FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/4 p. 9
  • Raha Novetavetaina ny Zanakao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Raha Novetavetaina ny Zanakao
  • Mifohaza!—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?
    Mifohaza!—2007
  • Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah Rehefa Misy Zava-dratsy Mitranga
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Mangidy ny Vokany na Tsy Misy Mahita Aza
    Mifohaza!—1991
  • Fisorohana ao An-tokantrano
    Mifohaza!—1994
Hijery Hafa
Mifohaza!—1994
g94 8/4 p. 9

Raha Novetavetaina ny Zanakao

MBA hampitsaharana ny fametavetana, dia tsy maintsy fantatrao ilay izy raha vao tsikaritrao. Ao amin’ny boky maro momba io foto-kevitra io, ireo manam-pahaizana manokana dia nitanisa am-polony maro amin’ireo famantarana manondro ny fametavetana, izay azon’ny ray aman-dreny tilina. Izany dia mahafaoka: fitarainana fanaintainana rehefa mivalan-drano na mivalana, fahararian’ny filahiana na fivaviana, fangirifiriana na ratra eo amin’ny faritry ny filahiana na fivaviana, ny fiantombohana tampoky ny fandemana am-pandriana, fahalainan-komana na zava-manahirana hafa momba ny fihinanana, fihetsika mifandray amin’ny lahy sy ny vavy aloha be, tahotra tampoka ny toerana toy ny sekoly na faritra ao an-trano, fe-potoana mampihendratrendratra, fahatahorana mafy ny hiala akanjo, fahatahorana ny hiaraka irery amin’olona mahazatra iray, ary fanimbana ny filahiana na fivavian’ny tena.

Aoka anefa ianao hitandrina mba tsy ho maika hanatsoaka hevitra. Ny ankamaroan’ireo famantarana ireo dia tsy voatery hidika amin’izao fotsiny fa tena novetavetaina tokoa ny ankizy iray. Mety hanondro zava-manahirana hafa ny tsirairay amin’ireo. Nefa raha mahatsikaritra famantarana mampiahiahy ianao, dia atombohy resahina amin-katsaram-panahy ilay foto-dresaka, angamba amin’ny filazana toy izao: “Raha sendra misy olona mikasika anao amin’ny fomba mahatonga anao tsy hahazo aina, dia tiako ho fantatrao fa azonao resahina amiko foana, ary hanao izay rehetra azoko atao aho mba hiarovana anao. Efa nisy zavatra toy izany ve nitranga taminao? ” — Ohabolana 20:5.

Raha mamboraka ny fametavetana azy ny zanakao, dia tsy isalasalana fa hahatsiaro tena ho toy ny novakim-baratra ianao. Tadidio anefa izao: Ny fihetsikao dia handray anjara lehibe eo amin’ny fahasitranan’ny zanakao. Mitondra enta-mavesatra tsy zaka ny zanakao ary mila anao, miaraka amin’ny tanjakao amin’ny maha-olon-dehibe, mba hanaisotra izany eo an-tsorony. Derao ilay ankizy noho izy nanana herim-po toy izany mba hilazana taminao izay nitranga. Omeo toky hatrany hatrany ilay ankizy fa hanao izay ezaka rehetra azonao atao ianao mba hanomezana azy fiarovana; fa an’ilay mpametaveta ny fahadisoana, fa tsy an’ilay ankizy; fa tsy “ratsy ” akory ilay ankizy; fa tianao ilay ankizy.

Ireo manam-pahaizana manokana sasany momba ny lalàna dia manoro hevitra ny hanaovana tatitra haingana araka izay azo atao momba ilay fametavetana any amin’ireo manam-pahefana. Any amin’ny tany sasany dia mety hitaky izany ny rafitra momba ny lalàna. Nefa any amin’ny toeran-kafa dia mety tsy hanome fanantenana firy ny amin’ny fahombiazan’ny fitoriana ny rafitra momba ny lalàna.

Ahoana anefa rehefa ny vady malalan’ny tena ihany ilay mpametaveta? Tena mampalahelo anefa fa vehivavy maro no tsy sahy manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra. Mazava ho azy fa tsy mora velively ny miatrika ny tena zava-misy mampivarahontsana momba ny vadin’ny tena izay mpametaveta ankizy. Ny fifamatorana ara-pihetseham-po, ary ny fiankinana ara-bola mihitsy aza, dia mety ho mafy aoka izany. Mety hahita koa ilay vady nasian-dratsy fa ny fanaovan-javatra dia mety hamoizan’ny vadiny ny fianakaviany sy ny asany ary ny lazany.a Ny tena fahamarinana anefa dia ny hoe mety hijinja izay nafafiny fotsiny izy amin’izay. (Galatiana 6:7). Ireo ankizy tsy manan-tsiny, etsy an-danin’izany, dia azo inoana fa vao mainka hahita fahavoazana raha tsy inoan-teny sady tsy arovana. Tandindomin-doza ny hoaviny manontolo. Tsy mba manana hery hoenti-miady toy ny ananan’ny olon-dehibe izy. Ny fikorontanana anaty dia afaka ny hampahory azy ireo sy hamolavola azy amin’ny fomba ratsy hiatrika ny fiainana. Izy ireo no mila sy mendrika ny fitondrana amin-katsaram-panahy. — Ampitahao amin’ny Genesisy 33:13, 14.

Tsy maintsy manao ny fiezahana rehetra araka ny antoniny àry ny ray aman-dreny mba hiarovana ny zanak’izy ireo! Ray aman-dreny maro mahatsapa andraikitra no mifidy ny hitady fanampiana avy amin’ny olona efa za-draharaha, ho an’ny ankizy iray novetavetaina. Tsy misy hafa amin’ny ataonao rehefa manatona dokotera, dia ataovy azo antoka koa fa hanaja ny fomba fihevitrao ara-pivavahana ny olona efa za-draharaha toy izany.b Ampio ny zanakao hamerina indray amin’ny laoniny ny fahatsapany tena ho mendrika potika izao, amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavan-dray aman-dreny be dia be tsy tapaka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha ny marina, dia efa sahiran-tsaina sy mila fanampiana tokoa ilay mpanimba ankizy. Na dia milaza aza ilay nahavanon-doza fa malahelo, dia mety hihevitra kosa ilay vady nasian-dratsy hoe: Naninona izy no tsy niaiky heloka talohan’ny nampihariharian’ilay niharam-pahavoazana izay nataony?

b Ohatra, rehefa miatrika raharaha mahatafiditra fampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ataony azo antoka fa manaja ireo zavatra inoany ara-pivavahana ilay dokotera.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara