Manontany ny Tanora Hoe...
Inona no Maha-ratsy ny Mozika Henoiko?
“Hoy i Dada hoe: ‘Vonoy any izany tabataba izany fa mankarenin-tsofina!’ ” — Zatovolahy iray.
“Misy tena maharikoriko mihitsy ny mozika rap sasany.” — Zatovovavy iray.
“TSY misy antony tokony hanaovana resa-be izany”, hoy ny fitarainan’i Jodie. “Nahoana àry izy ireo no manao resa-be momba ny mozika?” Mitovy hevitra amin’izany koa i Lisette, 13 taona. “Zavatra hira fotsiny io”, hoy izy manizingizina.
Moa ve ianao koa miady tsy an-kijanona amin’ny ray aman-dreninao momba ny mozika? Raha izany no izy, dia mety hahare fitarainana sy fandrahonana ary baiko ianao isaky ny mandefa ny cassette na ny compact disc tianao indrindra. (“Hoy i Dada hoe: ‘Vonoy any izany tabataba izany fa mankarenin-tsofina!’ ”, hoy ny zatovolahy iray.) Leon’ny mahare ilay menomenon-dava ianao ka mety hihevitra fa manao resa-be tsy amin’ny antony ny ray aman-dreninao. “Inona angaha no nataony fony izy mbola kely?”, hoy ny zatovovavy iray. “Moa ve ny ray aman-dreniny koa tsy mba nihevitra fa ratsy ny mozikany?”
Misy zavatra marina amin’izany lazainy izany. Nandritra ny tantara manontolo, dia toa nifandona momba ny fitiavan-javatra manokana ireo taranaka lehibe kokoa sy ireo tanora kokoa. Koa nahoana ianao no tokony hitsahatra tsy hihaino intsony ny mozikanao satria fotsiny hoe tsy tian’ny ray aman-dreninao ilay izy? Inona anefa no maha-ratsy ny mozikanao e?
Ny toerana tanan’ny mozika eo amin’ny fiainana
Tsy misy milaza aloha fa hoe ratsy ny mankafy mozika. Ny tapany sasany amin’ny Baiboly — indrindra fa ireo salamo — mihitsy aza tamin’ny voalohany dia natao an-kira. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny mozika dia nitana toerana fototra teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra. (Salamo 149:3; 150:4). Nampiasaina mba hanehoana fifaliana sy fientanam-po ary alahelo koa ny mozika. (Genesisy 31:27; Mpitsara 11:34; 1 Samoela 18:6, 7; Matio 9:23, 24). Tamin’ny andron’i Jesosy Kristy, dia tapany nahazatra tamin’ireo fiaraha-mikorana ny mozika izay nanome fifaliana fanampiny. — Lioka 15:25.
Mbola mitana toerana lehibe ihany ny mozika amin’izao andro izao — indrindra fa eo amin’ny tanora. Manamarika toy izao ny The Journal of the American Medical Association: “Mandritra ireo taona andehanany any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, ny zatovo iray dia mihaino mozika rock mandritra ny 10 500 ora amin’ny antsalany, izany hoe kely sisa dia hitovy amin’ny tontalin’ireo ora laniny any an-tsekoly manomboka any amin’ny akanin-jaza ka hatramin’ny faran’ny ambaratonga faharoa.”
Ireo fandinihana natao dia mampiseho fa ny ankamaroan’ireo tanora amerikana dia saika tsy mihaino afa-tsy mozika rock na pop. (Ho fanatsoran-javatra, dia hampiasa ny teny hoe “rock” sy “pop” isika mba hiresahana saika ireo karaza-mozika be mpitia rehetra eo amin’ny tanora — manomboka amin’ny mozika soul sy new wave ka hatramin’ny rap sy ny heavy metal.) Araka ny The World Book Encyclopedia, “ny mozika rock dia tsy mozikan’ny tanora amerikana fotsiny, fa mozikan’ny eran’izao tontolo izao”.
Ny hery misinton’ny mozika rock
Nahoana ny mozika rock no be mpitia aoka izany? Araka ny boky Youth Trends, ny rock dia toy ny “fomba fiteny iombonana eo amin’ny tanora rehetra”. Ny tanora sasany àry dia mihevitra fa, raha maharaka ny zava-mitranga eo amin’ny sehatry ny mozika izy, izany hoe mahafantatra ireo mpihira sy hira malaza farany, izany dia hanampy azy mba horaisin’ireo tanora hafa. Ny mozika dia toy ny fatorana iray mampiray ireo tanora sady manolotra foto-dresaka tsy mety tapitra.
Ho an’ny tanora maro anefa, ny mozika dia tokony hohenoina rehefa irery ny tena. Nanahirana ve ny tany am-pianarana androany? Raha izany no izy, dia angamba ianao mitovy amin’ilay zatovovavy antsoina hoe Bree, izay milaza hoe: “Mipetraka ao amin’ny efitranoko aho, alefako mafy, tena mafy, ny mozika, dia mipetraka mihaino fotsiny aho. Toa ohatra ny mampitony ilay fihenjanana ilay izy.” Na dia kianina matetika noho izy mitabataba sy mankarary sofina aza ny mozika rock, dia hira malaza maro no manana feon-kira mahafinaritra sy firindrana tsaran’ireo zavamaneno.
Ho an’ny hafa anefa, ny manintona dia ny fingadony. “Izy io no mozika mora andihizana indrindra”, hoy ny fanazavan’ny ankizivavy iray rehefa nanontaniana ny amin’ny antony nitiavany ny mozika rap izy. Maro anefa no voasinton’ireo tonon-kira koa. Ireo tonon-kira soratana manokana ho an’ny tanora dia mahafaoka ireo fihetseham-po sy tebiteby rehetra tsapan’ny zatovo. Ny mozika rap indrindra indrindra no mendrika homarihina, noho izy mifantoka amin’ny zava-manahirana amin’izao andro izao, toy ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny tsy rariny ara-tsosialy. “Rehefa mandefa radio aho, ny ankamaroan’ny mozika ao dia tsy misy dikany, hany ka mahatsiravina ahy”, hoy ny fitarainan’ny zatovo iray antsoina hoe Dan, izay voatonona ao amin’ny gazetiboky Newsweek. “Ny rap anefa dia ohatra ny tantara tena izy sy zavatra tena izy mihitsy. Mahaliana ny mihaino azy.”
Kanefa ny hafatra alefan’ilay mozika no mety hampanahy indrindra ny ray aman-dreninao.
Ny hafatra alefan’ny rap
Raiso, ohatra, ny mozika rap. Ao amin’ny rap, ny tonony — teny maitso natao adirima — dia tenenina fa tsy hiraina, ampiarahina amin’ny ngadona mahery iray. Mazava ho azy fa tsy misy tena maha-ratsy io hevitra io. Hira malaza maro no nampiasa teny notononina toy izany tao anatin’ny taona maro. Kanefa ny mozika rap matetika dia nitarika io fanao io ho tafahoatra be.
Ny rap (antsoin’ireo mpitia azy koa hoe hip-hop) dia voalaza fa nanjary nalaza tany amin’ireo taona 1970 tao amin’ireo toeram-pandihizana kely any New York falehan’ny tanora avy any amin’ny faritra be mponina indrindran’ilay tanàna. Rehefa nanomboka nitanisa ireo tonony niady rima (na koa hoe ni-rap) ilay mpandefa mozika ho fanarahana feon-javamaneno efa noraisina feo mialoha ka nandeha tao ambadika, dia toy ny lasa adala ireo mpandihy. Tsy ela ny mozika rap dia nandao ny sehatry ny arabe sy ny toeram-pandihizana kely ka tafiditra ho anisan’ireo karaza-mozika neken’ny rehetra. Tsy ela dia nameno ny fandaharana tamin’ny radio sy ny televiziona tamin’ny karaza-mozikany mirefodrefotra ireo mpanao rap mampideradera anarana sahisahy ratsy toy ny mozikany ihany — Public Enemy, M. C. Hammer, Vanilla Ice.
Mahaliana fa rehefa nanontanian’ny mpanao gazetin’ny Mifohaza! iray hoe “Mihaino rap ve ny maro aminareo?” ny antokona tanora kristiana samihafa firazanana nonina tany ivelan’ny tanàna, dia mahagaga fa ny ankamaroan’izy ireo no nanao hoe ‘eny’! “Inona no itiavanareo ny rap?”, no fanontaniana nanaraka. “Ny fingadony”, hoy ny navalin’ny zatovovavy iray. “Misosa fotsiny ilay izy, sady mora henoina.” “Azo atao ny mandihy aminy”, hoy ny navalin’ny iray hafa. Ilay fanontaniana nanaraka anefa dia tsy nahazo valiny feno harisihana toy izany: “Moa ve ratsy ho an’ny Kristiana ny hira rap sasany?”
Taorian’ny fiatoana nahasaikatra, dia niaiky toy izao ny ankizivavy iray: “Misy tena maharikoriko mihitsy ny mozika rap sasany.” Nanaiky izany tsy fidiny ny hafa. Nanjary niharihary fa maro tamin’ireo tanora ireo no nahafantatra tsara hira tsy faniry be dia be — hira mampirisika ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fahavetavetana amin’ny alalan’ny teny maharikoriko azo alaina sary an-tsaina tsara. Ny sasany aza dia nitsotra fa ny maro amin’ireo hira ireo dia tsy misalasala mampiasa teny ratsy.
Eny tokoa, betsaka amin’ny hira rap no toa mandefa hafatra momba ny fikomiana, ny herisetra, ny hatezerana, ny fanavakavaham-bolon-koditra ary ny zava-bita eo amin’ny lahy sy ny vavy. I Daniel Caudeiron, mpampirisika ny rap sady prezidàn’ny Fikambanana Momba ny Mozikan’ireo Mainty Hoditra any Canada, dia midera ny rap satria hoe “tsy misy zavatra manorina ohatra azy io”. Miaiky koa anefa izy fa betsaka amin’ny hira rap no “misogyne [tsy tia vehivavy] , mifandray amin’ny lahy sy ny vavy foana ary feno ompa”. — Maclean’s, 12 Novambra 1990.
Ny fomba fiaina rap
Ekena aloha fa tsy ny mozika rap rehetra no feno fahalotoam-pitondran-tena na herisetra. Araka ny lahatsoratra iray tao amin’ny The New York Times, ny sasany aminy dia natokana ho an’ny zava-kendrena manorina toy ny fampianarana, ny fanakanana ny fampiasana zava-mahadomelina ary ny fanamaivanana ireo zava-manahirana ara-tsosialy. Kanefa ny tonon-kira tsy manimba toy izany dia azo inoana fa maningana fa tsy fitsipika ankapobeny. Nampiasa ny fomba fandahatra ireo sarimihetsika any Etazonia tamin’ireo kapila rap folo voalohany ny gazety Newsweek. Ny roa tamin’izy ireo monja no nomeny ny laharana G, izany hoe mety ho an’ny rehetra. Nomeny ny laharana R ny efatra tamin’izany kapila izany (natokana ho an’ny olon-dehibe ihany), ary ny roa taminy aza dia nomeny ny laharana X mihitsy, satria feno “teny tsy valahara” sy momba ny lahy sy ny vavy miharihary.
Ankoatra izany, dia mihoatra lavitra ny tonon-kirany ny hafatra alefan’ny rap. Niteraka revolisiona ara-kolontsaina ny rap. Zatovo an-tapitrisany maro no manao akanjo malalaka loatra aminy, kiraro adidas miakatra tsy mifatotra, pataloa jean mivareraka, rojo volamena, kasiketin’ireo mpilalao base-ball, ary solomaso mainty, ho fanarahana ny fomba fihaingo rap. Maro koa no manahaka ireo fihetsehana feno fisehosehoana ataon’ireo mpihira rap sy ny fihetsiny. Ary zendana ireo ray aman-dreny sy mpampianatra mahare teny toy ny hoe “O Hie” sy hoe “pov’ keum” — fitenim-boto eny amin’ny arabe ankalazaina ao amin’ny mozika rap — tafiditra ho anisan’ny fiteny andavanandro.
Ny rap dia tena mety hampiseho tsara ny fikomiana amin’ny tsy rariny. Kanefa, ny rap amin’ny ankapobeny dia fikomiana koa amin’ny fari-pitsipika araka an’Andriamanitra momba ny fitondran-tena sy ny fomba fiakanjo ary ny fomba fiteny. Ho tian’ny Kristiana iray ve ny hihaika ny loza ho voasintona hanaraka fomba fiaina mampisalasala toy izany, noho ny karaza-mozika tiany?
Mazava ho azy fa tsy ny mozika rap ihany no hany karaza-mozika lasa tafahoatra toy izany. Manao izao tatitra izao ny gazetiboky Time: “Saika misy maha-ratsy azy foana izay kolontsaina amerikana maoderina tiam-bahoaka rehetra. Ry Motley Crüe, kalazalahy amin’ny heavy metal, dia mahatonga hieritreritra momba ny satanisma, ary ry Beastie Boys dia mampiseho ny fanao ampiasaina amin’ny masturbation rehefa eo ambony sehatra.” Nilaza mialoha ny Baiboly fa “any am-parany any (...) ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky (...) dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina”. (2 Timoty 3:1, 13). Tokony ho gaga àry ve ianao raha betsaka amin’ny mozika amin’izao andro izao no mandefa hafatra ratsy ho an’ny tanora kristiana?
Noho izany, dia mety hanahy mafy ara-drariny ny ray aman-dreninao raha tia rap na karazana mozika rock hafa lasa tafahoatra ianao. Mety hatahotra izy ireo sao hanimba anao ny fifampikasohanao maharitra amin’ny mozika toy izany. Mety ho marim-pototra ve ny tahotr’izy ireo? Ny lahatsoratra manaraka dia hamaly izany fanontaniana izany.
[Sary, pejy 24]
Tanora maro no maka tahaka ny fomba fiakanjo sy ny fihetsik’ireo mpihira “rap”