amin’ilay hôpitaly sy ny toeram-pitsaboana hafa momba ny toerany.
9. Ny hahazoany torohevitra raha toa ny hôpitaly ka mikasa ny hanao fomba fitsaboana fanandramana aminy.
10. Ny hanantena fitohizan’ny fitsaboana mety sy hahafantatra mialoha hoe mpitsabo iza no azo hatonina ary aiza.
[Fanamarihana ambany pejy]
d Ilay boky hoe Les droits des patients — Petit guide des droits du patient (anglisy) (boky navoakan’ny fikambanana amerikana momba ny fahafaham-bahoaka) dia ahitana “Maodelin’ny fanambarana ny zon’ny marary” eo amin’ny lafiny 25.
[Efajoro, pejy 8]
Fiarovana sy fandraisana anjara
“Toy ny tsy tokony hisian’ny voampanga hiseho eo anatrehan’ny fitsarana raha tsy manana mpisolovava izy, dia toy izany koa, tsy tokony hisy marary hiditra ao amin’ny hôpitalin’ny tanàn-dehibe iray raha tsy miaraka amin’ny iray amin’ny mpikambana ao amin’ny fianakaviany na namana iray izay tapa-kevitra ny hiaro ny tombontsoanay ary handray fitenenana raha ilaina izany.” — June Bingham, The Washington Post, 12 aogositra 1990.
“Nandritra ireo taona maro, dia tsy nosaintsainin’ireo mpitsabo mihitsy ny hampandray anjara ny marary amin’ireo fanapahan-kevitra ara-pitsaboana. Etsy an-danin’izany, dia fantatr’ireo marary ny fahavoazany amin’ny fametrahana fanontaniana hentitra loatra izay hahatonga antsika hanohitra azy ireo, satria matetika loatra no mahasosotra antsika izany fahalianana hahafanta-javatra izany.
“Kanefa, ny fiheverana fa fantatsika izay hahasoa ilay marary ka noho izany dia afaka miasa mba ho fanasoavana azy ireo isika, tsy mila mamaly akory ireo fanontaniany, io hevitra io dia diso tanteraka ka mahagaga fotsiny ny firehetana hiaro azy. (...)
“Tsy afaka hitovy hevitra amin’ny marary isika; azontsika atao ny ho tonga hatramin’ny fifandirana aminy; afaka manambitamby azy koa aza isika. Kanefa izany rehetra izany dia tsy maintsy ataontsika ho fikendrena ny hitondra fanampiana ho azy ireo. Amin’ny farany, dia tokony hohajaintsika izay tiany na tsy tiany hataontsika.” — Dokotera Jay Katz, mpitsabo aretin-tsaina, profesora ao amin’ny oniversite any Yale, The Medical Post, Kanada.
“Tsy ankizy akory ireo marary, ary tsy ray aman-dreny ireo mpitsabo. (...) Raha ny marina, dia toa hafahafa ny ilàna hampahatsiahy an’ireo mpianatra ho dokotera sy ireo efa za-draharaha, fa rehefa mihaona amin’ireo mpitsabo ireo marary dia manantena koa (...) ny hametrahana fitokiana aminy sy ny mba hatokiany koa, ny hiheverana azy ireo ho toy ny olona tompon’andraikitra fa tsy ny hanararaotana loatra ny fatokiany, ny hiresahana amin’izy ireo sy ny hihainoana azy, ny hitondrana azy ireo ho toy ny olona mitovy saranga amin’ny tena fa tsy amin’ny fandidindidiana, ny hanajana ny fomba fiainan’izy ireo, ny hamelana azy hiaina araka izay mahafinaritra azy.” — Ny tsy fitenenan’ny mpitsabo sy ny marary (anglisy), nataon’i dokotera Jay Katz.
“Ny asantsika dia manomboka raha vao mifandray amin’ny marary isika. Fihaonana eo amin’ny 4 tapitrisa isan’andro no manome an’ireo mpitsabo amerikana fahafahana hanaporofo amin’ny marary tsirairay, tsy ny fahaizantsika ny asantsika ihany fa ny fangoraham-pontsika amim-pahatsorana koa, ny fanehoana fiheverana sy ny fandavan-tenantsika.” — James Davis, docteur en médecine, prezidàn’ny Fikambanan’ny mpitsabo amerikana.