Ny Eglizy — Fiovana sy Fisafotofotoana
“Ny sain’ny mpino maro dia voahelingelin’ireo fiovana ampiharina aminy.” — L’Histoire, Jolay/Aogositra 1987.
“Avelao ho tapaka ny fatorana iray (...) dia hafoin’ny eglizy tanteraka ny maha-araka ny saina mirindra azy. (...) Apetraho ao anaty tanana fa tsy eo amin’ny molotra ny mofo nohamasinina, dia ‘handrodana ny finoan’ny Frantsay maro ianao’.” — Voyage à l’intérieur de l’Église Catholique.
“Tamin’ny fanavaozana ny litorjia sy tamin’ny fampiasana ny fiteny eo an-toerana, dia toa namoy ny ankamaroan’ireo mpiangona tao aminy [izay] nifikitra tamin’ny lovantsofina sasany noheverina ho tsy azo nohozongozonina, ny eglizy. (...) Tampoka teo dia nanjavona ny fahatsapana andraikitra, ary voahozongozona ny finoana.” — Nord Eclair, 24-25 Aprily 1983.
IREO teny notononina eo ambony ireo dia mampiseho mazava ilay fisafotofotoana ao an-tsain’ny Katolika maro. Ny fanontaniana iray tsy mitsaha-miverina dia ny hoe: “Ny ray aman-dreninay sy ny raibe aman-drenibenay dia nanatrika Lamesa natao tamin’ny teny latina ary nivavaka tamin’ny fomba voafaritra iray. Nahoana no nanjary tsy azo ekena tampoka teo izany fomba fanaovan-javatra izany?”
Miteraka zava-manahirana koa ny fihetsika vaovao tanan’ny eglizy eo anatrehan’ireo fivavahana hafa. Manazava toy izao ny Le Monde, gazety frantsay mivoaka isan’andro: “Mpino maro no mahatsiaro tena ho voafitaka. Nilazana imbetsaka aoka izany izy ireo fa ny fivavahany no hany fivavahana marina, na fara faharatsiny ny tsara indrindra.” Marina fa Katolika maro be no mankasitraka ny hevitra momba ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo “rahalahy tafasaraka” taminy, na Ortodoksa izany na Protestanta. Io fitsimbadihan’ny fomba fihevitra eo anatrehan’ireo fivavahana hafa io anefa dia tsy takatry ny sain’ny maro izay nampianarina taloha fa ‘tsy misy famonjena ivelan’ny eglizy’. Io fihetsika vaovao tanan’ny eglizy io dia tompon’andraikitra indrindra amin’ny fisarahana misy eo amin’i Vatikana sy ireo mpihazona ny lovantsofina, izay naongan’ny Papa Jean Paul II tamin’ny 1988 ny filohany ara-panahy, dia ny arseveka Marcel Lefebvre nody mandry vao haingana.
Lavina ny fahefana
Ireo Katolika matetika dia maneho ny fahaverezan-keviny amin’ny fisalasalana momba ny fahefan’ny eglizy. Na dia ankasitrahana noho ny toerana tanany mitady ny hisian’ny rariny maneran-tany aza i Jean Paul II, dia Katolika maro no mandà tsy hanaraka ireo fitsipika ara-pitondran-tena ampirisihany mba harahina ao amin’ireo lahateniny ampahibemaso. Ampahany lehibe amin’ireo mpivady katolika, ohatra, no mampiasa fomba tsy mampiteraka izay melohin’ny eglizy. Ny hafa mampiasa ny fanalana zaza.
Anehoana fisalasalana amin’ny ambaratonga rehetra ny fahefan’ny eglizy. Ny nandraisan’ny papa sy ny filoha ara-pivavahana ambony hafa toerana voafaritra iray momba ny foto-kevitra iray dia tsy nahasakana ny lahika na ireo pretra ary na dia ireo eveka aza tsy hanohitra azy ireo. Manazava toy izao ny boky La Réception de Vatican II: “Araka io fomba fihevitra io, dia niitatra hatreo amin’ny fiainan’ny eglizy ilay tarehin-javatra napoitran’ilay konsily. Ny Eglizy Katolika Romana izao dia foibem-piadian-kevitra mafana tsy mitsahatra. Na dia ireo hevitra atolotry ny papa aza dia anaovana ady hevitra sy kianina matetika aoka izany. Mitombo ny isan’ireo Katolika Romana milaza fa tsy afaka manaiky ny fanambarana sasany ataon’ny papa — na ny tapany aminy na izy rehetra — ny tenany.”
Ny Katolika sasany dia nanaiky ireo fiovana noho ny fahatokiany eo anatrehan’ny eglizy ary manohy manaraka ireo fombafombany. Ny hafa mahatsiaro ho voahelingelin’ilay tarehin-javatra ary mianina amin’ny fiainana ho toy ny mpikambana ao amin’ny eglizy nefa tsy manaiky ireo hevitra rehetra ao. Araka ireo antontan’isa misy amin’izao fotoana izao, dia misy antokona Katolika anarana lehibe fahatelo izay tsy manohana ny eglizy intsony.
Tsy voafetra ho amin’ny Eglizy Katolika any Frantsa ihany ny fisafotofotoana ara-pivavahana. Any Pays-Bas koa, dia nitranga ny zava-manahirana, na ho an’ny Katolika izany na ho an’ny Protestanta, araka ny hohazavain’ny lahatsoratsika manaraka.
[Efajoro/Sary, pejy 9]
Misy Ady An-trano ve ao Amin’ny Eglizy Anglikanina?
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Angletera
FISEHOAN-JAVATRA tsy azo ampoizina ve izany? Tsia, araka ny The Sunday Times, gazety mivoaka any Londres. “Mivakivaky ny Eglizy Anglikanina”, hoy ny nambarany. “Miroso ho Amin’ny Ady An-trano ny Eglizy Voazarazara”. Inona no nitarika ny eglizy mafy orin’i Angletera ho amin’io toe-javatra mampalahelo io? Ny fanolorana ny fanamasinana vehivavy ho mpitondra fivavahana.
Tamin’ny fanapahan-kevitra nanan-tantara iray noraisina tamin’ny Novambra lasa teo, ny androatokon’ny synodan’ny Eglizy Anglikanina dia nifidy ny hanamasina vehivavy ho mpitondra fivavahana. Mpitondra fivavahana eo amin’ny 3 500 eo ho eo, izany hoe ny ampahatelon’ny tontalin’isan’izy ireo ao amin’ilay eglizy, no voalaza fa manohitra io fanapahan-kevitra io, ary ny sasany dia efa nandao ny eglizy, satria very hevitra. Ny hafa kosa, eo ambany fitarihan’ny evekan’i Londres teo aloha, dia sady maniry ny hihazona ny maha-anglikanina azy no mitady “fifandraisana amin’ny fahefan’ny papa”, any Roma.
Ny Arsevekan’i Canterbury no nitarika ny fihetsiketsehana ho fanohanana ilay fiovana. “Ny fanamasinana vehivavy ho mpitondra fivavahana”, hoy izy, “dia tsy manova na dia teny iray aza ao amin’ireo fanekem-pinoana, ao amin’ny Soratra Masina na ao amin’ny finoan’ny Eglizintsika”. Hoy ny teny nanampiny: “Raha ny marina aza, izany dia mety hanatsara ny maha-azo ekena ny eglizy eo imason’ny hafa rehetra eo amin’izao tontolo izao. Raha ny marina aza, dia mampihatra izay toriny izy rehefa miresaka momba ny fitoviana.”
Tsy mitovy hevitra amin’izany anefa ny rehetra. Ny lahika iray, izay niantso ny fanapahan-kevitr’ilay synoda ho “fivadiham-pinoana”, dia nandao avy hatrany ilay eglizy mba ho Katolika Romana, rehefa nampahafantarina ilay didim-pitsarana. “Tena nanaitra ilay fanapahan-kevitra hanamasina vehivavy ho mpitondra fivavahana. Manjaka ny fikorontanana ara-panahy. Tsy mahafantatra izay tokony hatao ny ankamaroan’ny olona”, hoy ny fitarainan’ny mpitondra fivavahana iray any Londres. Mandritra izany fotoana izany, na dia miarahaba amim-pitandremana ireo niala aza i Vatikana, dia mandray ilay fanapahan-kevitra ho toy ny “vato misakana vaovao sady lehibe ho an’ny fizotran’ilay fifampihavanana manontolo”.
Vehivavy tombanana ho 1 400 ny isany no miandry ny hohamasinina ho mpitondra fivavahana, kanefa mbola tsy maintsy lanìn’ny Parlemanta britanika aloha ilay fanapahan-kevitra, ary avy eo dia tsy maintsy mahazo ny Faneken’ny Mpanjakavavy. Mety haharitra roa taona izany rehetra izany. Hahaliana ny hahita izay ho toetran’ny Eglizy Anglikanina mandra-pahatongan’izay.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Camerique/H. Armstrong Roberts