Sekoly Vaovao Iray Atsy Afrika
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Nizeria
TAMIN’NY Jolay 1990, dia nisy taratasy iray novakina izay niteraka fahataitairana be teo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah mpiasa an-tsitrapo 400 mahery, izay mipetraka sy miasa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ao Igieduma, eto Nizeria. Ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, naorina tany Etazonia tamin’ny 1987, dia tonga atỳ Afrika, ary hatao ao Igieduma ireo kilasy voalohany!
Nandritra ireo volana nanaraka, dia niomana ho an’ilay kilasy voalohany ny fianakavian’ny Betela.a Nila toerana hilasiana ireo mpianatra sy mpampianatra. Tsy ampy ireo efitranom-bahiny efa nisy; efitrano 15 fanampiny no nilaina. Noho izany, dia nanomboka namadika ireo efitra fitahirizana entana ho efitrano fonenana tsara tarehy ireo Vavolombelona. Tafiditra tamin’izany ny fanisiana taila ny gorodona sy ny fandokoana ny rindrina ary ny fanantonana lambam-baravarana. Ny sampan-draharahan’ny fandrafetana dia nanamboatra sy nametraka fandriana sy fanaka fampirimana entana ary birao. Farany, dia nampidirana seza sy jiro ho famakian-teny, ary talantalam-boky izy ireo. Nofenoina zavatra vita an-tsoratra teokratika ireo talantalana.
Ambonin’izany, ilay efitra fanaovana fialam-boly dia novana ho efitra fianarana sy famakiam-boky ho an’ireo mpianatra. Ny iray tamin’ireo efitrano ho an’ny marary dia nanjary birao vonjimaika ho an’ireo mpampianatra ary nasiana birao sy latabatra ary fitaovam-birao hafa. Nandritra izany fotoana izany, rehefa nampahafantarina tany amin’ny fivoriamben’ny distrika sy ny fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana ilay tany ny vaovao ny amin’ilay sekoly ho avy, dia nisy taratasy fangatahana an-jatony maro tonga nanao rano lava avy tany amin’ireo ho mpianatra.
Rehefa tonga ny herinandro voalohany tamin’ny Febroary 1992, dia vonona avokoa ny zava-drehetra. Nisy mpampianatra roa, i Michael Purbrick sy i Peter Nicholls, tonga avy tany Angletera mba hampianatra ny kilasy voalohany. Ankoatra ireo mpianatra 22, dia nisy ho tonga mpampianatra telo koa tao, dia i Isaiah Mnwe, i Isaiah Olabode ary i Pius Oparaocha. Izy ireo dia Vavolombelona nizeriana izay nampiofanina mba hampianatra ireo kilasy manaraka.
Ny zava-kendren’ilay sekoly
Nanerana ny Betela dia nanjaka ny toe-po feno fanantenana sy fahataitairana. Fa nahoana? Noho ny vokatra mahasoa hoentin’ilay sekoly eo amin’ny asa fanaovana mpianatra eto Nizeria. Efa ela izay, dia nilaza mialoha i Jehovah fa hanolotra “fanomezana amin’ny endrika lehilahy” izy. (Salamo 68:18, NW ). Nanao izany izy tamin’ny andron’ireo apostoly, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly ao amin’ny Efesiana 4:8-11. Amin’izao andro izao koa i Jehovah dia manome fanomezana amin’ny endrika lehilahy. Ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana dia fandaharana feno fitiavana natao mba hanomanana ireny lehilahy ireny hiantsoroka andraikitra ara-pandaminana fanampiny.
Ao amin’io tany io, dia misy Vavolombelona maherin’ny 160 000 ao amin’ny kongregasiona maherin’ny 3 000. Ny sasany amin’ireo kongregasiona ireo dia tsy manana afa-tsy loholona iray na roa sy mpikarakara momba ny asa vitsy. Ny kongregasiona hafa dia manana faritany midadasika izay tsy itoriana loatra ny vaovao tsara. Noho izany, dia ilaina aoka izany ny hisian’ny lehilahy mahay, tsy hoe mba hitarika eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara fotsiny, fa mba hiandry ny andian’ondry sy hampianatra ao amin’ireo kongregasiona koa.
Ny tanjon’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana dia ny hampiofana rahalahy mba hisahana ireo andraikitra ireo. Rehefa avy nahazo ny diplaomany ny sasany amin’ireo mpianatra, dia manao ny asan’ny mpisava lalana manokana na ny asa fitetezana faritany, izay saham-panompoana ilana fanampiana aoka izany eto Nizeria. Ny hafa miverina any amin’ny kongregasiona nisy azy mba hanome fanampiana sy fampaherezana an’ireo rahalahy any an-toerana. Tena fitahiana tokoa ireny lehilahy mahay tsara ireny ho an’ireo kongregasiona anolorany ny fanampiany!
Fampiofanana tsy manam-paharoa
Na dia fitaran’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, izay mampiofana misionera ho amin’ny fanompoana any an-tany hafa, aza ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, dia tsy manam-paharoa ny fandaharam-pampianarany. Mandritra ny sekoly maharitra valo herinandro, dia mianatra fatratra ny Baiboly ireo mpianatra. Mandinika amim-pitandremana fampianarana ara-baiboly maro samy hafa izy ireo, anisan’izany ny torohevitra momba ny andraikitra ny amin’ny fiandrasana sy ny torolalana ho amin’ny fandaminana zava-manahirana eo amin’ny fiainan’ny Kristiana. Mianatra momba izay lazain’ny Soratra Masina ny amin’ny fitantanan-draharaha sy ny raharaha ara-pitsarana ary ara-pandaminana, koa izy ireo. Mahazo fampiofanana manokana momba ny fanaovana lahateny ampahibemaso izy ireo. Ary mahazo fiheverana manokana avy amin’ireo mpampianatra feno fiahiana, izay manampy azy eo amin’ny fitomboany ara-panahy, koa izy ireo.
Amin’ny fitambarany, ny mpianatra iray dia mahazo anjara 45 hasehony ao an-dakilasy, ary mandray soa avy amin’ny fampianarana an-dakilasy maharitra 256 ora. Fanampin’izany, dia mandany 140 ora hanaovana entimody, sy 14 ora hanaovana fanadinana, izy.
Na dia ny Baiboly aza no boky fianarana voalohany indrindra, ireo mpianatra dia angatahina mba hitondra ny azy manokana amin’ny boky 16 hafa, dia boky fianarana ny Baiboly navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Mandritra ilay sekoly, ireo mpianatra dia manao fikarohana lalina ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra hafa misy ao amin’ny efitra famakiam-bokin’ny Betela izay ampy fitaovana tsara koa. Mazava fa mila ny ho tia mamaky teny izy ireo.
Ankoatra ny fianarany, dia miasa mandritra ny 45 minitra isan’andro ao amin’ny iray amin’ireo sampan-draharaha valo ao amin’ny Betela, ireo mpianatra: fanadiovana, efitra fisakafoana, fikojakojana ny tokotany manodidina, fikarakarana efitrano, lakozia, fanasan-damba, fandefasana entana ary fitaterana entana amin’ny kamiao. Mifandimby asa izy ireo, amin’izay, rehefa mifarana ireo herinandro valo aharetan’ny fianarana, dia nahazo fanandraman-javatra tao amin’ireo sampan-draharaha rehetra ireo ny tsirairay avy aminy. Hoy ny nomarihin’ny mpianatra iray: “Ny niasako tao amin’ireo sampan-draharaha samihafa dia nahatonga ahy hahatakatra fa i Jehovah no miandraikitra ilay asa.” Hoy ny iray hafa: “Vonona ny hampianatra sy hanitsy amim-pitiavana ireo mpiandraikitra.” Ary izao ny tenin’ny iray hafa koa: “Ny asan’ny Betela dia zavatra tokony handraman’ny rehetra mba hahitany fa tsara ilay izy.”
Nanao ahoana ny fihetsik’ireo rahalahy teo anoloan’ny fampiofanana azony? Hoy ny iray taminy: “Ny tsara indrindra amin’ny sekoly rehetra [iny].” Nihiaka tamin-kafanam-po toy izao ny iray hafa: “Fandaharana faran’izay tsara re izany!” Feno fifaliana sy fankasitrahana ny fon’ireo mpianatra tao amin’ny kilasy voalohany ka nanoratra toy izao tao amin’ny taratasy iray izy ireo: “Ny fahatapahan-kevitray dia ny (...) hampifantoka ny fiainanay manontolo manodidina ny hafatra momba ny vaovao tsara.”
Teny avy eny amin’ny saha
Nandritra ny tapany voalohany tamin’ny 1992 sy 1993, dia natao ireo kilasy efatra voalohany tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana teto Nizeria. Tao amin’ny taratasim-pankasitrahana iray nosoratany ho an’ny Fitambara-mpitantana, dia hoy ny nosoratan’ireo mpianatra tao amin’ny kilasy faharoa: “Tena marina fa mbola tsy nanatrika sekoly tsara noho iny izahay. Tsara lavitra noho ny fandaharana any amin’ny oniversite ny lesona. Koa miombon-kevitra amin’i William Phelps àry izahay fa ‘ny fahalalana ny Baiboly tsy misy fianarana ambony dia sarobidy kokoa noho ny fianarana ambony tsy misy Baiboly’. Hitanay mazava tsara tamin’izany rehetra izany ny fiheveranareo amim-pahatsorana anay. Koa tapa-kevitra àry izahay ny hanao ny fanompoana manontolo andro ho ny asa fidinay hatao eo amin’ny fiainana.”
Nanao ahoana ny fandraisana ireo nahazo diplaoma tany amin’ireo asa vaovao nanendrena azy hataony? Nanoratra taratasy toy izao momba ny rahalahy roa nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasy voalohany izay mpisava lalana manokana, ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Ireo fivoriana izao dia manintona, mampahery, mahafinaritra, ary misy heviny. Mitombo ny asa atao eny amin’ny fitoriana (...) Feno fifaliana ny kongregasiona (...) Rehefa nanontany ny rahalahy sasany momba ny vokatra ateraky ny fisian’ireo mpisava lalana manokana ireo aho, dia namaly toy izao tamin-dranomasom-pifaliana ny mpiandraikitra prezidà: ‘Misaotra an’i Jehovah sy ny fandaminany izahay noho ny nandefasany mpanampy tsara sady mahay ho an’ny kongregasionanay.’ ”
Iza no mahafeno fepetra?
Ny fanatrehana ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, na tany aiza na tany aiza anaovana azy, dia tombontsoam-panompoana mahatalanjona, fitahiana mahatalanjona avy amin’i Jehovah. Tsy misy hiadian-kevitra fa io fampiofanana io dia manampy ireo mpianatra mba hanatsara ny toetrany amin’ny maha-lehilahy araka ny fanahy azy ary mahatonga azy ho vonona ny hampiasain’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa.
Mora takatra fa ambony ireo fepetra takina. Mba hamenoana ny fepetra takina ho amin’ilay sekoly, ireo manao fangatahana dia tsy maintsy ho efa loholona na mpikarakara momba ny asa tao amin’ny kongregasiona kristiana nandritra ny roa taona fara fahakeliny. Ireo manao ny asan’ny mpisava lalana maharitra no fidina voalohany. Tsy maintsy ho mpitovo ny rehetra ary eo anelanelan’ny 23 sy 50 taona. Tsy tokony ho nahazo fameperana ara-pitsarana na ho efa voaroaka tao anatin’ireo dimy taona farany izy ireo. Ireo manao fangatahana dia mila ny mahay mamaky sy manoratra ary miteny ny teny anglisy tsara, ary mila ny ho salama tsara ka tsy mila fikarakarana na fitandremana ara-tsakafo manokana.
Ireo izay manolo-tena ho amin’ilay sekoly dia miavaka fa tsy maintsy ho vonona sy ho afaka ary haniry hanompo an-tsitrapo any amin’izay rehetra mety hilana azy. Izany dia mitaky, tsy faniriana mafy hanao ny sitrapon’Andriamanitra ihany, fa ny toe-tsain’i Isaia koa, izay nanolotra ny tenany tamim-pahadodonana mba hanao asa manokana iray, ka nanao hoe: “Inty aho, iraho aho.” — Isaia 6:8.
Manana toe-tsaina mitovy amin’izany ve ianao? Afaka miezaka mba handroso ho amin’io tombontsoam-panompoana io ve ianao? Ireo izay nanao izany dia tsy manenina mihitsy. Hoy ny nosoratan’ny rahalahy iray nahazo diplaoma avy tamin’ilay sekoly ka mpiandraikitra ny fizaran-tany ankehitriny: “Amiko ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana dia fanomezana tsy manan-tsahala. Izy io no fara tampony amin’ny fiainako ara-panahy. Raha manana fahafahana hamerina ny fiainako aho, dia tsy hifidy fomba fiaina hafa na oviana na oviana.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Betela”, avy amin’ny teny hebreo hoe “tranon’Andriamanitra”, no anarana omena ny tranon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tsirairay.
[Sary, pejy 16, 17]
I Isaiah Mnwe sy i Pius Oparaocha, mpampianatra ao amin’ilay sekoly
Fampianarana ao an-dakilasy
Fiaraha-midinika ao an-dakilasy
Fanaovana fikarohana ao amin’ny trano famakiam-boky
[Sary, pejy 18]
Fiasana ao amin’ny Fanasan-damban’ny Betela sy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana