Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Ahafahako Mitsahatra Tsy ho Tia Olona Iray?
“ROAPOLO taona aho, ary Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Kanefa dia nanomboka nampiaraka tamin’ny [tsy mpino iray] 28 taona aho. Tiako izy ary nino aho fa tia ahy izy. Tsy nahafantatra izany ny ray aman-dreniko, satria fantatro fa tsy ho nankasitraka izy ireo. Rehefa saron’izy ireo ilay izy, dia nalahelo sy tafintohina izy ireo. Tsy azon’izy ireo ny fomba nahafahako ho raiki-pitia tamin-dehilahy teo amin’izao tontolo izao.”
Izany no nosoratan’ny vehivavy tanora kristiana iray hantsointsika hoe Mirana.a Mampalahelo fa misy tanora maromaro nanjary tafiditra tao anatin’ny toe-javatra sarotra mitovy amin’izany — matimatim-pitia na miraiki-po amin’ny tsy mpino iray, dia olona izay tsy mitovy zavatra inoana sy fari-pitondran-tena kristiana amin’izy ireo. Nasehon’ilay lahatsoratra teo aloha amin’itỳ fitohitohizana itỳ fa ny fifandraisana toy izany dia tsy vitan’ny hoe tsy mampifaly an’Andriamanitra, fa fandrahonana lehibe ho an’ny fahasambarana sy izay mahasoa ny tena koa. Nanjary nahatakatra izany zava-misy izany ny tanora iray atao hoe Raivo. “Tena niraiki-pitia tamin’ny ankizilahy iray izay tsy mpino aho”, hoy ny fiekeny. “Takatro anefa fa raha ta hanana fifandraisana na inona na inona amin’i Jehovah aho, dia tsy maintsy nanapaka ny fifandraisako taminy.”
Raha Kristiana ianao, dia azo inoana fa azonao tononina an-kandrina ireo tenin’ny Baiboly ao amin’ny Jakoba 4:4 manao hoe: “Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” Rehefa raiki-pitia amin’ny tsy mpino iray anefa ianao, dia mety ho tsy mora ampiharina ireo teny ireo. Tsy azo lavina fa mety handresy anao ilay hevitra hoe hanapaka ilay fifandraisana. Mety hahatsiaro tena ho toy ny hoe rotidrotika anaty ianao. ‘Ahoana no ahafahako mitsahatra tsy ho tia olona iray?’, hoy ny mety ho fanontanianao.
Hoy ny apostoly Paoly indray mandeha: “Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako. Indrisy! olo-mahantra aho!” (Romana 7:22-24). Sahala amin’i Paoly, dia mety hanana ady mafy amin’ny fihetseham-ponao ianao. Kanefa dia nisy tanora kristiana maromaro naharesy tamin’io ady io ary ‘nosarihina avy tamin’ny afo’ izy ireo, raha azo atao ny milaza izany. (Ampitahao amin’ny Joda 23.) Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny famaranana ireo fifandraisana manimba talohan’ny nahavitana fanimbana tsy azo narenina.
Fahazoana fanampiana
I Mamy, ohatra, dia nampitombo izay antsoiny hoe “fahatsapana ho matimatim-pitia mafy” tamin’ny tsy mpino iray, fony izy vao 14 taona. Tsy nitady fanampiana izy, fa nanandrana nitana ny fihetseham-pony ho niafina kosa. Vao mainka anefa nihamafy kokoa ny fihetseham-pony tamin’ilay zazavavy. Tsy ela izy dia niantso azy an-telefaonina niafina. Rehefa mba nanomboka niantso an-telefaonina koa ilay zazavavy, dia tsy ela dia saron’ireo ray aman-dreniny izay nitranga.
Aza manao fahadisoana mitovy amin’izany ka hoe hanandrana handamina samy irery ilay zava-manahirana. Hoy ny Ohabolana 28:26: “Izay matoky ny fony dia adala; fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.” Ho tao anatin’io tarehin-javatra io tokoa ve ianao, hatramin’ny voalohany, raha tsy nisy fahasimbany tamin’ny fomba iray na tamin’ny hafa ny fahaizanao mitsara zavatra? Indraindray dia mandresy ny saina ny fihetseham-pontsika, ary mila ny fanampian’olona mahira-tsaina kokoa sy tsy miangatra kokoa isika. Azo inoana fa tsara toerana indrindra mba hanampiana anao ireo ray aman-dreninao, indrindra fa raha matahotra an’Andriamanitra izy ireo. Azo inoana fa mahafantatra anao tsara kokoa noho ny olon-kafa rehetra izy ireo. Efa mba tanora izy ireo taloha, ary azo ampiana izy mba hahatakatra izay manjo anao. Mampirisika toy izao i Solomona mpanoratra ny Baiboly, ao amin’ny Ohabolana 23:26: “Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalàko”. Nahoana raha manolotra ny fonao an’ireo ray aman-dreninao ka mamela azy ireo hahafantatra fa mila fanampiana ianao?
Nanao izany indrindra ny tanora iray atao hoe Jery. Teo am-piadiana mafy tamin’ny fihetseham-pony izy noho izy matimatim-pitia mafy tamin-jazavavy iray tany an-tsekoly. Hoy izy: “Farany aho dia nangataka fanampiana tamin’ireo ray aman-dreniko. Izany no fanalahidin’ny nandreseko ireo fihetseham-po ireo. Nanampy ahy betsaka izy ireo.” Noho izy nahazo ny fanohanana feno fitiavana avy tamin’ny ray aman-dreniny, dia nanome izao torohevitra izao i Jery: “Heveriko fa tsy tokony hisalasala hiresaka amin’ny ray aman-dreniny ireo tanora kristiana hafa. Mifampiresaha aminy. Hahatakatra ny hevitrareo izy.”
Tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, ny tanora iray antsoina hoe Andry dia nampiasa fomba ahazoana fanampiana mbola hafa iray. Hoy izy mikasika ny fivoriamben’ny fizaran-tany nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana natrehiny: “Nampisaintsaina ahy lalina ny lahateny iray. Ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nanome torohevitra mahery nanohitra ny fampitomboana fifandraisana amin’olona tsy lahy na tsy vavy toy ny tena ka tsy Kristiana. Fantatro fa tsy maintsy nanitsy avy hatrany ny fisainako aho.” Koa inona no nataony? Voalohany, dia niresaka tamin-dreniny izay nitaiza irery ny zanany izy, ka nandray soa tamin’ny torohevitra nomeny. Avy eo izy dia nanatona koa ny loholona iray tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana. Afaka nanome fanampiana nitohy ilay loholona. Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona dia afaka ny ho toy ny “fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra” ho an’ireo olona ory. (Isaia 32:2). Nahoana raha manatona ny iray amin’izy ireo, ary mamela azy hahafantatra izay manahiran-tsaina anao?
Ataovy tapaka tarangana
Rehefa saron’ny ray aman-drenin’i Mamy ny fifandraisany miafina, dia nanao zavatra avy hatrany izy ireo. “Tena tsy niolakolaka izy ireo niteny ahy mba hampitsahatra io fifandraisana io”, hoy i Mamy. “Feno fikomiana ny fihetsiko voalohany. Nifamaly mafy izahay, ary nihidy tao amin’ny efitranoko aho. Tsy ela anefa dia nieritreritra ny amin’ny tena tarehin-javatra aho, ary takatro fa nanana tanjona samy hafa ilay zazavavy sy ny tenako. Tsy handeha tsara ilay izy.” Eny, ny fisaintsainana ny amin’ny tena tarehin-javatra dia afaka manampy mba hampitony ny fihetseham-ponao. Manontania tena hoe: ‘Mitovy tanjona, sy zavatra inoana mafy ary fari-pitondran-tena amiko ve io olona io? Raha mivady izahay, moa ve io olona io hanohana ny fiezahako hanompo an’Andriamanitra? Moa ve io olona io mitovy hafanam-po amiko eo amin’ireo zavatra ara-panahy? Fifanarahana inona marina tokoa moa no mety hisy ao amin’ny fifandraisana toy izany?’ — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 6:14-18.
Tsy ho mora anefa ny fanapahana tarangana fifandraisana iray. Niaiky toy izao i Mirana voalaza tetsy am-piandohana: “Indroa aho no nanandrana nanapaka ilay fifandraisana, fa tsy nahomby. Tsy naniry ny hamela azy handeha tanteraka aho. Nanandrana nitory taminy aho, tamin’ny fanantenana fa hanaiky an’i Jehovah izy. Tonga tany amin’ny fivoriana ny alahady mihitsy aza izy indray mandeha. Kanefa dia tsy tena nahaliana azy ny amin’i Jehovah. Takatro fa ny lalana mety dia ny famelana azy handeha tanteraka.”
Izany dia mampahatsiaro antsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:30. Ao izy dia niresaka ny amin’ireo zavatra izay afaka nanakana ny fidiran’ny tena ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra — dia zavatra izay mety ho sarobidy toy ny tanana havanana. Na dia izany aza, dia nanoro hevitra toy izao i Jesosy: “Tapaho izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin’ny helo [mariky ny fandringana mandrakizay].” Mifanaraka amin’io fotopoto-pitsipika io, dia manatòna amin-kerim-po an’ilay olona naha-raiki-pitia anao, ary dia ‘lazao ny marina’. (Efesiana 4:25). Any amin’ny faritra be olona — fa tsy mitokana na ao anatin’ny tarehin-javatra iray mahatonga hifaneho fitiavana — dia ataovy fantany amin’ny fomba mazava tsara fa tapitra hatreo ilay fifandraisana. Izao no tsaroan’ny tanora iray atao hoe Seheno: “Ny nandaitra tamiko, dia ny fanaovako zavatra hentitra tsara. Tsy nisy fiaraha-nisakafo antoandro intsony. Tsy nisy fifampitadiavana intsony nandritra ireo heures creuses. Nataoko fantany mazava tsara ny toerana notanako.” Tsy niolakolaka toy izany koa ny zazavavy kristiana iray antsoina hoe Lalaina: “Tamin’ny farany aho dia nilaza taminy mba tsy hanadala ahy intsony, ary dia tsy niraharaha azy aho.”
Fahasitranan’ilay fanaintainana
Ho vokatry ny fisarahana toy izany dia mety hitovy fihetseham-po amin’ny mpanao salamo izay nilaza toy izao ianao: “Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho ary misaona mandrakariva.” (Salamo 38:6). Voajanahary tsotra izao ny fisian’ny fe-potoana alahelovana. Miaiky ny Baiboly fa misy “andro itomaniana”. (Mpitoriteny 3:4). Tsy voatery halahelo mandrakizay anefa ianao. Hihena ilay fanaintainana rehefa afaka kelikely. “Eny”, hoy ny fieken’i Mamy, “tena nandalo fe-potoana nalahelovana aho. Nahatsapa izany ny ray aman-dreniko ka nampitombo ny fiarahako tamin’ireo tanora kristiana hafa. Tena nanampy izany.” Niteny toy izao i Andry, izay nahatsiaro tena ho ketraka taorian’ny fisarahany: “Nanampy ireo loholona. Variana kokoa tamin’ny asa fitoriana koa aho, ary nanjary akaiky an’ireo rahalahy kristiana sasany izay nananako fifandraisana tsara.” Eny, aoka ianao ho revo amin’ireo asa ara-panahy. (1 Korintiana 15:58). Mety hanampy koa ny fanaovana asa ara-batana na fanazaran-tena sasany. Halaviro ny fitokanana irery. (Ohabolana 18:1). Tano amin-javatra mahafalifaly sy mampahery ny sainao. — Filipiana 4:8.
Tadidio koa fa hampifaly an’i Jehovah ny fijoroanao feno herim-po. Aza misalasala manatona azy amin’ny vavaka mba hangatahana fanampiana sy fanohanana. (Salamo 55:22; 65:2). “Nanao vavaka be dia be aho”, hoy i Seheno nahatsiaro. Tsia, tsy mora ny mamarana fifandraisana manimba iray. Niaiky toy izao i Seheno: “Na dia efa tapitra aza ilay izy, dia mieritreritra azy aho indraindray, ary manontany tena hoe inona no ataony. Kanefa dia mifikitra amin’ny fahatapahan-kevitrao ianao, amin’ny fahafantarana fa mampifaly an’i Jehovah.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ireo anarana.
[Sary, pejy 23]
Ataovy fantatr’ilay olona amin’ny fomba mazava tsara fa tapitra hatreo ilay fifandraisana