Karakarao ny Vatanao
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY IRLANDY
NATAHOTRA sady nanaintaina i Una sy Ron vadiny. Volana Janoary tamin’izay ary alina sady nangatsiaka ny andro. Safotra i Una ka niantso dokotera i Ron. Nihevitra ilay dokotera fa nety ho tsy nifandanja ny habetsahan’ny hormonin’i Una, ka nisy fiantraikany teo amin’ny fihary atodinainy izany. Nasainy nentina tany amin’ny hopitaly i Una. Nentin’i Ron tamin’ny fiara nankany amin’ilay hopitaly 80 kilaometatra avy teo, ny vadiny. Nanavatsava tendrombohitra izy ireo, ny lalana moa sady nikitoantoana no maizina. Nandeha be koa ny ran’i Una ary nanaintaina mafy izy.
Tsy afaka nitsabo ilay aretiny anefa ilay hopitaly, ka nafindra tany amin’ny hopitaly lehibe sy ary fomba kokoa teo akaiky teo izy. Nahomby ny fandidiana natao taminy tao amin’io toerana io ary sitrana soa aman-tsara izy.
Velom-pisaorana an’ireo mpiasan’ny hopitaly izy mivady, satria voavonjy i Una, noho ny fahaizan’izy ireo sy ny fikarakarany azy. Rehefa nisaotra ny iray tamin’ireo dokotera izy ireo, dia nilaza izy fa faly satria nandeha tsara ny zava-drehetra. Nanao izao fanamarihana mahaliana izao izy avy eo: “Indraindray ihany vao mihetsika tampoka ny aretin’ny taovam-behivavy. Misy zavatra hamantarana azy mialoha izy ireny matetika.” Inona no tiany holazaina?
Famantarana
Nanazava i Una fa efa narary izy, roa taona talohan’io. Rehefa nanao zavatra nandreraka ihany izy vao tonga fotoana, ary nivaingambaingana ny rany tamin’izay. Hoy izy: “Tokony ho nankany amin’ny dokotera aho, nefa tsy noraharahaiko ilay izy, satria noheveriko fa hitsaha-potoana aloha be aho. Nijanona anefa ny fotoanako rehefa afaka roa andro, tamin’ny volana Janoary, avy eo dia niverina indray afaka telo andro, ka sady nijininika ny rako no nisy vaingany be. Tsy dia nampaninona ahy izany, nefa tsy maintsy namonjy fandriana aho tamin’ny andro faharoa, satria tena narary mafy. Mbola tsy niantso dokotera ihany anefa izahay. Iny alina iny aho no tsy maintsy nentina haingana tany amin’ny hopitaly.”
Azo nosorohina ve iny toe-javatra saika nahafaty an’i Una iny? Mety ho izany, hoy izy, raha fantany ireo soritr’aretina, ka nanao zavatra avy hatrany izy. Nampalahelo, hoy izy, fa: “Toy ny ankamaroan’ny vehivavy dia nohamaivaniko izay rehetra nitranga rehefa tonga fotoana aho.” Kanefa, nitovy tamin’ny aretin’ny fihary atodinaina, izay tsy maintsy tsaboina avy hatrany, ny nanjo an’i Una.
Isam-bolana dia misy fomba voajanahary hamantarana ny toe-pahasalaman’ny vehivavy afaka miteraka. Ny fadimbolana izany. Efa famantarana ny tsy fahatongavan’izy io ara-dalàna. Sitran’ny fitsaboana tsotra mantsy ny aretina sasany, nefa mila fandidiana indraindray, satria nitaredretra ilay olona vao nanao zavatra.
Nahoana àry no tsy raharahaina, na hamaivanina ireny famantarana ireny matetika? Any amin’ny tokantrano maro mantsy, dia ny reny no mikarakara ny sakafon’ny ankohonana sy manome fanafody ary manara-maso ny fahadiovan’ny fianakaviana, hany ka mety hanamaivana ny zava-manahirana azy manokana izy. Tsy mahafantatra tsara izay manjo azy toa an’i Una koa angamba izy. Mety ho kely koa ny vola hisahanana ny fitsaboana, ka ny vady aman-janany aloha no karakarainy, fa ny aretiny kosa antenainy ho sitrana ho azy eny. Mety hatahotra mafy ny hiditra hopitaly koa izy, ka aleony miaritra. Miasa koa angamba izy, ka tsy afaka na tsy te haka andro fialan-tsasatra mba hitsaboana tena.
Mizaka samirery ny aretiny ny vehivavy matetika, hoy ny dokotera. Tsy rototra loatra amin’ilay antsoina hoe “aretim-behivavy” angamba ny vadiny. Hitady fanazavana momba ny zavatra toy ireny anefa ny lehilahy tia vady, mba hahafahany hikarakara ny fahasalaman’ny vadiny. Hoy ny Baiboly: “Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra.” (Efesiana 5:28, 33) Ahoana àry no anampian’ny lehilahy sy ny ray aman-dreny ny vadiny sy ny zanany vavy, mba hisorohana toe-javatra mampidi-doza?
Diniho ny famantarana
Aoka ianao ho mailo rehefa misy zavatra hafahafa, izay mety ho famantaran’aretina. Tokony hizaha fahasalamana, ohatra, ny olona iray raha misy ra na ranon-javatra mandeha tsy ara-dalàna, na miaraka amin’ny fanaintainana izany na tsia.a Tokony hanao izany koa izy raha reraka tsy toy ny mahazatra, na mandeha be ny rany, na mahita olana rehefa mipipỳ. Ireo dia mety ho famantarana fa mivonto ny tranonjaza, ary mora tsaboina izany raha hita mialoha.
Tsy tokony hohamaivanina koa ireto: Marary lava ny lamosina, toy ny misy manindry eo ambany foitra, latsaka ho azy ny pipỳ rehefa manezakezaka manao zavatra. Mety ho famantaran’aretina ireo, ka fanatanjahan-tena dia mety ho ampy hanasitranana azy raha vao miandoha, fa mety hilana fandidiana kosa raha any aoriana kokoa.b
Ankoatra ny fanaovan-javatra rehefa misy soritr’aretina toy ireny, dia tsara raha mizaha fahasalamana matetika ny vehivavy mihoatra ny 25 taona. Tokony hojerena manokana ny nono ary ny taova ao anatin’ny kibo. Azo atao isaky ny roa taona izany, na matetika kokoa, arakaraka ny aretina efa nahazo ilay olona na ny fianakaviany.
Mandritra ireny fotoana manokana ireny
Tsarovy fa tokony ho vao mainka hikarakara ireo vehivavy, ireo tia azy, mandritra ny tsirairay amin’ireto fotoana telo eo amin’ny fiainany ireto: raha vao tonga fotoana izy sy rehefa miteraka ary rehefa mitsaha-potoana. Mety hisy olana mandritra ny tsirairay amin’ireo, nefa azo sorohina izany mba tsy hampidi-doza, raha mitady hevitra amin’ny dokotera na manaraka fitsaboana avy hatrany ilay olona.
RAHA VAO TONGA FOTOANA: Ilaina hohazavaina amin’ny ankizivavy ny fomba fiasan’ny vatany sy izay zava-mitranga rehefa tonga fotoana izy. Tokony hiresaka azy io amim-pahatsorana amin’ny zanany vavy ny ray aman-dreny, indrindra fa ny reny. Tsy tokony ho menamenatra ny hanontany ireo zazavavy rehefa misy zava-manahirana. Tsy tokony hieritreritra koa izy hoe ara-dalàna ny ra mandeha be sy ny fanaintainana mafy mandritra io fotoana amin’ny volana io. Raha tsy afaka manampy azy ny ray aman-dreniny dia angamba misy vehivavy efa lehibe, naman’izy ireo, afaka hanome torohevitra ara-pitsaboana.
Ahoana no ahafantaran’ny tovovavy raha ara-dalàna ny fadimbolany na tsia? Mety hiovaova be izany na dia amin’ny olona iray ihany aza. Matetika no mbola tsy ara-dalàna ny fadimbolana mandritra ny enim-bolana ka hatramin’ny herintaona nanombohany (mety ho roa taona mihitsy aza indraindray). Ny fiovaovana kely eo amin’ny hormonina no mahatonga izany mazàna. Mbola ara-dalàna, aorian’ireny taona voalohany ireny, raha miova tsindraindray ny fotoana hahatongavan’ny fadimbolana na ny toetoetran’ny ra. Raha mafy kokoa noho izany ny olana mitranga, dia aleo mamonjy dokotera.
Tokony hampianarina hisakafo ara-dalàna koa ny tovovavy. Matetika no mahatonga ny tovovavy tsy hahazo otrikaina maro, indrindra fa ny kalsioma sy ny vy, ny haninkanina matsiro nefa tsy mahavelona, ary ny tahotra ny hatavy. Be kokoa noho ny tokony ho izy ny ra mandeha, raha mbola tsy ara-dalàna ny fotoana hahatongavan’ny fadimbolan’ny tovovavy, ka mila vy bebe kokoa izy ireo. Tena zava-dehibe, noho izany, ny hihinanana sakafo voalanjalanja tsara ary ny tsy hihinanana be loatra amin’ireo sakafo efa voahodina. Mety hilaina ny fanafody misy vy indraindray.
REHEFA HITERAKA: Milaza ny dokotera mpampiteraka fa tokony hizaha fahasalamana aloha ben’ny fotoana tokony hahaterahany ny vehivavy bevohoka. Amin’ny alalan’ny fitsirihana ny ra no ahafantarana raha ilaina ny vy na asidra fôlika (karazana vitamina B) fanampiny. Vao mainka tokony hanao zavatra avy hatrany ny vehivavy bevohoka satria mora mandeha ra izy.
Ilaina ny fizaham-pahasalamana na dia ra faran’izay kely aza no mandeha mandritra ny fitondrana vohoka. Anisan’ny famantarana koa ny fanaintainana eo ambany foitra, ny ra ao amin’ny pipỳ, ary ny fanaintainana rehefa mipipỳ. Tokony holazaina haingana amin’ny dokotera mpampiteraka kosa ny zavatra tsy ara-dalàna, na ny soritr’aretina rehetra. Raha kely ny vola eo am-pelatanana, dia manana andraikitra manokana ny hiahy ny fahasalamana sy ny ain’ilay “nofo iray” aminy ny lehilahy, ka tsy hamela azy hotandindomin-doza.—Matio 19:5, 6; Efesiana 5:25.
REHEFA MITSAHA-POTOANA: Io no teny ilazana ny fotoana ara-dalàna itsaharan’ny fadimbolana. Misy fiovana ara-dalàna lehibe eo amin’io fotoana io, eo amin’ny fiainan’ny vehivavy. Nitarina ny hevitr’izy io, ka mahafaoka ireo volana na taona maromaro mihitsy aza mialoha sy manaraka io zava-mitranga voajanahary io. Tsy metimety ny vehivavy maro mandritra io fotoana io, ka anisan’izany ny hoe: tsy mandeha ara-dalàna intsony ny fadimbolany, ary mafana be tampoka izy ireo. Hifarana ihany anefa izany rehefa ela ny ela. Tokony hijery dokotera avy hatrany izy ireo raha maharitra ela na mandeha be loatra ny fadimbolany, na noheverina fa nitsahatra ilay izy nefa niverina indray rehefa afaka enim-bolana na mihoatra.
Marina fa tsy ho fantatra mialoha daholo izay toe-javatra mety hampidi-doza. Mahazo antsika rehetra “ny fotoana sy ny sampona.” (Mpitoriteny 9:11) Kanefa “Indraindray ihany vao mihetsika tampoka ny aretin’ny taovam-behivavy”, hoy ilay dokotera nitsabo an’i Una. Mety tsy hampidi-doza ny aretin’ny taovam-behivavy, raha ampianarina tsara ny momba ny fahasalamana sy ny fomba fiasan’ny vatany izy. Aleo misoroka toy izay hiatrika zava-tsarotra satria tsy niraharaha ny famantarana. Karakarao àry ny vatana ry izy mivady, raha vao misy ny famantarana!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Indraindray, dia mitranga amin’ny olona voan’ny kanseran’ny vozon-tranonjaza ireo. Azo sitranina io kansera io matetika raha hita mialoha.
b Rehefa miroraka, ohatra, ny tranonjaza.
[Teny notsongaina, pejy 21]
Afaka manampy ny vadiny hikarakara vatana ny lehilahy tsara fanahy