Aiza ny Tany Tsy Misy Heloka Bevava?
Ny fandevenana azy no iray tamin’ireo lehibe indrindra hitan’i Moscou tao anatin’ny taona maro. Olona an’arivony maro no nitandahatra nanamorona ny arabe mba haneho ny fanajany farany an’ilay Rosiana tanora, izay notaperin’ny balan’ny mpamono olona tamin’ny fomba tampoka ny ainy, tamin’ny 1 Martsa 1995. Olona nanan-daza be mpitia tao amin’ny televiziona i Vladislav Listyev, izay nambara hoe ny mpanao gazety niavaka indrindra tamin’ny taona 1994, ary saika teo an-tokonam-baravarany mihitsy izy no voatifitra ho faty.
LATSAKA ny telo herinandro taorian’izay, tamin’ny 20 Martsa, dia vao maraina nisian’ny fivezivezena be indrindra tao amin’ny zotran’ny métro (lamasinina mandeha any ambanin’ny tany) tany Tokyo, nony injay nisy fanafihana tamin’ny gaza poizina namelezana azy io. Olona maromaro no maty; olona maro hafa no voa mafy.
Avy eo, tamin’ny 19 Aprily, dia nanjary nifantohan’ny mpijery televiziona maneran-tany i Oklahoma City. Nihorohoro izy ireo teo am-pijerena an’ireo mpiasa mpitondra vonjy, namoaka vatana rotidrotika avy tao amin’ny tranom-panjakana rava iray, izay vao avy narodan’ny baomban’ny mpampihorohoro. Ny isan’ny maty dia 168.
Tamin’ny faramparan’ny volana Jona tamin’itỳ taona itỳ, dia nisy fanafihana hafa iray toy izany, tany akaikin’i Dhahran, Arabie Saoudite, namono Amerikana 19 sy nandratra olona 400 teo ho eo.
Manazava amin’ny ohatra ireo fisehoan-javatra efatra ireo fa mihamiitatra ny ambaindain’ny heloka bevava. Mihamanampy trotraka hatrany ny heloka bevava “ara-dalàna” ireo asa fampihorohoroana tsy mifaditra ovana. Ary ireo fisehoan-javatra efatra rehetra ireo — samy manana ny fomba mampiavaka azy avy — dia mampiseho fa nanjary mora voan’ny fanafihan’ny mpanao heloka bevava ny rehetra. Na ao an-trano ianao, na any am-piasana, na eny amin’ny arabe, ny heloka bevava dia afaka mahatratra anao ka mahatonga anao ho anisan’ny iharam-pahavoazana aminy. Eny tokoa, nasehon’ny fanadihadiana britanika iray fa efa ho ny telo ampahefatry ny Britanika no mihevitra fa azo inoana kokoa ny hahatonga azy hiharam-pahavoazana amin’ny heloka bevava, ankehitriny tsy toy ny tamin’ny folo taona lasa izay. Mety hitovy amin’izany ny tarehin-javatra any amin’ny misy anao.
Maniry mafy fitondram-panjakana iray izay hanao mihoatra noho ny mifehy ny heloka bevava fotsiny, ireo olom-pirenena mpanara-dalàna. Maniry fitondram-panjakana iray izay tena hamarana azy io tokoa izy ireo. Ary na dia mety ho toa manondro aza ny fampitahana ny tahan’ny heloka bevava fa mandaitra kokoa noho ny hafa ny fitondram-panjakana sasany eo amin’ny fisorohana ny heloka bevava, dia asehon’ny tarehin-javatra amin’ny ankapobeny fa eo am-paharesena ny fitondram-panjakan’olombelona amin’ny ady ataony amin’ny heloka bevava. Na dia izany aza, dia tsy hoe tsy fijerena ny zava-misy na hevi-poana ny finoana fa hisy fitondram-panjakana hamarana tsy ho ela ny heloka bevava. Fitondram-panjakana inona anefa? Ary rahoviana?
[Efajoro/Sarintany, pejy 4, 5]
TONTOLO IRAY FENO HELOKA BEVAVA
EOROPA: Nilaza ny boky italiana iray (“Ny Toe-javatra Fanararaotra sy ny Mpangalatra”) fa tao anatin’ny fe-potoana fohy, ny isan’ny heloka bevava natao tamin’ny fananana, tany Italia, dia “nahatratra tampon’isa izay noheverina teo aloha hoe tsy mety hitranga”. Nanao tatitra heloka bevava 490 isaky ny mponina 100 000 i Ukraine, repoblikan’ny Firaisana Sovietika teo aloha, tamin’ny 1985, ary 922 tamin’ny 1992. Manohy mitombo ilay tarehimarika. Tsy mahagaga raha nanoratra toy izao ny gazety rosiana iray (“Fanaporofoan-kevitra sy Zava-misy”): “Mikendry mafy ny hiaina isika — ny hitoetra ho velona — ny hieren-doza amin’itỳ fe-potoana mahatahotra itỳ (...) matahotra ny handeha lamasinina [isika] — mety hiala amin’ny lalamby na hisy hihetraketraka izy io; matahotra ny handeha fiaramanidina — mateti-pitranga ny fanerena ny mpanamory hiova lalana na mety hidaraboka ilay fiaramanidina; matahotra ny hitaingina métro — noho ny fifandonana na ny fipoahana; matahotra ny handeha eny amin’ny arabe — mety ho tratran’ny fifampitifirana ianao, na hisy handroba, hametaveta, hikapoka, na hamono ho faty; matahotra ny hitaingina fiara — mety hisy handoro, hanapoaka, na hangalatra, izy io; matahotra ny hiditra ao amin’ny lalantsaran’ny trano avo misy efitrefitra, na [ao amin’ny] hotely fisakafoana, na fivarotana — mety haratra na ho faty ianao, ao amin’ny iray amin’izy ireny.” Nampitahain’ny gazetiboky hongroa HGV tamin’ny “foiben’ny Mafia”, ny tanàna iray azon’ny hainandro any Hongria, ka nolazainy fa, tao anatin’ny telo taona lasa, dia izy io no “toeram-piaingan’ny karazana heloka bevava vaovao rehetra. (...) Ny vokany mifampitohitohy ateraky ny tahotra dia mihamitombo, arakaraka ny ahitan’ny olona fa tsy voaomana hiady amin’ireo Mafia ny polisy”.
AFRIKA: Nanao tatitra ny Daily Times any Nizeria fa “ireo sekoly ambony” ao amin’ny firenena iray atsy Afrika Andrefana dia nandia “onjan’ny horohoro, nalefan’ny mpikambana ao amin’ny antokom-pinoana madinika miafina: saika tonga hatramin’ny fanakanana ny fampiharana misy heviny ny fianarana tsy hitohy”. Nanohy ny teniny toy izao izy io: “Mihamiely patrana hatrany ilay onja, arahin’ny famoizana aina sy fananana.” Nanao tatitra toy izao ny The Star atsy Afrika Atsimo, momba ny tany afrikana hafa iray: “Misy endriny roa ny herisetra: fifandonana ao anatin’ny fiaraha-monina sy herisetra mahazatra anaovana heloka bevava. Nihena be ilay voalohany, nisondrotra be ilay faharoa.”
OSEANIA: Notombanan’ny Institut Momba ny Fandinihana ny Heloka Bevava any Aostralia fa miteraka fatiantoka “$27 000 tapitrisa [aostraliana] isan-taona, fara fahakeliny, na efa ho $1 600 isaky ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay”, ny heloka bevava. “Tokony ho 7,2 isan-jaton’ny vokatra eo an-toerana manontolo”, izany.
IREO TANIN’NY AMERIKA: Ny The Globe and Mail any Kanada dia nanao tatitra ny amin’ny fitomboan’ny heloka bevava feno herisetra tany Kanada, nandritra ny fe-potoana vao haingana naharitra 12 taona nisesy, ka izy rehetra dia “anisan’ny fironana izay niteraka fitomboana 50 isan-jato teo amin’ny herisetra, nandritra ny folo taona lasa”. Etsy an-danin’izany, dia nanao tatitra ny El Tiempo any Kolombia fa tany, dia fakana olona an-keriny 1 714 no nitranga tao anatin’ny taona iray vao haingana izay, izany hoe “tarehimarika maherin’ny avo roa heny noho ny fakana olona an-keriny rehetra voarakitra an-tsoratra teo amin’ny tapany sisa amin’izao tontolo izao nandritra io fe-potoana io ihany”. Araka ny Minisiteran’ny Fitsarana any Meksika, dia nisy heloka bevava teo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, iray isaky ny adiny efatra, natao tao amin’ny renivohiny, nandritra ny taona iray vao haingana izay. Nanazava ny mpitondra teny iray fa voamariky ny tsy fankasitrahana ny hasarobidin’ny isam-batan’olona, ny taonjato faha-20. “Miaina ao anatin’ny taranaka iray izay mampiasa zavatra iray ary avy eo dia manary azy io, isika”, hoy ny fanatsoahan-keviny.
MANERAN-TANY: Manamarika “fitomboana tsy an-kiato maneran-tany teo amin’ny fanaovana heloka bevava tamin’ireo taona 1970 sy 1980”, ilay boky hoe The United Nations and Crime Prevention. Hoy izy io: “Avy teo amin’ny 330 tapitrisa teo ho eo tamin’ny 1975 ny isan’ny heloka bevava voarakitra an-tsoratra, ka nitombo ho efa ho 400 tapitrisa tamin’ny 1980, ary tombanana fa nahatratra antsasaky ny arivo tapitrisa izy io tamin’ny 1990.”
[Sary nahazoan-dalana]]
Sarintany sy bolan-tany: Mountain High Maps® Copyright © 1995 Digital Wisdom, Inc.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Ny tany eo amin’ny pejy 3, 6, sy 9: NASA photo