Fiheveran-diso Fahita
Fiheveran-diso: Ny mpametaveta ankizy mazàna dia olon-tsy fantatra sy olona tsy ampiampy saina, izay misintona ankizy ary mampiasa herim-batana mba hametavetana azy.
Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra — eo amin’ny 85 ka hatramin’ny 90 isan-jaton’ny fanombantombanana — dia olona fantatr’ilay ankizy sady itokiany ilay mpametaveta. Tsy mampiasa hery ny mpametaveta matetika fa manambitamby miandalana an’ilay ankizy hanao firaisana, ka manararaotra ny fanandraman-javatra sy fahaiza-manjohy hevitra voafetra ananan’ilay ankizy. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 13:11 sy ny Ohabolana 22:15.) Tsy irony olona misy fahavoazana tia mitoka-monina irony akory izany mpametaveta izany. Maro aminy no saika mpivavaka sy hajaina ary mamy hoditra eo amin’ny fiaraha-monina. Araka ny Birao Federaly Momba ny Famotopotorana any Etazonia, “ny fiheverana fa tsy mpandry amin’ankizy ny olona iray satria fotsiny hoe mahafinaritra izy, miditra am-piangonana, miasa mafy, tsara fanahy amin’ny biby, sy ny sisa, dia hadalana”. Ny fikarohana vao haingana dia manipy hevitra fa diso koa ny hiheverana fa lehilahy avokoa ireo mpametaveta na vehivavy avokoa ireo niharam-pahavoazana.
Fiheveran-diso: Mamorona ny ankizy na mandainga momba ny fametavetana.
Ao anatin’ny toe-javatra ara-dalàna ny ankizy dia tsy manana ny fanandraman-javatra na ny pitsipitsin-javatra eo amin’ny raharaha momba ny lahy sy ny vavy, ka tsy hamorona fanambarana feno momba ny fametavetana, na dia mety hanjary hifangaro ao an-tsain’ny ankizy kely sasany aza ireo tsipirian-javatra. Na dia ny misalasala indrindra amin’ireo mpikaroka aza dia manaiky fa azo ekena ny ankamaroan’ny fanambarana momba ny fametavetana. Hevero ilay boky hoe Sex Abuse Hysteria — Salem Witch Trials Revisited, izay mifantoka amin’ireo fanambarana diso momba ny fametavetana.a Miaiky toy izao io boky io: “Ny tena fametavetana ankizy dia miely patrana ary ny ankabeazan’ny filazana tsy misy fanamarinana ataon’ny ankizy momba ny fametavetana (...) dia azo inoana fa voamarina (angamba ny 95% na mihoatra).” Hitan’ny ankizy ho tena sarotra dia sarotra ny manao tatitra momba ny fametavetana. Rehefa mandainga momba ny fametavetana izy ireo, dia matetika indrindra no manao izany mba handavana tsy hiaiky fa nisy ilay izy na dia hita izao aza fa tena nisy.
Fiheveran-diso: Mahafatifaty ny ankizy ary matetika no mihantsy fametavetana ho amin’ny tenany, noho ny fitondran-tenany.
Fiheverana voaolana indrindra io, satria raha ny marina, dia manome tsiny ilay niharam-pahavoazana ho tompon’andraikitra tamin’ilay fametavetana. Tsy tena manana hevitra momba ny lahy sy ny vavy ny ankizy. Tsy manana hevitra momba izay tafiditra amin’ny fanaovan-javatra toy izany izy ireo na ny fomba hanovan’izany ny tenany. Noho izany, dia tsy hainy ny manaiky hanao izany amin’ny fomba misy heviny. Ilay mpametaveta, ary ilay mpametaveta irery ihany, no tompon’andraikitra amin’ny fametavetana. — Ampitahao amin’ny Lioka 11:11, 12.
Fiheveran-diso: Rehefa mamboraka ny fametavetana azy ny ankizy, dia tokony hampianatra azy ireo ny ray aman-dreny mba hitandrina tsy hiresaka momba izany ary ‘hanadino an’ilay izy’.
Iza moa no mahavoa indrindra raha tsy miresaka momba ilay fametavetana ilay ankizy? Tsy ilay mpametaveta ve? Raha ny marina, dia nasehon’ny fandinihana fa ny fandavana omban’ny fanafenana fihetseham-po dia mety ho ny fomba tsy mandaitra indrindra handaminana ny fikorontanana anaty vokatry ny fametavetana. Tamin’ireo fomba nahombiazana sivy nampiasain’ny olon-dehibe maromaro afa-doza tamin’ny fandrian’ny havana akaiky, nodinihina tany Angletera, ireo nanda, na nitandrina tsy hiteny, na nanafina ilay raharaha, dia nijaly noho ny fikorontanana ara-pihetseham-po sy fahorian-tsaina lehibe kokoa teo amin’ny fiainany tamin’ny naha-olon-dehibe. Raha niharan’ny fanaovana an-keriny mampihorohoro ianao, ho tianao ve ny hotenenina mba tsy hiresaka momba ilay izy? Nahoana no hotenenina toy izany ny ankizy iray? Ny famelana ilay ankizy haneho ny fihetseham-pony ara-dalàna amin’ny fisehoan-javatra mampihoron-koditra toy izany, sahala amin’ny alahelo sy hatezerana ary fitolokoana, dia hanome azy fahafahana hanadino ilay fametavetana rehefa ela ny ela.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny raharaham-pisaraham-panambadiana sasany, ireo olon-dehibe mifanandrina dia fantatra ho mampiasa fiampangana fametavetana ankizy ho fiadiana.