Nifindra Nankany Porto Rico Izy Ireo
TAMIN’NY 9 May 1993, ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny Espaniola, voaforona mpikambana 20, dia nifindra avy tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York, nankany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower vaovao any Guaynabo, any Porto Rico. Nahoana izy ireo no nifindra toerana? Hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Komitin’ny Fanoratan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Hitanay fa manao asa tsara kokoa ireo mpandika teny rehefa mipetraka any amin’izay itenenana isan’andro ilay fiteny anaovany fandikan-teny. Fanampin’izany, dia maharaka avy hatrany izay fiovana vaovao rehetra ao amin’izany fiteny izany izy ireo. Nofidina i Porto Rico satria toerana mety tsara iray ihaonan’ny tontolon’ireo miteny espaniola manontolo.”
Ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny Espaniola dia tany Brooklyn, any New York, hatramin’ny 1928, ary nanana anjara asa lehibe tamin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana, satria nanampy tamin’ny fanaovana izay hahazoan’ireo olona miteny espaniola 350 000 000 maneran-tany zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Ny Tilikambo Fiambenana dia nadika voalohany tamin’ny teny espaniola tamin’ny 1917. Amin’izao andro izao, dia gazety efa ho 3 500 000 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy gazety efa ho 3 000 000 amin’ny Mifohaza! no atao pirinty amin’ny teny espaniola isaky ny nomerao. Tato anatin’ireo taona faramparany, ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Espaina koa dia nanome fanampiana sarobidy ho an’io asa io, indrindra fa tamin’ny fandikana ny gazety Mifohaza! Misy Vavolombelon’i Jehovah miteny espaniola maherin’ny 1 100 000 maneran-tany, izany hoe eo amin’ny 25 isan-jaton’ny tontalin’isan’ny Vavolombelona maneran-tany. Tafiditra ao amin’io isa io ireo mpifindra monina manompo any amin’ny tany tsy miteny espaniola, toa an’i Aostralia, Alemaina, Soeda, ary Etazonia.
Misy tombony hafa iray ny fifindrana nankany amin’ireo birao lehibe kokoa sady vaovao kokoa any Porto Rico. Izany dia mamela ireo mpandika teny sy mpitsara avy amin’ny tany samy hafa, toa an’i Espaina, i Kolombia, i Meksika, i Porto Rico, ary i Venezoela, mba ho tafaray eo amin’ny toerana afovoany iray. Izany indray kosa dia mba hahafahana hanatsara bebe kokoa ny maha-iraisam-pirenena ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana amin’ny teny espaniola. Izany dia hanampy mba hampitana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny fomba mazava sy araka ny marina amin’ireo olona miteny espaniola manerana ny tany. Manantena ny fitahian’i Jehovah amin’io fivoarana vaovao io isika.