Ny Vatikana Faharoa — Fitahiana sa Ozona?
NY TAONA 1962 tamin’izay tany Vatikana. Teo imason’ny eveka gaga iray, ny papa dia nanokatra varavarankely iray tao amin’ny lapany tao Vatikana. Nampiseho tamin’izany izay nantenainy avy tamin’ny Konsilin’ny Vatikana Faharoa (1962-1965) ny Papa Jean XXIII: ny fampidirana rivo-baovao tao amin’ny Eglizy Katolika, ny fanisiana aggiornamento, na fanaovana azy ho araka ny toetr’andro.
Fiovana inona avy no nampidirin’ilay konsily tao amin’ny eglizy? Mbola fanontaniana mipetraka ihany io, satria mbola anaovana ady hevitra be ny Vatikana Faharoa sy ny vokany na dia amin’izao fotoana izao aza.
‘Misy marina ao amin’ireo fivavahana hafa’
Nila fiovana — izay nanjary niharihary aoka izany — ny Papa Jean XXIII. Ireo teolojiana izay nomelohina ny heviny nitady fanavaozana, taona vitsivitsy talohan’izay, dia nasaina ho ao amin’ny Konsilin’ny Vatikana ho toy ny manam-pahaizana manokana. Ireo nanan-kaja ortodoksa sy protestanta koa dia nasaina ho toy ny mpandinika.
Io toerana notanana vaovao io dia nitarika ho amin’ny fiovana tanteraka teo amin’ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana hanana ny feon’ny fieritreretan’ny tena. Nandritra ny taonjato maro ny eglizy dia nanameloka mafy ireo hevitra ireo; i Grégoire XVI, papa tamin’ny taonjato faha-19, aza dia nilaza azy ireo ho “hadalana” mihitsy. Tamin’ny 1964 anefa, ny ankamaroan’ireo izay tao amin’ilay konsily dia nandray didy hitsivolana iray izay nanaiky fa ny olona tsirairay dia manana zo hifidy ny fivavahan’ny tenany. Nihoatra lavitra ny fahalalahana tsotra izao fotsiny izany fahalalahana izany, araka ny nohazavain’ny gazetiboky Notre Histoire toy izao: “Nanomboka tamin’io fotoana io, dia nekena fa tokony hahitana marina sasany ao amin’ireo fivavahana hafa.”
Taorian’ny Vatikana Faharoa, dia nanohy nitana io fihetsiny malala-tsaina kokoa eo anatrehan’ireo fivavahana hafa io ny eglizy. Mba hampisehoana izany, ny Papa Jean Paul II dia nandeha nitsidika imbetsaka an’i Hassan II, Mpanjakan’i Maroc, izay filoha ara-panahy silamo. Nitsidika fiangonana protestanta iray sy synagoga iray tany Roma koa izy. Katolika maro be no mahatadidy ilay fivoriana tany Assisi, any Italia, tamin’ny 1986, fony nanasa ny filohan’ireo fivavahana lehibe maneran-tany mba hivavaka teo anilany mba hisian’ny fandriampahalemana, ny Papa Jean Paul II.
Ny Vatikana Faharoa — Ozona ve?
Ho an’ny sasany, ilay “rivo-baovao” mamelombelona nantenain’ny Papa Jean XXIII dia toy ny rivo-mahery mamirifiry. Mba hanohanana ny fomba fiheviny, izy ireo dia nanonona ny lahateny malaza iray nataon’ny Papa Paul VI, ilay nandimby an’i Jean XXIII, ka nanambarany fa tafatsofoka tao amin’ny eglizy ny “setrok’i Satana”. Ny boky La Réception de Vatican II dia nanazava fa, tamin’io fanambarana io, i Paul VI dia “toa nampifamatotra ilay tosika napoitran’ilay konsily tamin’ny fizotran-javatra iray izay mifanipaka amin’ny tombontsoan’ny eglizy”.
Mpiangona maro no mitovy hevitra amin’izany. Ny fandinihana iray natao vao haingana dia nampiharihary fa efa ho ny antsasaky ny Katolika any Frantsa no mihevitra fa “lasa lavitra loatra ny eglizy tamin’ny fanerena ny hisian’ny fanavaozana”. Ireo mpanakiana ny Vatikana Faharoa dia miampanga ny eglizy ho tsy mifikitra amin’ny lovantsofiny fa ho mandoto tena kosa amin’ny fanao maoderina. Milaza izy ireo fa ny eglizy dia nanome ny fanohanany ho an’ireo fiovana izay nanozongozona ny fitambaran’olona tandrefana ka niteraka ilay zava-tsarotra tao amin’ny eglizy.
Ny Vatikana Faharoa — Fitahiana ve?
Ho an’ny hafa kosa, dia tsy ilay konsily akory no tokony hanehoana fisalasalana. Milaza izy ireo fa efa hita mazava talohan’ny Vatikana Faharoa ireo famantarana voalohany ny fahalemen’ny eglizy. Hoy ny nohamafisin’ny gazety La Croix mivoaka isan’andro any Frantsa: “Ny tsy fisian’ny fahatsapana fiantsoana ho pretra na tsy ho pretra any amin’ireo tany tandrefana dia tokony hampifandraisina amin’ilay zava-tsarotra ankapobeny eo anivon’ny fitambaran’olona sy amin’ny vokany eo amin’ireo mponina kristiana: Kristiana maro be loatra no namela ny tenany ho vonton’ny fomba fisaina sy fihevitry ny andro ankehitriny.”
Misy hafa koa mihevitra fa ireo fiovana natolotry ny Vatikana Faharoa dia tena faran’izay ilaina. Hoy ny nambaran’ny mpanao gazety hafa iray ao amin’ny La Croix: “Azo atao (...) ny manontany tena ny amin’izay ho niafaran’ny eglizy raha toa ka nanohy tsy nijery afa-tsy ny tenany ihany izy.” Farany, dia mpivaofy teny katolika maro samihafa no manazava fa ny eglizy dia fandaminana iray voaforona olombelona tsy tanteraka, fa nandia zava-tsarotra maro izy io tamin’ny lasa ary mbola handia itỳ zava-tsarotra itỳ koa. I Gilles, voatonona tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia nanao izao teny manaraka izao: “Rehefa nilaza zava-manahirana momba ny eglizy izahay, dia nolazaina fa teo afovoan’ny zava-tsarotra toy izay fahitan’ny zatovo ny eglizy ka ho tafita soa aman-tsara avy amin’izany.”
Na tompon’andraikitra ny amin’ny fiovana tsara na ny amin’ny fiovana ratsy ny Vatikana Faharoa, dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ireo Katolika, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 6]
Nitarika ho amin’ny fiovana sy ny fisafotofotoana ny Konsilin’ny Vatikana Faharoa
[Sary nahazoan-dalana]
UPI/Bettmann Newsphotos