Indray Mipy Maso
VAO avy nanao azy ianao teo. Omaly ianao dia nanao azy in-15 000 teo ho eo. Azo inoana indrindra fa tsy nahatsapa ny nanaovanao azy mihitsy ianao, kanefa dia tsy nitsahatra nanao azy ka niaro tamin’izany ny roa tamin’ireo zavatra sarobidy indrindra anananao. Teo am-panaovana azy ianao dia nety ho nanome koa famantarana tsy nahy ny amin’ny fomba fiasan’ny atidohanao. Ahoana no nanaovanao izany rehetra izany? Tamin’ny py maso.
Raha miasa ireo masonao, dia izy ireo no fitaovana fahatsapana mora simba indrindra sy mora mandaitra indrindra. Heverina ho zava-mahagaga, eo amin’ny asa famolavolana, ny mason’olombelona ka nampitahaina tamina fitaovana fakana sarimihetsika iray mandeha ho azy tanteraka, mahita sary mivongana, manazava ho azy izay jereny, tsy mitsahatra maka sary, ary mamoaka ny loko rehetra. Rehefa tsy ampiasaina ilay maso fitaratra mora simba amin’ny fakantsary iray dia tampenan’ny saron’ny maso fitaratra iray. Tsara kokoa noho izany anefa no ataon’ny maso.
Ny ankamaroan’ny vohomaso dia voaro tsara ao anaty taolamaso. Fa ny 10 isan-jato ambiny amin’ny vohomaso kosa dia miseho mihanjahanja amin’ireo vovoka manidintsidina sy poti-javatra mampidi-doza rehetra eny amin’ny atmosfera. Mba hiarovana ny maso amin’io mety ho fanafihana tsy an-kijanona io, dia voavolavola mba hanana “saron’ny maso fitaratra” iray be kojakojany sy afaka mikombona ho azy ny vatana — ny hodimaso. Voaforon’ny hoditra manify indrindra amin’ny vatana ka hamafisin’ny taditady madinika kely ny hodimaso ary mihidy sy misokatra moramora eo ambonin’ny maso. Tsy maharitra afa-tsy iray ampahafolon’ny segondra ny py maso ary mitranga eo amin’ny in-15 eo ho eo isa-minitra.
Kanefa io asa madinika zara raha voamarika io dia mahatontosa be dia be. Rehefa mikatona, ary avy eo dia misintona, ny hodimaso dia manaparitaka ranoka manify eo amin’ny vohomaso, ka manakobana tsara azy io. Mampamirapiratra ny ivelan’ny vohomaso koa izy io. Ny hodimaso àry dia mety ho azo ampitahaina amin’ny fitambaran-javatra telo, dia ny sarona sy ny mpanadio ary ny mpampamirapiratra, amin’ny maso fitaratra. Vokatry ny asa famolavolana mahavariana ô?
Kanefa misy zavatra hafahafa iray nahavery hevitra ireo mpahay siansa hatramin’ny ela: Amin’ny hafainganam-pandehan’ny fahalevonan’ny ranomaso eo amin’ny vohomaso, ny py maso iray na roa isa-minitra dia tokony ho ampy mba hanaovana ilay asa fanakobanana sy fampamirapiratana. Koa nahoana àry no misy ireo py maso fanampiny rehetra ireo? Toa ao amin’ny saina no ahitana ny valiny.
Nanisy fifandraisana teo amin’ny fipizana maso sy ny fisainana ireo mpanao fikarohana. Ohatra, ny tebiteby dia mahatonga anao hipy maso matetika kokoa. Raha manandrana hanamory hélicoptère ianao, na fotopotoran’ny maso mitsikeran’ny mpisolovava masiaka iray, na mahatsiaro ho tsy metimety noho ny tebiteby, dia azo inoana fa mipy maso matetika kokoa noho ny mahazatra ianao. Raha mpilaza vaovao amin’ny televiziona ianao, dia mety ho efa nilazana mba tsy hipy maso mba tsy hiheveran’ny mpijery fa hendratrendratra mafy ianao noho ilay vaovao.
Etsy an-danin’izany kosa, raha mifantoka amin’ny zavatra iray ny masonao, toy ny rehefa manipika soritra iray tsy tokony ho tapaka, mamily fiara eny amin’ireo lalana ao an-tanàn-dehibe, na mamaky tantara iray, dia mipy maso mahalana kokoa ianao. Ireo mpanamory fiaramanidina, ohatra, dia mila ny mifantoka kokoa noho ireo mpanampy azy, hany ka mipy maso mahalana lavitra noho ireo. Rarana indrindra ny fipizana maso rehefa tena ao anatin’ny loza ny tena, satria mila mifindrafindra haingana avy eo amin’ny zavatra fototra jerena ho any amin’ny ilany faran’ny tazany indrindra, ny maso.
Misy fifandraisana hafa koa eo amin’ny atidoha sy ny py maso. Araka ny The Medical Post any Canada, ny fikarohana dia manipy hevitra fa “ny py maso tsirairay dia mitranga amin’ilay fotoana fototra itsaharantsika tsy mijery sy anombohantsika mieritreritra”. Ohatra, ny olona iray mitady hitadidy zavatra iray dia azo inoana fa hipy maso avy hatrany aorian’ny famakiana ilay zavatra tiany hotadidina. Na eo am-panaovana fanapahan-kevitra, ireo fitsapana natao dia manipy hevitra fa “ny atidoha dia mibaiko ny hisian’ny py maso iray rehefa ampy ny fanazavana ilainy mba hanaovana fanapahan-kevitra tsara iray”, hoy ny nomarihin’ny Post. Nanampy teny toy izao koa izy io: “Ireo fanandramana natao dia mampiseho fa ny fipizana maso dia toy ny mariky ny fijanonan-tsoratra ara-tsaina.”
Efa ho telo arivo taona lasa izay no nahazoan’ny olon-kendry iray tsindrimandry mba hanoratra hoe: “Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy”. (Salamo 139:14). Ireo fandrosoana vitan’ny siansa ara-pitsaboana amin’izao androntsika izao dia tsy nanao afa-tsy ny nanohana izany fomba fihevitra izany. Hevero fotsiny ange: ny fampamirapiratana sy ny fandambolamboana maso fitaratra be kojakojany iray, ny firaketana ny habetsahan’ny fifantohana na tebiteby ao amin’ny atidoha, ary ny fanajanonana ny fidiran’ny fanazavana avy amin’ny maso — izany rehetra izany dia ao anatin’ny indray mipy maso monja!
[Sary, pejy 30]
Ny vohomaso, izay ny 10 isan-jato aminy ihany no miseho