Ny “Fitifirana” Lolo Iray
EFA nanandrana ‘nitifitra’ lolo iray — tamin’ny fakantsary ve ianao? Mety ho fanandraman-javatra mahasosotra sy misedra ny faharetana izany. Manidintsidina tsy an-kijanona ombieny ombieny izy ireo amin’ny fitadiavany sakafo sy rano toa tsy misy farany, ka mahalana no mamela fotoana mba hakanao sary tsara iray. Avy eo, rehefa mipetraka sy mamelatra ny elany izy, ka manandrana manamboatra ny fakantsarinao mba ho mazava tsara iny ianao, dia mampikombona ny elany na lasa manidina ilay lolonao tsara tarehy sy sarobidy!
Koa alao sary an-tsaina ny fihetsiko rehefa nilaza tamiko ny namako iray tany Sydney, any Aostralia hoe: “Andeha isika ho any amin’ny Tranon’ny Lolo any Mittagong.” Izany no fahafahana ho ahy mba hahita akaiky ireo lolo ary angamba mba haka sary tsara vitsivitsy ao anatin’ny toe-javatra tonga lafatra.
Rehefa niditra tao amin’ny faritr’ilay tranon’ny lolo izay anidinan’izy ireo toy ny eny ivelany izahay, dia tsapanay avy hatrany fa tao amin’ny toerana namboarina ho mafana, voaro tamin’ny fiovaovan’ny hafanana eny ivelany izahay. Tena zava-dehibe izany mba hahaveloman’ireo lolo. Nanodidina anay dia nanidintsidina nitety zavamaniry ireto zavaboary marefo ireto. Raha vantany vao niditra izahay, dia nahita lolo tsara tarehy iray mivolon-daoranjy antsoina hoe mpanjaka, teo amim-panatodizana teo ambonin’ny zavamaniry iray atao hoe citrus. Mpirenireny no ahafantarana ny mpanjaka atỳ Aostralia. Tonga teto amin’itỳ nosy-kontinenta itỳ avy any Amerika Avaratra tamin’ny 1870 izy io, ary ankehitriny izy dia nanorim-ponenana any amin’ireo faritra atsinanana sy atsimo, ary koa any akaikin’i Perth, any amin’ny farany andrefana.
Nohazavain’i Kerry, mpitarika anay ny fomba fivadian’ireny lolo ireny amin’ny fanakambanana ny aorianany. Ny mahavariana anefa eto dia — raha taitra tampoka ilay lolo lahy, dia lasa manidina izy, mitondra ilay lolo vavy miaraka aminy! Alao sary an-tsaina hoe toy ny mitondra olona mitovy lanja aminao ianao, ary ambonin’izany eny am-panidinana! Avy eo izahay dia talanjona satria tena nahita izany nitranga — indro lolo lahy iray lasa nanidina teny ambonin’ny kirihitra, nitondra lolo vavy tsy rototra nihantona teny aminy.
Azo antoka fa fantatra maneran-tany noho ny fifindran-toerana mahatalanjona ataony ny mpanjaka. Araka ny anambaran’ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création?a azy dia hoe: “Mandao an’i Canada amin’ny fararano ireo lolo mpanjaka [danais], maro aminy no mandany ny ririnina any Kalifornia na any Meksika. Mihoatra ny [3 200 kilaometatra] ny halaviran-dalana vitan’ny sasany; nahavita [130 kilaometatra] tao anatin’ny indray andro ny lolo iray.” Nefa itỳ no mbola mahavariana: “Ireo lolo mandeha mianatsimo amin’ny fararano dia bibikely tanora izay tsy mbola nahita mihitsy teo aloha ny toerana handaniany ny ririnina. Mbola mitoetra ho iray amin’ireo zava-miafina saro-pantarina eo amin’ny Natiora ny fahafahan’izy ireo mahita ireny toerana ireny.” — Ny Tantaran’ny Famindrana Vovo-bony (anglisy).
Nefa, afaka naka sary ireny zavaboary sarotra samborina ireny ve izahay? Eny tokoa! Toa zatra olona nandehandeha tao amin’ny tontolony mando izy ireo, ka nipetraka mora foana teny ambonin’ny zavamaniry, ary teny ambonin’ny lohan’olona mihitsy aza! Koa nanana fahafahana nahafinaritra ireo mpaka sary, indrindra fa ireo mpitia caméra vidéo. Fahafinaretana erỳ atỳ aoriana ny mijery eo amin’ny televiziona ireny sary mihetsiketsika nalaina tamin’ny vidéo ireny!
Anisan’ireo lolo aostraliana hafa hitanay, ny Hypolimnas bolina izay manana elatra mipentimpentina volomparasy voahodidina faribolana fotsy. Lolo hafa iray tsara tarehy ny Hypolimnas alimena, voapentimpentina fotsy manify ary misy haingony manodidina ny moron’ny elany ka tsipika manga no ao anatiny. Manana havana any Nouvelle-Guinée sy any Moluques ary any amin’ireo Nosy Salomon izy io.
Nahavariana ahy foana ny lolo. Ny fiofoan’ny fanday (olitra) ho soherina (samoina) na fiofoana farany, ho tonga lolo dia porofo ho ahy, fa tsy ilay lazaina fa hery jamba eo amin’ny natiora sy ny evaolisiona, fa ilay Mpamorona mahay siansa no nanao ny zavatra rehetra ho mahatalanjona amin’ny fombany samy hafa. — Avy amin’ny mpamaky.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 16, 17]
Pejy faha-16: mpanjaka; 1. yoma sabina; 2. soherina; 3. papilio ulysses; 4. ornithoptera priamus; 5. fivadian’ny ornithoptères; 6. cethosia penthosilea
[Sary nahazoan-dalana]
Ireo lolo rehetra: Tranon’ny Lolo, Mittagong, Aostralia