FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/12 p. 13
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fitsapan-kery” eo amin’ny batista
  • Ny herisetra eo amin’ny fanatanjahan-tena
  • ‘Tsy mifikitra amin’ny anjara raharahany izy ireo’
  • Ny fiadiana ny amboara maneran-tany eo amin’ny baolina kitra fanatanjahan-tena s
    Mifohaza!—1992
  • Tokony Hiditra ao Amin’ny Ekipa Mpanao Fanatanjahan-tena ve Aho?
    Mifohaza!—1996
  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Spaoro?
    Manontany ny Tanora
  • Fahafoizan-tena ho An’Andriamanitra sa Fanatanjahan-tena?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/12 p. 13

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

“Fitsapan-kery” eo amin’ny batista

Nikorontana ny rivo-piainana tamin’ny fihaonambe ara-pivavahana natao tao amin’ny Lapan’ny Kongresy any Dallas tamin’ny volana jona. Solontena batista maherin’ny 45 000 no tafahaona ho amin’izay nantsoin’ny New York Times hoe “fitsapan-kery teo amin’ireo mpanaraka foto-pinoana sy ny antoko hafa antonony kokoa, dia fifanatrehana izay ny loka dia ny fidirana ho amin’ny fitarihan-draharahan’ny Fihaonamben’ny batista tany atsimo”, dia ny fihetsiketsehana protestanta lehibe indrindra tany Etazonia. Tamin’ny farany, dia ilay mpanaraka foto-pinoana tena tompon-draharaha atao hoe Charles Stanley no voafidy, ka nandresy an’i Winfred Moore anisan’ireo antonony kokoa mpifaninana taminy. Tsy nitondra firy fanafodin’ny tsy fifanarahana nampisaraka ireo mpikambana tao amin’io Fiangonana io anefa izany kongresy izany.

Na dia mino aza ny batista fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly, ny antonony kokoa amin’izy ireny, izay lazain’ny mpanaraka foto-pinoana ho tia fahalalahana, dia misalasala ny amin’ny tsy maha-mety diso tanteraka ny Soratra Masina. Matahotra ny mpanaraka foto-pinoana sao ireo antonony kokoa mampidi-doza ny teolojia batista mahazatra. Etsy andaniny koa, ireo antonony kokoa dia manome tsiny an’ireo rahalahiny mpanaraka foto-pinoana noho izy ireo tsy manohana ny fisarahana tanteraka amin’ny Fiangonana sy ny fanjakana, fa mitsabaka kosa ao amin’ny politika, ohatra, amin’ny fanerena mba hitanana ny vavaka any an-tsekoly na mba handrarana ny fanalana zaza. Tsy voalamina velively ny tsy fifanarahana eo amin’ireny antoko ireny. Marina fa io tarehin-javatra io dia tsy mifanaraka amin’ny fananarana nomen’i Paoly an’ireo kristiana marina mba “hiray teny” ary “mba ho tafakambana tsara (...) hiray saina sy hevitra”. — I Korintiana 1:10.

Ny herisetra eo amin’ny fanatanjahan-tena

“Mihamitovy kokoa ihany amin’ny kianja nisy mpikarama nampiadiana ireo kianja filalaovam-baolina.” Izany no fanamarihana nataon’ny gazety Time tao amin’ny fitantarana nataony momba ireo fisehoan-javatra nampangitakitaka nahatafiditra tamin’ny may lasa teo ny mpanohana ny mpilalao anglisy sy italiana tamin’ny lalao famaranana amin’ny “Coupe d’Europe” tany Bruxelles izay niafara tamin’ny fahafatesan’olona 38. Mitombo amin’ny fomba mahavelom-panahiana ny zava-manahirana momba ny herisetra eo amin’ireo mpanohana mpilalao any amin’ny toerana maro hafa eo amin’izao tontolo izao. Tamin’ny volana may, ireo mpanohana mpilalao sinoa dia nanapoaka tabataba tany Pékin, nanimba aotobisy, namadika fiarakodia sy nandrahona ny hafa firenena satria fotsiny ireo mpilalaon’i Hong-kong dia nanala ny antokony mpilalao baolina tamin’ny fanandramana nilalao tamin’ny fiadiana ny “Coupe du monde”.

Fa nahoana ireo “mpankafy” fanatanjahan-tena no mirehitra toy izany? Misy manam-pahaizana manokana mihevitra fa ny antony dia satria be dia be amin’izy ireny no olo-mahantra, tsy manan-javatra hatao ary tsy voaomana tsara mba hizaka faharesena na fietrena. “Kanefa, tsy ny fiheverana amin’ny lafiny ara-toe-karena na ara-tsosialy no hampiharihary amintsika ny tena mahatonga ny zava-manahirana”, hoy ny fanantitranteran’i Jeffrey Goldstein, izay nandinika ny raharaha ny amin’ny herisetra eo amin’ny fanaovana fanatanjahan-tena. “Raharaha momba ny fanindrahindram-pirenena fotsiny izany. Amin’izao taonjato iainantsika misy fifamoivoizana faran’izay haingana izao, ny fihaonana ara-panatanjahan-tena dia mirona kokoa hatrany hiova ho ady fanindrahindram-pirenena. Ambonin’izany, ny olona dia tohanan’ny asan’ny fanoratan-gazety, ny talen’ny fanatanjahan-tena, ny mpanao politika sy ny mpanao fanatanjahan-tena mihitsy.” Nampian’i Goldstein koa fa, ho an’ireo mirehitra fatratra, “ireo fihaonana ara-panatanjahan-tena iraisam-pirenena dia manjary fitsapana hanamarinana na handavana hevitra”.

Raha manosika olona fatra-pitia fanatanjahan-tena maro be ho amin’ny herisetra ny fanindrahindram-pirenena, ny kristiana marina kosa dia solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy tia ady sy tsy momba ny atsy na ny aroa. Ankoatr’izany, dia halaviriny ny fetezana ho azon’ny toe-tsain’izao tontolo izao, eto dia ny fitiavana fifaninanana. — Jaona 17:16; Romana 12:18; Galatiana 5:26.

‘Tsy mifikitra amin’ny anjara raharahany izy ireo’

“Mahaliana ny mahatsapa fa ireo evekantsika mpanao politika, mpahay miresaka anefa, dia toa tsy mahay manavaka tanteraka ny tokony hitana ny toerana voalohany amin’ny kristiana.” Izany no nolazain’i Paul Johnson tao amin’ny Daily Telegraph any Londres. Araka ny filazana, ireo eveka dia manokana fotoana be dia be loatra hanaovana lahateny momba ny politika ary tsy resahiny ny zava-manahirana iray faran’izay lehibe kokoa. Dia nampiany koa hoe: “Any Etazonia toy ny any Grande-Bretagne, ny fahantrany dia hita indrindra eo amin’ny olona niteraka tsy manambady”, izay matetika tokoa no ao anatin’izany tarehin-javatra izany noho ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny tanora. “Misy fifanoheran-javatra anefa satria ela be tokoa izay no tsy nandrenesako pretra, indrindra fa eveka, namelabelatra toriteny momba ny loza ateraky ny fijangajangana.” Raha toa ireo eveka ka “nianina tamin’ny fifikirana tamin’ny anjara raharahany lehibe indrindra sy mahazatra, dia ny ho mpiaro ny fitondrantena tsara”, hoy ny famaranany, dia ho azony atao ny “handray anjara lehibe amin’ny fanamaivanana ny aretina ara-toe-karena”.

Izany fanamarihana nataon’i Johnson izany dia mampahatsiahy antsika toe-javatra sahala amin’izay nitranga teo amin’ny Isiraely taloha. Ireo filoha ara-pivavahana tamin’izany andro izany dia nanadino koa ny nampianatra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny olona mba ‘hialany tamin’ny lalan-dratsiny’. Izao no nolazain’Andriamanitra ny amin’ny olona toy izany: “Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany (...) izay samy mangalatra ny teniko amin’ny namany avy.” (Jeremia 23:22, 30). Amin’izany fomba izany koa amin’izao androntsika izao, ny klerjy izay tsy mahavita ny adidiny hampianatra ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena mety, angamba amin’ny tsy fampiharana tsara ireo teny ao amin’ny Baiboly noho ny antony ara-politika na hafa, izany klerjy izany dia tsy tokony hanampo afa-tsy ho mendrika ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. — Jereo Lioka 11:52.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara