Manana ny Valiny ve Ireny Fivavahana Ireny?
AMIN’NY raharaha mampisalasala momba ny maha-tsara na maha-ratsy ny fanalana zaza, dia mitady ny fitarihan’ireo filohany ara-pivavahana ny olona maro be. Ahoana no amalian’izy ireny izany?
Tsy miova amin’ny fanoherany ny fanalana zaza ny Eglizy Katolika, amin’ny fampianarana fa manomboka eo amin’ny fahatorontoronina ny fiainana. Misy pretra sasany miditra amin’ny raharaha politika, mangataka amin’ny papa mba hanonganana ireo mpanao politika katolika izay mandatsa-bato ho fanohanana ny fanalana zaza. Kanefa, Katolika maro be no momba ny fanalana zaza ka mangataka fahafahana.
Manao tatitra ny Fiangonana Presbyteriana (Etazonia) fa ny 46 isan-jaton’ireo pasitera “dia tsy mino fa melohin’ny Baiboly ny fanalana zaza”. Momba ny fanalana zaza amin’ny fomba ofisialy ny fiangonana.
Nanapa-kevitra ny Synoda Faobe faha-16 nataon’ny Fiangonana Tafatambatr’i Kristy fa ‘izy dia manohana ny zon’ny lehilahy sy ny vehivavy hampiasa fandrindram-piterahana mifanentana sy ho afaka hifidy ny fanalana zaza ara-dalàna’.
Ny foto-kevitry ny Fiangonana Loterana Evanjelika dia manambara fa ny fanalana zaza “dia tokony ho ny safidy farany atao rehefa tsy nety avokoa ny hafa”; kanefa laviny ny hiantso ny fanalana zaza hoe “fahotana” na hilaza fa “manomboka eo am-pahatorontoronina ny fiainana”.
Manohitra tanteraka ny fanalana zaza ny Fivoriana Batista Any Atsimo. Nefa manambara toy izao ny Fiangonana Batista Amerikana: “Mizarazara izahay raha ny amin’ny foto-kevitra arahin’ny fiangonana momba ny toeranay eo anoloan’ny fanalana zaza. Noho izany, dia ekenay ny fahalalahan’ny olona tsirairay hanohana ny foto-kevitra fidiny harahina momba ny fanalana zaza, izay manome taratry ny zavatra inoany.”
Ny Jodaisma dia voazarazara, ny sampany ortodoksa manohitra ny fanalana zaza amin’ny ankapobeny, kanefa amin’ny ankapobeny ireo Jiosy tia fanavaozana sy manohana ny fisian’ny fanovana sasantsasany dia tena momba ny fanalana zaza.
Mamela ny hanaovana fanalana zaza ny Fivavahana Miozilimanina na inona na inona antony, mandritra ny 40 andro voalohany amin’ny fiainana, fa tsy mamela izany kosa aorian’izay, afa-tsy raha hoe tandindomin-doza angaha ny ain’ilay reny. Milaza ny Hadith fa ny tsaika dia “amin’ny endriky ny voa mandritra ny 40 andro, avy eo dia vongan-dra mandritra ny vanim-potoana mitovy amin’izay, avy eo dia sombi-nofo mandritra ny vanim-potoana mitovy amin’izay, avy eo (...) dia alefa ilay anjely izay mitsoka ny fofonaina mahavelona ao aminy”.
Tsy manana hevitra ofisialy momba ny fanalana zaza ny Sintoisma ary mamela izany ho amin’ny safidin’ny tsirairay.
Amin’ny ankapobeny dia mampianatra ny hanajana ny aina ny Hindoa sy ny Bodista ary ny Sikhs. Nefa tsy miditra amin’ny ady hevitra momba ny fanalana zaza izy ireo, satria mino ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao hafa (réincarnation); mamindra ilay zaza mbola any am-bohoka ho ao amin’ny fiainana hafa iray fotsiny ny fanalana zaza.