Fanangonana Vokatra Manana Elatra
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY COSTA RICA
VOKATRA manana elatra! Tsy diso akory ireo teny vao avy novakinao ireo, fa manana elatra tokoa ny vokatr’ity tantsaha iray ity. Azo antoka fa fantatry ny tantsaha mahay hoe miankina amin’ny asa mafy ataony no ahazoany vokatra tsara sady betsaka. Izany mihitsy no ataon’ity tantsaha ity: Arovany tsy ho tratran’ny biby mpanimba, toy ny bibikely sy ny hala ary ny vorona, ilay vokatra. Mitombo ny asany rehefa tonga ny fotoana fanangonam-bokatra, satria ataony izay tsy hahafaty an’io vokatra sarobidy nokarakarainy nandritra ny fotoam-pamokarana io. Raha vitany tsara izany, dia ho tonga any amin’ny an’arivo kilaometatra avy eo amin’ny toerana niaviany ilay vokatra. Manana elatra io vokatra io, ka ny azy no tsara loko indrindra maneran-tany. Fa inona io vokatra hafakely io? Tena marina ny eritreritrao fa lolo ilay izy.
Tena ilaina ny fiompiana lolo. Hevitra mety tsara izy io mba hanampiana ny tontolo iainana hiaro ireo karazana lolo maro be. Misy fanontaniana maro tonga angamba izao ao an-tsainao ao. Ohatra, fa inona marina moa no atao hoe toeram-piompiana lolo? Ahoana no fandehany? Ary inona no antony hanaovana azy? Alohan’ny hamaliantsika ireo fanontaniana ireo, dia hojerentsika ny niandohan’ny fiompiana an’ireo zavaboary marefo ireo.
Niandoha tany Chine
Efa taonjato maro ny Sinoa no niompy samoina mba hanaovany lamba landy. Vao haingana anefa no nanomboka ho be mpitia ny fiompiana lolo. Nisy fampisehoana lolo velona natao tamin’ny 1970, tany amin’ny nosin’i Guernsey, akaikin’i Angletera.
Hamorona ala tropikaly feno lolo no tena nokendrena tamin’ilay fampisehoana tany Guernsey. Hahatonga ilay ala hahafinaritra sy ho velombelona kokoa amin’izay ny loko sy ny endrika isan-karazan’ireo lolo ireo. Tsy maintsy lolo avy any amin’ny faritra tropikaly anefa no halaina mba hahavitana izany. Ahoana no hitaterana azy ireo (izay roa na telo herinandro monja no ahaveloman’ny karazany sasany) ho any amin’ny an’arivo kilaometatra miala amin’ny fonenany, ka tsy hisy ho faty eny an-dalana? Nilaina, noho izany, ny fiompiana lolo hamidy.
Toeram-piompiana lolo
Mahatalanjona ny mitsidika toeram-piompiana lolo. Tena mahavariana ny mijery akaiky an’ireo lolo isan-karazany miloko manjelatra ireo. Nitsidika ny toerana lehibe indrindra fiompiana lolo atỳ Amerika Afovoany, sady fanondranana lolo ihany koa, ny Mifohaza! Eto Costa Rica no misy azy, ary Toeram-piompiana Lolo no iantsoana azy. Manondrana soherina izy io sady manana fandaharam-pampianarana ho an’ireo te hahafantatra ny fiofon’ny lolo sy ny fiainany.
Ho variana avy hatrany ianao raha vao tafiditra ao amin’ilay zaridaina voafefy harato tsy tafiditry ny bibikely, misy an’ireo lolo, satria an-jato no manidina manodidina anao, miloko isan-karazany sady manjelanjelatra. Ny sasany miserana sy midina tampoka; ny hafa kosa mitsingevaheva eny, ka mahafinaritra erỳ ny mahita azy. Toa tsy miraharaha anao akory ireo zavaboary manjelanjelatra sy miloko isan-karazany ireo, fa manao ny asany isan’andro ihany: Mihinana, manao firaisana, ary manatody. Nahoana moa ianao no tsy ho variana? Ahitana voninkazo dia avy eto Costa Rica sy akondro maniry ao anatin’ilay zaridaina. Tonga dia fantatrao raha vao hitanao sy fofoninao, fa sady sakafon’ny lolo ireo no fanatodizany.
Voafefy tanteraka ilay zaridaina ka voaro amin’ny bibikely mpanimba, ireo atody bitika. Eo amin’ny 90 isan-jaton’ny atody no lasa lolo rehefa any amin’ny toerana voafefy toy ny eto amin’ny Toeram-piompiana Lolo, fa 2 isan-jato monja kosa izany raha eny ivelany.
Ilaina ny hijerena tsara izay zavamaniry mety hanatodizan’ny lolo sy hitomboany. Feno zavamaniry fanatodizan’ny lolo vavy sy fihinan’ireo olitra, na soherina koa, eto amin’ity zaridaina ity. Mamimbony kosa no sakafon’ny lolo. Efa manana ny zavamaniry fanatodizany ny karazana lolo tsirairay, ary io zavamaniry io ihany no sakafon’izay olitra mivoaka avy amin’ilay atody. Tsy maintsy atao be dia be àry ireo zavamaniry ireo ato amin’ny Toeram-piompiana Lolo.
Atody 100 na mahery no indray alatsaky ny lolo vavy. Mitovy amin’ny piti-drano kely dia kely ny endriny, ary toy ny teboka amin’ny faran’ity fehezanteny ity ny habeny. Tsy vitan’ny hoe samy manana ny zavamaniry fanatodizany ny karazana lolo tsirairay, fa eo amin’ny toerana iray amin’ilay zavamaniry foana koa izy no manatody. Mora hitan’ilay tantsaha àry ireo atody, ka alainy mba hampirimina. Jerena isan’andro ireo zavamaniry raha misy atody, ary jerena isan’andro koa raha efa mivoaka avy ao amin’ny atody ireo olitra. Hohanin’ilay olitra avy hatrany ny akoran’atodiny raha vao tafavoaka izy. Atao eo amin’ny zavamaniry anaty vazy, ao anaty vatakely, ireo olitra ireo. Tena zava-dehibe ny hanadiovana ireo vatakely mandritra ny fiofoan’ilay olitra, satria mety hitondra aretina ny tsy fitandremana ka hahafaty azy ireo.
Tsy manao afa-tsy ny mihinan-kanina ilay olitra rehefa avy miofo faninefany. Voalaza fa mety ho lasa valo taonina ny zazakely telo kilao, ao anatin’ny tapa-bolana, raha haingana be toy ny an’ny olitra ny fitomboany!
Rehefa avy miofo fanindiminy izy, dia matetika mipetaka amin’ny rantsan’ilay zavamaniry na amin’ny tafon’ilay vatakely. Miezaka erỳ izy miala amin’ny hodiny taloha, ary misy akora mafy ao ambany misolo an’iny. Antsoina hoe soherina izy izao. Tokony hivonona amin’izay ilay tantsaha hanao izay hahatratrarany ny tanjony.
Ilaina hangonina isan’andro ny soherina, satria izany ihany no fomba hamantarana hoe afaka firy andro izy no ho lasa lolo. Soherina 40 ka hatramin’ny 100 no alahatra tsara ao anaty baoritra, ka asiana landihazo eo ambany sy eo amboniny. Folo andro eo ho eo no ananan’ilay tantsaha sy ny mpanondrana mba handefasana an’ireo soherina ireo any amin’ny mpandray, ary ireo indray no manome azy ho an’ny mpividy. Ny trano fampisehoana lolo velona na fikambanana toy izany matetika no tena mividy azy ireny. Raha tara ny fandefasana azy ireo, dia ho lasa lolo eny an-dalana ireo soherina ka ho faty. Raha tonga ara-potoana kosa, dia rehefa tonga any amin’ny an’arivo kilaometatra nivarotana azy izy vao hivoaka avy ao anaty akorany, nefa tsy hahafantatra akory hoe niova toerana. Soherina 4 000 ka hatramin’ny 6 000 isam-bolana no alefan’ny Toeram-piompiana Lolo any amin’ireo fikambanana maneran-tany.
Mihabetsaka hatrany ny toeram-piompiana lolo maneran-tany. Efa misy izao any Etazonia, Kenya, Madagasikara, Malezia, Philippines, Salvadaoro, Tailandy, Taïwan, ary eto Costa Rica. Mihamitombo koa ny trano fampisehoana lolo velona isan-taona, ka afaka mahita an’ireo zavaboary hafakely ireo ny olona any amin’ny faritra maro amin’ny tany.
Tsy isalasalana fa hanampy hatrany ny tontolo iainana hiaro ireo vokatra manana elatra tsy fahita firy ireo mba tsy ho lany tamingana, ny fiompiana sy fanangonana azy. Mety hahatonga ny olona hahatsapa bebe kokoa izany hoe mora simba anie ny haren’ny tany.
[Sary, pejy 18]
Mampiasa harato tsy tafiditry ny bibikely ny tantsaha mba hiarovana ny atody sy ny olitra (1). Ny soherina, toy ilay aseho eto (2), dia atao ao anaty baoritra ary alefa maneran-tany (3)
[Sary nahazoan-dalana]
Lolo mpanjaka eo ambony ankavia sy soherina: Butterfly House, Mittagong, Australia; lolo eo afovoany ankavia sy lolo maromaro eo amin’ny ravinkazo: Courtesy of Buckfast Butterfly Farm
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
K. Schafer/Audiovise