Manao ahoana ny fiheveranao ny hasarobidin’ny lovanao?
“Miezaha mitady fihavanana (...) ary mitandrema tsara (...) fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.” — HEBREO 12:14-16.
1, 2. a) Inona moa no atao hoe lova? b) Inona avy no fanontaniana mipetraka momba izay rehetra mety ho lova sarobidy?
NY SASANY namono olona mba hahazoana azy. Ny hafa maty talohan’ny nahafahana nandray soa tamin’izany. Tamin’ireo izay nahazo izany, dia nihoatra ny iray no nitora-bato azy. Inona izany? Lova. Toy izany tokoa matetika no fitrangan-javatra rehefa voakasika ny lova.
2 Ny Baiboly dia mampiasa in-229 ny teny hoe “lova”. Amin’ny ankapobeny io teny io dia manondro zavatra lovaina hita maso, momba ny tany na hafa. Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia miresaka koa ny amin’ny lova iray izay mihoatra lavitra noho izay rehetra mety ho azo amin’ny alalan’ny fifandimbiasana. Mety ho azonao anefa izany lova tsy manam-paharoa izany raha tsy hamavoinao. Inona izany? Avy amin’iza? Nahoana no namoy izany ny sasany? Ahoana no azontsika ampisehoana fa heverintsika ho sarobidy izany?
Ny lova
3. Inona moa no lovan’ny kristiana? Avy amin’iza izany?
3 Rehefa nanda ny hafatra famonjena ny Jiosy tany Antiokia, dia nitodika ho any amin’ireo “firenena”, ho any amin’ny tsy Jiosy ny apostoly Paoly. “Rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin’ny [nanana toe-tsaina nety mba hahazoana ny, MN ] fiainana mandrakizay dia nino.” (Asan’ny apostoly 13:45-48). Ny lova manintona ny saintsika àry dia ny fiainana mandrakizay. Ho an’ny sasany, izany fiainana izany dia mahaforona “lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona (...) any an-danitra”. Araka ny filazan’ny apostoly Petera, izany lova izany dia avy amin’Andriamanitra “Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika”. — I Petera 1:3, 4.
4. Inona moa no lova atolotra ny ankamaroan’olona?
4 Fa inona no holazaina ny amin’ny ankamaroan’olona tsy mamelona izany fanantenana ny ho any an-danitra izany? Ny lova atolotra azy ireny dia fahavelomana amin’ny fomba tonga lafatra ao anatin’ny “tany vaovao”, dia ny fitambaran’olona vaovao navotana tamin’ny alalan’ny soron’i Jesosy Kristy. Izany dia manokatra ho azy ireo fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny planeta iray voaova, voadio amin’ny fahalotoana rehetra (Apokalypsy 11:18; 21:3, 4; Jaona 17:3). Ho tianao ve ny hahazo lova toy izany? Raha efa miandry izany ianao, ankamaminao araka ny tena vidiny tokoa ve izany?
Ny fizokiana — ny anankiray nanao izany ho zava-dehibe, ny anankiray hafa tsy nanao toy izany
5, 6. a) Iza moa Esao sy Jakoba? b) Inona no nampiavaka ny lovan’izy ireo? Natao ho an’iza moa ny tapany lehibe indrindra tamin’io lova io tamin’ny voalohany?
5 Mba hahatakarana tsara kokoa ny maha-zava-dehibe ny hiheverana ny lovantsika araka ny fitandremana rehetra mendrika azy, dia aoka hojerentsika fohy ny amin’ny mpirahalahy roa. Ny anankiray tamin’izy ireo nanome vidiny ambony ny zava-tsarobidy ara-panahy. Nisy kosa anefa fotoana nitsaharan’ilay anankiray hafa tsy nihevitra izany ho sarobidy, ka izany dia hahatonga azy hamoy lova tsy hay tombanana. Ny tianay horesahina dia Jakoba sy Esao, zanakalahy kamban’Isaka, patriarika hebreo.
6 Maty Abrahama, raiben’ireo zazalahy ireo, rehefa 15 taona izy ireo. Ny lova navelany ho an’Isaka zanany dia andiam-biby fiompy maro sy ny saha nisy ny zohy nampiasaina ho fandevenana ho an’ny fianakaviana (Genesisy 25:5-10). Tsy fananana azo tsapain-tanana ny tena fototry ny lova. Izany kosa dia fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama ka naverimberiny tamin’Isaka taty aoriana, manao hoe: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra.” (Genesisy 22:18; 25:24-26; 26:2-5). Milaza izany fa indray andro any ny Mesia, ny ‘taranaka’ nampanantenaina voalaza ao amin’ny Genesisy 3:15 dia hipoitra ao amin’ny taranak’i Abrahama. Tamin’ny naha-lahimatoa azy, Esao dia hanana zo handova izany fampanantenana izany sy anjaran-droa amin’ny fananan-drainy rehefa ho faty io. Ahoana anefa no niheverany izany lova izany?
7. Tamin’ny ahoana no tsy nitovian’ny toetran’i Esao sy Jakoba (Genesisy 26:34, 35; 28:6-9)?
7 Arakaraka ny nitomboan’ireo kambana, dia niharihary ny toetran’izy ireo, ary nanjary tsy niafina ny tsy fitovian’izy ireo lehibe. Esao dia mpihaza nirehitra izay “mpianefitra”, fa Jakoba kosa “lehilahy tsara fanahy” na “tsy tia ady”. (Genesisy 25:27; Bible en français courant; Traduction du monde nouveau; Osty.) Indray andro raha nahandro voanemba i Jakoba, dia nody sasatra sy noana Esao. “Dia hoy Esao tamin’i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho.” — Genesisy 25:30.
8. Inona no varotra hafahafa nasain’i Jakoba nataon’ny rahalahiny? Nanao ahoana ny fandraisan’i Esao izany?
8 Tamin’izay Jakoba no nanolotra varotra nanan-tantara tamin’ny rahalahiny: “Amidio amiko ary aloha ny fizokianao”, hoy izy taminy (Genesisy 25:31). Tsapanao ve izany: Nangatahiny ho takalon’ny laoka kely ny fizokian’i Esao! Araka ny hevitrao, azo ampoizina tokoa ve fa hanaiky fanolorana toy izany Esao? Miharihary fa nino izany i Jakoba. Nahoana? Satria fantany tsara ny fironan’ny rahalahiny sy ny heviny ny amin’ny zava-tsarobidy. Hampiseho ny fahamarinan’ny fisainany koa ny zavatra hitranga. Tsy nihemotra teo anoloan’ny fanaovana laza masaka i Esao fa nihiaka hoe: “Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?” — Genesisy 25:32.
9. Tamin’ny ahoana moa ny fiheveran’i Esao ny amin’ny lova no nifanohitra tamin’ny an’i Jakoba?
9 Rehefa vita tombo-kase tamin’ny fianianana ny fifanarahana, dia nanome mofo sy laoka voanemba ho an’ny rahalahiny i Jakoba. Nihinana i Esao dia lasa. Manao izao fanazavana mavesa-danja izao ny fitantarana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Izany no nanamavoan’i Esao ny fizokiany.” (Genesisy 25:33, 34). Mifanohitra amin’izany, endrey ny fiheveran’i Jakoba ho sarobidy an’io zo io! Rehefa fotorana, dia tsy ny fananan’ny rainy loatra — saha, fasana sy biby fiompy vitsivitsy — no nanintona ny sainy. Niriny indrindra ny ho anisan’ilay Taranaka nampanantenaina, ny Mesia, ho anisan’ny taranany. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia nikatsaka ny lova ara-panahy izy. — Jereo Matio 6:31-33.
Hivarotra ny lovanao ve ianao?
10. a) Inona no fanamarihana mahaliana nataon’i Paoly momba an’i Esao? Inona moa no fifandraisana misy amin’ny fijangajangana sy ny nivarotan’i Esao ny fizokiany?
10 Tokony ho taonjato sivy ambin’ny folo atỳ aoriana, ny apostoly Paoly dia hanangana ny ohatra ny amin’i Esao ho fampitandremana ho an’ny kristiana voalohany. Izao no hosoratany: “Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra (...) ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; (...) fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.” Nahoana no ampiarahin’i Paoly amin’ny fijangajangana ny fitondrantenan’i Esao? Satria izay manana toe-tsaina sahala amin’ny an’i Esao dia hanjary tsy hiraharaha koa ny zavatra masina ka izany dia mety hitarika azy ho meloka hanao fahotana lehibe kokoa tahaka ny fijangajangana. — Hebreo 12:14-16.
11. Tamin’izao androntsika izao, inona no nitranga tamin’ny kristiana sasany?
11 Moa ve ianao indraindray voan’ny fakam-panahy hivarotra ny lova kristiana, dia ny fiainana mandrakizay ho takalon’ny zavatra mihelina toy ny voanemba iray lovia? Moa ve mety ho manamavo tsy nahy ny zavatra “masina” ianao? Tao anatin’izao fotoana faramparany izao, dia nisy kristiana sasany resin’ny fileferana loatra mampiavaka an’izao tontolo izao amin’ny andro ankehitriny. Sahala amin’i Esao, dia toa dodona ny hanome fahafaham-po ny fahalianana ara-batana izy ireo. Sahala amin’ny nolazain’i Esao tamin’i Jakoba hoe: “Anomezo ahy hohaniko [haingana, MN ] ny mena”, moa ve izy ireo tsy toy ny nanambara hoe: ‘Haingana! Inona no ilàna hiandry fanambadiana mendri-kaja?’ — Genesisy 25:30; Jereo Genesisy 34:1-4.
12. a) Ahoana moa no nanamavoan’ny sasany ny zavatra masina? b) Na dia tao aza izany, nanao ahoana ny fihetsiky ny sasany tamin’izy ireo taty aoriana?
12 Inona àry no nitranga tamin’izy ireo? Tsy maintsy nanome fahafaham-po ny filan’ny nofony teo amin’ny lahy sy ny vavy izy na ahoana na ahoana. Izany no ‘voanembany iray lovia’. Nohamavoiny tamin’izany ny zavatra masina, indrindra fa ny fifandraisana notanany tamin’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Nohitsakitsahiny ny toetra tsara toy ny tsy fivadihana, ny fahatokiana sy ny fahadiovana. Nanimba ny lovany izy ireo. Nibebaka tamim-pahatsorana anefa ny sasany tamin’izy ireny taty aoriana, ary asehon’ny zavatra rehetra fa nahazo indray ny fankasitrahan’Andriamanitra izy ireny. — Jereo Salamo 51.
Nahoana no lavo ny sasany?
13. Inona avy no anton-javatra mety handray anjara amin’ny fanimbana ny zava-tsarobidy ara-panahy ananantsika?
13 Avy aiza ny fironana ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena toy izany? Moa ve ireo izay maneho izany namela ny fahasalamany ara-panahy hihaosa? Marina fa anton-javatra maro no mety hitambesatra amim-pitaka amin’ny fomba fisainantsika: Ireo namana sy havantsika tsy manaraka fotopoto-pitsipika sahala amin’ny antsika, mpikambana osa ao amin’ny kongregasiona, rivo-piainana tsy manjary any am-piasana, fialam-boly na famakian-teny mampiahiahy, na koa fironana diso toerana hitady fitiavana sy firaiketam-pon’ny tsy mpino. Izany rehetra izany dia mety hitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena. Mety ho efa eo am-panimbana ny fomba fanombananao ny zava-tsarobidy ve ny anankiray amin’ireo anton-javatra ireo? — II Korintiana 6:14; II Tesaloniana 3:6.
14. Mety hitera-doza inona ny fampisehoana sasany amin’ny andro ankehitriny?
14 Ohatra, tratranao ve ny tenanao indraindray mijery ao amin’ny televiziona na any amin’ny trano fampisehoana, sarimihetsika mankasitraka na manala tsiny ny filalaovan-dratsy? Marina fa tokony hekena fa mahasodoka ny nofo ratsy ny fampisehoana toy izany. Izany dia sahala amin’ny ranomody izay misintona hidina ny mpilomano tsy maodimaody. Mety hisy heriny ankolaka eo amin’ny saintsika izany. Mba hiaikena ny amin’izany, dia ampy ny mieritreritra ny toerana lehibe tanan’ny lehilahy manambady lehilahy na vehivavy manambady vehivavy eo amin’ny fampisehoana. Izy ireo no nanohana ny fampitomboana sarimihetsika sy tantara fampiseho an-tsehatra natao hiheverana ho ara-dalàna ny fivadian’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Noho izany, izay noheverina taloha ho faharatsiam-pitondrantena, dia nanjary fomba fiaina tahaka ny hafa rehetra ho an’ny olona maro. Ny tarehin-javatra ankehitriny dia sahala amin’ny nolazalazain’ny apostoly Paoly fahiny tamin’izao teny izao: “Olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.” — Efesiana 4:19; I Korintiana 6:9-11.
15. Ahoana no azo andosirana ny fandriky ny fahalotoam-pitondrantena?
15 Inona no hatao ao anatin’ny toe-javatra manodidina toy izany? Tena ilaina ny hihatahana amin’izany “fanaranam-po amin’ny ratsy” izany. Manome antsika izao torohevitra izao ny Baiboly: “Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona hianareo (...). Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara.” Izany no tena fanalahidin’ny zava-manahirana: Mankahala ny ratsy tokoa. — I Petera 4:4; Amosa 5:14, 15.
16. Inona no fomba fifantenana nomen’i Paoly ho an’ny kristiana?
16 Raha manana ny sain’i Kristy isika, moa ve isika tsy tokony henjehin’ny eritreritra rehefa mijery herisetra fotsiny, habibiana toy ny aretina sy fahalotoam-pitondrantena mahatsiravina hita amin’ny ankamaroan’ny fampisehoana amin’izao andro izao! Inona no tokony ho fomba fifantenantsika? Izao no avalin’i Paoly: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.” — Filipiana 4:8.
17. a) Inona moa no atao hoe “pornographie”? b) Ahoana no nahatonga ny sasany handoto ny sainy? d) Amin’io lafiny io, inona kosa no fahendrena ny hanaovana azy?
17 Tsy azo lavina fa ahitana tombontsoa ny fiheverana an’io fananaran’ny apostoly io. Mampalahelo anefa fa ny sasany dia ‘nihevitra foana’ ny zavatra maloto ao amin’ny televiziona, ny sarimihetsika na ny haisoratra, hany ka nandoto ny sainy sy ny fony tamin’ny fanao ara-pitondrantena maloto sy ny fanovana ho ratsy ny amin’ny lahy sy ny vavy izy irenya. Ho tsara lavitra ny nanarahany izao torohevitry ny apostoly izao: “Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin’ny fahalalana [eo amin’ny lafiny ara-panahy]: raha ny amin’ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza.” — I Korintiana 14:20.
Ny fomba hampitomboana ny fankasitrahantsika
18. Inona no mety hiaro antsika sy hanampy antsika hihevitra ny zavatra masina ho sarobidy tokoa?
18 Ny zanaka izay mitana fifandraisana akaiky amin’ireo ray aman-dreniny dia hahatsiaro fa iharan’ny fitiavan’izy ireo sy hahatakatra tsara ny fotopoto-pitsipik’izy ireo. Noho izany, dia tsy ho azo inoana loatra fa hanjary handiso fanantenana ny fianakaviany izy indray andro any. Toy izany koa ny amin’ny fatorana mampiray antsika amin’Andriamanitra. Fa ahoana no azontsika anamafisana izany fatorana izany? Amin’ny fianarana hahafantatra an’i Jehovah ka hanjary hifankazatra aminy. Raha mandalina manokana ny Teniny isika, dia hanjary hahalala azy sy ho ampy fitiavana azy ka hahatohitra ny fakam-panahy rehetra. Sahala amin’i Davida araka ny voalazan’ny Salamo 23, dia ho tsapantsika fa momba antsika foana Jehovah Mpiandry antsika. Tsy ho hadalana ve ny hanao fahadisoana lehibe rehefa akaiky azy toy izany. — Hebreo 4:13.
19, 20. a) Inona moa ireo vato misakana roa amin’ny fianarana manokana? b) Nahoana moa no be dia be no mihevitra fa tsy manam-potoana hianarana izy ireo?
19 Mipetraka anefa ny zava-manahirana roa tena lehibe. Voalohany indrindra dia asa an-terivozona ho an’ny maro ny fianarana manokana. Noho ny tsy fahatsaran’ny fandaharam-panabeazana, dia olona be dia be no zara raha mahay mamaky teny. Amin’izy ireny, dia mitaky fiezahana ny fianarana. Eo amin’ny fiainana anefa dia tsy misy na inona na inona sarobidy azo tsy anaovana fiezahana. Moa ve tsy mendrika ny hokatsahina ny fahalalana an’i Jehovah, Mpanjaka Tompo eo amin’izao rehetra izao, Raintsika sady Andriamanitry ny fahasoavana? — Matio 6:9; Jakoba 4:8.
20 Ny vato misakana faharoa ny fianarana manokana dia eo amin’ny fisehoan-javatra saika mahazo ny maro: ny tsy fahampiam-potoana. Vao 30 na 40 taona lasa monja izay, dia mbola nanam-potoana niresahana, namakian-teny, nanoratana, niaraha-nitsangatsangana tamin’ny fianakaviana sy nisaintsainana ny olona. Hatramin’izay dia toa niharan’ny karazam-pihenana ny fotoana. Amin’ny tena izy dia matetika tsy toy ny 24 ora intsony ny indray andro. Nahoana? Satria nisy “mpangalatra” nitsofoka tao amin’ny tokantrano maro mba haka fotoana sarobidy. Tsy fantatrao io “mpangalatra” io. Izany dia ny televiziona izay manan-kery mampahalemy mahatahotra. Ny famotopotorana natao dia nampiseho fa “amin’ny ara-keviny, ny fianakaviana amerikana tsirairay avy dia mandany 7 ora 22 minitra isan’andro hijerena televiziona”. Efa ho ampahatelon’ny andro iray izany. Ary ianao, toy inona no fotoana atokanao isan’andro ho an’ny fampisehoana sary kely? Isan’andro eo amin’izao tontolo izao, dia manary ora iainana an-davitrisany maro ny olona tsy hanaovana na inona na inona eo anoloan’ny fandefasana sary. Marina fa ny zavatra alefa sasany dia tsara, mampiala voly na ahitana fianarana mihitsy aza. Na dia izany aza dia maka fotoana izany. Tsy azo lavina fa mahery dia mahery ny fanintonan’ny televiziona.
21. a) Inona no zava-manahirana angamba nosetrain’ny sasany? b) Araka ny hevitrao, inona no fanafodiny?
21 Ahoana no azon’ny kristiana iarovana ny fotoanany amin’io “mpangalatra” io? Ny hany fomba hahatongavana amin’izany dia ny famerana fandaharana hentitra. Fero ny fotoana atokanao amin’ny televiziona. Fantaro ny zavatra tokony homenao ny toerana voalohany. Ohatra, tokony homena toerana alohan’ny televiziona ny fifandraisana amin’ny olona. Sosotra ve ianao rehefa misy olona tonga tsy ampoizina ao an-tranonao mandritra ny fandefasana izay tianao? Sarotra aminao ve ny mamono ny televiziona na dia rehefa manorisory na tsy mahasoa aza ny fandaharana? Raha izany no izy dia azo antoka fa misy zavatra tsy mety ao. — I Korintiana 9:24-27.
22. Ahoana no azo anavotana ny fotoana lany hijerena televiziona mba hanokanana izany amin’ny asa hafa?
22 Inona no fandaharana azonao ampiharina mba hanavotana izany ora sarobidy izany hianarana ny Soratra masina sy hiheverana ny hafa? Fanteno ny fandaharana mety amin’ny kristiana, ary aza mijery izany raha tsy hoe tsy manan-javatra lehibe kokoa hatao angaha ianao. Nisy nifidy fandaharana mbola hentitra kokoa ihany: ‘Tsy hasiana tele intsony ao an-trano!’ Mazava ho azy fa fanapahan-kevitra manokana izany. Ny marina anefa dia hoe tsy nampahantra azy ireo tamin’ny lafiny ara-panahy ny tsy fisian’ny televiziona, tsy izany velively. — Efesiana 5:15, 16.
23, 24. Ahoana no azontsika ampisehoana fa mihevitra ny lovantsika ho sarobidy isika (Hebreo 11:26)?
23 Inona àry no azonao atao mba hiarovana ny lovanao ka tsy hanakalo izany na oviana na oviana amin’ny karazana ‘voanemba iray lovia’ rehetra. Fantaro tsara ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny kristiana iray. Lazao izay lehibe indrindra aminao ka mifikira amin’izany hatrany. Tano amim-pieritreretana tsara ny fahatapahan-kevitrao, mba hahazoana antoka fa hahazo ny fiainana mandrakizay, tahaka ny nataon’ny apostoly Paoly izay ‘niezaka hanatratra ny marika hahazoana ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony.’ Sahala amin’i Jakoba, dia hevero ho zava-dehibe ny lovanao. Sahala amin’i Mosesy, dia ‘jereo [foana, MN ] ny famalian-tsoa’. — Filipiana 1:9, 10; 3:13, 14; Hebreo 11:24-26.
24 Mba hahitana ny fahavononana ilaina, dia ianaro amim-paharisihana ny Baiboly. Miezaha mampihatra izany eo amin’ny fiainanao isan’andro. Manatreha tsy tapaka ireo fivoriana kristiana ary mihainoa tsara ao. Tiavo izay marina ary ankahalao izay ratsy. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia aza simbana mihitsy ny lovanao mba hanomezana fahafaham-po ny filan’ny nofo na dia mety ho toa hanery tokoa aza izany. Ny fiainana mandrakizay tokoa dia sarobidy noho izay rehetra mety ho ‘voanemba iray lovia’, na toy inona na toy inona mety ho endrik’izany! — Hebreo 10:24, 25; 12:12-16.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hoe “pornographie” (fitiavana zavatra maloto) dia lazalazain’ny Grand Larousse de la langue française toy izao: “Finiavana hanisy zavatra maloto amin’ny hairaha na haisoratra (...) Famoahan-javatra maloto amin’ny endriky ny boky, zavatra voasoratra, filazana, sary, fampisehoana, ets.” Io teny avy amin’ny teny grika hoe pornographos io taloha dia nanondro boky filazana momba ny fivarotan-tena.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa no lovan’ny kristiana?
◻ Ahoana no nampisehoan’i Esao fa tsy niraharaha ny fizokiany izy?
◻ Ahoana no mety hanimban’ny kristiana iray ny lovany amin’izao androntsika izao?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika ianarana hihevitra ho sarobidy kokoa ny lovantsika?
[Sary, pajy 29]
Hatakalonao ‘voanemba iray lovia’ ve ny lovanao?