FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/1 p. 10-11
  • Zava-tsarotra Ara-pivavahana any Pays-Bas

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zava-tsarotra Ara-pivavahana any Pays-Bas
  • Mifohaza!—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fialana amin’ny maha-pretra
  • “Vanim-potoana mamanala” ho an’ny Eglizy
  • Ny antony ialan’izy ireo amin’ny eglizy
  • Tsy hisy intsony ve ny Kristianisma?
  • Ny Eglizy — Fiovana sy Fisafotofotoana
    Mifohaza!—1994
  • Ny tena Fiangonana na Eglizy sy ny fanorenany
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Mifohaza!—1994
g94 8/1 p. 10-11

Zava-tsarotra Ara-pivavahana any Pays-Bas

Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Pays-Bas

“AZON’ILAY mompera farany atao ve ny mamono ny jiro?” Io vazivazy feno eso io dia nanjary fandre any amin’ireo monasitera any Pays-Bas. Izy io dia maminany ny amin’ny fotoana handaozan’ilay mompera na pretra farany ilay monasitera farany mbola niasa tao amin’io tany io, ka hamelany azy ho babangoana. Izy io koa dia mitaky ny hahazoany antoka fa tsy hamela ireo jiro hirehitra ao amin’ilay trano nilaozana izy! Mety hitranga tokoa ve ny zavatra toy izany? Mety hanjavona miaraka amin’ny andian’ondriny ve ny klerjy any Pays-Bas?

Fialana amin’ny maha-pretra

Raha ny amin’ny Eglizy Katolika, isan-taona dia mihena ny isan’ny klerjy. Teo anelanelan’ny 1968 sy ny 1978, dia nihena 27,2 isan-jato ny isan’ireo pretra tsy moanina, ary mbola mitohy ihany io fironana io. Fa nahoana? Ny antony iray naroso dia ny tsy fahazoana hanambady. Tamin’ny 1970, ny Konsily Nasionalin’ireo Pretra dia nanapa-kevitra fa “ny fandrarana tsy hanambady ho toy ny fepetra takina hanatanterahan’ny mpitondra fivavahana iray ny andraikiny dia tokony hofoanana”. Ireo eveka holandey dia nihevitra fa handray soa mihitsy aza ireo mpivavaka raha pretra manambady no manampy azy ireo. Ny Papa Paul VI anefa dia nanda mafy io hevitra io. Azo inoana fa izany dia iray amin’ireo antony nisian’ny pretra maherin’ny 2 000 niala tamin’ny naha-pretra azy nanaraka izay, teo am-piandohan’ny taona 1980, sy nihenan’ny isan’ireo niditra ho pretra.

Rehefa niresaka momba ny fihenan’ny isan’ny pretra any Pays-Bas ny Kardinaly Alfrink nody mandry vao haingana, dia nahatsiaro ny fotoana niarahany tamin’ny nonsy iray teo am-pitazanana seminera iray teo anoloan’ny tranon’ilay kardinaly, ka nanontanian’ilay nonsy tena tamin’ny feo avo hoe nahoana ireo eveka no hanakatona trano tsara tarehy toy ireo. Namaly ilay kardinaly hoe: “Miharihary fa tsy azonao ilay izy. Tsy nanakatona seminera akory ireo eveka, fa nanidy ireo varavarana fotsiny rehefa lasa ireo mpianatra.”

Tsy ny klerjy ihany fa ireo andian’ondriny koa no mandao ny eglizy any Pays-Bas. Ary tsy zava-baovao akory izany. Tamin’ny 1879, ny fanisana natao iray dia nampiseho fa latsaka ny 1 isan-jaton’ny mponina no tsy mpikambana ao amin’ny fiangonana iray. Tamin’ny 1920, dia efa ho 8 isan-jaton’ny mponina no nilaza fa tsy anisan’ny fivavahana iray. Tamin’ny 1930, dia niakatra ho 14,4 isan-jato io isa io. Tamin’ny 1982, dia nampanahy fa niakatra ho 42 isan-jato io isa io, ary ny fandinihana iray natao vao haingana kokoa dia nampiseho fa maherin’ny 51 isan-jaton’ireo Holandey no tsy anisan’ny fiangonana, na inona izany na inona.

“Vanim-potoana mamanala” ho an’ny Eglizy

Mbola mampitaintaina kokoa noho ny fihenan’ny isan’ny mpikambana ao amin’ny eglizy aza ny fihenan’ny isan’ireo tena mpikambana tonga miangona. Tamin’ny 1988, ny gazety De Telegraaf dia nisy matoam-baovao nanao hoe “Vanim-potoana Mamanala ao Amin’ny Eglizy”. Hoy ny nolazain’io gazety io: “Tsy misy gaga intsony rehefa arodana ny trano fiangonana iray. Mihamihena amin’ny fomba mampahatahotra ny isan’ny mpiangona. Marina izany, tsy ao amin’ny fivavahana katolika ihany, fa ao amin’ireo fiangonana nohavaozina sy kalvinista koa. Raha mitohy io fihatahana amin’ny fivavahana io, ao anatin’ny taranaka vitsivitsy monja, dia tsy hisy olona hiangona intsony.”

Nanohy ny teniny ilay gazety tamin’ny fanamarihana fa ny fikororosiana ao amin’ny fivavahana katolika romana no ratsy indrindra. Nilaza izy io fa tamin’ny 1965, dia teo amin’ny 60 isan-jaton’ireo Katolika holandey rehetra no mbola namonjy Lamesa. Tamin’ny 1975, dia nihena ho 28 isan-jato io isa io. Tao anatin’ireo taona faramparany, dia nidina ho latsaka ny 16 isan-jato izy io.

Ny fihenan’ny isan’ny mpiangona dia nisy vokany teo amin’ireo trano fiangonana, izay hidiana rehefa tsy arak’ireo mpiangona mihavitsy intsony ny fandaniana amin’ny fikojakojana sy fampandehanana azy ireo. Noho izany, dia trano fiangonana maro no narodana na namidy mba hanaovana zavatra hafa. Vitsy amin’izao andro izao no gaga rehefa miditra ao amin’ny trano fiangonana iray ka mahita fa ampiasaina ho tranom-bakoka, fanamboarana bisikilety, fanaovana fanatanjahan-tena, fanaovana rindran-kira, fivarotana voninkazo, trano fisakafoana na fonenana, ilay izy.

Tsy mahagaga àry raha tsy mahita afa-tsy hoavy manjombona ireo manam-pahefana ara-pivavahana. Rehefa avy nitsidika an’i Pays-Bas ny Papa Jean Paul II, dia hoy ny nolazain’ny eveka iray: “Nitsidika faty iray, na fara faharatsiny marary iray efa ho faty nefa mihevi-tena ho mbola velona, ny papa.”

Ny antony ialan’izy ireo amin’ny eglizy

Ny fihenan’ny isan’ny mpikambana ao amin’ny eglizy dia nohafainganin’ny anton-javatra vaovao sasantsasany. Anisan’izany ny fanjavonan’ny fanajana ny fahefana. Tsy vonona ny hanaiky zavatra iray intsony ny olona satria fotsiny hoe milaza aminy mba hanao izany ny manam-pahefana iray. Mifamatotra amin’izany ny fanantitranterana ny amin’ny fahalalahan’ny olona tsirairay. Amin’izao andro izao, ny olona dia maniry ny hanapa-kevitra samirery ny amin’izay hinoan’ny tenany sy izay hataony.

Ny anton-javatra roa hafa voalaza fa manan-kery dia ny fampahalalam-baovao sy ny fironana maoderina tsy hitoky amin’ireo fandaminana voaorina. Eo koa ny fahatsapana fa ireo fandaminana voaorina dia manaisotra ny fahalalahan’ny olona tsirairay sy ny maha-izy azy manokana. Ankoatra izany, na dia rehefa mbola tia fivavahana aza ny olona, ny toe-javatra misy azy dia mety hanosika azy ireo hiala amin’ny fiangonany. Ireo mpiangona mpihazona ny lovantsofina, ohatra, dia mety ho saikatra ao amin’ny fiangonana iray misy mpitondra fivavahana na pretra mpitady fiovana. Ireo mpiangona manana fisainana maoderina kosa dia tsy mahazo aina eo anivon’ny mpiangona tia mihazona ny fanao fahiny.

Eo amin’ireo Protestanta kosa, ny Fiangonana Kalvinista dia efa nalaza hatramin’ny ela be noho ny fifikirany amin’ny fari-pitondran-tena tranainy. Koa maro àry no taitra rehefa nampirisika ireo fiangonana teo an-toerana mba hanaiky hampandray fanasan’ny Tompo an’ireo lehilahy mpandry amin’ny lehilahy na vehivavy mpandry amin’ny vehivavy sy hanaiky azy ireo ho mpitandrina, ny Synoda Kalvinista any Pays-Bas tamin’ny 1979. Tamin’ny 1988, ny Synoda Eokiomenika Kalvinista iraisam-pirenena dia nangataka ireo Kalvinista any Pays-Bas mba handinika izany indray, kanefa dia nandefa teny ilay synoda fa tsy azo novana ny fanapahan-keviny. Tamin’ny 1989, ny synodan’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey dia nifidy koa ny hanohitra izay fepetra rehetra manasazy ireo lehilahy mpandry amin’ny lehilahy na ireo vehivavy mpandry amin’ny vehivavy. Hevero kely izay tsy maintsy ho tsapan’ireo Protestanta “tranainy” rehefa nanambara tao am-piangonana ny mpitandrina kalvinista iray, izay mpandry amin’ny lehilahy tahaka ny tenany, fa ny “fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy na ny vehivavy amin’ny vehivavy dia fanomezana avy amin’Andriamanitra; fa hoe tia ny loko mavokely koa Andriamanitra”!

Tsy hisy intsony ve ny Kristianisma?

Raha heverina ireo anton-javatra voalaza ireo sy ny maro hafa koa, mahagaga ve raha vahoaka sesehena no miala amin’ireo fiangonana any Pays-Bas sy any amin’ny tany maro hafa? Raha ny marina aza dia misy olona misaina tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra fa angamba tsy azo atao ny mahita ny Kristianisma marina, na aiza izany na aiza. Moa ve ho faty ny Kristianisma amin’ny farany?

Nilaza mialoha ny Baiboly fa hiharìtra ny fanohanan’ny olona ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary koa ireo fivavahana hafa, amin’izao androntsika izao. (Apokalypsy 16:12; 17:15). Hitan’izy io mialoha koa fa hisy handao ny fivavahan-diso, tsy noho ny tsy fahafaham-po na ny fahadisoam-panantenana fotsiny, fa noho ny zava-kendrena tsara iray. Hoy ny fampirisihan’ny faminanian’ny Baiboly: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy”. (Apokalypsy 18:4). Ilay hoe “aminy” resahina eto dia ilay vehivavy janga ara-pivavahana ara-panoharana, dia i “Babylona Lehibe”, izay mahafaoka ireo fivavahana rehetra eo amin’izao tontolo izao, anisan’izany ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ankehitriny. Ny hoe “oloko” dia ireo mpitady ny fahamarinana tso-po, izay miala amin’i Babylona Lehibe satria maniry hanompo an’Andriamanitra araka ny fomba nampianarin’i Jesosy. Nihataka lavitra be aoka izany tamin’ny Kristianisma marina ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, hany ka tsy maintsy miala aminy ny olona tso-po mba hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba azony ekena.

Ny Kristianisma marina dia velona sady miroborobo any Pays-Bas, ary koa manerana ny tany rehetra. Ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia tsy tanteraka aza, dia manaraka ireo fampianaran’i Kristy sy ireo zavatra nataony. Tsy manantena anao hanaiky izany fanambarana izany fotsiny akory izahay. Nahoana kosa ianao raha mandinika izay inoan’ny Vavolombelona araka izay lazain’ny Baiboly mba hanamarinan’ny tenanao izany. Ianaro avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny momba ny Kristianisma narahin’ireo apostolin’i Jesosy, izay mifanohitra amin’izay nampianarin’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sady narahiny hatramin’ny taonjato maro. Izany, araka ny nohazavain’ny apostoly Paoly, dia hitondra soa ho “amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy”. — 1 Timoty 4:8.

[Sary, pejy 10, 11]

Trano fiangonana maro any Eoropa ankehitriny no ampiasaina ho amin’ny zava-kendrena ivelan’ny fivavahana. Pejy 10: Fanamboarana fiarakodia simba any Pays-Bas. Pejy 11: Trano ho an’ny efa misotro ronono, trano fanaovana taozavatra, akanin-jazalahy, ary fiangonana nilaozana iray any Penygraig, any Pays de Galles

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara