Ny fiadiana ny amboara maneran-tany eo amin’ny baolina kitra fanatanjahan-tena sa ady?
Avy amin’ny masoivohonay any Italia
IZAO TONTOLO IZAO manontolo dia niaina araka ny fandehan’ny baolina boribory. Nanomboka ny 8 Jona ka hatramin’ny 8 Jolay 1990, dia olona an-jatony tapitrisa maro no niraikitra teo anoloan’ny fahitana lavitra mba tsy ho diso mihitsy fisehoan-javatra iray ao anatin’ny taona dia: ny fiadiana ny amboara maneran-tany eo amin’ny baolina kitra nalamina tany Italia. Raha ny amin’ny totalin’ny mpijery, dia mpijery televiziona 30 lavitrisa no nanaraka ireo fihaonana 52 — avo enina heny noho ny isan’ny mponina manerana ny planeta!
Tontosa io fotoan-dehiben’ny televiziona io noho ny fampiasana fomba ara-teknika mbola tsy nisy ohatra izany: ny foibe iray fikarakarana ny horonan-tsary sy ny fandaharana dia nampiasa fitambaran-toerana fandefasana fandaharana mitovy 147 nampiseho firenena 118, niaraka tamin’ny fakana sary 180, fikambanana mikarakara ny horonan-tsary sy ny fandaharana 38 ary teknisiana 1500. Etsy an-danin’izany, ireo kianja 12 nanaovana ireo fihaonana dia nandray mpijery teo amin’ny 2515000 sy mpanao gazety 6000 avy amin’izao tontolo izao. Tsy mahalaza ny zava-drehetra anefa ireo tarehimarika. Mba hahafahana milazalaza io fisehoan-javatra nalaza io, toy ny “fandosirana ho any ivelan’ny zava-misy” araka ny fahitan’ny sasany azy, dia niangaviana handray anjara ny mpanoratra, ny manam-pahaizana manokana momba ny fiainam-bahoaka, ny manam-pahaizana manokana momba ny toe-tsaina, ny mpahay zavakanto ary ny teôlôjiana koa aza.
Azo atao ve anefa ny milaza fa ny fiadiana ny amboara maneran-tany dia anisan’ny mahatonga fifanarahana sy hitsim-po amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena? Moa ve ireo olona an-tapitrisany maro izay nanaraka ireo fihaonana noho ireo satelita, nahay nanararaotra ny fitiavana fatratra ny baolina kitra niarahan’izy ireo nanana mba handresena ny fifandrafiany ara-pirenena nandritra ireo 30 andro ireo? Hery nampiray ve ny baolina kitra?
Fanatanjahan-tena sa ady?
Aoka isika handinika iray monja amin’izay nanjary nampiavaka ny fotoam-panatanjahan-tena maro dia maro dia: ny herisetra. Eo am-panaovana ny lalao baolina kitra matetika no mipoaka eny amin’ny kianja, eny amin’ny toerana fijerena baolina ary eny ivelan’ny kianja ny herisetra. Misy manam-pahaizana manokana momba ny toe-tsaina, momba ny fiainam-bahoaka ary mpanao gazety miara-milaza fa, eo amin’izao tontolo izao mahery setra misy antsika, dia tsy maningana ny fanatanjahan-tena. Madiva ho levona tsy azo sakanana ireo fari-pitondrantena ambony lehibe indrindra. Ny firesahana ny amin’ny “fihaonana amin-kitsim-po”, ny amin’ny “fiarahan’ny mpinamana”, na ny amin’ny “firahalahiana” dia tsy ampy mba hanaronana ny fisian’ireo herisetran’ny fanatanjahan-tena môderina.
Tsy naningana akory ny fiadiana ny amboara maneran-tany. Mbola tsy nanomboka akory ny fifaninanana dia efa re sahady ny filazana nampitebiteby. “Mampatahotra ny firehitry ny herisetra amin’ny baolina kitra: mandao an’i Italia ireo mpizaha tany”, hoy ny lohatenin’ny gazety La Repubblica, 18 andro talohan’ny lalao fanokafana. Ny tena nampatahotra fatratra dia ireo ‘hooligans’ nalaza, mpanohana ny antokon’ny mpilalao anglisy fantatra manerana ny Eoropa amin’ny asa fandrobana ataony aloha, mandritra ary aorian’ny fihaonana tsirairaya.
Tao amin’ny nomeraony tamin’ny 1 Jona 1990, ny gazety italiana mpivoaka isan’andro La Stampa dia namakafaka ireo antony miteraka herisetra ao amin’ireo kianja sy ny fihetsika mahery vaikan’ny ‘hooligans’. “Eo amin’ny antokon’ny baolina kitra, hoy ny azo novakina tao, dia tsy misy fatra tapany intsony. Tsy asiana resaka tsotra intsony ny amin’ny mpifanandrina amin’ny tena fotsiny, fa ny amin’ireo ‘fahavalo’; tsy maningana ny fifandirana miharo ompa sy totohondry fa fahita, ary izany dia tsy maintsy atao mafy, mafy araka izay azo atao.” Nahoana? “ ‘Satria mifankahala isika samy isika’, hoy ny navalin’ny ‘hooligans’ tany Bologne.” Ho fanandramana manamarina io fihetsika mankahala io, ilay manam-pahaizana momba ny fiainam-bahoaka atao hoe Antonio Roversi dia nilaza hoe: “Ireo tovolahin’ny kianja dia voan’ny ‘syndrome bédouin’ (aretin’ireo arabo mpifindra monina any an’efitra). Mihevitra ireo naman’ireo fahavalony ho toy ny fahavalony izy ireo ary ireo fahavalon’ireo namany ho toy ny fahavalon’izy ireo; toy izany koa, ny naman’ny namana iray dia namana ary ny fahavalon’ny fahavalo iray dia namana.”
Fankahalana, herisetra, fifandrafiana, fandravaravan-javatra tsy amin’ny antony, “syndrome bédouin” — Mbola tsy nanomboka akory ny fiadiana ny amboara maneran-tany dia efa fanambarana ady no rivotra niainana. Na dia izany aza, dia tao anatin’ny rivo-pifaliana no nanomanan’i Italia ilay fisehoan-javatra.
Tsodranon’ny papa
Na dia ny papa aza, izay marina fa mahalana vao tsy manararaotra ny fahafahana hiresaka amin’ny vahoaka, dia nankany amin’ny “tempolin’ny” amboara maneran-tany, ny kianja olimpikan’i Roma izay nohavaozina, mba hitso-drano azy io. “Ivelan’ny fetin’ny fanatanjahan-tena, ny fiadiana ny amboara maneran-tany dia mety hanjary ho lanonam-piaraha-mientana iray eo amin’ireo vahoaka”, hoy ny antsoantsony, ary nanampy izy fa ny fanatanjahan-tena môderina dia tsy maintsy misoroka ireo loza mahatsiravina toy ny fitadiavana tombontsoa foana sy zava-mahatalanjona, ny fampiasana zava-mahadomelina, ny fanambakana ary ny herisetra. Nirariany ny “hahatonga ireo fiezahana sy ireo fanekena handa tena hanao an’i ‘Italia 90’ ho dingana iray mitarika ho amin’ny firahalahiana ho an’ireo mpiray firenena aminareo sy ho an’ny rehetra.” Ilay jesoita atao hoe Paride Di Luca, mpilalao baolina kitra taloha, dia namerina ny voalazany rehefa nilaza tao amin’ny ‘vavaky ny mpanohana” nataony hoe: “Avia, ry Andriamanitro ô! ary jereo ny fiadiana ny amboara maneran-tany.”
Kanefa moa ve fety lehibe tokoa ny fiadiana ny amboara maneran-tany? Niahy ny amin’izany ve ilay Andriamanitr’izao rehetra izao? Aoka isika handinika ny fanatanjahan-tena araka ny tena izy, eo amin’izay zavatra hindrahindrainy ho sarobidy.
Ireo ‘hooligans’
Noho ny ‘hooligans’, ny tanàna toa an’i Cagliari sy Turin dia niaina teo ambany fitondra-miaramila nandritra ny fihodinana voalohany rehetra tamin’ny fifaninanana. Porofon’izany ireo lohatenin’ny gazety toy ny hoe: “Mihovitrovitra noho ny ady i Rimini”; “Cagliari: nipoaka ny ady”; “Herisetra tao Turin: Voatsatoka antsy ny alemanina iray sy anglisy iray”; “Tabataban-kerisetra teo amin’ireo mpanohana ny anglisy, alemanina ary italiana”; “Ben’ny tanànan’i Turin: Arovy izahay amin’ny mpanohana ny anglisy”; Alim-pifandonana teo amin’ireo nirehitra mafy. Araka ny hevitry ny ben’ny tanàna, dia ireo avy ao Turin no tena ‘hooligans’. ” Ohatra iray farany izay tena mahatsiravina: “ ‘Ahoana no hanatsatohana antsy ny mpanohana ny an-kilany’ — Navoaka tany Angletera; ny bokin’ilay ‘hooligan’ tsy nanan-tsiny. ” Ampy mba hahazoana an-tsaina ny tarehin-javatra ireo lohateny ireo. Kanefa dia tsy azo atao ny manantena vokatra hafa noho izany amin’ny fiaraha-monina izay mivelona amin’ny herisetra.
Tsy nifarana tamin’ny mari-pifaliana iray ilay fotoam-panatanjahan-tena lehibe. Tamin’ny fanevatevana ny ekipa arizantinina sy ilay mpilalaony malaza atao hoe Maradona izay nahatonga ny ekipan’i Italia ho raraka, dia nampanjombona ilay fety sy nanimba ilay lalao famaranana ireo mpanohana italiana. Tamin’io harivan’ny Jolay io, dia tsy teo amin’ny kianja olimpika “ny firahalahiana lehibe ara-panatanjahan-tena”; tsy nasiana hasiny ilay ‘tempolin’ny’ fiadiana ny amboara maneran-tany. Azo atao ny namaky ity filazana ity tao amin’ny gazety Il Tempo, tamin’ny 10 Jolay 1990: “Teny amin’ny kianja dia nosimbana ny lalao; teny amin’ny toerana fijerena baolina dia nolotoina ny fanatanjahan-tena.”
Fifaranana tena nanjombona izany ho an’ny fisehoan-javatra iray nantenain’ny sasany fa, mandritra ny 30 andro fara fahakeliny, dia handrodana ireo fefy sy hanova izao tontolo izao ho “vohitra haneran-tany” iray. Kanefa raha toa ka efa tsy afaka nanorina fiadanana sy fifanarahana teo ambony kianja sy tany ivelany ny baolina kitra, hety ve ny hieritreretana fa ho afaka hampitombo ny fiadanana maneran-tany izy io?
Fomba fijery voalanjalanja momba ny baolina kitra
Nidera ny baolina kitra ny gazety La Stampa ka namaritra azy io ho toy ny “soritra masina navelan’ny fahiny, (...) mariky ny fivadibadihana, fototr’ireo fifaninanana ara-panatanjahan-tena rehetra.” Raha jerena amin’io fomba fiheverana io, ahoana no tokony hiheveran’ny kristiana tso-po iray ny baolina kitra, ary raha itarina bebe kokoa, ny fanaovana fanatanjahan-tena amin’ny ankapobeny ho anton’asa?
‘Ireo izay tsy tia baolina kitra dia tsy ampy zavatra sasantsasany’ hoy ny toa nolazain’ilay filôzôfa atao hoe Bertrand Russell. Eny, ny filalaovana baolina na ny fandraisana anjara amin’ny fanatanjahan-tena hafa iray dia mety hahafinaritra sady hahasoa, indrindra amin’izao androntsika izao izay ahitana olona maro be manana fiainana tsy dia ahafahany mivoaboaka loatra. Kanefa, tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy mampidi-doza izy io?
Hoy ny Baiboly: “Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.” (Galatiana 5:26). Ny fiadiana ny amboara maneran-tany dia mampiseho tokoa fa ny herisetra sy ny finiavana handresy na inona na inona sandany dia matetika no miaraka. Io no lafy ratsin’ny fanatanjahan-tena atao anton’asa. Mba tsy hanehoana ireo “asan’ny nofo” ireo, na amin’ny maha-mpandray anjara na amin’ny maha-anisan’ny mpijery, ireo kristiana dia tsy maintsy mifehy ny sain’izy ireo, indrindra raha ny amin’ny faniriana hitaky ny toerana voalohany. (Galatiana 5:19-21). Tadidio ity tenin’ny poety ity: “Rehefa ho tonga ny anjaranao, ilay Mpanamarika lehibe dia tsy hijery na resy ianao na mandresy, fa ny hoe ahoana no filalaonao.”
Anton-javatra hafa iray tokony hasiam-piheverana ny fotoana. Moa ve ianao anisan’ireo an-tapitrisany maro liana loatra izay mandany ora maro eo anoloan’ny vata fahitana lavitra mba hijery ireo fandaharana mivantana momba ny fanatanjahan-tena? Etsy an-kilan’izany, fotoana toy inona no atokanao mba hanaovana fampiasan-tena? Fahaiza-mandanjalanja — io no teny mifono zava-dehibe indrindra. Midika izany fa ilaina ny mahay manokana fotoana hanaovana fampiasan-tena sy hialan-tsasatra, tsy misy fanaovana tsirambina ireo asa ara-panahy izay tokony hanana ny toerana voalohany. Nanome izao torohevitra manaraka izao an’i Timoty tanora ny apostoly Paoly, torohevitra mbola marina kokoa ihany amin’izao andro izao: “Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena, fa ny fifikirana amin’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria manana ny fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny fiainana ho avy.” — 1 Timoty 4:8, MN.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Indro ny anankiray amin’ireo fanazavana omena momba ny niandohan’ny teny hoe “hooligan”: “Lehilahy iray atao hoe Patrick Hooligan izay niriorio, nangalatra tamin’ny olona ary nikapoka azy ireny tamin’izany.” — Rakibolana momba ny teny maitso sy ny teny anglisy tsy ara-dalàna, nataon’i Eric Partridge.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Photo Agenzia Giuliani