Manontany ny Tanora Hoe...
Tokony Hifindra Monina any Amin’ny Tany Manankarena Kokoa ve Aho?
NANDAO an’i Trinité, tany niaviany i Tara, nandao an’i Jamaika i Sheila ary nandao an’i Suriname i Erick. Samy nifindra monina tany amin’ny firenena manankarena kokoa izy telo ireo. Nahoana?
“Izahay tanora any Trinité”, hoy i Tara manazava, “dia voataona be dia be amin’izay hitanay ao amin’ny gazetiboky sy ny televiziona. Mampalahelo fa izany dia manome anay fomba fijery mampanonofinofy ny amin’i Etazonia sy ireo tany manankarena hafa.”
Mitovitovy amin’izany ihany ny tantaran’i Sheila: “Tadidiko ny nilazana tamiko ny amin’izay hita ho fahafahana hahazo asa sy fianarana maimaim-poana.” Nanampy teny toy izao anefa izy: “Tsy fantatro ny antony tsy mba nilazan’ireo efa tany amin’ireny tany ireny ny lafy ratsin-javatra. Menatra angamba izy hiaiky fa tsy dia tsara araka ny nanampoizany azy ny tany.”
Na dia izany aza, dia mifindrafindra toerana ny olona. Nampiseho ny tatitra iray tao amin’ny Los Angeles Times fa nanomboka tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 1990 dia nitombo avo roa heny ny isan’ny olona nifindra monina tany amin’ny tany hafa ary ampoizina fa hitombo avo roa heny indray izany hatreo amin’ny taona 2000. Isan-taona dia misy olona mihoatra ny 700 000 mifindra monina any Etazonia. Mandray mpifindra monina mihoatra lavitra ny 50 000 isan-taona ny tsirairay amin’i Aostralia, i Canada sy i Côte d’Ivoire ary i Arabie Saoudite. Maro amin’izy ireny no mikatsaka fiainana mampanankarena kokoa.
Raha monina ao amin’ny firenena iray mahantra na eo an-dalam-pandrosoana ianao, dia mety hanontany tena koa raha hamirapiratra kokoa ny hoavinao any amin’ny tany iray manankarena kokoa. Fanapahan-kevitra lehibe izany. Ahoana no hahafahanao hisafidy amim-pahendrena?
Aza manapa-kevitra maimaika
Mino i Erick avy any Suriname fa tsy tokony hanao zavatra maimaika na oviana na oviana ianao fa tokony hanangona fanazavana betsaka araka izay azo atao aloha. “Na dia any Suriname aza”, hoy izy, “dia manana havana any amin’ny tany manankarena ny ankamaroan’ny fianakaviana ka tokony ho afaka hahazo fanazavana farany ianao ary hahalala ny fahamarinana ny amin’ny toetran’ny toe-karena maneran-tany.”
Alohan’ny hanapahanao hevitra dia tadidio izao: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” (Ohabolana 15:22). Koa miresaha amim-pahatsorana ny amin’ireo zavatra azonao isafidianana, amin’ny ray aman-dreninao sy ireo loholona kristiana ary ireo hafa manana fanandraman-javatra sy miahy ny aminao.
Aza mino izay rehetra renao
Rehefa mandre tatitra milaza ny lafy tsaran-javatra fotsiny momba ireo tany lavitra manankarena ianao, dia mety ho fahendrena ny hisian’ny fisalasalana kely. “Ny kely saina mino ny teny rehetra”, hoy ny ohabolana mampiseho fahendrena iray, “fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” — Ohabolana 14:15.
Hoy i Sheila izay nipetraka tany Jamaika: “Nanantitrantitra ny mpampianatra teny anglisy anay fa ny fifindrako monina tany Etazonia no ho ny zavatra tsara indrindra azoko natao. Nisy olon-dehibe sasany nilaza tamiko fa raha mankany Canada, Etazonia na Angletera aho, dia handray soa na inona na inona sampam-pianarana fidiko. Raha fintinina dia ho hadalana ny handavako fotsiny fahafahana miseho toy izany.”
Nanampy azy marina tokoa ve ny fifindrany tany Etazonia? “Tamin’ny lafiny maro dia nihatsara ny fiainako kanefa mba nanatsara ny fiainany koa ireo namako nijanona tany Jamaika. Mazàna dia manakalo zava-manahirana iray amin-java-manahirana iray hafa ianao. Tsy hampiova zavatra betsaka avy hatrany akory ny toerana hipetrahanao.”
Manaiky toy izao i Tara izay nifindra tany Etazonia avy tany Trinité: “Ny olona dia nampiseho ireo tany manankarena ho toy ny tanin’ny fahafahana handranto fianarana, hiasa sy hahazo vola betsaka kokoa ary hiaina amin’ny toe-piainana tsara kokoa. Ankehitriny anefa, dia maro amin’ireo nifindra monina lavitra no mahalala tsara fa miharatsy ny toe-piainana na aiza na aiza. Nody ny sasany.”
Diniho ny lafy tsarany sy lafy ratsiny
Mba hanaovana fanapahan-kevitra voalanjalanja, dia aza ireo tatitra mampiseho ny lafy tsaran’ny harena tondraka any amin’ny tany hafa fotsiny no dinihina. Diniho ny lafy tsarany sy lafy ratsiny izay tafiditra amin’ny fifindrana monina — ny lafiny ara-toe-karena, ara-tsosialy sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy.
Mety ho ratsy, ohatra, ny toe-karena eo amin’ny tany misy anao. Kanefa tsy misy fahafahana hahazo asa ve eo akaikin’ny fonenanao? “Any aminay”, hoy i Tara, “dia betsaka ny tsy an’asa, indrindra fa ireo tsy nahavita fianarana ambony.” Koa nifindra monina àry izy; nijanona teo an-toerana kosa ireo anadahiny. “Nanaraka fianarana momba ny fandrafetana fanaka sy famonosana seza ireo zandriko roa lahy. Miasa any amin’ny orinasa izy ireo izao ary mahazo asa maro atao ho an’olona manokana avy amin’ireo tia ny asan’izy ireo. Azo heverina fa mahomby kokoa izy ireo any an-tany niaviana, noho izaho atỳ amin’ny ‘tanin’ny fahafahana’.”
Raha mifindra monina ianao dia azo inoana fa hahatsiaro tena ho sanganehana be ihany noho ny fahasamihafan’ny fomba amam-panao, angamba aza hiatrika tena fanafihana an’ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena sarobidy aminao. Mendrika ny hisetrana loza toy izany ve ny fifindrana monina? Ary tsy izany ihany fa miely betsaka any amin’ny tany manankarena ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Amin’ny ahoana izany no mety hisy akony eo amin’ny fiainanao ara-panahy?
Fianarana avy amin’ny fahadisoan’i Esao
Mikasika ny fandinihana tsara ny lafy tsarany sy lafy ratsin’ny fanapahan-kevitra hatao, dia nanana zava-nanahirana lehibe i Esao tamin’ny andron’ny Baiboly. Imbetsaka izy no tsy naneho fiheverana tamim-pitandremana lafin-javatra tena lehibe — ny fiainany ara-panahy sy ny fianakaviany. Ho vokatr’izany dia niafara tamin’ny loza ny sasany tamin’ireo fanapahan-keviny lehibe indrindra.
Mampitandrina ny amin’ny “olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava” ny Baiboly. (Hebreo 12:16). Masina io fizokiana io. Namorona fahafahana ho an’ny fianakavian’i Esao Andriamanitra, dia ny ho anisan’ny taranaka hiavian’ny Mesia; ary izany no fototry ny famonjena ny taranak’olombelona manontolo. (Genesisy 22:18). Kanefa ‘nanamavo ny fizokiana i Esao’. Nivarotra izany tsy tamim-pihambahambana izy ho takalon’ny sakafo voanemba nalain-dro! (Genesisy 25:30-34). Ny fifandraisanao amin’ny Mpamorona anao no fanananao masina indrindra. Aza atakalo izy io ary aza atao tsinontsinona na ampisetrana loza noho ny tombontsoa ara-nofo. — Marka 12:30.
Tatỳ aoriana, rehefa nifindra avy tany amin’ny tany nahabe azy i Esao ho any an-tany hafa dia nanambady vehivavy hetita roa izy. Nety ho toa nahasoa izany fanambadiana izany noho ny antony sasany, kanefa tsy nitondra afa-tsy zava-nanahirana teo amin’ny ara-panahy izany satria tsy nanompo ny Andriamanitr’ireo ray aman-drenin’i Esao, dia i Isaka sy i Rebeka, ireo vehivavy ireo. ‘Nangidy tamin’ny fanahin’ireo’ ray aman-dreniny izy ireo. — Genesisy 26:34, 35.
Tsy mahalana ny anambadian’ireo tanora mba hahazoana fotsiny lalana hiditra ao amin’ny firenena manankarena. Voalaza fa any India, dia vady 4 000 isan-taona no mifindra any Etazonia ary mbola misy 10 000 eo ho eo, eo am-piandrasana ny hanaovany izany. Fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra anefa ny fanambadiana. Tsy natao ho zavatra tsinontsinona izy io, hampiasaina ho toy ny karatra hahazoana mifindra fonenana. Saintsaino koa ny amin’ny alahelo haterak’izany eo amin’i Jehovah sy ny mpianakavinao mahatoky raha manjary ‘miray zioga amin’ny tsy mino’ ianao. — 2 Korintiana 6:14.
Ataovy izay hahombiazan’ny fanapahan-kevitrao
Ny hatsaran’izay ataonao amin’ny fanapahan-kevitrao dia mety ho zava-dehibe kokoa noho ilay fanapahan-kevitra mihitsy. Na mijanona ao amin’izay misy anao ianao na manapa-kevitra ny hifindra monina, ny zava-dehibe dia ny hanaovanao izay hahombiazan’ilay fanapahan-kevitra.
Raha mijanona ianao: Aza manakiana ireo izay mifindra. Andraikiny manokana ny fanapahan-keviny. (Romana 14:4; Galatiana 6:4, 5). Mianara mankasitraka ireo zavatra kanto sy tombontsoa tsy manam-paharoa ananan’ny tany niavinao. Ampitomboy ny fitiavana ny olona ao ary ny fahatakarana ny fiheviny noho ireo adim-piainana sy zava-tsarotra setrainy.
Raha mifindra monina ianao: Farito amim-pahendrena izay omenao ny toerana voalohany satria hianatra fomba amam-panao vaovao ianao ary fiteny vaovao koa angamba. Aza maningo-tena amin’ny fiasana mandritra ny ora tafahoatra mba hahazoana fotsiny zavatra ara-nofo izay tsy nilainao mihitsy hatrizay. Raha tsy izany dia mety ho sahirana loatra ka tsy hanam-potoana ho an’ireo zavatra ara-panahy ianao.
“Tena zava-dehibe ny hananana asa eo amin’ny tontolo ankehitriny”, hoy ny fieken’i Sheila. “Mbola lehibe kokoa anefa ny fianakaviana sy ny namana ary ny raharaha ara-panahy. Rehefa tsy mahomby avokoa ny zavatra hafa rehetra, dia izy ireo no mandrisika antsika hatrany.” Manoro hevitra antsika amim-pahendrena ny Baiboly mba ‘tsy hampiasa [izao tontolo izao] amin’ny fomba feno, satria eo am-piovana ny sehatr’izao tontolo izao’. (1 Korintiana 7:31, NW ). Ireo izay mahomby marina tokoa dia mitana ny fiahiany ny amin’ny asa sy ny vola eo amin’ny toerana araka ny tokony ho izy — aoriana lavitra ny zavatra ilain’ny fianakaviana sy ny zava-kendrena ara-panahy.
Mifidiana amim-pitandremana namana vaovao. Hoy i Erick: “Mihazòna fifampikasohana amin’ny namana izay manana fomba fiaina mampandroso.”
Tadidio ireo zavatra tena ilainao
Tsy miova ireo zavatra tena ilaintsika mba hahasambatra. “Tsy mampaninona izay toerana onenantsika”, hoy ny fanamarihan’i Sheila, “mitovy hatrany ny zavatra takin’i Jehovah amintsika.” Inona avy izy ireo? Nofintinin’i Jesosy toy izao izany: “Sambatra izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy.” “Aza manahy” ny amin’ny hananana sakafo sy fitafiana ampy. Omeo ny toerana voalohany “ny fanjakany sy ny fahamarinany [ny an’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany rehetra izany”. Matio 5:3, NW; 6:31, 33.
Afaka manampy anao hahita fiainana tsaratsara kokoa any amin’ny tany na aiza na aiza ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipika ireo.
[Sary, pejy 14]
Mety ho toa manintona kokoa noho ny tena izy ireo tany manankarena