FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 65
  • Ahoana no Hiresahana Amin’ny Zanaka Momba ny Firaisana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hiresahana Amin’ny Zanaka Momba ny Firaisana?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?
    Mifohaza!—2007
  • Iresaho Momba ny Firaisana ny Zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ahoana no Ahafahantsika Miaro ny Zanatsika?
    Mifohaza!—1994
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 65

Ahoana no Hiresahana Amin’ny Zanaka Momba ny Firaisana?

Valiny ara-baiboly

Iza no tokony hanazava amin’ny ankizy momba ny firaisana? Milaza ny Baiboly fa andraikitry ny ray aman-dreny izany. Maro tamin’izy ireo no nahita fa tena nanampy azy ireto soso-kevitra ireto:

  • Aza menamenatra. Tsy miolakolaka ny Baiboly rehefa miresaka momba ny firaisana sy ny taovam-pananahana. Nilaza tamin’ny firenen’Israely koa Andriamanitra fa tokony hampianarina momba izany “ny ankizy madinika.” (Deoteronomia 31:12; Levitikosy 15:2, 16-19) Azonao atao ny mampiasa teny mihaja fa tsy teny mahamenatra mba hiresahana momba ny firaisana sy ny taovam-pananahana.

  • Ampianaro tsikelikely izy. Aza andrasana hoe efa tanora ny zanakao vao iresahana momba ny firaisana. Dieny mbola kely kosa izy dia iresaho momba izany, ary ampitomboy tsikelikely arakaraka ny taonany ny fanazavanao.—1 Korintianina 13:11.

  • Ampianaro azy ny fitsipika momba ny fitondran-tena. Mety hianatra momba ny firaisana ny ankizy any am-pianarana. Ampirisihin’ny Baiboly anefa ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany ny mombamomba ny taovam-pananahana, sy ny tokony ho fiheverana ny firaisana, ary ny hoe iza ihany no mahazo manao firaisana.—Ohabolana 5:1-23.

  • Henoy ny zanakao. Aza misendaotra na maimaika hitsara ny zanakao, raha manontany momba ny firaisana izy. Aoka kosa ianao “ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.

Ahoana no hiarovanao ny zanakao amin’ny mpametaveta?

Ampianaro ny zanakao mba hahay hanohitra raha misy mitady hametaveta izy

  • Fantaro ny zava-misy. Fantaro ny paikadin’ny mpametaveta ankizy.—Ohabolana 18:15; jereo ny toko 32 ao amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany.

  • Araho maso ny fiainan’ny zanakao. Aza “avela hanaram-po” ny zanakao, ary ataovy azo antoka hoe mendri-pitokisana ny olona anankinanao azy.—Ohabolana 29:15.

  • Ampio izy mba hahay handanjalanja rehefa mankatò. Mila ampianarina hankatò ray aman-dreny ny ankizy. (Kolosianina 3:20) Ho mora amin’ny olona anefa ny hametaveta ny zanakao raha asainao mankatò foana ny olon-dehibe rehetra izy. Afaka miteny amin’ny zanany ny ray aman-dreny hoe: “Aza manaiky raha misy miteny aminao mba hanao zavatra tsy tian’Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 5:29.

  • Manaova fanazaran-tena tsotra. Ampianaro ny zanakao hoe inona no tokony hataony raha misy olona mitady hanararaotra azy rehefa tsy eo ianao. Manaova fanazaran-tena fohy mba ho sahy hiteny izy hoe: “Mipetraha tsara! Halazako ianao!”, ary avy eo mandositra haingana. Mila averinao matetika izany satria mora manadino ny ankizy.—Deoteronomia 6:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara