Fanampiana ny ankizy tsy ho faty!
Avy any amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Nizeria
LOZA aman’antambo fahita any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana ny fandotoana ny rano, ny tsy fahampian-tsakafo ary ny areti-mifindra mahazo ny maro. Araka ny nolazain’ny dokotera Chizu Okudo, mpitsabo aretin’ankizy nizeriana, tamin’ny Mifohaza! anefa, dia ‘ny tsy fahalalana sy ny fanaovan’ny ray aman-dreny tsirambina [eo amin’ny lafin’ny fitandremam-pahasalamana] no mahatonga tarehin-javatra manamora ny fahazoana aretina’.
Manohy ny teniny toy izao ny dokotera Okudo: ‘Matetika ny olona be taona no mampirisika ny ray aman-dreny tanora mba tsy hanao na inona na inona rehefa mitranga ny aretin-kibo mampivalana mipiriritra amin’ny filazana fa manadio ny vatana izany’. Manaraka izany torohevitra diso izany ny ray aman-dreny ka mifady ny mitsabo ny zanany. Fahafatesana matetika no vokatr’izany.
Sarobidy anefa ny aina ho an’izay rehetra manome voninahitra ilay “loharanon’aina”. (Salamo 36:9) Ireo ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra àry dia tsy mamela finoanoam-poana na fomba amam-panao eo an-toerana sasany hanao izay hahatandindomin-doza ny ain’ny zanany. Manambara toy izany koa ny minisitry ny Fahasalamana any Malezia fa “tokony hanomboka ao an-tokantrano (...) ny fisorohana ny aretina”.
Vava maro loatra hofahanana ve?
Zavatra mampiavaka ny fotoana misy antsika ny “tsy fahampian-kanina”, ary mamely mafy ny tany eo an-dalam-pandrosoana izany (Matio 24:7, MN). Ambaran’ny Fanamarinana ny isan’ny zaza ateraka eo amin’izao tontolo izao (anglisy), tatitra nataon’ny Fikambanana Worldwatch, fa nihamafy ny tarehin-javatra noho “ny fitohizan’ny taha-piterahana ambony dia ambony — zaza enina mahery isam-behivavy — any amin’ny faritra sasany atsy Afrika sy any Atsinanana Afovoany.”
Nahoana ny mpivady afrikana no tsy mametra ny isan’ny zanany? Manazava toy izao io tatitra nataon’ny Worldwatch io: “Mihamisondrotra ny fari-piainana sy ny laharana ara-tsosialin’ny vehivavy [afrikana] iray arakaraka ny hamaroan’ny zanany, satria indrindra ireo mahaforona mpiasa amboniny mba hanampy eo amin’ny asa fambolena, amin’ny varotra na amin’ny asa hafa.” Manampy toy izao ilay boky hoe Afrika ao anatin’ny fahasahiranana (anglisy): “Mampirisika ny ray aman-dreny afrikana ho maro anaka ny fisondrotry ny taha-pahafatesan’ankizy.” Any amin’ny tany sasany ao Afrika tokoa, dia 20 %-n’ny zaza no tsy feno herintaona akory dia maty. Mifanohitra amin’izany anefa, ny fitomboan’ny zaza teraka dia matetika mahatonga hiala an’Ankatso ka hiditra an’Ambohidempona amin’ny fampitomboana ny fipoiran’ny trano fonenana be mpipetraka sy mankarary: toe-javatra izay mandray anjara amin’ny ampahany lehibe indrindra amin’ny fahafatesan’ny ankizy.
Ankoatra izany, dia milaza ireo mpitsabo fa alohan’ny hananan-janaka indray, ny vehivavy iray dia tokony haka fotoana hitsaboan-tena mba ho sitrana tsara noho ny fitondrany vohoka sy ny fiterahana, sao mitondra fahavoazana lehibe ho an’ny fahafahany hiteraka zaza salama tsara.
Na dia eo aza ny loza setraina, ny foto-pisainana momba ny famerana ny isan’ny zaza ateraka dia maharikoriko ny Afrikana amin’ny ankapobenya. Kanefa, amin’ny lafiny isam-batan’olona, dia tsy ho fahendrena ny hanilihana izany hevitra izany alohan’ny hieritreretana azy tsara. Amin’ny fahafantarana fa tsy mandrara ny fananana anaka ny Baiboly, ny kristiana dia afaka misaintsaina koa ireto teny voarakitra ao amin’ny 1 Timoty 5:8 ireto: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy.” Raha maro anaka loatra ny ray aman-dreny dia mety tsy ho afaka hamelona sy hanafy ary hanome trano fonenana mety ho an’ny ankizy tsirairay avy. Na dia raharaha manokana aza ny fampiasana fomba tsy mampiteraka, dia misy mpivady sasany mianatra manao izany, ary manao izay tsy hananan-janaka mihoatra noho izay azony tezaina araka ny mety.
Fampinonoana tsy amin’ny tavoahanginono
Araka ny tenin’ilay mpanao fikarohana antsoina hoe William Chandler, “ny faharatsian-tsakafo ateraky ny tsy fahampian’ny fitandremam-pahasalamana eo amin’ny sakafo dia mahafaty ankizy avo folo heny mahery noho ny mosary ara-bakiteny. Miaraka amin’ny tsy fahampian-drano vokatry ny aretin-kibo mampivalana, dia ny faharatsian-tsakafo no antony voalohany indrindra mahafaty eo amin’izao tontolo izao”. Matetika tokoa no vao eo amin’ny taona voalohany dia efa manomboka izany “tsy fahampian’ny fitandremam-pahasalamana eo amin’ny sakafo” izany.
Ny rononon-dreny no sakafo tsara indrindra ho an’ny ankamaroan’ny zaza vao teraka satria izy io manana ny foto-javatra mahavelona rehetra ilaina. Mora levonina sy voarain’ny vatana haingana izy. Vaovao mandrakariva izy sady antonony tsara ny hafanany. Manana fiarovana voajanahary amin’ny aretina izay miaro ilay zaza izy ary mahatonga ny vatany ho afaka hahatohitra ny fidiran’ny otrikaretina. Ambonin’izany koa, mandritra ny fampinonoana, ilay zaza dia mahazo fanehoam-pitiavana izay mandray anjara lehibe eo amin’ny fitomboany ara-piraiketam-po.
Vokatry ny fidiran’ny vehivavy teo amin’ny sehatry ny asa anefa, ny fampinonoan-dreny dia eo an-dalam-pihenana amin’izao andro izao any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana maro. Zaza afrikana maro àry no fahanana vovo-dronono, izay mahavelona raha voakarakara ara-dalàna sy ao anatin’ny endri-pitandremam-pahasalamana tsara. “Any amin’ireo tany mahantra anefa, dia tsy mety hisy izany indraindray, hoy ny nosoratan’ny gazetiboky Time. Ireo reny dia mety hampifangaro tsy nahy vovo-dronono amin’ny rano voaloto na, noho ny fanahiana ara-bola, dia hanampo-drano be loatra izany.” Mety hampidi-doza ny vokany.
Mitantara i Queen, reny nizeriana iray manan-janaka fito fa vao teo am-piandohana ireo mpanampy ny mpitsabo ao amin’ny hôpitaly dia namahana ireo zanany tamin’ny tavoahanginono. Nanohy izany i Queen raha vao tonga tany an-tranony. Voan’ny aretin-kibo nampivalana mafy sy niverimberina anefa ny zanany rehetra — ny fahenina aza efa saiky maty mihitsy. Nanambara toy izao ny vadiny momba an’io zaza io: “Tsapanay fa nidiran’ny otrikaretina tamin’ny tavoahanginono ny zanakay vavy. Nitsahatra tsy namahana azy tamin’izany fomba izany àry izahay, ka dia sitrana izy. Manan-janaka fahafito izahay izao, ary mampinono azy i Queen mandritra ireo volana voalohany.”
Inona no fianarana azontsika avy amin’izany? Ampinonoy haingana araka izay azo atao ny zanakao. Mihinàna sakafo voalanjalanja tsara ny tenanao mihitsy, mba hahafahanao mamokatra ronono mahasalama. Ahitana tombontsoa hafa iray koa ny fampinonoana: Manao izay hampihemotra ny fiverenan’ny fadimbolana aorian’ny fiterahana izy. Resahina ho toy ny fanafody tsy mampiteraka voajanahary àry izany.
Fahano tsara izy ireny
Indraindray, anefa, misy vehivavy afrikana tsy mamahana afa-tsy rononon-dreny ny zanany hatramin’ny faha-18 volana. “Rehefa sarahi-nono izy ireny, hoy ny fanazavan’i William Chandler, dia ankizy maro no mahazo sakafon’olon-dehibe izay tsy azony tsakoina na levonina, na tsy mahavelona.
Namoaka peta-drindrina izay azo amakiana toy izao ny biraon’ny UNICEF any Côte d’Ivoire: “Tsy ampy intsony ny fampinonoana aorian’ny dimy volana.” Tokony hampiana voankazo sy voamadinika (vary sy ny karazany) ary anana izay ho efa nahandroina sy nopotehina ny rononon-dreny mba ho azon’ny zazakely tsakoina sy atelina mora foana. Ijeoma, renim-pianakaviana nizeriana iray, dia nampinono ny tsirairay avy tamin’ireo zanany efatra hatreo amin’ny fahefa-bolana. Avy eo izy dia nanohy nampinono azy ireo hatramin’ny faharoa ambin’ny folona volana, sady nanolo tsikelikely ny rononon-dreny tamina ranom-boankazo, ro ary zavatra nokarakaraina hafa karazan’izany omena amin’ny tavoahanginono na amin’ny sotro. Nitandrina mafy izy mba hikarakara ny sakafo ao anatin’ny fitandremam-pahasalamana tsara. Vokatr’izany dia nihalehibe ny zanany sady tsy dia mora andairan’ny otrikaretina loatra.
Arakaraka ny itomboan’ny zaza, ny sakafo voalanjalanja dia hanampy azy ho salama tsara hatrany. Tsy ampy hahavelona ny sakafo tsy misy afa-tsy “hydrates de carbones”, toy ny oviala, ny mangahazo na ny vary fotsy. Ny vatana dia mila “protéines” sy otrikanina ary sira mineraly koa, izay hita ao amin’ny hena, ny atody, ny ronono, ny tsaramaso, ny voamadinika ary koa ny karazam-boankazo sy anana rehetra.
Zava-dehibe ihany koa ny hitandremana ny fanamboarana sy ny fitahirizana ny sakafo. Na dia mety hahasodoka aza ny mihinana sakafo mora simba izay nijanona roa na telo andro tamin’ny toerana tsy misy fampangatsiahana, dia AZA MANAO IZANY! Mampidi-doza ny fihinanana sakafo efa simba; mety hahatonga aretin-kibo mampivalana mitohitohy izany ary hitondra areti-mifindra.” Noho izany, dia 1) sasao ny tananao alohan’ny hikasihana na hahandroana sakafo. 2) Hano avy hatrany ireo sakafo nahandroina; aza avela ela loatra eo amin’ny toerana tsy misy fampangatsiahana izy ireny. 3) Tandremo mandrakariva ny fahadiovana sy ny filaminan’ny lakozianao, ireo fitaovana ampiasainao, ny fitafianao ary ny tenanao.” — Gazety Ny fahasalamana eo amin’izao tontolo izao (anglisy).
Feno tsimokaretina sy katsentsitra ny rano voaloto. Tantavano na ampangotrahy àry ny rano alohan’ny hampiasana azy. Kobany amin’ny rano mangotraka ny fitaovam-pihinanana rehetra ary sasao ny tananao alohan’ny hikarakarana sakafo.
Raha ny marina dia tsy isalasalana fa ny fihazonana fari-pahadiovana ambony no fomba tsotra indrindra hahasalama tsara hatrany. Any amin’ireo tany mahantra anefa, dia mety hiharihary fa tena tsy mora izany fepetra tsotra izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nahariharin’ny fandinihana iray natao tany amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana fa any Amerika latina, ny ankamaroan’ny reny dia tsy maniry zaza hafa. Nefa kosa, “atsy Afrika, dia vehivavy mahay manapa-kevitra vitsy monja no nanao izany fanapahan-kevitra izany.” — Ny toetr’izao tontolo izao — 1985 (anglisy), Fikambanana Worldwatch.
[Efajoro, pejy 5]
Famantarana faharatsian-tsakafo sasany
◼ Tsy fahampian-kery — tsy tian’ilay zaza ny lalao mihetsiketsika.
◼ Fahalainan-komana — mandà sakafo ilay zaza, zara raha mihinana.
◼ Fiadan’ny fitomboana — kely loatra ilay zaza raha ho an’ny taonany.
◼ Fihenan’ny tanjaka — Aretina matetika avy amin’ny fidiran’ny otrikaretina kely.
Faharatsian-tsakafo: antony vitsivitsy
◼ Tsy fahampian-kanina.
◼ Fahabetsahan-tsakafo, saingy ratsy karazana.
◼ Ronono an-tavoahanginono mitapo-drano be loatra na tsy fitandremana eo amin’ny fikarakarana.
◼ Fidiran’ny otrikaretina.
◼ Katsentsi-tsinay miteraka aretin-kibo mampivalana na fandoavana.
[Efajoro/Sary, pejy 7]
Fepetra vonjy aina hafab
Isan’andro, dia ankizy 2 000 mahery no matin’aretina toy ny kitrotro, ny lefakozatra, ny kohadavareny, ny difteria, ny tetanosy ary ny raboka. Araka ny filazan’ireo mpitsabo anefa, izany fidiran’ny otrikaretina izany dia mety ho azo nosorohina mora foana tamin’ny alalan’ny vaksiny. Manoloana izany fahatsapan-javatra izany àry, dia ray aman-dreny maro no nanapa-kevitra manokana ny hampanao vaksiny ny zanany. Any Nizeria, ohatra, dia misy ny P.E.V. (Fandaharam-panaovana vaksiny malalaka). Angamba ny fandaharana mitovy amin’izany efa atao ihany koa ao amin’ny tany misy anao. — Mba hahazoana filazana misimisy kokoa momba ny vaksiny dia jereo “Révéillez-vous!” tamin’ny 8 desambra 1965.
Tsarovy anefa fa, mba tsy handairan’aretina mihitsy, dia ilaina angamba ny mampanao fanefitra fanindroany (rappels) an’ilay zaza. Matetika ny fanaviana sy ny fanaintainana maivana miaraka indraindray amin’ny tsindrona voalohany dia loharanom-panahiana ho an’ny ray aman-dreny. Kanefa, mihevitra ny maro an’isa amin’izy ireny fa tena malefaka ireny voka-dratsiny ireny raha ampitahaina amin’ny fiarovana amin’ny aretina mahafaty izay azo antoka amin’izany ho an’ny ankizy.
Aoka koa ianao hifankazatra amin’ny T.R.O. (fanasitranana amin’ny alalan’ny fampisotroan-drano)c. Tao anatin’izao folo taona farany izao, dia ankizy 30 tapitrisa eo ho eo no maty noho ny tsy fahampian-drano sy ny tsy fahampian-tsakafo ateraky ny aretin-kibo mampivalana. Kanefa, raha marary kibo mivalana izy, ny fanafody tsotra voaforon’ny siramamy sy ny sira ary rano dia mety hamonjy ny ain’ny zanakao. Rehefa sotroina amin’ny vava izany, dia mampitombo ny taha-piteloman’ny vatana rano ary mahatonga amin’izany ho afaka hanonitra ny rano very nateraky ny aretin-kibo mampivalana sy ny fandoavana. Raha tsy mahita ireo fonosana “sel de réhydratation” ianao, dia karakaraon’ny tenanao ihany io rano fisotro tsotra dia tsotra io: Afangaroy ao anaty rano iray litatra ny vovo-tsira eran’ny sotrokely safovava sy ny siramamy imbalon’ny sotrokely safovava. Ny T.R.O. “dia mamonjy aina eo amin’ny 90 %-n’ny fisehoan’ny tsy fahampian-drano vokatry ny aretin-kibo mampivalana”.
Na dia eo aza ny fahamalinana rehetra, ny ankizy dia mety hiharan-doza noho ny fidiran’ny otrikaretina sy ny katsentsitra ao amin’ny tsinay. Ahoana no fomba hamongorana ny fisian’ireny tsy metimety mampidi-doza ireny? Amin’ny alalan’ny tabilaon’ny fitomboan-danja izay mora ny mahazo azy any amin’ny tany maro. Ampy fotsiny ho anao ny mandanja ny zanakao isam-bolana sy ny manoratra ny lanjany eo amin’ny tabilao izay ahitana ny taha-pitomboana ara-dalàna. Ny fampitahana ny lanja roa dia mampiseho aminao ny tsy metimety rehetra mety hitranga eo amin’ny fitomboan’ny zanakao.
[Tabilao]
(Jereo ny gazety)
Tabilaon’ny Fitomboan-danja
zaza salama tsara
milaza tsy fahampian-tsakafo (manatòna mpitsabo na tobim-pahasalamana)
20
18
16
14
12
10
8
6
4
2
kg 0
taona 1°, taona faha-2, taona faha-3, taona faha-4, taona faha-5
[Fanamarihana ambany pejy]
b Ireo zavatra omena ireo dia natao ho filazalazana fotsiny. Tsy manohana fitsaboana manokana na inona na inona ny Mifohaza!
c Jereo ny lahatsoratra hoe “Ranon-tsira hamonjena aina” navoaka tao amin’ny Révéillez-vous! tamin’ny 22 septambra 1985.