“Fotoana Misy Vidiny” Tsinjaraina Kely dia Kely
VITSY ny ray aman-dreny manana fotoana ampy hatokana ho an’ny zanany amin’izao andro izao. Maro aminy no irery, ka milofo mba hamelomana ny zanany, tsy misy fanampian’ny vady. Ary noho ny fiharatsian’ny toe-piainana ara-toe-karena dia mihamaro ireo ray aman-dreny manambady mahita fa tsy maintsy samy miasa any ivelany izy ireo mba hahazoana ny vola zara raha ampy ho an’ny fianakaviana. Tsy mahagaga àry raha nandroso ny hevitra ny amin’ny hoe fotoana misy vidiny.
Araka ny ahatakarana azy amin’ny ankapobeny, ny fotoana misy vidiny mazàna dia mahafaoka fandaharana fotoana sasany hiarahana amin’ny zanaka, matetika amin’ny fieritreretana ny hanao zavatra iray voafaritra tsara — fivoahana manokana mankany amin’ny toerana fijerena karazam-biby, ohatra. Miharihary fa mendri-piderana ilay hevitra. Mila izay rehetra mety ho fiheverana manokana tokony homena azy ny zanaka. Kanefa, ilay hevitra eken’ny besinimaro momba ny fotoana misy vidiny dia mananana lafy ratsiny sasany izay manjary mihamiharihary amin’ireo manam-pahaizana amin’ny fitaizana ankizy.
Toa ray aman-dreny maro, be zavatra atao sy mifantoka amin’ny asany eo amin’ny fiainana, no nandray ilay hevitra mahafinaritra fa ampy hanomezana fahafaham-po ny zavatra rehetra ilain’ny ankizy avy amin’ny ray aman-dreniny ny fandaniana fotoana kely voalamina sady voafaritra tsara. Araka izany, ny Daily News any New York dia nanoratra toy izao tao amin’ny pejiny, ny tenin’i Dr. Lee Salk, profesora iray ao amin’ny Oniversite Fianarana Fitsaboana Cornell, any Etazonia: “Tsy misy dikany ny hevitra ny amin’ny fotoana misy vidiny.” Nanazava toy izao izy: “Noforonina noho ny fahatsapan’ny ray aman-dreny tena ho meloka ilay fitenenana. Manome lalana ny tenany handany fotoana kely kokoa ho an’ny zanany ny olona.”
Nefa moa ve ny fotoana misy vidiny, omban’ny fifantohana tanteraka amin’ilay zaza, tsy mahonitra ny tsy fahampiam-potoana eo amin’ny ray aman-dreny? Tsia, noho ny antony tsotra iray — amin’ny alalan’ny ohatra indrindra no ampianaran’ny ray aman-dreny ireo zanany amin’ny fomba mandaitra. Mampalahelo ny nanehoan’ny fandinihana iray natao vao haingana teo amin’ireo tanora mipetraka amin’ny faritanàna be mponina, ny lafiny tsy mahafinaritra amin’io fahamarinana miharihary io. Mety hanana fahafahana avo roa heny hiafara any an-tranomaizina ireo izay nanana ny mpianakaviny tany an-tranomaizina raha mbola teo am-pitomboana. Tahaka izany koa, ireo izay nobeazin’ny olona mpanaram-po amin’ny alkaola na ny zava-mahadomelina, dia azo inoana fa avo roa heny ny mety hianarany ireny fahazaran-dratsy mahafaty ireny.
Afaka ny ho tonga mandaitra tahaka izany koa anefa ny ohatra tsara omen’ny ray aman-dreny. Ny zava-manahirana dia hoe mitaky fotoana, vanim-potoana lava, ny fanomezana ohatra tsara, fa tsy fotoana misy vidiny voalamina tsara sady tsinjaraina kely dia kely. Araka ny nanambaran’ny Daily News any New York azy dia hoe: “Ny lesoka amin’ny hevitra hoe fotoana misy vidiny dia satria ireo fotoana tena lehibe misy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka — ny fifampiresahana sy ny fanapahan-kevitra izay manome tsy fananana ahiahy, toetra misy vidiny sy fahatsapan-tena ho mendrika — dia tonga ho azy.” Tsy azo ferana mialoha ny fotoana tonga ho azy. Mety hanokana fotoana misy vidiny fahefatr’adiny miaraka amin’ny zanany ny ray aman-dreny iray, nefa ahoana no ahafahana mahafantatra fa handeha tsara ny fifandraisan’izy ireo ao anatin’izany fotoana izany? Ary ahoana no hianaran’ilay zanaka amin’ny alalan’ny ohatra raha toa ka ireo monja no minitra laniny miaraka amin’ny ray aman-dreniny ao anatin’ny andro?
Koa satria tsy manam-potoana firy holanina ny ray aman-dreny, inona no fanafodiny? Tsy misy ny valiny tsotra. Ny zava-misy tsy azo ovana dia hoe nahatonga ny fitaizana zanaka ho tena andraikitra sarotra itỳ tontolo itỳ. Angamba ho afaka ny tsy hihevitra be loatra ny asany eo amin’ny fiainana ny ray aman-dreny sasantsasany. Ny mpanoratra ny boky iray nivoaka vao haingana momba ny fitaizana ankizy dia mampirisika izay ray aman-dreny rehetra afaka hanao izany — mba hijanona ao an-tokantrano miaraka amin’ny zanany. Ho an’ny ray aman-dreny maro anefa, dia tsy misy ny safidy toy izany. Ary na dia ireo manana ora fiasana azo amboarina araka ny toe-javatra aza na ireo izay tsy manana asa fidiram-bola, dia mbola mahita fa sarotra ny fandaniana fotoana ampy miaraka amin’ny zanany.
Mampirisika ny ray aman-dreny ny manam-pahaizana sasany mba hijery raha afaka miara-manao amin’ny zanany sasantsasany amin’ireo raharaha ao an-tokantrano izy ireo, toy ny fanadiovana, ny fahandroan-tsakafo, ny fikojakojana ny trano sy ny fiarakodia, ny fanasan-damba, ary ny fiantsenana. Ny fiarahana miasa, na dia amin’ny raharaha fanao mahazatra indrindra aza, na ny fiarahana miala voly fotsiny, dia mety hanolotra ho an’ny ray aman-dreny ny fotoana ilaina mba hitanana ny fifampiresahana hisokatra sy hanomezana ohatra manorina. Manana asa hafa izay hirin’izy ireo hatao eo anilan’ireo zanany, ny ray aman-dreny kristiana. Ny fivoriana kristiana, ny fanompoana, ny fianarana Baiboly ao amin’ny faritry ny fianakaviana, ny fiarahana amin’ireo namana mpino — ireo rehetra ireo dia manolotra fotoana tena lehibe mba hiarahan’ny ray aman-dreny amin’ny zanany.
Mahaliana fa nilaza hevitra mitovy amin’izany ny Lalàna nomena ny firenen’i Isiraely, 3 000 taona lasa izay. Izao no vakintsika ao amin’ny Deoteronomia 6:6, 7: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. Tsy voatery ho mora kokoa ny fiainana tamin’ny andro fahiny. Eritrereto ny fotoana takin’ny fikarakarana mba hahazoana izay ilaina isan’andro fotsiny — asa toy inona no ilaina hataon’ny ray iray mba hamelomana ny ankohonany, na asa mafy toy inona no tafiditra amin’ny fanaovana raharaha toy ny fahandroan-tsakafo sy ny fanasan-damba! Nefa nanao zavatra araka izay azony natao, teo anilan’ireo zanany, ireo ray aman-dreny tia an’i Jehovah ary nahita fotoana maro tao anatin’ny andro mba hampianarana ny Lalàn’Andriamanitra mba hidiran’izany tao amin’ireo fo tanora.
Mila manao toy izany ireo ray aman-dreny kristiana amin’izao andro izao. Rehefa ny fandaniana fotoana miaraka amin’ny zanaka no resahina dia tsy maintsy manohitra ny fanaovana fotsiny izay hita fa mora indrindra izy ireo. Ilay ohabolana tranainy hoe: “Tsy ny habetsahana fa ny hatsarana” dia tsy mihatra amin’ny fitaizana zanaka. Mandritra ireo taona voalohany eo amin’ny fiainana indrindra, dia tsy fotoana manokana fotsiny no ilain’ny ankizy fa fotoana “hiarahana” amin’ny ray aman-dreniny koa.
[Sary, pejy 31]
Fianakaviana be atao ao an-tokantrano, ampandraisina anjara ny ankizy
[Sary, pejy 31]
Fiarahana manompo an’i Jehovah