Any Amin’izay Anidinan’ny Ombivavy
TAMIN’NY 5 Janoary 1993 dia nanintona ny sain’izao tontolo izao ireo rivotra mahery nifofofofo nitsoka tany amin’ireo Nosy Shetland. Nipaoka ilay sambo mpitondra solitany atao hoe Braer, milanja 45 000 taonina sy mirefy 243 metatra izy ireo, ka nakapony tamin’ireo nosy be vatolampy eo amin’ny sisiny avaratr’i Ecosse ireo izy io. Tao anatin’ny herinandro dia novakin’ny rivotra sy ny onjan-dranomasina ho efatra ilay sambo goavambe.
Tsy zava-baovao amin’ireo mponin’ireo Nosy Shetland ireo tafio-drivotra mifofofofo. Ireo vondro-nosy mitokana eo amin’ny 100 eo ho eo, izay latsaka ny 20 no misy mponina, dia eo amin’ny toerana voalohany mba hitsena ny rivo-mahery mangatsiaka izay miantoraka tsy voasakana mamakivaky ny ranomasina avy any akaikin’i Islandy.
Tsy mahagaga raha nanjary zatra tamin’ny fahitan-javatra hafahafa ny mponina. Nilaza toy izao ny lehilahy iray, araka ny nosoratan’ny The Wall Street Journal: “Angamba tokony hasiana takela-by famantarana any Shetland milaza hoe: Mitandrema amin’ny ombivavy manidina.” Taona vitsivitsy lasa izay dia nisy tamin’ny olom-pantany nanana ny ombivaviny nanidina ara-bakiteny niala tamin’ny kijana firaofany. Ny mponina hafa iray, izay mpahay siansa, dia nanao tatitra fa nahita ny sakany ‘nanidina’ teny amin’ny rivotra, teo amin’ny 5 metatra teo — ka mazava ho azy fa nipetraka tamin’ny tany tamin’ny tongony foana ilay izy. Mazàna ireo mpamily fiara no manavesatra ny fiarany amin’ny fitaovana mafonja, toy ny arintany, mba tsy hialan’izy ireny amin’ny làlana. Nisy olona koa voainga avy tamin’ny tany, ny sasany aza maty mihitsy. Ny rivo-mahery iray tonga tampoka, izay namono vehivavy iray, dia voalaza fa nahatratra hafainganam-pandeha teo amin’ny 323 kilaometatra isan’ora teo — tsy tamin’ny fomba ofisialy no nilazana izany satria ilay fiasana ofisialy enti-mandrefy ny hafainganam-pandehan’ny rivotra dia lasan’io tafio-drivotra io ihany koa!