FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/7 p. 10-12
  • Mpanara-maso ny Fahadiovana avy eny Amin’ny Lanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpanara-maso ny Fahadiovana avy eny Amin’ny Lanitra
  • Mifohaza!—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanaraha-maso ny fahadiovana
  • Fisafoana avy eny amin’ny lanitra
  • Maso matsilo sy fiaraha-miasa
  • Ny fiverenan’ilay condor
  • Vaotoro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Fizahana Vorona — Fialam-boly Mahavariana ho An’ny Rehetra Ve?
    Mifohaza!—1998
  • Voromahery sa papango?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/7 p. 10-12

Mpanara-maso ny Fahadiovana avy eny Amin’ny Lanitra

Raha anontaniana ny olona hoe vorona inona no tsy tiany hifanenana indrindra, dia maro no hamaly hoe ny voromahery.

Vitsy ny vorona nomena laza ratsy toy ny voromahery. Izy no ilay vorona voaozona, ilay sarin-javatra mampahatahotra mihodikondina eny ambonin’ireo maty sy ireo miala aina. Lazaina fa manambara fandatsahan-dra sy fahafoanana ary famoizam-po ny fisehoany. Kanefa ny tantara noforonina no mampiseho azy ho toy izany.

Izao kosa no tena izy: Olona maro no ravoravo mahita ny hakanton’ny voromahery eny am-pisidinana sy ny fomba anolokoloany amim-pitiavana ny zanany. Takatr’izy ireny koa ny anjara asa lehibe tontosain’ny voromahery eo amin’ny fifandraisan’ny zavamananaina sy ny tontolo iainany. Ho an’ny olona toy izany, dia mendrika ny hohajaina ary tena ilaina ny voromahery.

Ekena aloha fa manan-toetra ratsy sasantsasany ny voromahery, ankoatra ny fitiavany sakafo tsy dia manintona. Tsy hahazo ny loka voalohany amin’ny fifaninanana hatsaran-tarehy izy, ary fomba maro samihafa no nilazalazana ny antsoantsony: midridrodridro, mikoràka, mitrontrona, migoraraika ary mihisitra. Tena manana toetra tsara sasany maha-te ho tia koa anefa izy.

Vorona mandray ny maha-ray aman-dreny azy ho tena zava-dehibe ny voromahery. Isan-taona ilay “zanaka tokana” dia mahazo ny fiahiana tsy mizarazara avy amin’ny rainy sy ny reniny mandra-pahafahany manidina irery. Tena mila ny fikarakarana feno fangorahan’ny rainy sy ny reniny tokoa ilay zana-boromahery kely. Miteronterona tsy misy fiarovana, eny amin’ny toerana marina tsy takatra, mandritra ny volana maromaro, tokoa mantsy izy. Raha ny tena izy aza, ilay zanaka kelin’ny condor-n’ny Andes dia tsy maintsy fahanana mandritra ny enim-bolana vao ho afaka handao ny akaniny. Amin’izay ilay “zaza” dia efa saika nahatratra ny fitomboany feno.

Ary manao asa mahasoa amin’ny fomba miavaka koa ny voromahery. Na dia mitondra soa ho an’ny olombelona amin’ny fomba iray na hafa aza ny vorona maro, ny voromahery kosa dia manatontosa asa iray tsy manan-tsahala. Mpanara-maso ny fahadiovana avy eny amin’ny lanitra izy ireo.

Fanaraha-maso ny fahadiovana

Ny fanesorana fatim-biby dia tsy heverin’ny olona maro ho ny asa tiany hatao indrindra isan’andro, nefa asa tena lehibe izany. Ny fahadiovana araka ny tokony ho izy dia mitaky ny fanesorana haingana ireo faty, izay mety hitondra otrikaretina mampidi-doza ho an’ny olona sy ny biby.

Mendri-piderana ny voromahery raha ny amin’izany. Na dia ny hena voan’ny anthrax (avy amin’ny otrikaretina) na voapozin’ny botulinus (miteraka ny botilisma) aza dia bosesehany mandra-paha-tsy misy afa-tsy taolana sisa, kanefa tsy misy vokany aminy akory.

Ny voromahery sasany aza dia manam-pahaizana manokana amin’ny fihinanana taolana. Ny voromahery atao hoe gypaète barbu fahita any Eoropa sy Azia ary atsy Afrika dia mandatsaka taolana avy eny ambony ho eo amin’ny toerana iray misy vato. Rehefa vaky ireo taolana, dia mihinana ilay tsoka sy ireo potipoti-taolana ny gypaète.

Soa ihany fa tsy tahaka ireo mifanitsy aminy olombelona ireo mpisafo ny fahadiovana ireo, satria mbola tsy nitokona mihitsy. Raha avela tsy ho vita ny asan’ireo voromahery, dia ho zavatra mahazatra ny maso ny roranga feno fatim-biby mitondra aretina.

Kanefa aoka isika izao hanaraka andiam-boromahery iray amin’ny andro fiasana iray.

Fisafoana avy eny amin’ny lanitra

Tsy ela aorian’ny fiposahan’ny masoandro, dia lasa misidina eny amin’ny lanitra izy ireo, ka samy misahana faritra iray ny tsirairay. Mandritra ny andro, dia tsy vizana misafo ny lanitra io andiam-boromahery io mba hitady fatim-biby. Rehefa mahamarika fatim-biby iray ny iray aminy amin’ny farany, dia midina tampoka sy haingana eo aminy. Manintona ny sain’ireo voromahery hafa izany, ka mankeo amin’ilay fatim-biby haingana koa izy ireo. Vetivety foana dia vorona am-polony maro no tonga eo.

Alohan’ny hisakafoanany, dia mitsambikimbikina amim-pisalasalana manodidina ilay fatim-biby aloha ireo vorona. Mifanohitra amin’ny lazany, dia biby faran’izay saro-kenatra ny voromahery. Rehefa ela ny ela, dia manomboka mamiravira ilay fatim-biby ny iray aminy, ka izany no famantarana ho an’ny rehetra mba hanomboka ny sakafo. Misy fifamaliana be feno kotaba sy fifanosehana ary fifandroritana, mitovy be amin’ny mêlée amin’ny lalao rigby, amin’izany. Ireo izay noana indrindra, ka mitabataba be indrindra, no mazàna mahazo hanina voalohany. Raha fatim-biby be ilay izy, dia hisy sakafo ampy ho an’ny rehetra.

Ao anatin’ny minitra vitsy monja dia tapitra ilay sakafo ka taolana sisa no tavela, ary dia lasa misidina ho eny amin’ny lanitra ilay andiam-borona mba hanohy ny fikarohany. Tsy mora ny fiainan’ny voromahery. Mety hisy andro roa na telo handalo vao hahita hanina indray izy ireo.

Maso matsilo sy fiaraha-miasa

Mahatalanjona ny fitaovana ananan’ny voromahery mba hanaovana andrimaso avy eny amin’ny lanitra. Ireo elany goavam-be dia voavolavola tsara mba hihevahevany sy hiakarany eny amin’ny rivotra, ka mahatonga azy hanidina mandritra ny ora maro tsy mila mikopaka elatra firy akory. Kinga izy amin’ny fahaiza-manararaotra ny fiakaran’ireo rivotra mafana, izay manampy azy hihevaheva eny ambony eny, tsy miezaka firy. I Dean Amadon, manam-pahaizana amerikana malaza momba ny vorona, dia nilazalaza azy ho ny iray amin’ireo “fampisehoana fisidinana milaza heviny indrindra eo amin’ny natiora”.

Ny fanontaniana iray nanitikitika ny sain’ireo manam-pahaizana momba ny vorona hatramin’ny taona maro dia ny hoe: Ahoana no ahitan’ireo voromahery fatim-biby haingana aoka izany?

Izany dia hita fa noho ny fananany maso matsilo sy fiaraha-miasa. Notombanana fa ny voromahery iray mihodinkodina eny amin’ny 750 metatra avy eto amin’ny tany dia afaka mahita zavatra iray eto amin’ny tany, izay latsaka ny 13 santimetatra ny halavany. Kanefa, na dia ao aza izany fahitana maranitra izany, dia ho sarotra ho an’ny voromahery tokana ny mahita ny sakafony.

Noho izany, dia tena ilaina ny fiaraha-miasa. Voamarika fa misaraka ireo voromahery mba hisafo faritra samy hafa avy. Raha midina ho amin’ny fatim-biby iray ny voromahery iray, ny fidinany tampoka izay miavaka aoka izany no famantarana ho an’ireo vorona eo akaiky fa misy sakafo tsinjo ao, ary dia manidina ho any avy hatrany izy ireo. Ny fiovan’ny lalana arahin’izy ireo dia tazan’ireo vorona lavidavitra kokoa koa, ary dia manatona ilay toerana haingana koa ireo. Mahagaga aoka izany ny fandairan’io fomba fifandraisana toy ny telegrafy io, hany ka, ho an’ny mpitazana, dia toy ny tonga saika miaraka avokoa ireo vorona rehetra.

Mampalahelo fa tsy ampy mba hiantohana ny fiarovana ireo voromahery sy ny fahavelomany izany toetra mandaitra sy tsy azo lavina fa mahasoa izany.

Ny fiverenan’ilay condor

Na dia isaina ho anisan’ireo vorona mpihaza lehibe indrindra sady manaitra indrindra aza ny voromahery, dia mila ho lany tamingana any amin’ny faritra maro amin’ny tany. Tsy hita intsony eny amin’ireo roranga ny sakafony mahazatra, ary matetika ireo fatim-biby mba hitany dia voapoizina. Koa satria ela izy vao manatody, izany koa dia manasarotra ny fitomboan’ny isany izay mila ho fongana.

Na dia izany aza, dia ahitana vokatra tsara ihany ny ezaka atao ao anatin’ny toe-javatra sarotra. Ny fandaharana iray natao mba hampanatodizana ireo condors-n’i Kalifornia amin’ny fomba tsy voajanahary dia toa mahomby, ary antenaina fa hisy vorona hafa koa ho azo averina tsy ho ela any ivelany. Noho ireo ezaka ataon’ireo mpiaro ny tontolo iainana frantsay, dia tafaverina tany Massif Central, any Frantsa, ny voromahery fauve, taorian’ny taona maro tsy naha-teo azy.

Noho izany, ilay vorona izay nankahalain’ny olona aoka izany dia nanjary mariky ny ezaka ataon’ny olombelona mba hiarovana ireny karazany norahonany ireny. Tsy isalasalana fa ny fisidinana mendri-kajan’ny condor eo ambonin’ireo tendrombohitr’i Amerika Avaratra sy i Amerika Atsimo dia fahitan-javatra izay sarobidy loatra ka tsy tokony havela ho very maina.

Mandritra izany fotoana izany anefa, atsy Afrika sy any Azia, ireo voromahery dia mbola manohy manatontosa amim-panetren-tena ny asany tsy mahazo ny fankasitrahan’ny hafa, dia ny fanaraha-maso ny fahadiovana avy eny amin’ny lanitra.

[Efajoro, pejy 12]

Antontan’isa Momba ny Voromahery

NY VOROMAHERY dia isaina ho anisan’ireo vorona tsy fahita indrindra sy lehibe indrindra amin’ny tany. Ary mitana ny fetran’ny fisidinana avo indrindra koa izy.

Ny condor-n’i Kalifornia no iray amin’ireo karazany mila hanjavona indrindra amin’ny tany. Mba hiarovana io voromahery io tsy ho lany tamingana, dia misy ezaka mafy atao amin’ny alalan’ny fandaharana iray mba hampanatodizana ireo vorona roapolo mahery hazonina ka tsy avela handeha. Tamin’ny 1986, dia tsy nisy afa-tsy condors-n’i Kalifornia telo monja sisa no hita teny ivelany.

Ny condor-n’ny Andes, miaraka amin’ny marabout atsy Afrika, no manana ny elatra lava indrindra amin’ny vorona rehetra amin’ny tany: telo metatra mahery. Izy io koa no vorona mpihaza mavesatra indrindra, ka indraindray dia mahatratra 14 kilao mahery ny lanjany.

Mpanidina avo dia avo koa ny voromahery. Tamin’ny 1973, ny voromahery afrikanina iray (Gyps rueppellii) dia nifandona tamin’ny fiaramanidina iray izay nanidina teo ambonin’i Côte d’Ivoire, atsy Afrika Andrefana, tany amin’ny 11 300 metatra avy teto amin’ny tany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Photo: Courtesy of Madrid Zoo, Madrid, Spain

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara