FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/4 p. 4-10
  • Ny Tontolontsika Miova — Aiza no Alehany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Tontolontsika Miova — Aiza no Alehany?
  • Mifohaza!—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanova ny fiainantsika ny heloka bevava
  • Heloka bevava sy zava-mahadomelina
  • SIDA — Niteraka fiovana ve izy io?
  • Fiovana eo amin’ny politikan’izao tontolo izao
  • Ny fanozonana tsy miovan’ny fanindrahindram-pirenena
  • Ny tontolo iainantsika miova
  • Manova izao tontolo izao ve ny fivavahana?
  • Naman’ny Efa Resy eo Amin’ny Ady Amin’ny Heloka Bevava
    Mifohaza!—1998
  • Aiza ny Tany Tsy Misy Heloka Bevava?
    Mifohaza!—1996
  • Nahoana no betsaka toy izao ny heloka bevava?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Afaka miantoka fiadanana sy filaminana maharitra ve ny olombelona
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/4 p. 4-10

Ny Tontolontsika Miova — Aiza no Alehany?

NY FIOVANA sasany dia misy vokatra lalina sy maharitra eo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro, eo amin’ny mponina rehetra amin’ny tany manontolo sy ireo taranaka amin’ny hoavy mihitsy aza. Ny heloka bevava feno herisetra, ny fampiasana zava-mahadomelina, ny fielezan’ny SIDA, ny fandotoana ny rano sy ny rivotra ary ny fandripahana ny ala dia vitsivitsy monja amin’ireo zava-mitranga misy heriny eo amintsika rehetra. Ny fifaranan’ny Ady Mangatsiaka sy ny fielezan’ny demokrasia araka ny fomba tandrefana miaraka amin’ny toe-karenany miorina amin’ny fahalalahan’ny fanaovam-barotra koa dia manova ny fiainan’ny olona ary misy heriny eo amin’ny hoavy. Aoka isika handinika ny sasany amin’ireo lafin-javatra ireo.

Nanova ny fiainantsika ny heloka bevava

Manao ahoana ireo arabe eo amin’ny manodidina anao? Mahatsiaro tena ho voaro ve ianao rehefa mandeha irery amin’ny alina? Vao 30 na 40 taona lasa monja izay, dia olona maro no afaka namela ny tranony tsy nihidy lakile. Niova anefa ny fotoana. Izao ny trano sasany dia misy hidim-baravarana roa na telo, ary voahidy amin’ny bara vy ny varavarankeliny.

Ny olona amin’izao andro izao dia matahotra ny hanao ny akanjony sy ny firavany tsara indrindra eny amin’ny arabe. Ny mponina an-tanàn-dehibe sasany dia novonoin’ny sasany mba hahazoana ny blouson-ny hoditra na ny akanjony volom-biby. Ny hafa maty fa tratra tao anatin’ny fifamelezan’ny andian-jiolahy mpampiasa zava-mahadomelina. Misy mpandalo tsy manan-tsiny, anisan’izany ankizy maro, voaratra na voavono saika isan’andro mihitsy. Ireo fiara dia tsy azo avela ho irery eny amin’ny arabe raha tsy misy fitaovana ary fomba natao hampitsoaka ireo mpangalatra mpivelona amin’ny hafa. Eo amin’ny rivo-piainana mietry eo amin’ity tontolo ity, dia niova ny olona. Mila ho zavatra hadino ny fanaovana ny marina sy ny fahitsiana. Nanjavona ny fatokiana ny hafa.

Zavatra fahita manerana ny tany ny heloka bevava sy ny herisetra. Mampiseho ny fahamarinan’izany hevitra izany ireto lohatenim-baovao avy amin’ny gazety samihafa ireto: “Polisy Manenjika Mpangalatra, Andian-jiolahy sy Fitondran-tena Maloto; Hita any Moscou Avokoa Izany Rehetra Izany”; “Misy Vanim-potoana Vaovao Tonga any Korea, Arahin’ny Heloka Bevava”; “Mamely ny Fiainan’i Prague Andavanandro ny Heloka Bevava eny An-dalambe”; “Miady Amin’ireo Mpanao Heloka Bevava Voalamina i Japon, ary Mamaly Ireo Mpanao Heloka Bevava Voalamina”; “Ny Fangejan’ilay Horita — Matin’ny Baomba Nipoaka ny Fahavalon’ny Mafia Voalohany any Italia”. Zava-manahirana hita hatraiza hatraiza tokoa ny heloka bevava.

Mihafeno herisetra koa ny heloka bevava amin’izao andro izao. Tsy misy vidiny firy ny aina. Any Rio de Janeiro, any Brezila, ny faritra iray any amin’ireo faritanàna feno mponina mahantra eny amoron’ilay tanàna dia “neken’ny Firenena Mikambana tamin’ny fomba ofisialy ho ny toerana feno herisetra indrindra eto ambonin’ny tany. Olona maherin’ny 2 500 isan-taona no voavono ao”. (World Press Review). Any Kolombia, ireo raindahiny amin’ny zava-mahadomelina dia maniraka ireo zatovony sicarios, na mpamono olona karamainy, mandeha moto, mba hifandamin-draharaha amin’ireo mpifaninana aminy na ireo ananany trosa. Ny ampiasainy amin’izany dia fanamelohana ho faty haingana karazany manokana. Ary matetika dia hanenina ianao raha sendra vavolombelona nahita maso heloka bevava iray — na any Kolombia izany na any amin’ny toerana hafa. Ianao no mety ho voa manaraka.

Ny fiovana lehibe hafa iray dia ny fitomboan’isan’ireo mpanao heloka bevava mitondra fiadiana mahavita mamono imbetsaka, sy ny fitomboan’isan’ny vahoaka manjary mitondra poleta ho fiarovan-tena. Io fitomboan’ny fampiasana fiadiana io dia mitarika ho azy ho amin’ny fitomboan’ny fahafatesana sy ny faharatrana mafy, na noho ny heloka bevava izany na noho ny loza. Izao dia zavatra miharihary hatraiza hatraiza fa hoe afaka ny ho tonga mpamono olona marina na iza na iza manana fiadiana ao am-paosy na ao an-trano.

Heloka bevava sy zava-mahadomelina

Dimampolo taona lasa izay, iza akory no nieritreritra fa ho olana maneran-tany ny zava-mahadomelina? Izao izy io dia ny iray amin’ireo antony voalohany mitarika ho amin’ny heloka bevava sy ny herisetra. Ao amin’ny bokiny hoe Terrorism, Drugs and Crime in Europe after 1992, i Richard Clutterbuck dia mahita mialoha fa “amin’ny farany, ny fitomboan’ny varotra zava-mahadomelina dia mety ho hita ho ny fandrahonana lehibe indrindra ho an’ny sivilizasionan’olombelona. (...) Ireo tombony azo dia tsy vitan’ny hoe manome hery ara-toe-karena sy ara-politika ho an’ireo kalazalahy eo amin’ny zava-mahadomelina, fa mamelona koa ny fanaovana heloka bevava izay mampihorohoro ny isany maneran-tany”. Manambara toy izao koa izy: “Ny iray amin’ireo zavatra miteraka ny fampihorohoroana sy herisetra ary heloka bevava lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao dia ny fivarotana cocaïne avy amin’ireo sahana coca any Kolombia amin’ireo andevozin’izany any Eoropa sy Etazonia.”

Ny fitomboan’ny heloka bevava sy ny fitomboan’ny isan’ny mpigadra maneran-tany dia mampiseho fa misy an-tapitrisany maro ireo izay vonona ny hanao heloka bevava ary tsy maniry ny hiova. Maro loatra no nahita fa ahitan-tombony ny fanaovana heloka bevava. Ho vokatr’izany, dia niova ny tontolontsika — ary ho amin’ny ratsy. Nanjary nampidi-doza kokoa izy io.

SIDA — Niteraka fiovana ve izy io?

Izay toa aretina tsy nahazo afa-tsy ireo lehilahy mandry amin’ny lehilahy sy vehivavy mandry amin’ny vehivavy ihany tamin’ny voalohany, dia nanjary loza mamely olona avy amin’ny firazanana sy fomba fiaina rehetra. Tsy voafetra intsony ireo olona tian’ny SIDA hasiana. Any amin’ny tany sasany atsy Afrika, dia mandripaka koa ireo olona mandry amin’ny tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tenany izy io. Ho vokatr’izany, tampoka teo dia toa tsy lamody intsony ho an’ny sasany ny fahalotoam-pitondran-tena, tsy noho ny faniriana hanaraka fitondran-tena madio akory, fa noho ny tahotra ny ho voa. Ny hoe “firaisana tsy ahitana loza” izao no teny faneva, ary ny fampiasana condoms no sakana voalohany indrindra anoroana hevitra. Ny fifadiana no fiarovana fidina farany indrindra. Hanao ahoana anefa ny fiantraikan’ny SIDA eo amin’ny fianakavian’olombelona amin’ny hoavy tsy ho ela?

Nitatitra toy izao ny gazetiboky Time vao haingana: “Rehefa tonga ny taona 2000, dia ho efa ny areti-mifindra lehibe indrindra amin’izao taonjato izao ny SIDA, ka hampanadino tanteraka ny famelezan’ny gripa tamin’ny 1918. Io loza io dia namono olona 20 tapitrisa, na ny iray isan-jaton’ny mponin’ny tany — maherin’ny avo roa heny noho ny isan’ireo miaramila maty tamin’ny Ady Lehibe Voalohany.” Araka ny filazan’ny manam-pahaizana manokana iray, “ity areti-mandringana ity [kosa] dia manan-tantara”.

Na dia eo aza ireo dolara sy vola hafa an-tapitrisany maro atobaka amin’ny fikarohana atao momba ny SIDA, dia mbola tsy hita ny ala olana. Ny konferansa natao vao haingana tany Amsterdam, any Holandy, momba ny SIDA, dia nahavory mpahay siansa sy manam-pahaizana manokana 11 000 hafa mba handinika io zava-manahirana io. “Nanjombona ny toe-po, nanome taratr’ireo folo taona nandiavana fahakiviana, tsy fahombiazana ary loza mihamiitatra. (...) Mety ho tsy nanatona kokoa ny fotoana handresena ny SIDA noho ny tamin’ny fotoana nanombohan’ny fikarohana, ny olombelona. Tsy misy vaksiny, tsy misy fanafody ary tsy misy na dia fitsaboana tena mandaitra akory aza.” (Time). Ho an’ireo izay hita fa misy ny VIH amin’izao fotoana izao, izay azo inoana sahady fa hararin’ny SIDA, dia kely dia kely ny fanantenana. Eto indray koa, ny fiovana dia ho amin’ny ratsy.

Fiovana eo amin’ny politikan’izao tontolo izao

Ny rivo-piainana ara-politika niova tamin’ireo efa-taona lasa dia nanampoka filoha maro, ary angamba ireo tany Etazonia no tena taitra. Tampoka teo izy dia lasa tsy manana mpifaninana mifanentana aminy eo amin’ny sehatra ara-politika. Noharina tamina ekipana baskety vonona mafy ny handresy sady tsy mety resy, ka mahita tampoka fa tsy misy mety hifanehatra aminy intsony, izy. Io toerana mahasanganehana io dia nofintinina tao amin’ny lahatsoratra iray tamin’ny 1990 nataon’i Charles William Maynes, mpiadidy ny gazetiboky Foreign Policy, toy izao: “Amin’izao andro izao ny asa tsy maintsy tanterahin’ny politika ivelan’i Etazonia dia tsy ny hisintona ilay tany hiala amin’ny ady hampidi-doza iray, fa ny hanaiky ny fipoahan’ilay fiadanana tsy nampoizina teo amin’i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika [teo aloha], ho anisan’ny zava-misy.”

Mametraka fandrahonana vaovao ny fitaran’ny fahaizana niokleary, kanefa ny ady ampiasana ireo fiadiana mahazatra dia mbola mitohy ihany — zavatra izay maharavo aoka izany ireo mpivarotra fitaovam-piadiana eo amin’izao tontolo izao. Eo amin’ny tontolo iray mitady fiadanana mafy, dia filoha ara-politika maro no manatanjaka ireo tafiny sy ireo fitaovam-piadiany. Ary atao izay hahasahirana ny Firenena Mikambana, izay madiva ho bankirompitra, hanandrana hanampina amin’ny sparadrap kely etỳ ivelany ireo aretim-bavony lehiben’izao tontolo izao.

Ny fanozonana tsy miovan’ny fanindrahindram-pirenena

Rehefa nanomboka nihapotika ny Kominisma, i Bush, prezidàn’i Etazonia teo aloha, dia nahatonga ilay hevitra hoe “fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao” ho malaza. Kanefa, araka ny hitan’ny filoha ara-politika maro, dia mora ny mamorona teny faneva maneho hakingan-tsaina; sarotra lavitra noho izany ny manatanteraka fiovana ho amin’ny tsara. Ao amin’ny bokiny hoe After the Fall — The Pursuit of Democracy in Central Europe, dia hoy i Jeffrey Goldfarb: “Ny fanantenana tsy nisy fetra ny amin’ny ‘fandehan-javatra vaovao iray ho an’izao tontolo izao’, vetivety dia narahin’ny fahatakarana fa mbola eo ihany ireo zava-manahirana tranainy indrindra, ary indraindray aza dia mamely amin-kery kokoa noho ny taloha. Ny faharavoana tsapa taorian’ny fanafahana (...) matetika dia takon’ny famoizam-po noho ny fihenjanana ara-politika, ny fifandirana ara-pirenena, fifikirana mafy ara-pivavahana ary ny firodanana ara-toe-karena.” Ny ady an-trano any Yogoslavia teo aloha dia ohatra miharihary ny amin’ny hery mampisaraka ananan’ny politika sy ny fivavahana ary ny fanindrahindram-pirenena.

Manohy ny teniny toy izao i Goldfarb: “Ny xénophobie [tahotra ny vahiny] sy ny tsy fahatsapana fiarovana manokana dia nanjary anisan’ny zavatra mahaforona ny fiainana any Eoropa Afovoany. Ny demokrasia dia tsy namokatra ho azy avy hatrany ireo vokatra nantenaina teo amin’ny toe-karena sy ny politika ary ny kolontsaina. Ambonin’izany, ny fahalalahan’ny fanaovam-barotra dia tsy vitan’ny hoe mampanantena harem-be, fa miteraka zava-manahirana goavana koa ho an’ireo izay tsy mahay mampiasa azy io.”

Miharihary anefa fa ireo dia tsy zava-manahirana hita any Eoropa Afovoany sy any amin’ireo repoblikan’ny Firaisana Sovietika teo aloha ihany; hita maneran-tany ny tahotra ny vahiny sy ny tsy fahatsapana fiarovana ara-toe-karena. Mizaka ny vokany ny fianakavian’olombelona ka iharan’ny fijaliana sy ny fahafatesana. Ary ny hoavy tsy ho ela dia tsy manolotra fanantenana fiovana eo amin’ireo fihetsika raiki-tampisaka izay niteraka fankahalana sy herisetra ireo. Fa nahoana? Satria ny fanabeazana azon’ny ankamaroan’ny olona — na avy amin’ny ray aman-dreniny izany na avy amin’ireo fandaharam-pianarana mampirisika ny fanindrahindram-pirenena — dia mampianatra ny fankahalana sy ny tsy fileferana ary ny finoana momba ny fahamboniana miorina amin’ny firenena, na ny firazanana sy ny foko, na ny fiteny.

Ny fanindrahindram-pirenena, na nasionalisma, dia antsoin’ny gazetiboky Asiaweek mivoaka isan-kerinandro, hoe “Ilay Isma Maharikoriko Farany Indrindra” (avy amin’ilay tovana “isma” mamarana ireo teny ilazana finoana na tsangan-kevitra ara-politika sy ara-pivavahana). Izy io dia iray amin’ireo lafin-javatra tsy miova izay manohy mahatonga fankahalana sy fandatsahan-dra. Nanambara toy izao io gazetiboky io: “Raha midika hoe fankahalana ny Kroaty ny fireharehana ho Serba, raha midika hoe famaliana faty amin’ny Tiorka ny fahafahan’ny Armeniana, raha midika hoe famoretana ny Xhosa ny fahaleovan-tenan’ny Zoloa, ary raha midika hoe fandroahana ny Hongroa ny demokrasia ho an’ny Romaniana, dia efa nampiseho ny endriny maharikoriko indrindra ny fanindrahindram-pirenena.”

Ampahatsiahivina antsika izay nolazain’i Albert Einstein indray andro toy izao: “Ny fanindrahindram-pirenena dia aretin-jazakely. Toy ny kitrotro eo amin’ny taranak’olombelona izy io.” Saika ny rehetra mihitsy no voan’izy io amin’ny fotoana samy hafa, ary mbola mihamiely ihany izy io. Tany amin’ny 1946, dia nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara britanika atao hoe Arnold Toynbee: “Ny fitiavan-tanindrazana (...) dia efa nisosoka teo amin’ny toeran’ny Kristianisma mba ho ny fivavahana arahin’ny Tontolo Tandrefana.”

Misy fanantenana ny hiovan’ny fitondran-tenan’ny olombelona ve amin’izao tontolo ankehitriny izao? Misy milaza fa tsy azo atao ny hahita fiovana raha tsy amin’ny alalan’ny fiovana tanteraka eo amin’ny fampianarana. Nanoratra toy izao ilay manam-pahaizana momba ny toe-karena atao hoe John K. Galbraith: “Ny olona no mpanondro iombonan’ny fandrosoana. Koa (...) tsy hety hisy fihatsarana àry raha tsy mihatsara ny olona, ary azo antoka ny fandrosoana rehefa nafahana sy nampianarina ny olona. (...) Ny fandresena ny tsy fahaiza-manoratra sy mamaky teny no tokony hatao voalohany.” Misy fanantenana ny hampianaran’ireo fandaharam-pampianarana eo amin’izao tontolo izao ny fitiavana sy ny fandeferana, fa tsy ny fankahalana sy ny fiahiahiana, ve indray andro any? Rahoviana ireo fankahalana ara-poko na ara-pirazanana lalim-paka no ho voasolon’ny fatokiana sy ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa, noho ny fanekena fa anisan’ny fianakavian’olombelona iray ihany isika rehetra?

Miharihary fa ilaina ny hisian’ny fiovana ho amin’ny tsara. Manoratra toy izao i Sandra Postel ao amin’ny State of the World 1992: “Ny taona sisa tavela amin’ireo taona sivifolo sy sivinjato sy arivo dia tsy maintsy hitondra fanovana lalina kokoa sy miely kokoa aza raha tiantsika ny hifikitra amin’ny fanantenana araka ny tena izy ny hisian’ny tontolo tsara kokoa.” Ary aiza no alehantsika? Manambara toy izao i Richard Clutterbuck: “Izao tontolo izao anefa dia mbola mihozongozona sy mampidi-doza ihany. Mbola mitohy ny firehetana ho an’ny firenen’ny tena sy ny fivavahan’ny tena. (...) Ireo taona 1990 dia mety ho ny taona mampidi-doza indrindra na ny mandroso indrindra.” — Terrorism, Drugs and Crime in Europe After 1992.

Ny tontolo iainantsika miova

Nandritra ireo am-polony taona vitsivitsy lasa, dia nanjary nahafantatra ny olombelona fa misy heriny mampidi-doza eo amin’ny tontolo iainana ireo zavatra ataon’ny olombelona. Mamono karazam-biby sy zavamaniry tsy hita isa ny fandripahana ny ala amin’ny lafiny lehibe. Ary satria anisan’ny rafi-piainan’ny planetantsika ny ala, ny fandringanana ireo ala koa dia mampihena ny fahaizan’ny tany hanova ny eton’arina ho oksizenina mahavelona. Ny vokatra hafa iray dia ny vohon-tany mihamalemy ka ho lasa efitra amin’ny farany.

Nisy feo nampitandrina momba io raharaha io, ary ny iray amin’izany dia ny an’i Al Gore, filoha lefitra amerikana. Ao amin’ny bokiny hoe Earth in the Balance — Ecology and the Human Spirit, dia manoratra toy izao izy: “Araka ny hafainganan’ny fandripahana ny ala amin’izao fotoana izao, dia saika ny alan’ny tany mafana sady mando rehetra no tsy hisy intsony eo antenatenan’ny taonjato manaraka. Raha mamela izany fandringanana izany hitranga isika, dia hafoin’izao tontolo izao ny trano firaketana feno indrindra misy ny fanazavana momba ny maha-izy ny planetantsika, ary miaraka amin’izany koa izay mety ho fanafodin’ny maro amin’ireo aretina mampahory antsika. Raha ny tena izy tokoa, an-jatony maro amin’ireo fanafody lehibe fampiasa ankehitriny no avy amin’ireo zavamaniry sy biby any amin’ireo alan’ny tany mafana sady mando.”

Mino i Gore fa ny herin’ny olombelona eo amin’ny tontolo iainana dia mandrahona ny fahatafitana velona eo no ho eo. Manambara toy izao izy: “Eo am-panohizantsika mitady izao karazana fiarovana eo amin’ny tontolo iainana azo heverina rehetra izao, dia mihamanjary miharihary ny fahalemen’ny sivilizasionantsika manokana. (...) Mandritra ny taranaka iray ihany, dia ao anatin’ny loza hanova izay zavatra mahaforona ny maha-izy ny atmosferan’ny planetantsika isika, amin’ny fomba manimba kokoa noho ny nataon’ireo volkano nipoaka teo amin’ny tantara, ary ireo ho vokany dia mety haharitra mandritra ireo taonjato ho avy.”

Tsy ny atmosferantsika ihany no rahonan’ny loza, fa, araka ny hevitr’i Gore sy ny hafa koa, ny tahirin-dranontsika tena iankinan’ny aina koa, indrindra fa any amin’ireo tontolo eo an-dalam-pandrosoana, “izay ahitana fa mafy indrindra sy mankarary indrindra ireo vokatry ny fandotoana ny rano, rehefa jerena ny tahan’isa avo dia avon’ireo maty noho ny kolera, ny tefoedra, ny disanteria ary ny aretin-kibo mampivalana”. Avy eo i Gore dia milaza fa “olona maherin’ny 1,7 arivo tapitrisa no tsy manana tahirin-drano azo sotroina ampy. Olona maherin’ny 3 arivo tapitrisa no tsy manana fomba fikarakarana ny fahadiovana araka ny tokony ho izy [trano fivoahana sy fanarian-drano maloto], hany ka mety ho voaloto ny ranony. Any India, ohatra, dia tanàna efatra ambin’ny folo amby zato no manipy mivantana ao anatin’ny ranon’i Gange ny loton’ny olona ary koa rano maloto tsy voavoatra.” Ary anefa io renirano io no fototry ny ain’ny olona an-tapitrisany maro!

I Gautam S. Kaji, filoha lefitra iray ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena, dia nampitandrina ireo mpanatrika tany Bangkok fa ny “tahirin-dranon’i Azia Atsinanana dia mety ho ny zava-manahirana lehibe indrindra amin’ny taonjato manaraka. (...) Na dia eo aza ireo soa fantatry ny rehetra fa entin’ny rano azo sotroina ho an’ny fahasalamana sy ny famokarana, ireo fitondram-panjakana any Azia Atsinanana ankehitriny dia eo anoloana fitaovana izay tsy mahavita manome rano madio (...) Izany no lafiny hadino amin’ny fandrosoana tsara raha ny amin’ny tontolo iainana”. Maneran-tany, ny iray amin’ireo foto-javatra ilaina ho an’ny fiainana — ny rano madio — dia atao tsirambina sady verivery foana.

Ireo rehetra ireo dia samy lafiny mahaforona ny tontolontsika miova, dia tontolo iray ovana ho fitoeram-pako mampidi-doza any amin’ny faritra maro ary mandrahona ny fiainan’ny taranak’olombelona amin’ny hoavy. Ny fanontaniana lehibe indrindra dia hoe: Moa ve ireo fitondram-panjakana sy mpandraharaha lehibe manana ny faniriana sy ny antony manosika hanao dingana mba hisakanana ny fandaniana tanteraka ny harenan’ny tany?

Manova izao tontolo izao ve ny fivavahana?

Eo amin’ny fivavahana angamba no ahitantsika ny tsy fahombiazan’ny olombelona mampalahelo indrindra. Raha tsaraina araka ny voany ny hazo iray, dia tsy maintsy ampamoahina noho ny fankahalana sy ny tsy fileferana ary ny ady teo amin’izy samy izy novokariny, ny fivavahana. Amin’ny ankamaroan’ny olona dia toa toy ny hatsaran-tarehy ny fivavahana, izany hoe etỳ ivelany fotsiny. Hosotra izay mora miala izy raha vao misy faneren’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanindrahindram-pirenena ary ny tsy fahatsapana fiarovana ara-toe-karena.

Koa satria ny Kristianisma no fivavahan’ny hoe ‘tiava ny namanao ary tiavo koa ny fahavalonao’, inona moa no nanjo ireo Katolika sy ireo Ortodoksa any Yogoslavia teo aloha? Moa ve ireo pretrany hamela ny helony noho ny famonoany olona sy ny fankahalany? Moa ve tsy namokatra afa-tsy fankahalana sy vonoana olona tany Irlandy Avaratra ireo taonjato maro nisian’ny fampianarana “kristiana”? Ary ahoana ny amin’ireo fivavahana tsy kristiana? Moa ve izy ireo namokatra voa tsara kokoa? Moa ve ny Hindoisma, ny fivavahana Sikh, ny Bodisma, ny Silamo ary ny Shintoisma afaka manolotra porofon’ny fifanehoana fandeferana eo aminy?

Tsy hery tsara nahatonga ny olombelona hahay hiaina kokoa ny fivavahana, fa nampiasa ny firehetan’ny tenany tsy amin’ny antony mba handrisihana ny fitiavan-tanindrazana feno faharomotana sy hitsofana rano ireo tafika tamin’ireo ady lehibe roa ary koa tamin’ireo fifandonana maro hafa. Tsy hery nampandroso ho amin’ny fiovana izy io.

Noho izany, inona moa no azo ampoizina avy amin’ny fivavahana amin’ny hoavy tsy ho ela? Raha ny tena izy, inona moa no azontsika ampoizina fa hoentin’ny hoavy ho an’ny fandehan-javatry ny tontolontsika ankehitriny — fiovana inona avy no hiseho? Ilay lahatsoratra fahatelontsika dia hiresaka momba ireo fanontaniana ireo amin’ny fomba fijery iray tsy manam-paharoa.

[Sary, pejy 7]

Ny firongatry ny heloka bevava feno herisetra dia famantarana iray hafa ny amin’ny fiovana

[Sary, pejy 8]

Mbola manohy miteraka fandatsahan-dra ny fanindrahindram-pirenena sy ny fankahalana ara-pivavahana

[Sary nahazoan-dalana]

Jana Schneider/Sipa

Malcom Linton/Sipa

[Sary, pejy 9]

Ny fampiasan’ny olombelona ny tontolo iainany amin’ny fomba ratsy dia manova ny fifandanjana mora simba eo amin’ny “biosphère”

[Sary nahazoan-dalana]

Laif/Sipa

Sipa

[Sary, pejy 10]

I Hitler, arahabain’i Basallo di Torregrossa, iraky ny papa, 1933. Araka ny tantara, ny fivavahana dia nitsabaka tamin’ny politika sy ny fanindrahindram-pirenena

[Sary nahazoan-dalana]

Bundesarchiv Koblenz

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara