Fitsidihana marary iray — Inona no holazaina? Inona no hatao?
NAMPIDIRINA hôpitaly ny iray amin’ireo namanao, ary mikasa ny handeha hitsidika azy ianao. Inona no holazaina ary inona no hatao? Inona no hoentina miaraka aminao? Inona no hilaina indrindra? Misy zavatra tsy tokony holazaina na tsy tokony hatao ve?
Irinao hisy heviny ny fitsidihanao. Izany akory tsy fianinana amin’ny fiarahabana fohy toy ny hoe “Manao ahoana ianao?” sy ny fanontaniana hoe “Manao ahoana ny fahasalamanao izao?” sady miseho ho sanganehana, alohan’ny handehananao amin’ny fanaovana “Veloma” haingana, angamba hampianao hoe “Sitràna haingana” ho famenon’izany. Ahoana àry no hahatonga ny fitsidihanao hanorina?
Izao no torohevitra voalohany indrindra: fidio amim-pitandremana ny ora fitsidihanao. Anontanio an’ilay marary na ny fianakaviany izay hilaza aminao ny fotoana mety indrindra izay tsy hahavoatana azy miaraka amin’ny havany na mpitsidika hafa, ohatra. Raha tsy maintsy hodidiana izy, dia tsara kokoa ny mandalo amin’ny takariva mialoha ny fandidiana, satria ho afaka hankasitraka kokoa ny resadresaka mahamiramirana sy mahafinaritra izy eo tsy toy ny amin’ny fotoana hifohazany, izay mety mbola haharendremana azy na mbola hiaretany fanaintainana.
Teny fahendrena
Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “resadresaka mahamiramirana?” Miomàna mialoha hitarika ny resadresaka sy hihazona teo-peo mety, manantena ny hihatsaran’ny zavatra. Tsy tokony hanahy ny amin’ny fampiantranom-bahiny ilay olona eo ambonin’ny fandrianan’ny hôpitaly. Manandrama mandray io andraikitra io araka ny fomba mahazatra sy amin-katsaram-panahy. Kanefa, inona no tsara holazaina sy tsy tsara holazaina?
Aza mitondra tarehy manjombona na dia tena ratsy aza ny toe-pahasalaman’ilay marary. “Ny fo ravoravo mahasalama tsara; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana” hoy ny olon-kendry nanoratra ny bokin’ny Ohabolana (Ohabolana 17:22). Tadidio àry fa adidinao ny mitondra teny sady mahafinaritra no mampahery amin’ny resadresaka. — Ohabolana 25:11; jereo Isaia 41:13.
Milazà vaovao farany izay mety hahafaly na hahasoa, momba ny fianakaviana na ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana, indrindra raha tsara izany vaovao izany. Aza hadinoina fa ny vazivazy dia mahasoa, ary mitadiava zavatra mampihomehy na mampitsikitsiky ilay marary. Ilaina foana ny fahaiza-mandanjalanja amin’io lafiny io. Tsy tonga mba hanao hatsikana tokoa ianao fa mba haneho amin’io namanao io ny fiheverana sy ny fangoraham-po tsapanao aminy.
Mila mahatsiaro fatokiana koa ny marary iray. Mitandrema àry mba tsy hanao resaka tsy manorina momba ny mpitsabo na ny hôpitaly. Amin’ny ankapobeny, dia tsaratsara kokoa ny tsy mampitaha ny toeran’ny marary iray amin’ny zava-nanahirana izay efa natrehinao na ny hafa, raha tsy hoe nahafaly angaha ny fiafarany. Samy hafa ny olona tsirairay, ary tsy misy mihitsy toe-javatra iray mitovy amin’ny iray hafa. — Ohabolana 18:13.
Torohevitra farany amin’ity resadresaka ity: Moa ve ianao mbola tsy tafaresaka tamin’olona iray izay mampahatsiahy ny fitatatatan’ny “mitraillette” na ny fitosaky ny riaka ny resany? Manasatra sy mandreraka, sa tsy izany? Raha izany no izy, aoka ianao ho ampy hatsaram-po mba tsy hanaovana karazan-dresaka tahaka izany amin’ilay olona izay tsidihinao. Ny resakao dia tokony hahafalifaly sy hampaharisidrisika, kanefa mahaiza mandanjalanja ny hamafiny sy ny fomba fiteny. Tsy voatery hiteny foana ianao. Ny fotoam-pahanginana kely miaraka dia mety hampahery. Raha lazaina amin’ny teny hafa, mitandrema mba tsy ho anisan’ireo mpitsidika maro misesisesy izay manafotra ny marary amin’ny teny maro be mahatonga faharerahana.
Faharetan’ny fitsidihana
Any amin’ny tany sasantsasany, ny fianakaviana dia azo lazaina hoe miara-mipetraka amin’ilay marary any amin’ny hôpitaly. Antenaina amin’izay ny hanadiovan’ny fianakaviana ilay marary sy ny hikarakarany ny sakafony; koa tsy maintsy mihalavalava ny fitsidihana amin’izay. Any amin’ny ankamaroan’ireo hôpitaly anefa dia voafetra ny ora fitsidihana, mba tsy hanasatra loatra ireo marary ary mba hamelana ireo mpiasa hanao ny asany. Vokatr’izany, dia tsy tokony hihoatra ny adiny iray amin’ny ankapobeny ny fihaonanareo raha toa ianao ka namana akaiky iray na iray amin’ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana, ary antsak’adiny raha toa ka olom-pantatra fotsiny ianao. Inona no hatao raha toa ka mangataka anao hijanona kely ankoatr’izay ilay marary? Angamba ho fahendrena na dia izany aza ny handehanana, noho ny fahafantarana fa ny harerahana dia mety hanova ny fahaizany mitsara zavatra. Mazava ho azy fa amin’io toe-javatra io dia mety ny hanehoan’ny tena fahaiza-manavaka ary ny zava-dehibe indrindra dia ny tsy hanerena azy.
Tsara indrindra io torohevitra io raha toa ilay marary ka efa nahazo fitsidihana mihoatra izay antonona ho an’ny fahasalamany na ny fandehan’ny asa. Raha ny marina dia hampiseho tsara kokoa ny fiheveranao an’ilay marary ireo fitsidihana fohy maromaro tsy toy ny fitsidihana maharitra iray. Aza hadinoina koa ny maneho ny fahaiza-mandanjalanja raha hita fa manelingelina ny havan’ilay marary izay tao amin’ny efitra nisy azy ny fahatongavanao, ary hita fa tezitra izy. — Jereo Ohabolana 25:17.
Mitondrà fanampiana azo ampiharina
Alohan’ny handehanana ho any amin’ny hôpitaly aza, dia fahendrena ny hanaovana karazam-piomanana hafa. Misy zavatra ilaina, na inona izany na inona, azonao entina ve? Misy zava-baovao azo vakina ve? Angamba ianao vao nahazo ny nomerao farany amin’ny gazetiboky iray izay ankasitrahan’ilay olona hotsidihinao koa. Tsy isalasalana fa hanohina ny fony ny nieritreretanao avy hatrany ny hanome azy io boky io. Nahoana no tsy manipy hevitra ny hamakianao aminy lahatsoratra iray na roa izay nahaliana anao indrindra?
Zavatra hafa inona no azonao entina? Fiheverana kely, amin’ny endriky ny fehezam-boninkazo na voankazo vitsivitsy, ohatra, dia mety ho toy ny tara-masoandro iray mandritra ny andro. Eritrereto ireo zava-mamy tian’ilay marary, na koa zavatra namboarina tany an-trano — raha toa ka mety ny hanaovana izany. Mangataha fanazavana amin’ny fianakaviana na manontania ireo mpanampy ny mpitsabo alohan’ny hidiranao ao amin’ny efitra misy ilay marary.
Azonao atao koa ny manontany ny mpitsabo na ny mpanampy ny mpitsabo raha misy zavatra hafa azonao entina, na azonao atao mba hanamorana ny asan’izy ireo na hanatsarana ny toe-pahasalaman’ilay marary. Tsy isalasalana fa hankasitrahan’izy ireo ny fanoloran-kevitrao.
Irinao ve ny hitondra ny fanampianao amin’ny fomba hafa? Mitadiava lafin-javatra madinika. Anontanio ilay marary raha misy olona maka ny taratasiny ary mitondra izany ho azy. Nahoana no tsy mikasa ny mba handeha hanopy maso kely ny tranony ary hanadio izany miaraka amin’ireo namana sasantsasany aza alohan’ny hiverenany hody? Ilaina ve ny manadio ny tokotaniny, ny hanondrahana ireo zavamaniry na ny hanaovana izay hiheverana fa trano misy olona ny tranony mba tsy hisarika ireo mpangalatra? Manahy ny amin’ilay biby miara-monina aminy ve izy? Mety hampanahy azy indrindra ireny zavatra rehetra ireny na ireo hafa, kanefa tsy sahy miteny izy. Anontanio avy hatrany àry. Ny fiahianao tsara dia tombontsoa hafa mba hampisehoana fa miahy marina tokoa ny hampiadana azy ianao.
Teny indraim-bava momba ny fisehoanao. Na dia toa mahagaga aza izany, ny fisehoanao ivelany sy ny fihetsikao dia mety hisy vokany eo amin’ny fomba hikarakaran’ireo anisan’ny mpiasan’ny hôpitaly ilay marary. Raha voamariny fa mandray mpitsidika maromaro manana fisehoana ivelany tsara ilay marary, dia hisy vokany tsara eo amin’izy ireo izany. Raha tsapany fa mpitsidika maromaro miaraka karazan’izany no miahy ny amin’ny hahasoa ilay marary, dia hirona mora foana ho amin’ny fieritreretana izy ireo fa io olona io dia tsy maintsy ho olona hajaina — ary marina izany. Mampirisika antsika ny amin’ny ‘hiravahana araka izay mahamendrika ny manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra’ ny Baiboly, ary angamba izany hitarika ny mpiasa hikarakara ilay marary. — 1 Timoty 2:9, 10.
Raha tàhiny misy zava-manahirana
Mety hahita zava-manahirana lehibe amin’ny fifandraisany amin’ny antoko-mpiasa ao amin’ny fitsaboana ilay marary. Tsy hoe te hisalovana amin’ny fomba fiainany manokana ianao, fa aza misalasala manontany hoe “Ahoana no fiheveran’ny mpitsabo ny fahasalamanao?” Raha toa ka tsy tsara ireo fisehoan-javatra ary mahafantatra mpikambana ao amin’ny fianakaviana na minisitra ara-pivavahana miandraikitra ny fanohanana azy ianao, dia azonao atao angamba ny manolotra ny fanampianao, ary manolo-kevitra voalohany indrindra ny hiaraha-midinika amin’ny mpiasa mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa. Azonao atao koa ny mandeha miaraka amin’ilay fianakaviana raha misalasala izy ny hiresaka amin’ilay mpitsabo noho ny antony iray na hafa.
Amin’io toe-javatra io, dia zava-dehibe indrindra indrindra ny tsy hatahorana ny tale na ny mpiasan’ny hôpitaly mpitsabo iray. Moa ve ilay marary ao anatin’ny toeram-pitsaboana sarotra dia sarotra iray, voahodidin’ny fitambara-milina sy marary izay tena ratsy dia ratsy ny toe-pahasalamany? Toa faran’izay sahirana ve ireo anisan’ny mpiasan’ny fahasalamana, ary manohitra amin’ny fomba somary mitratrevatreva? Ny fihetsika voalohany dia ny tsy tokony hananana fahasahiana hampiato azy ireo, ary indrindra ny hilaza amin’izy ireo na inona na inona izay hahatonga azy hieritreritra fa misalasala ny amin’ny fahaizan’izy ireo ianao. Na dia izany aza, raha miandraikitra ny fiarovana ny tombontsoan’ilay marary ianao, ianao (sy izy) dia mila ny hahazo valinteny mazava tsara ary hahafantatra ireo fanafodin’ny zava-manahirana rehetra izay azo saintsainina. Aza mandositra ny andraikitrao ianao. Sady mitandrina mba tsy hanakantsakana ny asa fitsaboana dia, tadidio fa na dia i Jesosy aza tao amin’ny fanoharana iray dia nampiseho fa ilaina indraindray ny mikiry mba hihainoan’ny hafa anao na mba hahazoana ireo fanazavana izay ara-dalàna ny hahazoana azy. — Lioka 18:1-6.
Fieritreretana ny fitsidihanao
Raha vao vita ny fitsidihanao ka mandao amim-pifaliana ilay marary ianao dia, hevero indray izay nolazainao sy izay nataonao. Io fieritreretana io dia afaka hanampy anao hahafantatra hoe ahoana no hanaovanao ny fitsidihanao manaraka, an’io marary io na ny hafa, mbola handaitra kokoa sy hahasoa kokoa.
Rehefa nodinihina ireo zavatra rehetra, dia azonao atao ny manao zavatra betsaka ho an’izay olona tsidihinao any amin’ny hôpitaly. Mieritrereta ny hiomana ary mambole faniriana ny hanampy. Raha manararaotra ny fotoana mba hanaovana betsaka araka izay azo atao ianao, dia hiseho ho ‘sakaiza iray mifikitra noho ny rahalahy [ara-nofo] aza.’ — Ohabolana 18:24.
[Efajoro, pejy 10]
Fitsidihana mahasoa iray
1. Miomàna.
2. Asio fiheverana ny toe-pahasalaman’ilay marary. Aza itarina lava loatra ny fitsidihana.
3. Manaova fitafiana mety.
4. Tariho ny resadresaka, kanefa aza miteny betsaka.
5. Mitondrà zavatra mahasoa ary manolora fanampiana azo ampiharina.
6. Aoka ianao hafana sy hanatanjaka.
7. Miverena mba hanao fitsidihana fohy iray.