Tarehin-javatra Faran’izay Mafy Misy ny Ankizy
Miasa mafy mamaky vato ao amin’ny toeram-pihadiam-bato any India ny ankizilahy iray 12 taona mandritra ny adiny 11 isan’andro. Vola 1 572 FMG no azony isan’andro.
Mivaro-tena ao amin’ny trano iray fakana mpivaro-tena any Bangkok ny ankizivavy kely iray folo taona. Tsy hoe eo izy satria maniry izany. Namidin-drainy 740 000 FMG izy.
Miambina eo amin’ny fefy fisakanan-dalana ao amin’ny tany iray atsy Afrika ny miaramila tanora iray folo taona. Milanja basy maro vava iray; manala andro amin’ny fifohana marijuana izy.
NY TAREHIN-JAVATRA toy ireo dia fahita loatra any amin’ireo firenena eo an-dalam-pandrosoana. Miisa an-tapitrisany maro ireo ankizy ao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay mafy. Ankizy fito tapitrisa no mihareraka any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana; 30 tapitrisa no mirenireny eny an-dalana, tsy manan-kialofana; ankizy 80 tapitrisa eo anelanelan’ny 10 sy 14 taona no miasa fatratra amin’ny asa manembantsembana ny fitomboany ara-dalàna; maherin’ny 100 tapitrisa no hiatrika fahafatesana ao anatin’izao folo taona farany izao noho ny tsy fahampian-kanina sy rano madio ary fikarakarana ara-pitsaboana.
Hevero fotsiny ny zava-manahirana vitsivitsy atrehin’ny ankizy eran-tany.
Ny aretina
Ankizy 8 000 eo ho eo no maty isan’andro, noho izy ireo tsy natao vaksiny tamin’ny aretina toy ny kitrotro sy ny kohadavareny. Misy 7 000 fanampiny maty isan’andro satria ny ray aman-dreniny tsy mahalala ny fomba hikarakarana ny fahaverezan-drano vokatry ny aretin-kibo mampivalana matetika. Isan’andro dia ankizy 7 000 hafa no maty, satria izy ireny tsy manana ny antibiotika, izay iray dolara monja ny vidiny, hahafahany hiady amin’ny aretin’ny fisefo.
Nandritra ny taona maro, dia nisy fanafody sy fomba fitsaboana azo nampiasaina mba hiarovana na hanasitranana ny maro amin’ireo aretina nampahory ny fianakavian’olombelona hatramin’ny ela. Tsy tonga hatrany amin’ireo olona an-tapitrisany maro mila izany anefa izy ireny. Vokatr’izany, nandritra ireo roapolo taona lasa, dia ankizy eo amin’ny zato tapitrisa eo ho eo no namoy ny ainy tamin’ny aretin-kibo mampivalana matetika sy ny aretin’ny fisefo fotsiny. “Izany dia toy ny hoe nisy fitsaboana hita hanasitranana ny homamiadana tamin’ny farany, nefa avy eo dia tsy nampiasaina firy nandritra ny 20 taona”, hoy ny fitarainana tao amin’ny Tatitra Momba ny Toetran’ny Ankizy Maneran-tany Nataon’ny UNICEF 1990 (anglisy).
Na dia manjombona toy izany aza ny tarehin-javatra, dia nisy fandrosoana vita. Ohatra, ny UNICEF sy ny OMS (Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana) dia nanatanteraka fandaharana marisika fanaovana fanefitra. Tamin’ny 1991, dia nambara fa 80 isan-jaton’ny ankizy eran’izao tontolo izao no natao fanefitra tamin’ny aretina enina azo sorohina amin’ny vaksiny — ny kitrotro, ny tetanosy na tomboka, ny difteria, ny poliomelita na lefakozatra, ny raboka, ary ny kohadavareny. Niaraka tamin’izany, dia nisy koa fiezahana mitovy natao mba hampihenana ny aretin-kibo mampivalana matetika, ka nahafahana namonjy ain’ankizy an-tapitrisany maromaro isan-taona.
Nefa tao anatin’izao taona faramparany izao, dia nipoitra ny aretina hafa iray — ny SIDA — izay mandrahona, ary mety hanafoana mihitsy aza, ireo fandrosoana rehetra vita mba hamonjena ny ankizy tatsy Afrika tao anatin’ireo folo taona lasa. Nandritra ireo taona 1990, dia ankizy tsy latsaka ny 2,7 tapitrisa no mety ho faty noho ny SIDA atsy Afrika fotsiny. Mandra-pahatongan’ny taona 2000, dia hisy ankizy telo ka hatramin’ny dimy tapitrisa fanampiny mety ho tonga kamboty atsy Afrika Afovoany sy Atsinanana, satria ho fatin’ny SIDA ny ray aman-dreniny.
Ny tsy fahampian-tsakafo
Mahazatra antsika rehetra loatra ireo sary mampahonena ahitana ankizy mosarena mahia kaozatra, mizihi-kibo ary mipitrapitra. Mampiseho ampahany kely monja amin’ny zava-manahirana momba ny tsy fahampian-tsakafo ireny ankizy mampalahelo ireny. Manerana ny tany eo an-dalam-pandrosoana dia ankizy eo amin’ny 177 tapitrisa eo ho eo — 1 amin’ny 3 — no mandry fotsy. Ary tsy mitsaha-mitombo ny isan’izy ireny.
Tsy afaka mahatratra ny fivelarany feno ara-tsaina sy ara-batana ny ankizy noho ny tsy fahampian-tsakafo maharitra. Ny ankamaroan’ny ankizy tsy ampy sakafo dia marefo, tsy mavitrika, varimbariana, ary tsy liana na amin’inona na amin’inona. Tsy dia milalao firy sady votsa saina kokoa noho ny ankizy tsara sakafo izy ireny. Izy ireny koa dia mora andairan’aretina kokoa, ka mahatonga eo amin’ny ampahatelon’ny fahafatesan’ny ankizy 14 tapitrisa eo ho eo isan-taona any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana.
Toy ny nahafahan’ny siansa maoderina namokatra fanafody mba hiadiana amin’ny aretina, dia toy izany koa fa afaka nanao izay hamokarana sy handefasana sakafo betsaka kokoa noho izay ampy izy, mba hamahanana ny olona rehetra eto ambonin’ny tany. Nefa tsy misy fanafodiny haingana ho an’ny tsy fahampian-tsakafo. Tsy azo foanana amin’ny alalan’ny fandefasana sakafo sy vitamina voavoatra ho pilina izany. Ny fototry ny zava-manahirana dia ao amin’ny fahantrana tsy azo ihodivirana, ny tsy fahalalana miely, ny rano tsy madio, ny toe-piainana tsy mahasalama ary ny tsy fahampian’ny tany azo volena any amin’ireo faritra asian’ny fahantrana.
Ireo zava-manahirana momba ny tontolo iainana
Noho ny zava-manahirana momba ny tontolo iainana mihamafy, dia ny ankizy no mora voa indrindra. Hevero ny fandotoana ny rivotra. Mifoka rivotra avo roa heny amin’ny ara-keviny noho ny olon-dehibe ny ankizy madinika latsaka ny telo taona eo am-pialan-tsasatra; noho izany, dia mifoka rivotra maloto avo roa heny izy. Koa satria mbola tsy tonga eo amin’ny fivelarany feno ny voa sy aty ary ny rafitra enzima an’ny ankizy, dia tsy afaka manary amin’ny fomba mandaitra ireo zavatra mandoto toy ny ataon’ny olon-dehibe izy.
Noho izany, ny ankizy dia mijaly kokoa noho ny olon-dehibe noho ny singa-na fira-mainty fanampiny amin’ny lasantsy sy ny gaza toy ny monoksida-na karbonina, oksida nitirika, ary dioksida solifiorika. Izany faharefo izany dia mahatonga mivantana fahafatesan’ankizy 4,2 tapitrisa latsaka ny dimy taona, izay maty isan-taona noho ny aretin’ny fisefo any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana. Maro amin’ireo izay tsy maty noho izany no taizan’ny aretin’ny fisefo, izay hampahory azy mandritra ny androm-piainany.
Koa satria mbola eo am-pitomboana ara-batana ny ankizy, dia mora andairan’ny vokatry ny sakafo tsizarizary kokoa noho ny olon-dehibe izy ireo. Any amin’ny tany mifanesy dia ny ankizy no iharam-pahavoazana indrindra rehefa mihavitsy ny ala, miitatra ny efitra, ary mihasimba ny tany fambolena voasa tafahoatra, ka manjary tsy mahavokatra firy ary tsy manome sakafo firy intsony. Atsy Afrika fotsiny, dia ankizy eo amin’ny 39 tapitrisa eo ho eo no mahita ny fitomboany voasakantsakana noho ny tsy fahampian’ny sakafo mahavelona.
Ho fanampin’ny zava-manahirana dia ao koa ny tsy fahampian-drano tena lehibe. Manerana ny tany eo an-dalam-pandrosoana, dia ny antsasaky ny ankizy monja no afaka mahazo rano fisotro madio, ary mbola vitsy kokoa noho izany aza ireo manana fitaovana ara-pahasalamana fanariana ny maloto.
Ny ady
Taloha dia miaramila ny ankamaroan’ireo niharam-pahavoazana noho ny ady. Tsy toy izany intsony ankehitriny. Hatramin’ny ady lehibe faharoa, dia 80 isan-jaton’ireo maty 20 tapitrisa sy ireo naratra 60 tapitrisa tamin’ireo ady isan-karazany no sivily — vehivavy sy ankizy ny ankamaroany. Tamin’ny vanim-potoana iray tao anatin’ireo taona 1980, dia ankizy 25 no maty isan’ora tatsy Afrika vokatry ny ady tahaka izany! Ankizy tsy tambo isaina no maty, naratra, nilaozana, tonga kamboty, na natao takalon’aina.
Ankizy an-tapitrisany maro izay mihalehibe any amin’ireo toby fialokalofana ankehitriny, no matetika tsy mba manana izay amantarana azy sy izay firenena niaviany akory, ary tsy manana sakafo sahaza, fikarakarana ara-pitsaboana ary fampianarana. Maro no mahita fa tsy azo atao ny mandranto fahaizana izay hahazoana asa eo amin’ny fiaraha-monina.
Tsy hoe niharam-pahavoazana noho ny ady fotsiny ny ankizy; nandray anjara tamin’izany koa izy ireo. Tao anatin’izao taona faramparany izao, dia ankizy 200 000 latsaka ny 15 taona no voantso ho miaramila, nomena fiadiana ary nampiofanina mba hamono. Anisan’izy ireny, dia nisy namoy ny ainy na tonga tapa-tongotra na tanana noho ny fankatoavana ny baiko hanokatra lalana manavatsava ny tany feno vanja milevina.
Ny fanararaotana ankizy
Any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, ny fahantrana dia mahatonga ny ray aman-dreny hivarotra amin’ny tsinontsinona ny zanany, mba hialana amin’ny hanoanana na handoavany ny trosany. Inona no mitranga amin’ireny ankizy ireny? Terena hivaro-tena na ho tonga andevo any amin’ireo trano fiasana maharikoriko ny sasany. Amidy hatramin’ny 10 000 dolara indray amin’ny mpanera na masoivoho tandrefana ho an’ny fananganan-jaza ny hafa.
Misy filazana mampiseho fa eo am-pitomboana ny isan’ny ankizy mivaro-tena ary mahakasika ankizy mbola tanora dia tanora, lahy sy vavy. Any Brezila fotsiny, dia heverina fa zatovo maro hatramin’ny 500 000 no mivaro-tena. Miroborobo koa ny fanaovana sary vetaveta mampiseho ankizy ary nahazo tosika tamin’ny alalan’ny fitaovana vidéo mora ampiasaina.
Ireo laharam-pahamehana
Sarotra ny mahatakatra ny alahelo sy ny fangirifiriana ao ambadiky ny filazana isa. Tsy afaka ny hahatakatra ny fahoriana misy eo amin’ny an-tapitrisany na an’arivony maro isika. Kanefa, maro amintsika no mahafantatra fa mampivarahontsana ny fahitana ny fahoriana na ny fahafatesan’ny ankizy iray monja — olona iray manana ny maha-izy azy manokana tsy itoviany amin’ny hafa, fanahy iray sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra, olona iray miavaka manana zo hiaina sy hiadana tahaka ny olon-kafa rehetra.
Tsy nandany fotoana betsaka handinihana ny raharaha tsy mahafinaritra momba ny nahatonga ny tarehin-javatra misy ny ankizy ho tahaka izao ireo solontena tao amin’ny Fivoriana An-tampony Iraisam-pirenena ho An’ny Ankizy, fa niresaka tamim-pitokiana ny amin’ny hoavy kosa ary nanao voady fa tsy hilefitra ela kokoa intsony amin’ny tarehin-javatra. Ny “Drafitrasa” notapahina, ankoatra ny zavatra hafa, dia ny hanatratrarana ireto zava-kendrena manaraka ireto hatramin’ny taona 2000:
◻ Hampihena amin’ny ampahatelony ny isan’ny ankizy latsaka ny dimy taona maty nandritra ny taona 1990.
◻ Hampihena amin’ny antsasany ny tsy fahampian-tsakafo mafy na antonony nisy tamin’ny 1990, eo amin’ireo ankizy latsaka ny dimy taona.
◻ Hanome fahafahana ho an’ny rehetra hahazo rano fisotro azo antoka ary fitaovana ara-pahasalamana fanariana ny maloto.
◻ Hiaro ny ankizy ao anatin’ny toe-javatra sarotra indrindra, indrindra fa ireo izay ao anatin’ny tarehin-javatra ahitana ady ampiasana fitaovam-piadiana.
Ny fandaniana isan-taona fanampiny amin’ny fandaharana natao handavorariana ireo zava-kendrena, izay hisoroka ny fahafatesan’ankizy 50 tapitrisa ao anatin’ireo taona 1990, dia notombanana ho 2,5 arivo tapitrisa dolara.
Tsy vola be izany raha jerena amin’ny lafiny maneran-tany. Ao anatin’ny herintaona, dia mandany 2,5 arivo tapitrisa dolara amin’ny dokam-barotra momba ny sigara ireo orinasa amerikana. Ao anatin’ny indray andro, dia mandany 2,5 arivo tapitrisa dolara amin’ny fitaovam-piadiana izao tontolo izao.
Amin’izao fotoana izao, ny fandaniana ara-tafika — tombanan’ny Firenena Mikambana amim-pitandremana ho maherin’ny 1 tapitrisa tapitrisa dolara isan-taona — dia mihoatra ny vola karama isan-taona mitambatra miditra amin’ny antsasak’ireo olona mahantra indrindra. Ny fanodinana na dia ny 5 isan-jaton’izany vola tsy toko tsy forohana izany monja aza dia ho ampy hanafainganana ny fandroson’ny fanatratrarana ireo zava-kendrena tao amin’ilay fivoriana an-tampony. Ohatra, ny vidin’ny fiaramanidina mpiady haingam-pandeha F/A-18 iray monja (maherin’ny 30 tapitrisa dolara) dia mitovy vidy amin’ny vaksiny ampy mba hiarovana ankizy 400 tapitrisa amin’ny aretina mahafaty.
Afaka manatratra ireo zava-kendrena iriny fatratra, noferana tao amin’ilay fivoriana an-tampony ireo firenena. Manana ny fahaizana sy ny haitao ary ny vola ho amin’izany izy ireo. Mitoetra anefa ny fanontaniana: Hanatontosa izany ve izy ireo?
[Efajoro/Sary, pejy 18]
Ady Atao Amin’ny Tsy Fahampian-tsakafo
Hevitra Enina Tokony ho Fantatry ny Ray Aman-dreny
1. Ny rononon-dreniny ihany no sakafo tsara indrindra mety hisy ho an’ny zaza eo amin’ny efa-bolana ka hatramin’ny enim-bolana voalohany amin’ny fiainany. Manome sakafo tomombana sady miaro amin’ny aretina mpahazo ny zaza izy io.
2. Eo amin’ny fahefatra ka hatramin’ny fahenim-bolana eo dia mila fanampin-tsakafo ny zaza. Ny fampidirina aloha loatra ventin-kanina dia mampitombo ny mety hahazoany aretina; ny fampidirana izany aoriana loatra dia mitarika ny tsy fahampian-tsakafo.
3. Ny ankizy madinika latsaka ny telo taona dia mila mihinan-tsakafo avo roa heny matetika kokoa noho ny olon-dehibe iray, sakafo ahitana ampahany kelikely amin’ny hanina mitondra hery fiasana.
4. Tsy tokony hatsahatra ny fanomezana sakafo sy rano rehefa marary na voan’ny aretin-kibo mampivalana matetika ny zaza.
5. Rehefa avy narary ny zaza, dia mila sakafo fanampiny iray isan’andro mandritra ny herinandro izy mba hahazoany indray ny lanjany very.
6. Roa taona fara fahakeliny no tokony ho elanelan’ny fahaterahan’ny zaza mba hahasalama ny reny sy ny zaza.
[Sary nahazoan-dalana]
Source: United Nations Children Fund
UNICEF/C/91/ Roger Lemoyne
[Sary, pejy 17]
Antsasaky ny ankizy any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana monja no afaka mahazo rano fisotro madio
[Sary nahazoan-dalana]
UNICEF/3893/89/ Maggie Murray-Lee
[Sary, pejy 19]
Ny ankizy tsirairay avy, manana ny maha-izy azy manokana, dia sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra ary manana zo hiadana tahaka ny olon-kafa rehetra
[Sary nahazoan-dalana]
Photo: Cristina Solé/Godo-Foto