Mangidy ny Vokany na Tsy Misy Mahita Aza
“Tsy tiako maizina ny tenako. Mieritreritra foana aho hoe tokony ho nisy zavatra nataoko na noteneniko mba hanakanana an’ilay izy. Hoatran’ny hoe maloto ny fahatsapako ny tenako.”—Ann.
“Tsy te hiarakaraka amin’iza na iza mihitsy aho. Kivy sy diso fanantenana aho matetika, dia indraindray aza aho te ho faty mihitsy.”—Jill.
HOY i Beverly Engel, ao amin’ny boky iray nosoratany: ‘Rehefa misy mametaveta ny ankizy iray, dia misy vokany be amin’ny sainy sy ny fihetseham-pony ary ny vatany izany. Lasa tsy afaka ao an-tsainy ilay izy sady lasa mahatsiaro ho tsy misy dikany izy. Simba ny fiainany iray manontolo.’—The Right to Innocence.
Tsy voatery hitovy ny vokatr’ilay hoe nisy nametaveta, arakaraka ny ankizy niharan’ilay izy.a Samy manana ny toetrany mantsy ny ankizy sady tsy mitovy ny fahaizany miatrika olana sy ny zavatra zakany. Miankina be amin’ny zavatra hafa koa ilay izy, ohatra hoe firy taona ilay ankizy, iza no nametaveta azy, mahatsiravina be ve ny zavatra nataon’ilay olona taminy, dia nandritra ny firy taona. Rehefa fantatra koa hoe nisy nametaveta ny ankizy iray, dia avy eo misy olon-dehibe manampy azy sy mampiseho aminy hoe tena tia azy, dia matetika no tsy misy vokany ratsy be loatra aminy ilay izy. Be dia be anefa no mijaly be satria tena maratra ny fony.
Nahoana no ratsy be ny vokany?
Hazavain’ny Baiboly ny antony. Milaza ny Mpitoriteny 7:7 hoe: “Mety hanaonao foana ... ny hendry rehefa ampijalina.” Na ny olon-dehibe aza manao hoatr’izany rehefa misy mampijaly, dia mainka moa fa raha ankizikely no ampijalijalina. Tena hisy vokany ratsy be aminy izany, indrindra raha hoe olona atokisany no manao an’izany, ohatra hoe ny dadany. Miankina amin’ny zavatra iainan’ny olona iray mandritra ny fahazazany anefa ny hoe hahay hamoaka sy hifehy ny fihetseham-pony ve izy sa tsia rehefa lehibe. Miankina amin’izany koa ny hoe hifandray tsara amin’Andriamanitra ve izy sa tsia. (2 Timoty 3:15) Amin’iny koa ny olona no manomboka mianatra ny atao hoe mety sy tsy mety, sy manomboka mahatsapa hoe misy ilana azy sa tsia. Rehefa tia be an’azy koa ny dada sy mamany, dia lasa hainy hoe hoatran’ny ahoana izany hoe tiana sy atokisana.—Salamo 22:9.
Izao no nolazain’ny Dr. Patrick Gannon: ‘Rehefa misy mametaveta ny ankizy iray, dia lasa tsy matoky olona intsony izy.’ Nivadika taminy mantsy ilay olona natokisany. Nataony izay hahatonga an’ilay ankizy hieritreritra hoe tsy misy mpiaro izy, tsy misy azony afenina na ny zavatra mahamenatra azy aza, na hoe tsy misy dikany izy. Nataon’ilay olona fitaovana hahazoana fahafinaretana fotsiny izy.b Tsy fantatry ny ankizy hoe zavatra vetaveta no atao aminy. Efa ho ny ankizy rehetra iharan’izany anefa no mahita hoe maharikoriko ny zavatra ataon’ilay mpametaveta sady mampahatahotra. Lasa mahatsapa koa ry zareo hoe ambanina.
Izany no mahatonga ny olona hilaza hoe ny fametavetana ankizy no ratsy indrindra, raha resaka hoe nivadika tamin’olona no resahina. Mampahatsiahy antsika an’ity tenin’i Jesosy ity izany: “Iza aminareo tokoa moa raha angatahan’ny zanany mofo no hanome azy vato?” (Matio 7:9) Ilay mpametaveta anefa tena hoe manolo-bato mafana an’ilay ankizy, fa tsy mba manome fitiavana sy fiahiana.
Nahoana no mbola mijaly foana ilay olona?
Hoy ny Ohabolana 22:6: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Mety hisy vokany amin’ny ankizy mandritra ny androm-piainany àry ny zavatra ataon’ny ray aman-dreniny. Ahoana anefa raha misy mametaveta ilay ankizy dia terena hino izy hoe tsy misy azony atao hisakanana an’ilay izy tsy hitranga? Inona no vokany raha alentika ao an-tsainy hoe mila manao zavatra vetaveta izy amin’izay ho tian’ny olona? Ahoana raha atao izay hahatsapany hoe tsy misy ilana azy izy sady hoatran’ny hoe maloto? Izany ve tsy hahatonga azy ho ratsy toetra be mandra-pahafatiny dia hanaonao foana? Tsy midika akory izany hoe tsy maninona raha manao zavatra tsy mety ny olona iray satria hoe nisy nametaveta izy tamin’ny mbola kely. Manampy antsika hahazo anefa izany hoe fa maninona izy indraindray no mahatsapa na manao zavatra iray.
Betsaka ny zavatra mahazo ny olona nisy nametaveta, ohatra hoe kivy be. Misy indray manamelo-tena be foana na menatra na tezitra be, ary indraindray aza mila tsy ho zakany izany. Ny sasany indray lasa sahirana mamoaka ny fihetseham-pony, na lasa tsy misy fihetseham-po mihitsy, na lasa tsy matoky tena, na mieritreritra hoe tsy mahavita na inona na inona. Anisan’izany, ohatra, i Sally. Nametaveta azy ny dadatoany. Izao no notantarainy: “Isaky ny nametaveta an’ahy izy, dia hoatran’ny hoe tsy nanana hery aho, tsy afa-nihetsika, tsy nahavita na inona na inona, sady tsy hitako izay natao. Hozy aho hoe fa maninona àry aho no ataony an’izao?” Hoy ny psikology iray antsoina hoe Cynthia Tower: “Araka ny fikarohana, dia matetika ny olona nisy nametaveta tamin’ny mbola kely no lasa mieritreritra hoe efa natao hampijaliana mihitsy izy, dia lasa izay no fiheverany ny tenany mandra-pahafatiny.” Mety hanambady olona mahery setra be ry zareo, na hita amin’ny fihetsiny hoe mora ampijalina izy, na izy mahatsapa hoe tsy manana hery hiarovan-tena rehefa misy mampitahotra azy.
Miovaova be ny fihetseham-pon’ny ankizy iray mandritra ny fotoana fivelaran’ny fahatanorany. Matetika no rehefa 12 taona eo ho eo izy no vonona hiatrika an’izany fiovana izany. Raha mbola kely anefa izy dia efa terena hanao zavatra vetaveta, dia mety hisy vokany ratsy be amin’ny fihetseham-pony izany. Rehefa manambady, ohatra, izy any aoriana any, dia mety tsy hahafinaritra azy ny manao firaisana, araka ny hita tamin’ny fanadihadiana iray natao. Hoatr’izany izao i Linda. Nametaveta azy ny dadany tamin’izy mbola kely. Izao no nolazainy: “Anisan’ny sarotra indrindra amiko ny manao firaisana rehefa nanambady aho. Midobodoboka be mihitsy ny foko satria hoatran’ny hoe dadanay izany no manao firaisana amiko fa tsy ny vadiko. Lasa matahotra be aho.” Mifanohitra amin’izany anefa ny vokatr’ilay izy amin’ny olona sasany. Lasa manana fanirian-dratsy izy, dia te hanao firaisana foana. Hoatr’izany ny vehivavy iray atao hoe Jill. Hoy izy: “Lasa ratsy fitondran-tena be aho, dia nanao firaisana tamin’olona samihafa. Ny sasany aza olona tsy fantatro akory.”
Mety ho sarotra amin’ny olona nisy nametaveta koa ny mifandray tsara amin’ny hafa. Misy izao tsy azoazony ny lehilahy na ny olona manana fahefana. Ny sasany lasa masiaka be na manjakazaka, dia miady amin’ny namany na ny vadiny. Ny hafa indray tsy te hinamana be amin’iza na iza mihitsy.
Misy amin-dry zareo aza ny tenany indray no lasa tsy tiany dia ampijaliny. Hoy i Reba: “Hoatran’ny hoe nanaiky hovetavetaina aho, dia lasa tsy tiako maizina ny tenako.” Mampalahelo fa betsaka amin’ny olona nisy nametaveta no te hamono eritreritra, dia lasa tsy te hihinan-kanina,c miasa be loatra, misotro toaka na mifoka zava-mahadomelina. Ny sasany aza mampijaly ny vatany mihitsy. Hoy ihany i Reba: “Nodidididiako sy nodorako ny vatako, dia norangorangotiko ny tanako. Nieritreritra aho hoe mendrika ny ampijalina aho.”
Aza tonga dia mieritreritra anefa hoe nisy nametaveta daholo izay olona mieritreritra na manao an’izany. Mety ho zavatra hafa mantsy no mahatonga azy ho hoatr’izany. Milaza, ohatra, ny manam-pahaizana hoe mieritreritra na manao zavatra hoatran’ireo ny olon-dehibe sasany, satria nisy olana be foana tao an-tranony tamin’izy mbola kely. Mety ho nahery setra be taminy foana, ohatra, ny ray aman-dreniny, na mpisotro toaka sy mpidoroka zava-mahadomelina, na nanambanimbany sy nanao tsinontsinona azy, na tsy mba nanome an’izay nilainy.
Inona ny vokany amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah?
Mety tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony ny olona iray nisy nametaveta tamin’ny mbola kely. Izany angamba no zavatra ratsy indrindra mety hahazo azy. Voaloto mantsy ny ‘vatany sy ny sainy.’ (2 Korintianina 7:1) Manimba ny sain’ilay ankizy ilay olona mametaveta azy, satria manao zavatra mamoafady aminy sady nivadika taminy nefa natokisany. Tsy miraharaha ny heviny momba ny tsara sy ratsy koa ilay olona, sady tsy raharahiany ny hevitr’ilay zaza momba ny hoe iza no tsy tokony hikasikasika azy sy hahita ny faritra sasany amin’ny vatany. Mety hahatonga an’ilay ankizy tsy hiezaka ho tsara fitondran-tena sy tsy hifandray tsara foana amin’i Jehovah izany any aoriana any.
Izao no nolazain’i Pia Mellody tao amin’ny boky iray nosoratany: ‘Misy vokany ratsy be amin’ny fifandraisan’ny ankizy amin’Andriamanitra koa raha ampijalina be izy. Lasa tsy tena matoky an’Andriamanitra mantsy izy.’ (Facing Codependence) Kristianina, ohatra, i Ellen nefa izao no nolazainy: “Mahery setra be sy mora tezitra dadanay, dia sarotra amiko ny handray an’i Jehovah ho hoatran’ny hoe Dada.” Izao koa no nolazain’ny vehivavy iray antsoina hoe Terry: “Tsy hoatran’ny hoe Dada mihitsy ny niheverako an’i Jehovah. Andriamanitra na Tompo na Mpanjaka na Mpamorona izy fa tsy hoe Dada.”
Tsy hoe marary ara-panahy akory ireo olona noresahintsika teo ireo na hoe nihena ny finoany. Ry zareo aza no tena matanjaka ara-panahy satria miezaka be foana ry zareo manaraka ny torolalan’ny Baiboly. Eritrereto ange anefa hoe mety ho hoatran’ny ahoana izao ny tsapan-dry zareo rehefa mamaky ny Salamo 103:13 e! Izao no voaresaka ao: “Mamindra fo amin’ny zanany ny ray, dia toy izany koa fa mamindra fo amin’izay matahotra azy i Jehovah.” Mety ho azon’ny sasany amin-dry zareo io andininy io. Mety tsy hanohina ny fony anefa ilay izy satria tsy mba hoatran’izany ny toetran’ny dadany.
Mila olona atokisana ny zaza sady mila olona hiaro azy sy hanampy azy. Mety ho sarotra amin’ny olona sasany nisy nametaveta anefa ny mieritreritra hoe tena azo atokisana hoatr’izany Andriamanitra. Mety tsy horesahin-dry zareo amin’Andriamanitra daholo àry izay tena tsapany rehefa mivavaka ry zareo. (Marka 10:15) Mety hisalasala hampihatra an’ity resahin’i Davida ao amin’ny Salamo 62:7, 8 ity ry zareo: “Miankina amin’Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro. Vatolampy mafy sy fialofana ho ahy Andriamanitra. Matokia azy foana ianareo, rey olona ô! Aborahy aminy ny ao am-ponareo. Fialofana ho antsika Andriamanitra.” Mety hihena mihitsy aza ny finoan-dry zareo satria manamelo-tena be foana ry zareo sady mihevitra ny tenany ho tsy misy vidiny. Hoy ny olona iray nisy nametaveta: “Mino aho hoe tena misy ny Fanjakan’i Jehovah. Fa hoatran’ny tsy mino anefa aho hoe mendrika ny ho anisan’ny vahoakan’io Fanjakana io.”
Mazava ho azy hoe tsy voatery hitovy ny vokatr’ilay hoe nisy nametaveta. Ny sasany mantsy lasa nifandray tamin’i Jehovah, dia lasa nahatsapa hoe Ray be fitiavana izy. Tsy sarotra amin-dry zareo àry ny miresaka aminy. Na ahoana na ahoana anefa, dia mety tena hahasoa anao ny mandinika hoe inona ny vokany teo amin’ny fiainanao raha nisy nametaveta ianao tamin’ny mbola kely. Mety hahita, ohatra, ianao hoe aleo hadinoina any fotsiny ny lasa. Raha nisy vokany ratsy be taminao anefa ilay izy, dia aza kivy fa mbola hilamina izany indray andro any.
a Ilay antsoin’ny Baiboly hoe pôrneia na fijangajangana no tiana horesahina. (1 Korintianina 6:9; ampitahao amin’ny Levitikosy 18:6-22.) Tafiditra amin’izany izay karazana firaisana tsy ara-dalàna rehetra. Mampijaly ankizy koa ny olona iray raha manery azy hijery ny faritra mahamenatra amin’ny vatany na manery an’ilay ankizy hampiseho ny faritra mahamenatra azy, na mampiseho sary vetaveta azy. Marina hoe tsy pôrneia ireo, nefa mety hanimba ny fihetseham-pony.
b Mora matoky olon-dehibe ny ankizy. Tena mafy be aminy àry raha misy olon-dehibe atokisany mametaveta azy, ohatra hoe ny zokiny, na olon-kafa ao amin’ny fianakaviany, na naman’ny fianakaviany, na olona tsy fantany.
c Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 22 Desambra 1990.