Fitahirizam-bokin’ny Watchtower — CD-ROM
Ny Fikambanana Watchtower dia nifidy mandrakariva ny hampiasa ireo fandrosoana eo amin’ny haitao mifanentana mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Tamin’ny lasa ny Fikambanana dia anisan’ireo voalohany nampiasa ny sary mihetsika miloko, ny fampifandraisana amin’ny radio, ary ireo grafofona azo batabataina, teo amin’ny fanambarana ny vaovao tsara. Izao ny Fikambanana Watchtower dia nanolotra ho an’ny besinimaro, amin’ny fiteny anglisy, ny Fitahirizam-bokin’ny Watchtower — Fanontana 1993. Azonay antoka fa ho fitaovana mahatalanjona ho amin’ny fianarana ny Baiboly sy ho amin’ny fikarohana izy io.
Tena fitahirizam-boky tokoa io fitaovana vao navoaka io. Izy io dia mirakitra ireo soratra, amin’ny endriny elektronika, ao amin’ny Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy), miaraka amin’ny volumes reliés isan-taonan’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) nanomboka tamin’ny 1950 ka hatramin’ny 1993 sy ny Mifohaza! (anglisy) nanomboka tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 1993, ireo boky roa firaketana momba ny Baiboly hoe Insight on the Scriptures, ary boky sy bokikely kely velarana sy be velarana ary taratasy mivalona maro hafa navoakan’ny Fikambanana Watchtower nanomboka tamin’ny 1970. Ho fanampin’izany, izy io dia mirakitra indeksa iray momba ireo zavatra vita an-tsoratra rehetran’ny Watchtower nanomboka tamin’ny 1930 ka hatramin’ny 1993.
Miaraka amin’izany base de données (fitambarana filazana voalamina mba hanaovana fikarohana haingana ao anatina ordinatera) lehibe izany, io CD-ROM (disque compact fampiasa amin’ny ordinatera) io dia manome koa programme fanaovana fikarohana mora ampiasaina izay hamela anao hitady teny iray, na teny nampiarahina, na teny nalaina tao amin’ny Soratra Masina, ao amin’izay mety ho zavatra vita an-tsoratra ao amin’ilay Fitahirizam-bokin’ny Watchtower. Afaka manokatra mivantana ao amin’izay mety ho zavatra vita an-tsoratra voafaritra tsara koa ianao, eo amin’ny toko na lahatsoratra na pejy sasany avy hatrany. Ireo vokatry ny fikarohana dia azo jerena eo amin’ny efi-jerin’ny ordinatera na azo adika ho soratra azo vakina mba hampiasaina ao amin’ny lahateny iray na ao amin’ny taratasy iray. Ilay programme koa dia manana lafiny iray fandaminan-javatra ho an’ireo zava-kendrena momba ny fianarana manokana sy ireo fandraisana an-tsoratra manokana ataonao.
Antenainay fa noho io fitaovana vaovao io, dia hisy olona maro kokoa ho afaka haharitra eo amin’ny fandinihana “ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana”, ka ho sambatra noho ny fanaovana izany. — Jakoba 1:25.
[Loharanon-kevitra]
Efajoro ihany ao amin’ny gE 22/4/1994, pejy 23