FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/4 p. 5-9
  • Ahoana no Ahafahantsika Miaro ny Zanatsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ahafahantsika Miaro ny Zanatsika?
  • Mifohaza!—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampianaro ny zanakao!
  • Ataovy feno ny fanazarana omenao
  • Malina tahaka ny bibilava
  • Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?
    Mifohaza!—2007
  • Fisorohana ao An-tokantrano
    Mifohaza!—1994
  • Ahoana no Hiresahana Amin’ny Zanaka Momba ny Firaisana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
Hijery Hafa
Mifohaza!—1994
g94 8/4 p. 5-9

Ahoana no Ahafahantsika Miaro ny Zanatsika?

“Aza miteniteny. Ho tsiambaratelontsika izany.”

“Tsy hisy hino anao eo.”

“Raha miteniteny ianao dia ho halan’ny ray aman-dreninao. Ho fantany fa anao ny fahadisoana.”

“Tsy te ho namako manokana intsony izany ianao?”

“Tsy tianao ny hidirako any am-ponja, sa ahoana?”

“Hovonoiko ho faty ny ray aman-dreninao raha miteniteny ianao.”

REHEFA avy nampiasa ankizy mba hanomezana fahafaham-po ny filany mampietry sy rehefa avy naka an-keriny tamin’izy ireny ny tsy fananany ahiahy sy ny fahatsapany ho tsy manan-tsiny ireo mpanimba ankizy, dia mbola maniry zavatra hafa avy amin’ireo niharam-pahavoazana noho ny nataony ihany — FANGINANA. Mba hiarovana izany fanginana izany, dia mampiasa fanomezana henatra sy fanafinafenana ary fampihorohoroana an-kitsirano mihitsy aza, izy ireo. Araka izany, dia nalaina an-keriny tamin’ireo ankizy ny fiadiany tsara indrindra amin’ny fametavetana, dia izao: ny faniriana hiteny sy hilaza hevitra tsy amim-pisalasalana ary hangataka fiarovana amin’olon-dehibe.

Mampalahelo fa matetika ny olon-dehibe no miara-miasa tsy nahy amin’ireo mpametaveta ankizy. Amin’ny ahoana? Amin’ny fandavana tsy hahafantatra an’io loza io, amin’ny fampirisihana fihetsika tia manafinafina momba azy io, amin’ny finoana tantara vala maty averina matetika. Ny tsy fahalalana sy ny fandraisana fanazavana diso ary ny fanginana dia manome fiarovana ho an’ireo mpametaveta fa tsy ireo niharam-pahavoazana noho ny nataony.

Ohatra, ny Zaikaben’ny Eveka Katolika tany Kanada dia nanatsoaka hevitra vao haingana fa “firaisana tsikombakomba hangina amin’ny ankapobeny” no nanome vahana ny fametavetana ankizy izaitsizy haharitra eo anivon’ny klerjy katolika hatramin’ny am-polo taonany maro. Ny gazetiboky Time, rehefa nitatitra ny amin’ny loza miely patrana momba ny fandriana amin’ny havana akaiky, dia nanonona koa ny “firaisana tsikombakomba hangina” ho antony iray izay “hany manampy amin’ny fampaharetana ilay loza” ao anatin’ny fianakaviana.

Ny gazetiboky Time anefa dia nanamarika fa io firaisana tsikombakomba io dia eo an-dalam-pirodanana fa ela ny ela. Nahoana? Raha lazaina fohy, dia noho ny fampianarana. Toy izao no nilazan’ny gazetiboky Asiaweek azy io: “Manaiky ny manam-pahaizana manokana rehetra fa ny fiarovana tsara indrindra amin’ny fametavetana ankizy dia ny fahalalan’ny rehetra.” Mba hiarovana ny zanany dia tsy maintsy mahafantatra tsara ny tena zava-misy momba ilay fandrahonana ny ray aman-dreny. Aza dia hajambain’ny fiheveran-diso izay miaro ny mpametaveta ankizy fa tsy ny ankizy. — Jereo ny tabilao etsy ambany.

Ampianaro ny zanakao!

I Solomona Mpanjaka hendry dia nilaza tamin’ny zanany fa ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fisainana mazava dia afaka miaro azy amin’ny “làlan-dratsy sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka”. (Ohabolana 2:10-12). Tsy izany indrindra ve no ilain’ny zanaka? Ilay taratasy mivalon’ny FBI hoe Child Molesters: A Behavioral Analysis dia milaza toy izao eo ambanin’ilay lohateny hoe “Ilay Iharam-pahavoazana Mety Indrindra”: “Ho an’ny ankamaroan’ny ankizy, ny amin’ny lahy sy ny vavy dia foto-dresaka fady izay tsy ananany fanazavana araka ny marina firy, indrindra moa fa avy amin’ny ray aman-dreniny.” Aza mamela ny zanakareo ho ny “iharam-pahavoazana mety indrindra”. Ampianaro ny amin’ny lahy sy ny vavy izy.a Ohatra, tsy misy ankizy tokony hahatratra ny fahamaotiana nefa tsy mahafantatra akory ny fomba hiovan’ny vatana mandritra io fotoana io. Ny tsy fahalalana dia hahatonga azy ireny ho very hevitra, ho menatra — ary ho mora voa.

Ny vehivavy iray hantsointsika hoe Janet dia novetavetaina fony mbola zaza, ary rehefa afaka taona maro tatỳ aoriana dia novetavetaina koa ny zanany naterany roa. Nahatsiaro toy izao izy: “Ny fomba nanabeazana anay dia tsy mba niresahana taminay mihitsy ny amin’ny lahy sy ny vavy. Koa dia nihalehibe aho, nanjary saikatra momba azy io. Nahamenatra ilay izy. Ary nony efa nanan-janaka aho, dia nitovy tamin’izany ihany. Afaka niresaka tamin’ny zanak’olona hafa aho fa tsy tamin’ny zanako. Heveriko fa tsy mahasoa izany satria mora voa ny ankizy raha tsy miresaka aminy momba izany zavatra izany ianao.”

Azo ampianarina aloha be ny fisorohana ny fametavetana. Rehefa mampianatra ny ankizy ny anaran’ireo faritra amin’ny vatana toy ny lalanjaza, ny nono, ny lava-body, sy ny filahiana, dia lazao aminy fa tsara ireo faritra ireo, miavaka izy ireo — nefa an’ny tena manokana. “ Tsy misy olon-kafa mahazo mikitikitika an’ireo — na dia i Neny sy i Dada aza — ary na dia ny dokotera aza raha tsy hoe eo angaha i Neny na i Dada, na nilaza ny iray tamin’izy ireo hoe tsy maninona.” b Araka ny tsara indrindra, dia tokony ho avy amin’ny ray sy ny reny na ny olon-dehibe mpitaiza ireo fanambarana ireo.

Ao amin’ilay boky hoe The Safe Child Book, dia manamarika i Sherryll Kraizer fa na dia tsy tokony hisalasala aza ireo ankizy tsy hiraharaha na hikiakiaka na handositra ny mpametaveta, dia ankizy maro be novetavetaina no manazava atỳ aoriana fa tsy tiany ny hiseho ho tsy mahalala fomba. Ny ankizy, araka izany, dia mila mahafantatra fa misy olon-dehibe manao zavatra ratsy, ary tsy hoe voatery hankato izay olona miteny aminy hanao zavatra ratsy izy na dia ankizy aza. Amin’ny fotoana toy izany, ny ankizy iray dia manana zo feno hilaza hoe tsia, toy ny nataon’i Daniela sy ireo namany tamin’ireo olon-dehibe babyloniana izay naniry ny hihinanan’izy ireo sakafo tsy nadio. — Daniela 1:4, 8; 3:16-18.

Ny fitaovam-pampianarana iray anoroana hevitra betsaka indrindra dia ilay lalao hoe “Ahoana raha (...)? ” Mety hanontany ianao, ohatra, hoe: “Ahoana raha asain’ny mpampianatra anao mamely ankizy hafa iray ianao? Inona no hataonao? ” Na: “Ahoana raha asain’(i Neny, na i Dada, na ny mpitondra fivavahana iray, na ny polisy iray) mitsambikina avy eny amin’ny trano avo be iray ianao? ” Mety tsy hifanentana na ho diso fotsiny ny valin-tenin’ilay zaza, nefa aza ahitsy amin’ny fomba henjana izy. Tsy voatery hisy famelezana na tetika mampitebiteby ilay lalao; raha ny marina, dia manoro hevitra ireo manam-pahaizana manokana fa tokony hatao amin’ny fomba mampiseho hatsaram-panahy sy fitiavana, ary mampihomehy mihitsy aza ilay izy.

Manaraka izany dia ampianaro ny ankizy handa amin’ny alalan’ny fihetsika ny fanehoana firaiketam-po tsy mety na mahatonga azy hahatsapa ho sakodiavatra. Manontania, ohatra, hoe: “Ahoana raha misy naman’i Neny sy i Dada mitady hanoroka anao amin’ny fomba mahatonga anao hahatsapa ho hafahafa? ” c Tsara indrindra matetika ny hampirisihana ilay zaza hampiseho ilay fihetsika hataony, amin’ny fanaovana ilay izy ho lalao hoe “Mody atao an’izany, hono”.

Amin’izany fomba izany ihany, ireo ankizy dia afaka mianatra manohitra tetika hafa fampiasan’ny mpametaveta. Ohatra, mety hanontany ianao hoe: “Ahoana raha misy olona miteny aminao hoe: ‘Ianao ange no tena tiako indrindra e. Tsy tianao ve ny mba ho namako? ’ ” Rehefa mianatra manohitra hafetsen-dratsy toy izany ilay zaza, dia miresaha misimisy kokoa. Mety hanontany ianao hoe: “Raha misy olona miteny aminao hoe: ‘ Tsy tianao ny hampahatezitra ahy e, sa ahoana? ’ Inona no holazainao? ” Asehoy an’ilay zaza ny fomba hilazana hoe tsia amin’ny alalan’ny teny sy ny fihetsika mazava sady hentitra. Tadidio fa ireo mpametaveta matetika dia mitsapa ny fihetsiky ny ankizy manoloana ny fitaomana an-kolaka. Koa tsy maintsy ampianarina ny ankizy iray mba hanohitra amin’ny fomba hentitra sy hiteny hoe: “Halazako ianao izao.”

Ataovy feno ny fanazarana omenao

Aza ferana ho resaka indray mandeha monja ny fanazarana toy izany. Mila famerimberenana betsaka ny ankizy. Ampiasao ny fahaizanao mitsara zavatra eo amin’ny famantarana hoe hatraiza no tokony hampahazava tsara an’ilay fanazarana. Aoka anefa hanao zavatra feno ianao.

Ataovy azo antoka, ohatra, fa ho voasakanao mialoha izay fanandramana ataon’ny mpametaveta iray hanao fifanarahana miafina. Tokony ho fantatry ny ankizy fa tsy mety na oviana na oviana ho an’ny olon-dehibe iray ny mangataka azy ireo hitana tsiambaratelo tsy ho fantatry ny ray na ny reny. Omeo antoka izy fa mety mandrakariva ny hitenenany — na dia nampanantena aza izy fa tsy hiteny. (Ampitahao amin’ny Nomery 30:13, 17.) Ny mpametaveta sasany dia mampitahotra an’ilay zaza raha mahafantatra fa tsy nankato fitsipiky ny fianakaviana sasany ilay zaza. “ Tsy halazako ianao raha tsy mandaza ahy”, hoy ny tiany hampitaina. Koa tokony ho fantatry ny ankizy fa tsy ho bedy mihitsy izy raha miteny — na dia ao anatin’izany toe-javatra izany aza. Tsy hampaninona ny miteny.

Tokony hahatohitra ny fandrahonana koa ny fanazarana omenao. Ny mpametaveta sasany dia namono biby madinika teo anatrehan’ny zaza iray ary nandrahona fa hataony toy izany koa ny ray aman-drenin’ilay zaza. Ny sasany nampitandrina an’ilay niharam-pahavoazana noho ny nataony fa hovetavetainy ny zandrin’io. Koa ampianaro ny ankizy fa tokony handaza mandrakariva ny mpametaveta iray izy, na dia natao hampitebiteby toy inona aza ireo fandrahonana.

Amin’io lafiny io dia mety ho fitaovam-pampianarana mahasoa ny Baiboly. Koa satria izy io manamafy amin’ny fomba velombelona ny hery tsitoha ananan’i Jehovah, dia afaka manamaivana ny fandrahonan’ny mpametaveta. Mila mahafantatra ny ankizy fa na toy inona na toy inona nanaovana ilay fandrahonana, dia hain’i Jehovah ny manampy ny olony. (Daniela 3:8-30). Na dia manisy ratsy an’ireo tian’i Jehovah ireo aza ny olona ratsy, dia afaka manafoana hatrany ny fahavoazana izy aorian’izany ary manatsara ny toe-draharaha indray. (Joba, toko 1, 2; 42:10-17; Isaia 65:17). Omeo antoka izy fa hitan’i Jehovah ny zava-drehetra, anisan’izany ny olona manao zavatra ratsy sy ny olona tsara manao izay rehetra azony atao hanoherana azy ireny. — Ampitahao amin’ny Hebreo 4:13.

Malina tahaka ny bibilava

Vitsy ihany ny olona mpandry amin’ankizy mampiasa herim-batana mba hanimbana ankizy iray. Amin’ny ankapobeny izy ireny dia tia kokoa ny minamana amin’ny ankizy aloha. Araka izany, dia mety ny torohevitr’i Jesosy mba ho “malina tahaka ny bibilava”. (Matio 10:16, DIEM ). Ny fanaraha-maso akaiky ataon’ny ray aman-dreny be fitiavana dia iray amin’ireo fiarovana tsara indrindra amin’ny fametavetana. Ny mpanimba ankizy sasany dia mitady ankizy mandeha irery eny amin’ny toerana natokana ho an’ny besinimaro eny, ary manomboka resaka mba hanairana ny fahalianan’ilay zaza hahafanta-javatra. (“ Tia bisikilety kely ve ianao? ” “Avia ianao raha hijery alika kely ao anaty aotomobiliko.” ). Marina fa tsy ho tafaraka amin’ny zanakao ianao amin’ny fotoana rehetra. Ary ny manam-pahaizana manokana momba ny fikarakarana ankizy dia miaiky fa mila fahafahana sasany ny ankizy mba hiriariavana tsy miaraka amin’ny ray aman-dreniny. Nefa ny ray aman-dreny hendry dia malina raha ny amin’ny fanomezana ho an’ny ankizy fahafahana be loatra, alohan’ny fotoana mety.

Ataovy azo antoka fa fantatrao tsara izay olon-dehibe na tanora efa zokiny akaiky ny zanakao, amin’ny fananana fahamalinana fanampiny rehefa manapa-kevitra hoe iza no tokony hikarakara ny zanakao rehefa tsy eo ianao. Maodimaodia amin’ny mpitaiza zaza mahatonga ny zanakao ho hafahafa na tsy hahazo aina. Toy izany koa, mitandrema amin’ireo zatovo izay toa manana fahalianana tafahoatra amin’ny zanakao mbola kely kokoa sady tsy manana namana mitovy taona aminy. Fotopotory tanteraka ireo akanin-jaza sy sekoly. Tetezo ny toeram-pampianarana manontolo ary adinadino ireo mpiasa ao, ka diniho amim-pitandremana ny fomba fifandraisan’izy ireo amin’ny ankizy. Anontanio raha manaiky izy ireo rehefa sendra tonga tampoka ianao mba hijery ny zanakao amin’ny fotoana tsy ampoizina; raha tsy azo atao izany, dia mitadiava any an-kafa. — Jereo ny Réveillez-vous! 8 Desambra 1987, pejy faha-3-11.

Ny fahamarinana mampalahelo anefa dia izao: Na dia ny ray aman-dreny tsara indrindra aza dia tsy afaka ny hahafehy ny zavatra rehetra mitranga amin’ireo zanany. — Mpitoriteny 9:11.

Raha miara-miasa ny ray sy ny reny, dia misy zavatra iray azon’izy ireo fehezina: ny faritry ny tokantrano. Ary satria ny tokantrano no tena itrangan’ny fametavetana ankizy indrindra, dia hiompana amin’izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Mifohaza! No. 3/1992, pejy faha-3-11, sy ny Réveillez-vous! 8 Jolay 1992, pejy faha-30.

b Mazava ho azy fa tsy maintsy mampandro na manolo ny akanjon’ireo ankizy mbola kely ny ray aman-dreny, ary amin’ny fotoana toy izany izy dia manasa ireo faritra manokana amin’ny tena. Nefa ampianaro aloha be hampandro ny tenany ny zanakao; misy manam-pahaizana manokana momba ny fikarakarana ankizy manoro hevitra fa mianatra manasa ny faritra manokana amin’ny tenany izy ireny eo amin’ny fahatelo taonany, raha azo atao.

c Mampitandrina ny manam-pahaizana manokana sasany fa raha manery ny zanakao hanoroka na hamihina izay olona rehetra mangataka izany fanehoana firaiketam-po izany ianao, dia mety hanimba an’io fanazarana azy io. Araka izany, ny ray aman-dreny sasany dia mampianatra ny zanany hanao fialan-tsiny mampiseho fahalalam-pomba na fanaovan-javatra hafa mahasolo an’izany rehefa misy fangatahana tsy irina atao amin’izy ireny.

[Efajoro, pejy 7]

Niantso Vonjy Izy

“MAMPITSAHATRA ny Fanafihana Ataon’ny Mpanimba Amin’ny Tanora ny Fiantsoana an’i Jehovah”, hoy ny nambaran’ny matoan-dahatsoratra iray tao amin’ny gazety amerikana The Arizona Republic, tamin’ny 5 May 1993. Ilay voalaza fa mpanimba ankizy dia nisintona zatovo iray 13 taona tamin’ny fanambanana basy, ka nitondra azy tany an-tranon’itỳ nahavanon-doza ihany. Rehefa niantsoantso ilay zatovo hoe “Jehovah ô, ampio aho! ” dia nipararetra ilay mpanimba ankizy ary namela an’ilay ankizilahy handeha madiodio. Nisambotra an’ilay lehilahy ny polisy tatỳ aoriana.

Na dia azo antoka aza fa mety ny hiantsoana ny anaran’i Jehovah amin’ny toe-javatra toy izany, dia tsy milaza akory izany fa ho afaka amin’ny fanafihana ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao “andro farany” sarotra izao. (2 Timoty 3:1-5, 13, NW ). Noho izany, ny ray aman-dreny kristiana dia tokony hanazatra ny zanany ho maodimaody amin’ireo olon-tsy fantatra rehetra, na toy inona na toy inona toa fahefana ananany.

[Sary, pejy 8]

Ampianaro ny ankizy hampiasa teny sy fihetsika mazava sady hentitra mba hanoherana ireo fitaomana tsy mety

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara