FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Vaotoro”
  • Vaotoro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vaotoro
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpanara-maso ny Fahadiovana avy eny Amin’ny Lanitra
    Mifohaza!—1993
  • Hitsikitsika Mpihinan-trondro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Voromahery
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Rahama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Vaotoro”

VAOTORO

[Heb.: raham; rahamah], Vaotoro Mainty [heb.: ʽôzniyah].

Vorona lehibe mpihinana fatim-biby sy nofom-biby efa lo mety hiteraka aretina, ka tena ilaina any amin’ny tany mafana. Anisan’ny vorona ‘maloto’ izy io, hoy ny Lalàn’i Mosesy.​—Le 11:13, 18; De 14:12, 17.

Ilazana ny vaotoro ejipsianina (Neophron percnopterus), antsoina matetika hoe akohon’i Farao, ny hoe raham amin’ny teny arabo, izay iray fiaviana amin’ny teny hebreo. Fotsy izy io fa ny elany no mainty, ary mavo ny vavany sy tongony. Io no vaotoro kely indrindra any Palestina, satria 65 sm eo ho eo ny lavany. Tsy mahafinaritra mihitsy ny mijery ny tarehiny tsy misy volo sy miketronketrona, ny masobeny, ary ny vavany sy hohony mifaingoka. Izy, hono, no mpihinana fatim-biby voretra indrindra any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, satria mbola hohaniny ihany izay efa tsy tian’ny vaotoro hafa. Midika koa anefa izany fa izy no ilaina indrindra.

Tokotokony ho 1,2 m ny lavan’ny vaotoro mivolontsôkôlà somary mavo (Gyps fulvus), ary 2,7 m eo ho eo ny elany raha mivelatra. Io no famantarana an’i Nekhbet andriamanibavy ejipsianina. Misy ny sariny koa ny sainan’ny Ejipsianina, Asyrianina, ary Persianina.

Vorona lehibe mpihaza ny vaotoro misy volombava (Gypaetus barbatus). Tokotokony ho 1,2 m ny haavony, ary efa ho 3 m ny elany lava maranitra raha mivelatra. Mahafinaritra erỳ ny fanidiny. Mora aminy ny manidina manao faribolana sady mijery ambany mitady remby. Tsy hoatran’ny vaotoro hafa izy, fa misy volo ny lohany ary misy volombava kely toy ny an’ny osy izy. Taolana misy tsoka no tena tiany. Mba hahazoana tsoka àry, dia entiny manidina avo be ny taolana ary avy eo alatsany ka vaky.

ʽÔzniyah (heb.) no ilazana ny vaotoro mainty (Aegypius monachus), izay vorona mpiremby lehibe indrindra any Israely. Tsy tena mainty izy fa mivolontsôkôlà, ary sola toy ny ankamaroan’ny vaotoro. Manga ny hatony, ary mivelatra kokoa ny sisin’ny rambony.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara