FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/1 p. 13-15
  • Ny SIDA — Mety Hiharan’io Loza Io ve Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny SIDA — Mety Hiharan’io Loza Io ve Aho?
  • Mifohaza!—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay aretina mamitaka
  • Mety hiharan’ilay loza ireo tanora
  • Afaka ny hitranga izany!
  • Ahoana no Ahafahako Misoroka ny SIDA?
    Mifohaza!—1994
  • Ny Fomba Iadiana Amin’ny SIDA
    Mifohaza!—1998
  • ‘Ny Areti-mifindra Mandripaka Indrindra Hatramin’izao’
    Mifohaza!—2002
  • Fandrosoana eo Amin’ny Ady Atao Amin’ny SIDA
    Mifohaza!—2004
Mifohaza!—1994
g94 8/1 p. 13-15

Manontany ny Tanora Hoe...

Ny SIDA — Mety Hiharan’io Loza Io ve Aho?

NILAZA ny gazetiboky Newsweek fa ‘ankona ny nanerana ny tany’ nahare ilay fanambarana. Tamin’ny 7 Novambra 1991, ilay atleta amerikana malaza antsoina hoe Earvin “Magic” Johnson dia nampahafantatra ireo mpanao gazety fa voan’ny virosin’ny SIDA ny tenany. Nanaraka io fiekena nanaitra io avy hatrany, dia tsy nitsahatra ireo antso an-telefaonina voarain’ireo birao manome fanazavana momba ny SIDA. Tototra fangatahana ny hanaovana fitsapana ny fisian’ny SIDA ny hopitaly sasany. Nampihena ny fitondran-tenany maloto mihitsy aza ny olona sasany — fara faharatsiny nandritra ny fotoana tsy naharitra.

Angamba ny fiantraikan’iny fanambarana iny lehibe indrindra dia teo amin’ireo tanora. Hoy ny talen’ny sampan-draharaha momba ny fahasalamana tao amin’ny oniversite iray: “Ireo mpianatra dia nandray am-po ilay hafatra fa hoe ‘raha nitranga taminy izany, dia mety hitranga amiko koa’ — vetivety ihany anefa. (...) Ho an’ny ankamaroan’ny mpianatra, izay nitranga tamin’i Magic Johnson dia tsy midika fa hoe hiova fitondran-tena izy ireo. Mbola mihevitra izy ireo fa afaka ny ‘tsy hizaka ny vokany’.”

Naminany ny Baiboly fa ny androntsika dia ho voamariky ny “areti-mandringana”, izany hoe areti-mifindra haingana. (Lioka 21:11). Azo antsoina hoe areti-mandringana tokoa ny SIDA. Nila valo taona — teo anelanelan’ny 1981 sy 1989 — vao hita ireo olona 100 000 voalohany voan’ny SIDA tany Etazonia. Kanefa tsy nila afa-tsy roa taona ireo olona 100 000 nanaraka dia fantatra!

Araka ny Foibe Amerikana Manara-maso ny Aretina, io antontan’isa mampalahelo io dia “manamafy fa mitombo haingana sy be dia be ny [SIDA] any Etazonia”. Ny SIDA anefa dia areti-mifindra hita maneran-tany, ka miteraka fahafatesana sy fahoriam-be manerana an’i Afrika, i Azia, i Eoropa, ary i Amerika Latina. Tena zava-dehibe rehefa miantso ny SIDA ho “ny zava-manahirana mahatahotra indrindra atrehin’ny tanora amin’ireo taona 1990”, ny Dr. Marvin Belzer, ao amin’ny Hopitaly ho An’ny Ankizy any Los Angeles.

Ilay aretina mamitaka

Inona marina moa io aretina hafahafa io, ary nahoana izy io no mahafaty aoka izany? Ireo dokotera dia mino fa miforona ny SIDA rehefa manafika ny fikorianan-dra ny zavatra bitika dia bitika iray — ny virosy iray antsoina hoe VIH (Virus d’Immunodéficience Humaine). Raha vantany vao ao ilay virosy dia mandray avy hatrany ny raharaha fitadiavana sy fandringanana ny sasany amin’ireo liofotsy ao amin’ny vatana, dia ireo sela T mpanampy. Ireo sela ireo dia manana anjara asa lehibe eo amin’ny fanampiana ny vatana hisakana ny aretina. Ny virosin’ny SIDA anefa dia mahatonga azy ireo ho tsy afa-miasa, ka mamono ny rafi-piarovana amin’ny aretina.

Mety hisy fotoana lava be handalo vao hahatsiaro ho marary ilay olona voan’ilay aretina. Ny sasany mety tsy hahitana soritr’aretina mandritra ny efa ho folo taona. Atỳ aoriana anefa dia mitombo ny soritr’aretina mitovy amin’ny famantarana ny gripa — fihenan’ny lanja sy ny fahazotoan-komana, fanaviana ary aretin-kibo mampivalana. Manohy mihena hery ny rafi-piarovana amin’ny aretina, hany ka mihamora voan’ny karazan’aretina maro be ilay marary — pnemonia, menenzita, raboka ary homamiadana sasany — aretina izay antsoina hoe mpanararaotra satria manararaotra ny fahafahana ateraky ny fihenan’ny fahatoheran’ilay marary azy izy ireo.

“Mahatsiaro fanaintainana tsy an-kijanona foana aho”, hoy ny olona iray 20 taona voan’ny SIDA. Nanokatra fery misy nana teo amin’ny tsinaibeny sy ny tsinaimbodiny ilay aretina. Ny SIDA efa masaka tanteraka anefa dia midika ho be lavitra noho ny fanorisorena sy ny fanaintainana; saiky ho an’izay rehetra voan’ilay aretina, dia midika ho fahafatesana izy io. Nanomboka tamin’ny 1981, ilay virosy dia efa niely tamin’ny olona maherin’ny iray tapitrisa any Etazonia fotsiny. Efa maherin’ny 160 000 no maty. Milaza ireo manam-pahaizana fa mandra-pahatongan’ny taona 1995, dia ho avo roa heny ny isan’ireo maty. Tsy misy fanafody mahasitrana ny SIDA fantatra aloha amin’izao fotoana izao.

Mety hiharan’ilay loza ireo tanora

Hatramin’izao, dia ampahany kely monja amin’ireo fantatra fa voan’ny SIDA — latsaka ny 1 isan-jato ny any Etazonia — no zatovo. Noho izany, dia mety tsy hahafantatra tanora maty noho io aretina io ny tenanao manokana. Izany anefa dia tsy midika fa tsy mety hiharan’ilay loza ny tanora! Eo amin’ny ampahadimin’ireo voan’ny SIDA rehetra any Etazonia eo ho eo no anelanelan’ny 20 sy 30 taona. Koa satria mila taona maromaro vao miseho ireo soritr’aretina, ny ankamaroan’ireo olona ireo dia tena azo inoana fa nahazo ilay aretina fony izy ireo mbola zatovo. Raha mitohy toy izao ny fironana, dia tanora an’arivony maro hafa no harary noho ny SIDA.

Araka ny Foibe Amerikana Manara-maso ny Aretina, ilay virosy mahafaty dia mamitsaka “ao amin’ny ra, ny tsirilahy ary ny ranoka avy amin’ny fivaviana, ao amin’ireo olona voan’ilay aretina”. Ny VIH àry dia mifindra amin’ny alalan’ny “firaisana amin’ny olona iray voan’ilay aretina — na amin’ny fampiasana ny maha-vavy izany na ny lava-pitombenana na ny vava”. Ny ankamaroany dia nahazo ilay aretina tamin’io fomba io. Ny SIDA dia afaka mifindra koa amin’ny “fampiasana na rehefa voatsindron’ny fitaovam-panindronana nampiasain’ny olona voan’ilay aretina na nampiasaina taminy”. Fanampin’izany, “ny olona sasany dia voan’ilay aretina tamin’ny alalan’ny fampidiran-dra” voaloton’ny VIH. — Voluntary HIV Counseling and Testing: Facts, Issues, and Answers.

Araka izany àry dia tanora maro no mety hiharan’io loza io. Mahatahotra ny isan’ny tanora (misy milaza fa mahatratra 60 isan-jato ny any Etazonia) efa nanandrana zava-mahadomelina. Koa satria atsindrona ny sasany amin’ireny zava-mahadomelina ireny, dia lehibe ny loza mety hahazoana ilay aretina amin’ny alalan’ny fitaovam-panindronana voaloto. Araka ny fandinihana iray natao tany Etazonia, ny 82 isan-jaton’ireo mpianatra ao amin’ny ambaratonga faharoa dia efa nampiasa zava-pisotro misy alkaola, ka ny 50 isan-jato eo ho eo no manao izany amin’izao fotoana izao. Tsy ho voan’ny SIDA avy amin’ny fisotroana labiera iray tavoahangy akory ianao, kanefa aorian’ny fisotroanao azy io, dia afaka manimba ny fahaizanao mitsara zavatra ilay izy ka manjary azo inoana kokoa ny hanarahanao ny fitondran-tena mampidi-doza indrindra amin’ny rehetra — fanaovana firaisana maloto, na eo amin’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy izany na eo amin’ny lahy sy ny vavy.

Tamin’ny 1970, dia latsaka ny 5 isan-jaton’ireo zazavavy 15 taona no efa nanao firaisana. Tamin’ny 1988, dia nitombo be ka nihoatra ny 25 isan-jato izany isa izany. Eo amin’ny faha-20 taonany, araka ny asehon’io fandinihana io koa, ny 75 isan-jaton’ireo vehivavy ary ny 86 isan-jaton’ireo lehilahy any Etazonia dia manao firaisana tsy tapaka. Ny antontan’isa mahatahotra hafa iray dia izao: Zatovo efa ho 1 ao anatin’ny 5 no efa nanao firaisana tamin’olona mihoatra ny efatra. Eny, mihamaro ireo tanora manao firaisana alohan’ny fanambadiana, ary mihatanora noho ny hatramin’izay izy ireo rehefa manomboka manao izany.

Manjombona tsy misy hafa amin’izany koa ny tarehin-javatra any amin’ny tany hafa. Any amin’ireo tany any Amerika Latina, ny telo ampahefatry ny zatovo dia efa nanao firaisana alohan’ny fanambadiana. Any amin’ireo tany afrikana, dia lehilahy maro no voalaza fa mifidy ny hanao firaisana amin’ny zatovovavy mba hoe hiarovan-tena amin’ny virosin’ny SIDA. Ny vokatr’izany? Firongatry ny SIDA eo amin’ny zatovovavy afrikana.

Ny fielezan’ny SIDA dia tsy nanampy firy mba hanapahana io fironana hanana fitondran-tena manimba io. Diniho ny tany iray any Amerika Latina. Ny 60 isan-jato maherin’ireo “tanora tsy manambady sy manao firaisana tsy tapaka dia tena mety hiharan’ny loza ho voan’ny virosin’ny SIDA”. Kanefa latsaka ny 10 isan-jato no mihevitra fa mety hiharan’izany loza izany ny tenany. Manao anakampo izy ireo hoe: ‘Tsy hitranga amiko izany.’ Kanefa io tany io dia manana “ny iray amin’ireo taha ambony indrindra amin’ireo voan’ny VIH any amin’ireo tanin’i Amerika”. — Foibe Amerikana Manara-maso ny Aretina.

Afaka ny hitranga izany!

Ny firongatry ny SIDA dia manamafy ny maha-marina ireo fampitandreman’ny Baiboly fa ‘ny faran’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy dia mangidy tahaka ny hazo mahafaty’. (Ohabolana 5:3-5; 7:21-23). Mazava ho azy fa miresaka voalohany indrindra momba ny fahavoazana ara-panahy sy ara-pihetseham-po ny Baiboly eto. Kanefa tsy tokony hahagaga antsika raha misy farany manimba ara-batana maro koa ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy.

Noho izany, dia tena ilaina ny hijeren’ny tanora ny tena zava-misy momba ny loza amin’ny mety hahavoan’ny SIDA sy ny aretina hafa mifindra avy amin’ny firaisana. Mety hahafaty ilay fihetsika afa-po amin’ny tena manao hoe ‘tsy afaka ny hitranga amiko’ raha izay SIDA. “Rehefa dimy ambin’ny folo, na enina ambin’ny folo, na fito ambin’ny folo, valo ambin’ny folo, sivy ambin’ny folo, na roapolo taona mihitsy aza ianao, dia tia ny mihevi-tena ho tsy mety resy”, hoy ny zatovolahy iray antsoina hoe David. Mifanohitra amin’izany anefa no porofoin’ny zava-misy. Voan’ny virosin’ny SIDA teo amin’ny faha-15 taonany i David.

Raha lazaina amin’ny teny tsy mihambahamba àry izany dia hoe: Raha mampiasa zava-mahadomelina ianao na manao firaisana alohan’ny fanambadiana, dia mety hiharan’ilay loza! Ahoana anefa ny amin’ireo filazana fa azo atao ny manao “firaisana tsy ahitana loza”? Misy fomba mijery ny zava-misy ve hiarovan-tena amin’io areti-mandringana io? Hiresaka momba ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra eo amin’ny pejy faha-28.

[Efajoro, pejy 15]

Aretina Hafa Mifindra avy Amin’ny Firaisana

Nameno ireo matoam-baovao ny SIDA. Mampitandrina toy izao anefa ny The Medical Post: ‘I Kanada dia eo afovoan’ny firongatry ny MST [aretina mifindra avy amin’ny firaisana] eo amin’ny zatovo.’ Tsy irery i Kanada raha ny amin’izany. “Isan-taona dia zatovo amerikana 2,5 tapitrisa no voan’ny MST iray”, hoy ny Foibe ho An’ny Safidin’ny Mponina miorina any Etazonia. “Io isa io dia mampiseho eo amin’ny iray isaky ny zatovo enina manao firaisana tsy tapaka ary iray isaky ny olona dimy voan’ny MST manerana ilay firenena.”

Ny tety, ohatra, izay noheverina ho efa teo an-dalam-panjavonana, dia niverina indray tato anatin’ireo taona faramparany, ka tanora betsaka lavitra noho ny hatramin’izay no efa voany. Ny angatra sy ny chlamydia (ny MST fahita indrindra any Etazonia) koa dia hita fa mahatohitra amin’ny fomba miavaka ireo ezaka atao mba hanafoanana azy ireo. Ary eo amin’ny zatovo no ahitana olona voan’ireo aretina ireo betsaka indrindra. Ny gazety The New York Times koa dia milaza fa misy “fitomboana miavaka” eo amin’ny isan’ny zatovo voan’ny condylome (aretina hafa iray mifindra avy amin’ny firaisana). Tanora an’arivony maro koa no voan’ny virosin’ny herpès. Araka ny Science News, “ny olona voan’ny herpès génital dia azo ampoizina kokoa ho voan’ny [VIH], izay miteraka ny SIDA”.

Hoy ny Foibe ho An’ny Safidin’ny Mponina: “Na dia ahitana MST betsaka kokoa noho ny eo amin’ny taona hafa rehetra aza eo amin’ny zatovo, dia izy ireo no tsy azo inoana indrindra fa hahazo fitsaboana. Rehefa tsy ampahafantarina na tsy tsaboina ireo MST dia miteraka fivontosana sy fahararian’ny maoja, fahamombana, fisian’ny zaza an-tsoson-koditra, ary homamiadana ao amin’ny vozon’ny tranonjaza.”

[Sary, pejy 14]

Na iza na iza mitsindrona zava-mahadomelina na manao firaisana maloto dia tena mety hiharan’ny loza ho voan’ny SIDA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara