FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 17
  • Ny Fahaizan’ny Rémora Miraikitra Amin’ny Biby Hafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fahaizan’ny Rémora Miraikitra Amin’ny Biby Hafa
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitahirizam-bokin’ny Watchtower — CD-ROM
    Mifohaza!—1995
  • Ny Hoditry ny Antsantsa
    Mifohaza!—2010
  • Ny Hoditry ny Antsantsa
    Nisy Namorona Ve?
  • Ny Antsantsa Fotsy Lehibe — Iharam-panafihana
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 17
Ilay trondro atao hoe rémora, mandeha any anaty rano. Misy hoatran’ny zavatra somary boribory lavalava izay eo amin’ny lohany, ary afaka miraikitra amin’ny hoditry ny biby hafa izy io.

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Rémora Miraikitra Amin’ny Biby Hafa

Karazana trondro hafakely ny rémora. Mahavita miraikitra na mipetaka mafy be amin’ny biby hafa any anaty ranomasina izy. Tsy sahirana koa izy rehefa hiala eo amin’ilay biby, nefa tsy hoe mandratra an’ilay biby. Tena nahavariana ny mpikaroka io trondro io.

Diniho izao: Mahavita miraikitra amin’ny biby any an-dranomasina ny rémora, na malamalama na tsia ny hoditr’ilay biby. Anisan’izany ny fay, antsantsa, soka-dranomasina, ary ny trozona. Izay sakafo tsy lanin’ireny biby ireny na ny katsentsitra eny amin’ny vatan’izy ireny no ataon’ny rémora sakafo. Tsy voatery miezaka be izy rehefa mandeha any anaty ranomasina any satria ilay biby ipetahany no mitondra azy. Voaro amin’ny biby mpiremby koa izy amin’izany. Mandinika ny rémora izao ny mpikaroka satria tian-dry zareo ho fantatra hoe ahoana no ahavitan’io trondro io miraikitra moramora amin’ny zavatra isan-karazany, nefa sady afaka mamikitra tsara.

Rémora miaraka amin’ny antsantsa ngezabe

Misy hoatran’ny zavatra fisaka lavalava somary boribory izay eo ambony lohan’ny rémora. Matevina sy malefaka ny sisin’io zavatra io, dia afaka miraikitra mafy tsara eo amin’izay ipetahany ilay izy sady tsy mora miala. Ny eo afovoany indray misy zavatra kely be dia be milahadahatra, ary taolana kely mafy be no ao anatiny. Rehefa hipetaka amin’ny biby hafa ny rémora, dia mijoro mahitsy tsara ireo zavatra milahadahatra ireo, ary mifampikasokasoka amin’ny hoditr’ilay biby. Ireo taolana mafy be ao anatiny no manampy azy hifampikasoka tsara amin’ilay biby. Sady mahay mifampikasoka amin’ny hoditry ny biby hafa àry ny rémora no mahay miraikitra amin’izy ireny koa. Izay no mahatonga azy hipetaka tsara eo fa tsy ho votsotra mihitsy, na dia mandeha mafy be aza ilay biby na mivily tampoka.

Nampiaiky ny mpikaroka ilay zavatra eo ambony lohan’ny rémora, dia nanamboatra mitovitovy amin’io koa ry zareo. Somary boribory lavalava koa ny paozin’ilay izy, sady afaka miraikitra amin’ny zavatra isan-karazany. Nandraman-dry zareo naraikitra tamin’ny zavatra ilay izy. Rehefa nosintonina ilay izy avy eo, dia tsy nety niala mihitsy, na dia efa navesatra lavitra noho ny lanjany aza ny hery nampiasain’izy ireo hisintonana an’ilay izy.

Mety hahavitana fitaovana isan-karazany io zavatra nalaina tahaka avy amin’ny rémora io. Anisan’izany ny fitaovana apetaka amin’ny biby anaty ranomasina rehefa hanao fikarohana momba azy ireny, na fitaovana fikarohana momba ny any amin’ny farany ambanin’ny ranomasina. Eo koa ny fitaovana azo anantonana jiro na anantonana zavatra hafa any anaty rano, ohatra hoe any ambany tetezana na ambany sambo.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny fahaizan’ny rémora miraikitra amin’ny biby hafa, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara